Aretina ve ny ankizy mandena rehefa matory

1. niryna ( 27/11/2007 05:16)
Maninona tokoa ry ireto no mahatonga ny ankizy mi-pipy am-pantaloha rehefa matory izy na dia efa lehibe aza?
Aretina ve ireny ary inona no mety fanafany na fanafody tokony atao aminy?
Misaotra mialoha
novalian'i niryna ny 06/12/2007 07:39
2. tsiafoi1 ( 27/11/2007 12:47)
Manque d'affection le zaza no mahatonga an'ireny, fa rehefa ampy tambitamby izy tsy mipipy intsony, resaka psycho lavabe le izy. Na ihany koa mety ho aretina
3. baraingo ( 28/11/2007 10:20)
pipi vao matory e!

za lo refa miaramatory @ vevavy ihany vao mandena e, ary io pipian`olondebe an
4. sarobidy ( 28/11/2007 13:10)
fa za klo mahita le zanaky ny cousineko zay fa tena mipipi fôna izy na d efa pipi aloha vô dôdô aza, de tsita mihitsy zay anaovana azy :(
5. soanja ( 29/11/2007 02:57)
niryna:

Maninona tokoa ry ireto no mahatonga ny ankizy mi-pipy am-pantaloha rehefa matory izy na dia efa lehibe aza?
Aretina ve ireny ary inona no mety fanafany na fanafody tokony atao aminy?
Misaotra mialoha


Miankina amin'ny taonan'ilay zaza no afaka hanampiana azy.
Ny tena tsara anombohana azy aloha dia asaina misotro rano tsara rehefa misakafo hariva. Dia asaina mipipy isaky ny adiny iray. Tsy misotro ranobe na ronono adiny roa alohan'ny hatoriany io. Rehefa izany dia asaina mipipy izy alohan'ny handeha hatory. Fohazina izy anelanelan'ny alina mandeha mipipy. Tsara raha fohazina indroa aza vao maraina ny andro.

Matetika dia ny zaza tsy ampy fitiavana tokoa na manana emotional problems no ahitana io olana io. Matetika izy ao anaty nofy no tena ahitany sy iresahany na ahafahany manana fahafahana te hanantanteraka izay tiany sy hitranga amin'ny fiainany. Ny pipy sy mi-caca anefa no tena zavatra voalohany tsapany fa hananany control amin'ny fiainany.Dia mandeha ho azy io rehefa malalaka ny sainy.
Symptoma izany ny fipipizana fa tsy io no tena olana raha toa ka efa lehibe loatra izy mihoatra ny 7 taona.

Tsy bedesina izy refa mipipy ampandriana ary tadiavo daholo izay zavatra hanampy azy tsy ahitan'ny namany fa manana izay olana izay izy. Ohatra hoe misy an'ireny diapers ho anolona lehibe ireny na zavatra hitazona ny pipiny tsy handena azy ao anaty alina. Rehefa lehibe izy dia halalala ny tokony ataony satria hahatsapa tena. Fa saingy zavatra hafa indray no isehoan'izany olana izany raha tsy mbola voatsabo any amin'ny therapist.


6. niryna ( 30/11/2007 15:31)
baraingo:

pipi vao matory e!

za lo refa miaramatory @ vevavy ihany vao mandena e, ary io pipian`olondebe an



:roll:
7. niryna ( 30/11/2007 15:34)
soanja:

niryna:

Maninona tokoa ry ireto no mahatonga ny ankizy mi-pipy am-pantaloha rehefa matory izy na dia efa lehibe aza?
Aretina ve ireny ary inona no mety fanafany na fanafody tokony atao aminy?
Misaotra mialoha


Miankina amin'ny taonan'ilay zaza no afaka hanampiana azy.
Ny tena tsara anombohana azy aloha dia asaina misotro rano tsara rehefa misakafo hariva. Dia asaina mipipy isaky ny adiny iray. Tsy misotro ranobe na ronono adiny roa alohan'ny hatoriany io. Rehefa izany dia asaina mipipy izy alohan'ny handeha hatory. Fohazina izy anelanelan'ny alina mandeha mipipy. Tsara raha fohazina indroa aza vao maraina ny andro.

Matetika dia ny zaza tsy ampy fitiavana tokoa na manana emotional problems no ahitana io olana io. Matetika izy ao anaty nofy no tena ahitany sy iresahany na ahafahany manana fahafahana te hanantanteraka izay tiany sy hitranga amin'ny fiainany. Ny pipy sy mi-caca anefa no tena zavatra voalohany tsapany fa hananany control amin'ny fiainany.Dia mandeha ho azy io rehefa malalaka ny sainy.
Symptoma izany ny fipipizana fa tsy io no tena olana raha toa ka efa lehibe loatra izy mihoatra ny 7 taona.

Tsy bedesina izy refa mipipy ampandriana ary tadiavo daholo izay zavatra hanampy azy tsy ahitan'ny namany fa manana izay olana izay izy. Ohatra hoe misy an'ireny diapers ho anolona lehibe ireny na zavatra hitazona ny pipiny tsy handena azy ao anaty alina. Rehefa lehibe izy dia halalala ny tokony ataony satria hahatsapa tena. Fa saingy zavatra hafa indray no isehoan'izany olana izany raha tsy mbola voatsabo any amin'ny therapist.






misaotra aky a:-*
8. niryna ( 30/11/2007 15:38)
Tadidiko tamin'ny mbola kely voa nanomboka nianatra aho,toa natahotra an'ilay mpampianatra aho ka tsy sahy niteny ary dia nalefako :D .
Nisy mpampianatra izay niresaka fa mipipy foana na mi-caca amin'ny pantalohany foana ireo ankizy roa na telo tao amin'ny kilasy nampianariny.Nahita hevitra izy ny hilalao ny mpianany rehefa tonga ny fotoana fankan-drivotra ary ny iray nosoloiny ny kilaotiny ary dia faly sy nijerijery ny namany rehetra hono izy.Tsy ampy fitiavana izany no antony voalohany mahatonga ny ankizy manao an'io.
9. soanja ( 01/12/2007 02:21)
Niryna koa tena mampime :D:D. Saika hadinoko koa fa rehefa mihalehibe izy ka mipipy toy izany dia izy ihany no asaivo manala ny drap sns lena teo sady manampy amin'ny fametahana ny madio hafa. Amin'izay izy mahatsiaro sahirana de mety hanova filamatra. Bon korazy e!:-*:-*
10. sakaizakely ( 01/12/2007 07:09)
aretintsaina sa aretimbatana ?

raha ny fanazavana azoko aloha dia ny fahamaikan'ny reny hampitondrotra zaza nefa mbola tsy tonga ilay fotoana dia misy fiantraikany aty aorina, satria tsy tena hain'ilay zaza ilay izy, fa ataony ampatahorana fotsiny

Any amintsika ohatra misy vao tsy feno herintaona ny zaza dia efa antondrotra. Nefa hono ny taovan'ny zaza tsy manana reflexe hitazona raha tsy efa mahay miakatra sy midina ny tohatra izy, izany hoe feno 2 taona any dia any vao tokony atondrotra ny ankizy. Ankoatr'izay koa dia ilaina hahay hiteny ny ankizy, izany hoe tena andrasana izy tena hahatsapa tena ny zavatra ilain'ny tenany mba ho afaka hiteny hoe te hipipy na te hi caca fa tsy ho objet entina etsy sy eroa arakarak'izay itiavan'ny mpitaiza azy.

ireo roa tonta ireo tafaraka dia ampy hampianatra ny ankizy ho zatra handray andraikitra @ fahadiovany, ka raha mahandry an'ireo fotoana ireo ny mpitaiza dia acquis soamantsara ilay controle du sphincter ka tsy misy rechute any aoriana

fa raha tsy mahandry io fotoana biolojika io dia matetika miverina mandena ilay ankizy rehefa lehibebe any satria tsy tena hainy ilay izy
11. niryna ( 01/12/2007 07:13)
soanja:

Niryna koa tena mampime :D:D. Saika hadinoko koa fa rehefa mihalehibe izy ka mipipy toy izany dia izy ihany no asaivo manala ny drap sns lena teo sady manampy amin'ny fametahana ny madio hafa. Amin'izay izy mahatsiaro sahirana de mety hanova filamatra. Bon korazy e!:-*:-*

Izaho aloha tsy voan'io fa mety tsy mbola nazoto nianatra aho angamba na hoe natahotra tsy hisy olona naka :D
Ny ahy indray efa nataoko,nanoratra tamin'ny rindrina indray mandeha ny zanako,nasiako naka eponge sy savony nanasana azy,nanao maloto ihany koa fa tsy nifafa tsara,nomeko savony dia nasiako nanasa ilay slip-keliny.Tsy nanao ireo zavatra ireo intsony taty aoriana. :lol::lol:

12. niryna ( 01/12/2007 07:17)
sakaizakely:

aretintsaina sa aretimbatana ?

raha ny fanazavana azoko aloha dia ny fahamaikan'ny reny hampitondrotra zaza nefa mbola tsy tonga ilay fotoana dia misy fiantraikany aty aorina, satria tsy tena hain'ilay zaza ilay izy, fa ataony ampatahorana fotsiny

Any amintsika ohatra misy vao tsy feno herintaona ny zaza dia efa antondrotra. Nefa hono ny taovan'ny zaza tsy manana reflexe hitazona raha tsy efa mahay miakatra sy midina ny tohatra izy, izany hoe feno 2 taona any dia any vao tokony atondrotra ny ankizy. Ankoatr'izay koa dia ilaina hahay hiteny ny ankizy, izany hoe tena andrasana izy tena hahatsapa tena ny zavatra ilain'ny tenany mba ho afaka hiteny hoe te hipipy na te hi caca fa tsy ho objet entina etsy sy eroa arakarak'izay itiavan'ny mpitaiza azy.

ireo roa tonta ireo tafaraka dia ampy hampianatra ny ankizy ho zatra handray andraikitra @ fahadiovany, ka raha mahandry an'ireo fotoana ireo ny mpitaiza dia acquis soamantsara ilay controle du sphincter ka tsy misy rechute any aoriana

fa raha tsy mahandry io fotoana biolojika io dia matetika miverina mandena ilay ankizy rehefa lehibebe any satria tsy tena hainy ilay izy



Misaotra anao.
Mety miankina amin'ny tsirairay angamba io e.
Misy zaza vao tsofitsofina fotsiny ny volony dia matory,
Misy na sivy volana aza izy dia efa hatondrotra ka miteny hianao hoe pis-pis.... dia lasa ilay izy kanefa tsy nisy fiantraikany taty aoriana.
Aza mahavoa ihany ny goavy manta a :D
13. sarobidy ( 03/12/2007 14:04)
possible ko ve oe taranaka
14. Rasiligaoma ( 06/12/2007 03:53)
niryna:

Tadidiko tamin'ny mbola kely voa nanomboka nianatra aho,toa natahotra an'ilay mpampianatra aho ka tsy sahy niteny ary dia nalefako :D .
Nisy mpampianatra izay niresaka fa mipipy foana na mi-caca amin'ny pantalohany foana ireo ankizy roa na telo tao amin'ny kilasy nampianariny.Nahita hevitra izy ny hilalao ny mpianany rehefa tonga ny fotoana fankan-drivotra ary ny iray nosoloiny ny kilaotiny ary dia faly sy nijerijery ny namany rehetra hono izy.Tsy ampy fitiavana izany no antony voalohany mahatonga ny ankizy manao an'io.

Ny tenako indray efa lehibebe, niera dia tsy navelan'ilay mpampianatra dia hoy aho hoe alefako eto ity an, dia tsy niandry valiny aho fa tonga de nopetahako teo ambody Tableau teo ny valan-dranoko. Tonga ny directeur dia nolazaiko hoe i Madama no tsy namela ahy handeha nefa izaho efa poritra dia tsy tanako intsony dia nalefako! fa tsy voasazy!
Ilaina ihany ny manao zaza maditra rehefa urgences ohatran'izany

15. niryna ( 06/12/2007 07:36)
sarobidy:

possible ko ve oe taranaka


Asa aloha fa tena be loatra ilay manaranaka.
Hatramin'ny hoe kambana ohatra rehefa misy olona miteraka kambana dia misy milaza hoe ny dadanay na ny mamanay no misy kambana.

16. niryna ( 06/12/2007 07:39)
Rasiligaoma:

niryna:

Tadidiko tamin'ny mbola kely voa nanomboka nianatra aho,toa natahotra an'ilay mpampianatra aho ka tsy sahy niteny ary dia nalefako :D .
Nisy mpampianatra izay niresaka fa mipipy foana na mi-caca amin'ny pantalohany foana ireo ankizy roa na telo tao amin'ny kilasy nampianariny.Nahita hevitra izy ny hilalao ny mpianany rehefa tonga ny fotoana fankan-drivotra ary ny iray nosoloiny ny kilaotiny ary dia faly sy nijerijery ny namany rehetra hono izy.Tsy ampy fitiavana izany no antony voalohany mahatonga ny ankizy manao an'io.

Ny tenako indray efa lehibebe, niera dia tsy navelan'ilay mpampianatra dia hoy aho hoe alefako eto ity an, dia tsy niandry valiny aho fa tonga de nopetahako teo ambody Tableau teo ny valan-dranoko. Tonga ny directeur dia nolazaiko hoe i Madama no tsy namela ahy handeha nefa izaho efa poritra dia tsy tanako intsony dia nalefako! fa tsy voasazy!
Ilaina ihany ny manao zaza maditra rehefa urgences ohatran'izany





samy be mokondoha kely izany isika sy hianao tamin'io indray andro io.Ny ahy dia hoe iza no haka ahy,tsy nampianatra koa ilay madame hoe"je vous demande la permission de sortir s'il vous plait ,madame..":D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2439