paralysie faciale (indrindra ho an'ireo mahalala azy)

21. soanja ( 30/11/2007 15:16)
xxx:

Soanja, ianao ve dokotera? hozy ny raiamandreniko hoe hatramin'izao hono za mbola tsy voan'ny kotrotro hatramin'izay toy ny zaza rehetra! tao amin'ny kiboko tao nisy zavatra ngeza be nodidina. Inona kay izany mangostans. Inona ilay accumpucture?
Misaotra indrindra, tena mankasitraka.



xxx. azafady fa disodiso be daholo ny zavatra soratako fa maika loatra aho refa mandalo eto.
Acupuncture dia fitsaboana avy any Antsinanana na ny sinoa no tena mpanao azy ary tsindrona volamena no ampiasainy amin'izany. Misy koa ny mampiasa ny acupressure izay tsy tsindrona fa ny tsindrina ny points amin'ny vatana dia manasitrana koa. Mahasalama tokoa ireo saingy tsy tena mahalala an'io aho sady tsy nianatra an'zany ka aleo manantona any Mahitsy mijery sao mahay ny fanafodin'io aretinao io tokoa ry zareo mba tsy hiverenany intsony.
Ie mangoustan ilay izy ary izay ihany no anarany ka. Misy an'io voankazo io any Mada fa faritra vitsivisty. Fikarohana vao hita ny fampiasana ny ranon'io voankazo io ka manasitrana na misoroka tokoa aretina isan-karazany satria manampy amin'ny fampiakarana ny immune system ao amin'ny vatana sy mampanome hery. Ny yoga koa dia isan'ny manampy amin'ny fitoniana saingy tsy ilay yoga any Mada fa hafa mihitsy.
Tsy dokotera mpitsabo any amin'ny hopitaly akory aho fa mikarakara- fanabeazana ny fahasalamana amin'ny ankapobeny ho an'ny vehivavy sy ny ankizy, indrindra ho an'ireo izay tsy tia mandeha dokotera vazaha fa mampiasa ny zavatra takianao ilay hoe hitsaboana en general (wholeness and well-being) vatana sy saina ary fanahy mitambatra miara-jerena avokoa. Matetika ireo tsy mifandanja no mahatonga ny aretina. Dia ny fisorohana an'io tsy fifandanjana io no nianarako.

22. xxx ( 30/11/2007 15:44)
Misaotra Soanja a! fa raha toa hono ny tsindrona volamena tsy any amin'izy (ny tiako tenenina hoe any amin'ny tsy tokony tsindromina no voatsindrona dia tena marary be pire noho ny teo sady tsy miverina intsony "tsy mety sitrana tsony"). Tsy haiko na fampitahorana izy io na marina.
Misy indray no milaza hoe sitrana fa raha sendra miverina ilay aretina dia iny vao tena tsy misy fanafana tsony, mampatahotra be.
Hany ka tsy nieritreritra ny hitady an'ilay any Mahitsy mitsy aho.
Inona kay ilay yoga teneninao? mety hahasitrana na hanampy ahy ve izany?
Misaotra
23. soanja ( 30/11/2007 17:12)
Ok mazava tsara ny tahotrao ka saingy miampy finoana tokoa ny fahasitranana resaka acu io na hafa koa raha matahotra ianao dia aza mankany tokoa fa vao maika manasarotra azy.

Ny yoga dia karazana sport fampatoniana saina sy vatana ary fanahy. Meditation nefa koa misy posture arahina dia mampalefaka ny hozatra sy mampahery ny taolana ary manome hery vaovao anao. Tsy iadivana mantsy ny aretina fa atao izay hifandaminana ao anaty dia iny no miteraka firindran'ny rehetra. Izany hoe refa manao an'io yoga io ianao dia sady koa mampifandraika azy amin'ny sakafo sy ny fivavahana dia miadana ny fahasitranana saingy mafonja kokoa. Satria ny fototra mihitsy no atao izay hampatanjaka sy hampisy lanja azy. Mahafaly ahy ny hanampy anao amin'izany.

Manorata any amiko mail soanja fa afaka mifandray any isika momba izany. Aza manahy fa tsy hampiditra fivavahana vaovao na sekta ho anao akory aho sanatria fa hanome anao fotsiny ny fomba fampiasana izay efa hinoana miaraka amin'ny fanomezana lanja ny vatana any anaty sy ivelany. Bizz:-*:-*:-*
novalian'i rata88 ny 30/06/2012 09:17
24. miraymel ( 01/12/2007 06:03)
ok soanja, nitsidika kely fotsiny aho androany fa @ lundi za manoratra, merci encore
25. niryna ( 01/12/2007 06:38)
xxx:

Mampalahelo loatra ilay zazakely, efa henoko hoe misy hatrany am_bohoka ity aretina ity.
Fa "héréditaire" ve ry reto?
Ny zanako koa ve mety ho voa satria za voa?
Fa ny ahy aloha tsy tena gravy be otran'izao fa ilay "séquelle" napetrany no tena manorisory.
Rehefa miverina izy, (rehefa reraka aho) dia tsy tena manao otran'io zazakely io fa hita ihany hoe sahirana rehefa misotro rano, misakafo, miteny, miborosy nify, tsy mahazaka hazavana ny maso...
Fa ny tarehy ety ivelany herinandro ihany angamba dia miverina amin'ny laoniny!
Hono oa! inona kay no tena antony hanaovana ilay Cat scan? Raha hita hoe aiza no voa dia azo tsaboina ve?
Sa tsy azoko?




Ilay antony anaovan Cat scan dia mba ho hita ilay faritra mety mahavoa ilay ozatra satria tsy mitovy ny mahazo ny tsirairay.Ary dia ho hitan'ny dokotera eo ny zavatra azony hanampiana anao. Mivavaha koa mba omeny hery sy tanjaka ara-tsaina.Manampy ilay izy satria rehefa miadana ny saina dia toa adinodino ny aretina na dia eo ihany aza ilay izy,sady hainy koa ny manova ny zavatra rehetra amin'ny fotoanany.Mahereza :-*
26. xxx ( 01/12/2007 09:21)
ok, misaotra Soanja sy nirina a:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5703