Ianao zazalahy iny e!
Mba modia
Marary ny ainao,
vadinao mahia
Na soa ny lamako,
mba jereo ny an-trano.
Na soa ny donia,
sao ianao mania.
Hajao vadinao,
sao hanenina.
Jereo zanakao
mipenina.
Tsy soa 'ty nanjo
ty olo-momba ô!
Fiainana ity tsy hay
Sao ianao dobo ô!
Ianao zazalahy iny e!
mandiniha.
Nahazo karama,
dia niriaria.
Na soa ny lamako
mba jereo ny an-trano
Na soa ny donia
...............
Ianao zazalahy iny e!
mamo lava
Hariva ny andro,
ianao mitabataba.
Na soa ny lamako
.............