paralysie faciale (indrindra ho an'ireo mahalala azy)

1. xxx ( 28/11/2007 15:29)
mba ombay mitady, tena mila fanampiana fa mijaly
efa nanao kiné, fanafody marobe, fa mbola miverina foana ity aretiko ity
mba mangataka amin'ireo izay mahafantatra hoe inona no mety ahafaka azy tanteraka, fa tena mampitondra takaitra
misaotra tompoko
novalian'i xxx ny 01/12/2007 09:21
2. niryna ( 29/11/2007 06:17)
xxx:

mba ombay mitady, tena mila fanampiana fa mijaly
efa nanao kiné, fanafody marobe, fa mbola miverina foana ity aretiko ity
mba mangataka amin'ireo izay mahafantatra hoe inona no mety ahafaka azy tanteraka, fa tena mampitondra takaitra
misaotra tompoko

Afaka mba azavanao be be kokoa ve ilay izy?
3. xxx ( 29/11/2007 07:12)
Izay antony nanasiako an'io entre parenthèses io.
Izany hoe tianao fantatra ilay izy dia omeko fahafaham-po enao.
Aretina mampijaly izy ity. Aretina hita ety ivelany. Indrindra eto amin'ny tarehy mitsy. Izay no mahatonga an'ilay hoe "faciale". Paralysie ana_tarehy izy ity. Tsy mihetsika ny handrina, sy ny ilan'ny tarehy. Marihiko fa tsy ara-medikaly no hanazavako azy fa izay hany fantatro sy izay izay mihatra amiko a. Rehefa paralysé ary ny ilan'iny tarehy iny (mety ho havia, mety ho havanana) ny iray amin'ireo ihany.
De lasa mahazo vahana ilay ilany tsy paralysé de lasa manana "aspect" mivilana ilay tarehy. Ny maso ao amin'ny ilany marary a, lasa tsy mikipy amin'ny maha_paralysé azy. Na rehefa matory aza.
Ireo voatanisako ery ambony ireo ny voalaza ho fanafodiny fa tsy tena mahasitrana azy tanteraka. Manajanona takaitra ilay izy. Hita taratra eny fa misy olana ny tarehy.
raha vao tsy tsaboina izy dia tena mihaloza, marary manaintaina mitsy ny lela hatramin'ny tenda any.
Ny mahatonga azy fantatro sy voalzan'ny document sasany hitako sy ny dokotera:
_ hatsiaka (nerfs no marary)
_ olona nisy "tumeur" (aretina saika hivadika cancer)
_ olona nisy "otite" tsy voatsabo tsara
_ olona diabétique
_ tsy fahampiana calcium,vitamine, magnésium ... (carence)
...
Izay aloha no azoko ambara fa raha mbola misy fanontaniana dia vonona hamaly ny tenako raha mbola azoko atao.
Misaotra
4. booboo ( 29/11/2007 08:08)
euh...dia tsy notenenin'i dokotera anao ve hoe inona @ ilay antony booooooooooooooooooobaka beeeee no nahatonga ny paralysie faciale-nao ? sy ny hoe nerfs na lalan-drà tahaka ny ahoana no voa ? ary ny hoe mbola mety hiverina " salama " ilay nerfs na tsy haiko gli ?

bôny korazy klou na izany aza...
5. soanja ( 29/11/2007 15:01)
xxx:

Izay antony nanasiako an'io entre parenthèses io.
Izany hoe tianao fantatra ilay izy dia omeko fahafaham-po enao.
Aretina mampijaly izy ity. Aretina hita ety ivelany. Indrindra eto amin'ny tarehy mitsy. Izay no mahatonga an'ilay hoe "faciale". Paralysie ana_tarehy izy ity. Tsy mihetsika ny handrina, sy ny ilan'ny tarehy. Marihiko fa tsy ara-medikaly no hanazavako azy fa izay hany fantatro sy izay izay mihatra amiko a. Rehefa paralysé ary ny ilan'iny tarehy iny (mety ho havia, mety ho havanana) ny iray amin'ireo ihany.
De lasa mahazo vahana ilay ilany tsy paralysé de lasa manana "aspect" mivilana ilay tarehy. Ny maso ao amin'ny ilany marary a, lasa tsy mikipy amin'ny maha_paralysé azy. Na rehefa matory aza.
Ireo voatanisako ery ambony ireo ny voalaza ho fanafodiny fa tsy tena mahasitrana azy tanteraka. Manajanona takaitra ilay izy. Hita taratra eny fa misy olana ny tarehy.
raha vao tsy tsaboina izy dia tena mihaloza, marary manaintaina mitsy ny lela hatramin'ny tenda any.
Ny mahatonga azy fantatro sy voalzan'ny document sasany hitako sy ny dokotera:
_ hatsiaka (nerfs no marary)
_ olona nisy "tumeur" (aretina saika hivadika cancer)
_ olona nisy "otite" tsy voatsabo tsara
_ olona diabétique
_ tsy fahampiana calcium,vitamine, magnésium ... (carence)
...
Izay aloha no azoko ambara fa raha mbola misy fanontaniana dia vonona hamaly ny tenako raha mbola azoko atao.
Misaotra

Resaka farasisa no mahatonga an'io matetika ary tsy misy fanafana akory io satria ilay aretina dia miverina mitoetra any anaty taolana any ary rehefa miakatra ny stress na araka izay voalazanao izay hoe tsy ampy ny otrikaina ka reraka ny vatana dia miverina miseho ilay izy.
Misy fanafody anefa manalefaka na miezaka mampitony azy tsy hiseho ary io no tsara itondrana azy any amin'ny dokotera mba hanoratany anao ilay fanafody.
Aza manambe. Tsy manao vizaka na miasa saina loatra no fanafody azo atao ankoatr'izay ary misakafo tsara ara-pahasalamana.

6. miraymel ( 29/11/2007 15:28)
booboo
Notenin'i dokotera ny ana, ka sady tumeur no otite, no carence no nahatonga ny aretiko.
Fa tsy izay tsony no tiko ho fantatra fa ny mety hahalala ny ahafahany tanteraka.
7. miraymel ( 29/11/2007 15:40)
za ko nisy taloha ry xxx fa nasiana tsindrona volamena de sitrana tanteraka, io no hitako, mahereza
8. miraymel ( 29/11/2007 15:42)
Izany hoe afaka noho ny taloha izy rehefa tsindromina fa tsy afaka tena tanteraka
9. xxx ( 29/11/2007 15:46)
misaotra an'i soanja sy miraymel
Fa hono oa, inona ilay farasisa, dia inona no mahatonga azy?
Ny loza amin'izy ity koa dia tsy afaka manao régime amincissant mitsy fa de marary vao miezaka.
Fa hatramin'izao dia mbola tsy fantatro, mialatsiny amin'i soanja (hainga anie enao hi_comprendre ahy).
Fa mbola manantena foana ny tenako indray andro na misy chirurgie atao aza na tsy haiko. Hoe ho sitrana tanteraka tsy hisy takaitra intsony.
10. xxx ( 29/11/2007 15:50)
ny ahy ry booboo a
otran'ny héréditaire, tsy fantatro fa mamanay narary dia za koa, fa ireo no nolazain'ny dokotera fa tsy misy précision ny azy hoe inona
misaotra
11. booboo ( 29/11/2007 16:09)
Miraymel/xxx ( oul iray ihany ve nareo :roll:) > araka² zay fomba nitsaboana an'ilay nerfs voa tao ihany no ahafaka an'io tanteraka na tsia...dia ny farasisa efa tonga any @ taolana zany mst efa gravy beeeeeeeeeeeeee tsy voatsabo mialoha :roll:
12. soanja ( 29/11/2007 16:45)
xxx:

misaotra an'i soanja sy miraymel
Fa hono oa, inona ilay farasisa, dia inona no mahatonga azy?
Ny loza amin'izy ity koa dia tsy afaka manao régime amincissant mitsy fa de marary vao miezaka.
Fa hatramin'izao dia mbola tsy fantatro, mialatsiny amin'i soanja (hainga anie enao hi_comprendre ahy).
Fa mbola manantena foana ny tenako indray andro na misy chirurgie atao aza na tsy haiko. Hoe ho sitrana tanteraka tsy hisy takaitra intsony.

Raha tsy mahita azy akaiky ny masoko sarotra be ny hilaza hoe inona tokoa ny manjo anao saingy amin'ny fanazavanao dia ahitako taratra fa mety ilay antsoina hoe "Herpes Zoster" na shingles amin'ny teny anglisy, no mahazo anao.
Io dia kitrotro ihany na chicken pox taloha ka tsy sitrana tsara le izy taloha dia lasa niafina any anaty taolana ary ny nerfs no asiany rehefa lehibe ilay olona. Indraindray mitranga eny amin'ny kibo ilay izy ary maharary tokoa satria toa mony de nefa mihamarary sy maintaina.
Tsy mitranga anefa ilay izy raha tsy hoe mihena ny ummune system-nao zany hoe misy olana ny anticorps ka io de vokatry ny otrikaina tsy ampy na arerahana be loatra na sign fa mety misy cancer na HIV na avy natao operation ianao dia mbola vulnerable daholo ny selafotsy rehetra.
Mila mamonjy dokotera ihany no fanafody saingy azo atao koa anefa mijery fanafody gasy na tapakazo. Ny karazan-kazo mandravasarotra dia isan'ny mahasitrana aretina be dia be tokoa. Anontanio ny mpivarotra tapakazo na mankanesa amin'ireny raokandro malagasy ireny sao afaka manampy anao ry zareo.
Ny aretina aloha mety tsy sitrana mihitsy saingy rehefa tony ny vatanao ka ampy ny sela miady amin'ny otrikaretina dia tsy hivoaka io fa hiafina any foana. Io zany no tena tadiavo hevitra hampiakatra azy. Raha misy mangusteen na mangostans any dia manampy amin'ny fiakaran'ny antioxydants , ka sotroy ny jus n'io isa-maraina raha possible. Roa ny sotrokely. Tsy asiana siramamy fa izy pure iny.

Izay fa manorata foana raha mbola misy olana fa ny fanafody any amin'ny dokotera ihany no afaka manalefaka an'io. Mbola tsy mahalala ny resaka accumpucture loatra aho koa mety handaitra tokoa angamba io lazain'i namana ambony io.
Mahereza hatrany!

13. xxx ( 30/11/2007 06:55)
Soanja, ianao ve dokotera? hozy ny raiamandreniko hoe hatramin'izao hono za mbola tsy voan'ny kotrotro hatramin'izay toy ny zaza rehetra! tao amin'ny kiboko tao nisy zavatra ngeza be nodidina. Inona kay izany mangostans. Inona ilay accumpucture?
Misaotra indrindra, tena mankasitraka.
14. niryna ( 30/11/2007 07:16)
Mampalahelo izany mahazo anao izany ary araky ny tenenin'ny dokotera dia ireo efa voalazanao ireo no antony.Ny nerve ao amin'ny takolaka mihitsy no misy voa ary mahazo ny maso sy ny ambony rehetra.Eo amin'ny 400000 eo hono ny olona no voa an'io isan-taona.
Nahita olona iray izay aho ary tsy adinoko mihitsy koa fa ny azy indray nifoha vao maraina izy dia nanasa tarehy tamin'ny rano mangatsiaka be ary dia nivadika nivilana ny vavany.Mbola nafana izany ny vatana dia notsenain'ilay rano mangatsiaka.Fantatro ilay izy dia fadiko hatramin'izao ny tonga dia manasa tarehy amin'ny rano mangatsiaka be. Tsy misy fanafany ilay izy fa ny fanafody mba tsy hampatonga azy hivonto na hanakotsako no mila arahina ny tenin'ny dokotera.Misy fanafody rano maso koa izay mila hosorana ny masonao ,anontanio ny dokotera satria misy fiantraikany any amin'ny maso ilay izy sy ny fisainana. Aza kivy na somary lavidavitra kely ihany aza ny ezaka.Raha misy fanaovana Cat scan na MRI dia manaova mba ahitana hoe aiza no voa.Misy ny zaza efa any ambohaka no voa ary tonga hatrany amin'ny tanany.
http://www.neonet.ch/assets/images/cotm/December_2005_Fig_4.jpg

Raha mahazo teny anglisy hianao dia vakio io .
http://images.google.com/imgres?imgurl=http://www.neonet.ch/assets/images/cotm/December_2005_Fig_4.jpg&imgrefurl=http://www.neonet.ch/en/03_Case_of_the_month/archive/06_central_nervous_system/2005_12.asp&h=477&w=390&sz=44&hl=en&start=3&tbnid=tMwYp5x0kZegiM:&tbnh=129&tbnw=105&prev=/images%3Fq%3Dfacial%2Bparalysis%26gbv%3D2%26svnum%3D10%26hl%3Den%26client%3Dfirefox-a%26rls%3Dorg.mozilla:en-US:official%26sa%3DG
Ny an'ilay zazakely io aza hatrany amin'ny tanany mihitsy no voa hatrany ambohaka.
15. niryna ( 30/11/2007 07:26)
niryna:

naveriko eto ilay izy ka vereno klikena ilay web
16. xxx ( 30/11/2007 08:42)
Mampalahelo loatra ilay zazakely, efa henoko hoe misy hatrany am_bohoka ity aretina ity.
Fa "héréditaire" ve ry reto?
Ny zanako koa ve mety ho voa satria za voa?
Fa ny ahy aloha tsy tena gravy be otran'izao fa ilay "séquelle" napetrany no tena manorisory.
Rehefa miverina izy, (rehefa reraka aho) dia tsy tena manao otran'io zazakely io fa hita ihany hoe sahirana rehefa misotro rano, misakafo, miteny, miborosy nify, tsy mahazaka hazavana ny maso...
Fa ny tarehy ety ivelany herinandro ihany angamba dia miverina amin'ny laoniny!
Hono oa! inona kay no tena antony hanaovana ilay Cat scan? Raha hita hoe aiza no voa dia azo tsaboina ve?
Sa tsy azoko?
17. miraymel ( 30/11/2007 08:43)
Soanja:
Hitako ilay mangoustan, io voankazo io ve?
Nefa inona ny anaran'izy io amin'ny teny gasy?
18. xxx ( 30/11/2007 09:02)
Voankazo ve, ny ahy indray taoka no hitako.
19. booboo ( 30/11/2007 11:04)
xxx > tsy azoko, fa enao zany mbola tsy nijery doko mihitsy hoe aiza ny nerfs voa mahatonga ny anao sa enao ihany ilay hoe otite sy tumeur ary carrence no nahatonga ilay izy ? efa hoe araka² ny nerfs voa sy ny fomba nitsaboana iny nerfs voa iny no hampiverina tanteraka ny fihetsiky ny hozatra aby aby @ tarehy na tsia. Dia manatona dokotera f'aza mionona fotsiny @ zany hoe " ohatra héréditaire " zany !!! 8-)8-). Ny an'ny dada sy mamako samy nanao avc zareo dia efa taty aoriana beee vao nijery dokotera vao fantatra ny nahatonga ny paralysie faciale an-dry zareo ...sao hanefa mbaka ny aina eo raha tsy voatsabo malaky ê !

Miraymel > tsy azoko kounkou, raha fantatra ny nahatonga ny anao hoe otite sy tumeur ary carrence, dia tsy natoron'ny dokotera anao ve hoe raha zao sy zao ny fitsaboana azy ( nodidiana enao sa tsia ? ) dia zao sy zao ny exercices tsara atao ? re-re-re-re-araka² ny fahavoazan'ny nerfs ny hampiverina tanteraka na tsia an'io. re-re-re-avereno anontaniana ny doko-nao ny @ exercices tokony atao hampizarina ny hozatra hiverina toy ny taloha ( mitsako silogôma matetika ve, sa ilay akombona sy avotsotra ny tanana sa inona ) ....
20. xxx ( 30/11/2007 13:15)
booboo:
Marihiko fa izay sy miraymel olona roa samihafa. Efa nijery dokotera oa za. Tsy misy resaka hijery izany intsony hoe aiza ny nerfs voa. Fa ireo voalaza eo ambony rehetra ireo no mety nahatonga azy. Na dia ny iray amin'ireo fotsiny aza.
Tsy ny nahatonga azy sy ny toerana marary tsony no olana satria mitovy ihany ny fitsaboana. Fa ny hitsaboana azy "en général".
Tsy hoe fantatra ny nerf marary dia misy azo atao.
Ny traitement_ako efa be dia be tamin'ny resaka kiné sy fanafody tsotra.
Ka ny angatahiko amin'izao fotoana, ireo fitsaboana mety mbola tsy fantatro, rehefa mbola mety hahasitrana ahy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.332