Vahoaka manana ny maha-izy azy tsy voarebirebin'ny Politika

1. Jeankely ( 26/11/2007 13:57)
Izay hampisondrotra ny fomba fijerin'ny vahoaka no tokony himasoana ary hirahamisalahy ny fampivoarana ny sain'ny maro an'isa. Ny Mpanao politika maloto dia zarany ho dondrona sy havezivezy @'ny resaka tsisy fivoarana ny olona. Raha mahay mandinika ny vahoaka dia hainy ny olona na antoko tokony hofidiany ho solontenany ary hariany avy hatrany ny resaka miverindalana. Ho anay aloha dia i Madagasikara ary ny Malagasy no tianay hisondrotra fa tsy misy hidiranay izay resaka antoko na mpitondra mivantana. Izahay tsy fahavalon'ny mpitondra koa fa fahavalon'ny olona mitady hamorika vahoaka. Na efa mpanana aza ianao dia i Madagasikara no jerena fa tsy ny tenanao. Izany no hitanay aty ivelany aloha.
novalian'i rakapy ny 04/12/2007 00:38
2. penguin ( 26/11/2007 14:16)
Resaka foko no mba hitandreo any an-dafy hono. Tsy fantany angamba fa olana tsy hay vahana izany na ho azony aza ny fitondrana any aoriana.
3. bazylou ( 27/11/2007 00:24)
rediredin'drajeankely indray ve !! tssssssss
4. Jeankely ( 27/11/2007 08:46)
Fa angaha ny sain-dratsinao sy Tezitra ihany no avela hisainana ry Bazyloulou a? Samy manao izay ezaka tiany hatao io. Ny anao ny hamafy hevitra hamotika ny fanantenan'ny olona no zahavinao fa ny anay ny hampiakatra ny fahavitrian'ny olona hiatrika ny hazakazaky ny fiainana no tianay hatao. Ny vahoaka tonga saina tsy azonao amin'ny hevitra lany daty.
5. rakapy ( 04/12/2007 00:38)
Ny mampalahelo dia ity: tsy maintsy politika ihany ve no afaka hitondra izao tontolo izao sa mba afaka hitondra izao tontolo izao koa ny antokon'olona hafa. Ny mpanao politika mantsy dia mpandainga avokoa ny 99,5%n' izy ireo na any am-pita na eto an- toerana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0794