Inona no lavin'ny Kristiana?

1. Fody ( 29/11/2007 16:46)
Miverimberina foana moa ny hoe: ny kristiana dia manambony ny azy, ary manilika ny an'ny hafa. Misy tokoa ny kristiana manana an'io toe-tsaina io. Ka izay no antony nanokafana an'ity lohahevitra ity.

Ny tanjona eto dia ny hanazavana hoe: inona no tena fahavalon'ny finoana kristiana?

Ny Kristiana aloha dia tsy manana fahavalo (olona) na iza na iza.
Manaporofo izany ny firotsahany manasoa ny olon-drehetra tsy ankanavaka.

Ny kristiana koa dia tsy manilika velively ny finoan'ny hafa: izay no anton'ny dialogue iezahany atao ankehitriny (ho an'ny katolika io fa ny hafa tsy haiko). Ny tanjona amin'ny dialogue atao dia tsy hoe: hampanjakana ny kristianisma akory, na itadiavana ny marimaritra iraisana, fa ny hifampizarana ny soa sy ny tsara, ary ny hampitombona ny fifanajana.

Ary farany: Ny tena fahavalon'ny Kristianisme dia ny Fanompoan-tsampy: ao ny astrolatria, ny idolatria, ny zoolatria... Marihana fa tsy ny olona no fahavalony (na misy aza ny mandray azy ho fahavalo) fa ny fombany kosa.

Fomba fijeriko ireo fa ahoana ny fahitanao azy!
novalian'i fijo ny 05/12/2007 22:02
2. ikaretsaka ( 29/11/2007 17:12)
ny kristianina tsy maniditsidina fa miaina eto @ izao tontolo izao ny maha kristianina azy.
aminay manokana dia mijery sy mitady ny Endrik'A/tra amin'ny zavatra rehetra
3. ikaretsaka ( 29/11/2007 17:25)
ny tena fahavalony? ny tsy fi realizena ireo no lazaiko eo ambony ireo

Put this program into action, a thousand times:
(a) identify the negative feelings in you;
(b) understand that they are in you, not in the world, not in external reality;
(c) do not see them as an essential part of "I"; these things come and go;
(d) understand that when you change, everything changes


Ireo zavatra ireto no tokony ho ampiasaina raha kristianina:
1) Mijery sy mamantatra ireo zavatra heverinao fa ratsy sy "negatif" ao aminao
2) manaiky sy mahatsapa ary tonga saina fa tsy avy amin'izao tontolo izao ireo, tsy avy amin'ny revirevy fa avy aminao ihany
3)aza jerena sy eritreretina ho raikin-tampisaka @ vatanao sy ny maha ianao anao ireo. afaka miala sy mipetraka ireo
4) Ny fahatsapana hoe rehefa miova ianao , dia izao tontolo izao koa miova!

Ny fandavana ireo amiko no lavin'ny Kristianina
4. pissoa ( 29/11/2007 17:34)
dia inona ilay fahavalon'ny kristianina ?! :lol:

Miverimberina foana moa ny hoe: ny kristiana dia manambony ny azy, ary manilika ny an'ny hafa. Misy tokoa ny kristiana manana an'io toe-tsaina io. Ka izay no antony nanokafana an'ity lohahevitra ity.

Mety tsy tena azoko ny tian' i Fody ambara, na ilay zava-misy ... fa amiko manokana, heveriko fa tsy Kristianina aho - raha tsy mino sy manaiky fa Andriamanitra nandresy ny fahafatesana i Kristy. Ie - mariky ny Fahamboniany izany.
Heveriko fa tahatahaka izany koa ny tsy kristianina. Mino aho fa raha ny mahaKristianina no heverin'izy ireny hoe misy "fahamboniana" noho izay mahaliana azy amin'izao dia efa Kristianina koa izy. Saingy tsy izay no zava-misy. Misy zavatra hafa heveriny fa "marina" na "ambony" na "manam-pahefana" sns mihoatra noho Ilay Inoan'ny Kristianina ao. Anontanio ohatra i Fijo fa ny Kristianina aminy dia mpanonofy, ary ny Kristianina tsy mitovy hevitra aminy dia "tery saina" sy tsy mivoatra sns. Anontanio ny hafa fa ny vola amam-pahalalana ny azy no ambony kokoa sns.

Rehefa miady hevitra kosa nefa ... noho ny antony boooobaka be, dia tsy azo atao ny miteniteny hoe "ny anay marina", na hoe "ny anay ambony" sns na dia efa fantatra rehefa miady hevitra fa hevitry amam-pahalalan'ny tena ihany no avoaka fa tsy hoe didim-panjakana akory. :-D Rehefa mitory teny indray dia azo tenenina ka ! :-D:-D:-D


Ny kristiana koa dia tsy manilika velively ny finoan'ny hafa: izay no anton'ny dialogue iezahany atao ankehitriny (ho an'ny katolika io fa ny hafa tsy haiko). Ny tanjona amin'ny dialogue atao dia tsy hoe: hampanjakana ny kristianisma akory, na itadiavana ny marimaritra iraisana, fa ny hifampizarana ny soa sy ny tsara, ary ny hampitombona ny fifanajana.

Tsy tena azoko ny tian'i Fody lazaina amin'ny hoe tsy manilika velively ny finoan'ny hafa. Izaho manokana aloha, matoa Kristianina dia satria tsy silamo sns fa Kristianina. Ka mety manilika finoana hafa aho, fa tsy manilika kosa ny mpino ny finoana hafa (nuance). Mazava ho azy fa raha misy andalana 2 mitovy amin'ny inoako ilay finoana hafa dia tsy ahiliko ilay andalana 2 :-D
5. ikaretsaka ( 29/11/2007 17:44)
izay no antony tsy nidirako @ io fanazavana be an'i pissoa io fa misaotra ihany:-D
ngo de!
tsy azoko ny tena tiana lazaina.... ka lasa lavabe
6. rabilabila ( 29/11/2007 18:04)
Ny "ignorance",no fahavalon'ny olombelona na iza izy na iza .

Ny " arrogance",ny "mépris",ny "suffisance",.... no mahatonga ny olona manana fahavalo na iza izy na iza.

Ny "incompréhension" no miteraka ny disadisa ary mahatonga ny tsy fifandraisana.
7. ikaretsaka ( 29/11/2007 18:23)
merci rabilabila!
aza sdino fa olombelona koa ny kristianina... sao misy manadino an'io!

ny fijeriko dia : raha vao asiana "bornage" ilay tena dia mikatso eo @ io voalazanao io foana ry rabila a..
betsaka anefa no mi borne tena rehefa otrotr'izay... tsy haiko hoe inona ny antony..mandrak'izao!

Dia teo no nahalasa eritreritra ahy sy naha tonga saina ahy hoe raha te hanaraka an'i Jesoa (io no maha kristianina) dia miezaka mangala-tahaka ny nataony! (izay no nampianarina ahy aloha an..),
dia niezaka nijery iny nataon'ilay Jesoa aho (par concept fa tsy par tsimpona hoe hatreto ka hatreto ihany)..mba hamantarako Azy, sy hahafahako manaraka azy... dia hitako hoe hay nivelatra be ihany lery sy ireo nanaraka azy taloha.. ohatra hoe nivelatra t@ jentilisa, Samaritanina, .."outsiders" sns...

Nefa ankehitriny!

Raha te hitory teny ve ianao dia mi "ignorer" ny maha olombelona ilay olombelona torianao Teny?

tsy "Incoprehension" kosa angamba amiko ry rabila fa "refus de comprendre". . .
Satria olombelona afaka mi kopy ihany ny ankamaroanay fa maro be anefa tsy te hikopy..... Miserere nobis
8. Fody ( 29/11/2007 18:25)

Misaotra an'i pissoa nitondra fanazavana.

Izao àry: Ny tiana asongadina amin'io dia hoe: ny kristiana dia olon'ny fiaraha-monina sy olon'ny fifanakalozana. Ho an'ny olona rehetra izy, ary misokatra amin'ny olona rehetra, nefa tsy midika izay fa manaiky sy mandray izay hevitra rehetra avy amin'ny hafa izy, izay no anton'ilay fanontaniana hoe: inona no tena fahavalon'ny kristianisma?

Ny tsy fanilihana ny finoan'ny hafa, lazaina eto, dia hoe: ny fihainoana azy, ary ny fanekena fa misy zavatra tsara koa avy aminy. Ohatra na dia kristiana aza aho dia mamaky ny sangan'asan'i Sartre, Marx, Gandhi, sns... Izany akory tsy midika fa manaiky izay rehetra avy aminy aho, satria aho efa manana ny ahy, ka izay koa no anton'ilay fanontaniana hoe: inona no fahavalon'ny kristianisma?




9. ikaretsaka ( 29/11/2007 18:32)
pissoa> ny ahy izany "mitory teny " izany tena echange fa tsy hoe "aza ny ataoko ny atao fa izay lazaiko tanteraho":-D
10. pissoa ( 29/11/2007 18:33)
Fody : OK ! mazava fa misaotra ... dia mitovy hevitra amin'ilay fanazavana nahatonga ny fanontaniana ! :-D:-D:-D

Ika : nazavaiko mihitsy, amizay mba mora hita hoe tsy azoko ... dia mora hazavaina :-P:-D:-D:-D
11. ikaretsaka ( 29/11/2007 18:42)
Fody:



Izao àry: Ny tiana asongadina amin'io dia hoe: ny kristiana dia olon'ny fiaraha-monina sy olon'ny fifanakalozana. Ho an'ny olona rehetra izy, ary misokatra amin'ny olona rehetra, nefa tsy midika izay fa manaiky sy mandray izay hevitra rehetra avy amin'ny hafa izy, izay no anton'ilay fanontaniana hoe: inona no tena fahavalon'ny kristianisma?

dia io no nahatonga ahy niteny hoe ny Ignorance sy ny refus de comprendre... no tena fahavalo
betsaka ny mody soi disant hoe mivelatra misokatra... fa tsy mahalala sy tsy te hahalala afa tsy ny azy ihany, dia rehefa avy eo ... tsy fantany akory ny critiqueny

fody:
Ny tsy fanilihana ny finoan'ny hafa, lazaina eto, dia hoe: ny fihainoana azy, ary ny fanekena fa misy zavatra tsara koa avy aminy. Ohatra na dia kristiana aza aho dia mamaky ny sangan'asan'i Sartre, Marx, Gandhi, sns... Izany akory tsy midika fa manaiky izay rehetra avy aminy aho, satria aho efa manana ny ahy, ka izay koa no anton'ilay fanontaniana hoe: inona no fahavalon'ny kristianisma?



mampatsiaro ahy ilay tenin'i Md Augustin izay io teninao io..
hoy izy hoe :
Raha izay tianao sy mahafinaritra anao ihany no ekenao, fa izay tsy azoazonao sy hafahafa aminao dia lavinao.
Dia tsy ilay zavatra itompoanao teny fatratra fa inoanao intsony no inoanao..fa ny tenanao!



12. Fody ( 29/11/2007 19:28)
ny ahy izany "mitory teny " izany tena echange fa tsy hoe "aza ny ataoko ny atao fa izay lazaiko tanteraho

???
dia io no nahatonga ahy niteny hoe ny Ignorance sy ny refus de comprendre... no tena fahavalo
betsaka ny mody soi disant hoe mivelatra misokatra... fa tsy mahalala sy tsy te hahalala afa tsy ny azy ihany, dia rehefa avy eo ... tsy fantany akory ny critiqueny

Raha tsy nahalala tokoa aho, dia tsy nicritique anao. Aza adino anefa fa izay voasoratrao eto ihany no fantatry ny olona fa tsy afaka hanakatra izay any an-tsainao any izy.
Ka raha milaza ianao fa: tsy mivakl eritreritra amin'izay any an-danitra... Dia tsy misy afaka haminavina velively hoe ny tanjona ho azy dia ny lanitra e!
Fantaro fa raha zavatra tsy ivakina loha dia zavatra tsy misy dikany izany (izay no fahazoanay olona bado sy votsa saina azy). Ka raha zavatra tsy misy dikany ve hatao tanjona?
Ary mbola nampianao indray moa hoe: rehefa maty aho vao mieritreritra sy mahita azy... Dia hoy aho hoe mbola kristiana ve izany? Tsy izay ve ilay hoe: dokotera après la mort

Ataoko fa mazava!

Misaotra.

13. ikaretsaka ( 29/11/2007 20:09)
Ity no tiako lazaina @ io nataonao baraingo io!

...raha izaho no asainao mitoriteny dia tsyhoe andriamanitra mpanasazy na hoe mibebaha no voiziko voalohany fa ny fitiavan'Andriamanitra antsika amin'ny mahaolombelona antsika : zany hoe ny fanovany ny fiainantsika hisy zavatra positive eo anivontsika, ny fampaherezana antsika amin'ny fiainan-tsarotra, ny fahatsapana fa tiany isaka na manana kilema aza saingy afaka mila tanteraka izany kilema izany raha manana ny Fanahin'Andriamanitra ianao ka mandray azy ao am-po. Dia izy olonamandray an'Andriamanitra no mahalala ny otany rehefa avy eo dia miezaka mibebaka fa tsy izaho mihitsy ny hanizingizina aminy vao manomboka ny toriteny hoe : isika dia mpanota, io otanao io antony nahatonga na'Andriamanitra nandefa ny zanany sns....


Ka rehefa maheno ny positive outcomes ny fandraisana an'Andriamanitra izy dia manontany izy hoe ahoana ny fomba hamojeko sy handraisako an'Andriamanitra satria toa mahalina sy tsara izy izany dia eo amin'izay ianao manome ny hoe:
-Tiavo amin'ny fonao iray manontolo Andriamanitra
-Atokano aminy ny fanahinao sy ny vatanao ary ny asa ataonao; ampiseho amin'ny alalan'ny fitondran-tena sy asasoa ary fihetsiak mendrika ny zavatra ataonao rehetra.
- Tsinjovy ny namanao zany hoe ny hafa ary toroy ny lalana mahitsy izy sns
-Miala amin'ny ota mety manasaraka antsika amin'ilay Ray.

Efa any amin'ny farany ilay olona vao mety hanontany hoe inona avy kay izany ny ota mety ananako tokony hanaovako tena mba hampadio ahy dia eo ianao mi-list ny zavatra mety tazanao mila fiovanana any aminy. Dia aleo izy handin-tena fa tsy hoe io fahotany io no asesinao voalohany aminy fa amiko tsy truthful ny zavatra tenenina amin'izany fa ampitahorona ny olona hanantona an'Andriamaniatra ka hoe AFOBE ny hiafaranao sns mampitahotra ao anaty baiboly ao.

Bref, tsy mandiso ny fombanao aho fa samy manana ny fomba hampitainy ny tenin'Andriamanitra isika fa ny hany tsy mampitovy angamba dia ny anao ao anaty baiboly daholo ny Ref, fa ny ahy tsy dia mila baiboly loatra matetika fa ny fiainana andavanandro no entiko manomboka azy izay vao mirona mankany amin'ny baiboly na boky masina hafa arakarak'izay ahitako ny fahamarinana miteny amiko eo sy mifanaraka amin'ny hevitra eo.

Ny zavadehibe dia tokony hijery izy fa tsy vitan'ny vatana ny fiainana fa misy ny Fanahy ary io Fanahy io no mahaolombelona anao sy hitovizanao amin'Andrimanitra izy nanamboatra anao.

Raha manontany izy hoe aiza no tokony hivavaka dia hiteny aho hoe aiza ny tianao fa ny zavadehibe dia mifandray amin'ilay ao anatinao ianao ary tokony hita taratra ety ivelany izany hatsarana ao anatinao izany. Ka n'aiza n'aiza efa fantatrao ny hafatra fa Fitiavana an'Andriamanitra sy ny hafa sns tsy voatanisako eto intsony. Tsara anefa ny mandray matetika sy maheno matetika izany teny mahasoa izany.

Io ny finoako ary io no ho voiziko hatramin'ny farany.


mombva ilay point faharoa.. nga nataoko ho anao hovaliana io?


Ka raha milaza ianao fa: tsy mivakl eritreritra amin'izay any (AMBADIKY)an-danitra... Dia tsy misy afaka haminavina velively hoe ny tanjona ho azy dia ny lanitra e!

afaka ka.. ary betsaka mihitsy! ary anisany aho
jereo fotsiny ireo ohatra bedebe nomeko anao momba ireo mompera mpanoratra ireo, ny zavatra nolazain'izy rehetra voalohany indrindra dia ny hahatongavana eo @ varavaran'ny lanitra aloha (Eny na Ignace sy i Xavier aza.. fa tsy maminavina sahady ny hoe misy inona any!

Ny eo ambavahady aloha no atao izay ahatongavana eo... fa tsy vao ety andalana de hidedadedaka hamisavisa izao zava maniry any sahady!

Ianao ve mba manao video game ka nisantatra nanadrana game mbola tsy nataonao? fantatrao sy hazavainy hoe izao no tanjona fa tsy fantatrao hoe rehefa vita io tanjona de inona no zavatra hiseho @ ecran... fa izany tsy fahafantaranao ny zavatra hiseho izany akory tsy nahasakana ny fanantenanao ny hahavita ilay game!

ohatra hafa koa! Jereo fotsiny ireny olona rehetra nanana tanjona ireny e: nankany @ volana, nankany @ mars.. nga ireny namisavisa hoe ohatran' izao ny vovoka any na ahoana ny endriky tany raha jerena avy any? ny nahatongavany tany aloha no nataony tanjona voalohany!.. tany izy vao niteny sy nijery hoe ohatran'izao ny aty!
Nisy fanantenana foana t@ ireny, na tsy fantany aza ny tany ambadika tany.. dia tonga izy ny niafarany!
14. fijo ( 29/11/2007 22:53)
voalaza tery ambony fa ny kristianina dia tsy manilika velively ny finoan'ny hafa.

io dia mampahatsiahy ahy ny silamo,rehefa miteny ry zareo hoe "izahy dia tia fandeferana".

resaka fotsiny io fa tsy ampiarinareo.

ary tenenina ery ambany indray hoe:"Ny tena fahavalon'ny Kristianisme dia ny Fanompoan-tsampy"

hoadray,eo milaza fa tsy manilika ny finoan'ny hafa,eto milaza fa ny tena fahavalo dia???ngaha tsy finoana io manompo sampy io????sa inona no atao hoe finoana?????
15. fijo ( 29/11/2007 22:56)
ary ampiako hoe ny kristianina dia manambony tena fatratra.raha tsy izany ve hisy ilay fitenenana hoe:"c'est pas tres catholique"
16. cutie ( 29/11/2007 22:59)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 29-11-2007 23:56:07
Lohateny : Re : Inona no lavin'ny Kristiana?
ary ampiako hoe ny kristianina dia manambony tena fatratra.raha tsy izany ve hisy ilay fitenenana hoe:"c'est pas tres catholique"

sura wa =))=))=))=))=))
17. fijo ( 29/11/2007 23:01)
ahoana hoy ndry ko,ilaozana mikanikany fotsiny
18. soanja ( 30/11/2007 01:09)
Amiko ny tena lavin'i Kristianina ka tsy hahaKrsitianina sanatria azy dia ny Fitiavan-tena tafahoatra ka hanimbanao ny mahaolona anao sy ny hafa.
19. cutie ( 30/11/2007 02:03)
fijo
mbola tsy afaka mamaky le size fa ze farany teo ihany no nojereko e :oops:
20. ikaretsaka ( 30/11/2007 04:13)
fijo:

ary ampiako hoe ny kristianina dia manambony tena fatratra.raha tsy izany ve hisy ilay fitenenana hoe:"c'est pas tres catholique"

rehefa tres catholique manko dia tsy mety fa manjary lasa complexe ny sasany de mba nasiana negation kely;-)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1743