Misalasala ve hianao?Minoa an'i kristy fa mamaly vavaka Izy

21. rijadolly ( 28/11/2007 16:12)
6. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 26-11-2007 19:14:36
Lohateny : Re : Misalasala ve hianao?Minoa an'i kristy fa mamaly vavaka Izy
raha amiko dia mianara tantara, baiboly q ran sy ny sisa tadiavo ny" fa maninona" sy ny "satria nahoana" .. lanjalanjao dia ataovy ny comparaisons rehetra..
anao ny safidy amin'izay! tsy noterena ianao, tsy novozonana fa anao sy A/tra izay!
miala aminao io ary efa nomena anao daholo ny elements, dia aza manaiky ny forcevan'ny olona..
ny finoana dia libre fa tsy vokatry ny endoctrinements sy ny tahotra!
Inona no
message
ataonay raha tsy mahay mandray izahay,tsy hanazava mihitsy izany ianareo mahay mandray? Andraso fa raha mahay eo koa izahay dia tsy hanoro olona mihitsy dia aleo ny asan'Andriamanitra ho taraiky eo:twisted:
22. ikaretsaka ( 28/11/2007 16:25)
dia raiso daholo... fa tsy izay nafahana ihany
hahafahanareo manazava bebe kokoa, mandanjalanja bebe kokoa. miady hevitra amin'ny olona hafa "tsy ohatranareo" bebe kokoa!

izay ilay hoe ouverture, izay ilay mivoaka ny baorina... izay ny asa tokony atao @ 4 miliara sisa (6 mliara ny olona dia 2 ny kristianina ary 56% @ izay 2 miliara izay no katolika)

ny mahafantatra ny tontolon'ny 4 miliara no hahazoana azy ao anaty vala, fa tsy ny fiforcena azy tsy maintsy hanaraka ny anao
23. rijadolly ( 28/11/2007 16:47)
Ka hatoroy anay fa tsy hainay ilay izy é.Inona dia aiza ary inona ny vokany sao diso lalana eo izahay dia omenareo tsiny fotsiny hoe adala.
24. ikaretsaka ( 28/11/2007 16:51)
miala aminao izany anaka!
ny fitiavanao te handalina izany @ ny fisokafanao handeh ahijery biblioteque , hikaroka, hianatra , hitady, no ahitanao azy

raha manoro anao dia manao endoctrinement anao
25. ikaretsaka ( 28/11/2007 16:55)
raha vao tsy ianoa io fa izaho.. na i mompera na i pasitera na iza...
dia lasa manafoana ny maha olombelona anao @ fampidirana idee-ko ao anaty lohanao!
ianao ianao, izahay izahay, ianao tsy ho izahay dia izahay tsy ho ianao
---> izay no tsy hitiavako loatra ilay mijoro vavolombelona ireny satria ny mety sy nitranga taminy dia tsy hitrange sy mety amiko na oviana na oviana, na ny fahasamihafanay fotsiny aza!
26. rijadolly ( 28/11/2007 19:01)
rehefa any am-piangonana zany dia tapenana ny sofina sa ny moperanareo tsy ny filazantsara no toriny dia alezy tsara ika?
27. ikaretsaka ( 28/11/2007 19:32)
tsy hoe tampenana ny sofina..
fa henoina ny lazain'i pasitera sy i mompera.. fa tsy mianona eo ihany, fa misaintsaina an'iny, dia sady mikaroka koa ho an'ny tena
fa tsy hoe iny akory de verite absolue
28. fijo ( 28/11/2007 23:00)
kay kay kay mafana izany.raha izoa no ady hevitrareo dia mahafinaritra,satria tsy ho lasa mpampita fotsiny hianareo,fa mba hanana ny avy aminareo koa.

Inty misy torohevitra tsotra dia tsotra hifampizarako aminao : raha te hiverina ho mpino tanteraka hianao dia ; aza terena be ny fisainana sy ny fomba fa zaro tsikelikely ;
OHATRA - mizara mba mihainoa hira chorale ireny,
- mba mihainoa ireny torinteny ao @ radio évangelique ireny

za dia tia hira chorale sy tia manaraka ilay fandaharana "jour du seigneur"fa tsy nampino ahy izany.

avy tao alemana tao,nisy chorale mba nandalo teto marseille.de mba tafaresaka taminay.fa misy tsy mino akory tao,fa tia hira fotsiny.nyfrantsay izao no mba manomboka miverina mino ny tanora
29. ikaretsaka ( 28/11/2007 23:28)
betsaka ny manao an'izany, misy bandy akamako bassite malaza ao canada izay, fa izy taty aoriana vao katolika, nefa hatramin'izao izy mbola mitendry sy manao chorale @ evanjelika
ary za koa mitendry any @ propesta rehefa ilaina...

http://www.davidmacd.com/catholic/index2.htm
30. fijo ( 28/11/2007 23:43)
ka izay,tsy ny fankafizana ilay asa no voatery hitondra any amin'ilay finoana.

za ohatra mankafy andry perdro;ry emmanuelle,ry sarah ry teresa.moa ve midika izany fa katolika aho??ny asany no tiako.za ohatra tsy mpino,midika ve izany fa tokony ho tiako i lenine sy staline"ity farany ity kay nikofesy taty ambadimbadika taty"
31. niryna ( 29/11/2007 06:49)
ikaretsaka:

kristianina aho, fa izany tsy manakana ahy hamaky ny boky rehetra na jiosy naagnostika io na coptika, fa protestant io na occulte io na hindou io na silamo io io na inona, vao mainka aza izany sady ahazoako fahalalana kokoa no mampivelatra ny sinoako, hahafahako mampitahy ny ahy sy ny an'ireo olona ireo
sy ahalalako bebe kokoa ny ahy aza, eo ivelan'ny definitions rehetra napetraky ny olona momba ny ahy!

amiko raha finoana hiainana sy talenta nomena dia nataho ho developpena fa tsy natao halevina dia apoitra dia halevina..

Atra dia maro ary Kristy irery ihany no ahitana famonjena,sa hianao efa nahita Atra hafa hamonjy ny olona?
1 Haleloia. Miderà ny anaran'i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah,
5 Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.Sal 135

Eo izao dia efa tsy mitombina sahady indray ny nolazainao!... salamo (izay inoan'ny Jiosy koa.. ny silamo koa to amaka sombitsombiny) no hitorianao an'i Kristy!
hanamarinako azy:
Mangala baiboly dikanteny Arabo dia vakio io salamo 135 io raha tsy Allah Allah daholo ireo jehovah jehovah anao ireo:wink: Izay no antony ilaina ilay fanadihadiana!

Aza matahotra manao comparative religion hijerena ny tena hoe "voatana mafy izany satroboninahitra" izany?
Check and recheck



Na isika miaraka aminy ,dia mitory ny filazantsarany na tsy miaraka aminy dia manohitra ny baiboly lava.:wink:
32. rijadolly ( 29/11/2007 10:29)
ika:
26. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 28-11-2007 20:32:45
Lohateny : Re : Misalasala ve hianao?Minoa an'i kristy fa mamaly vavaka Izy
tsy hoe tampenana ny sofina..
fa henoina ny lazain'i pasitera sy i mompera.. fa tsy mianona eo ihany, fa misaintsaina an'iny, dia sady mikaroka koa ho an'ny tena
fa tsy hoe iny akory de verite absolue

Hitan'sé zany ilaina ilay ilay lazain'sé hoe kitsipona fa mandalina fotsiny(mandini-tena avy eo,manongo-tena,mamerina mamaky ilay notoriana tany am-piangonana):-*:-*:-*:-*
33. papala ( 29/11/2007 10:53)
an'i fijo : inona no définition ny , TIA manaraka hirana chorale hoy ianao, TIA manaraka fandaharana >.Tsy efa misy zavatra henonao mahafinaritra ve ao ?
Inona ny définition ny ? MINO=Manaiky : Manaiky , MANAIKY MIHAINO . Ka rehefa tsy tianao henoina lay zavatra de tsy te hiaino ho azy tsotra izao fotsiny enao. Ka rehefa tsy mino zavatra iray enao dia na ny mahita an'ilay zavatra na mihaino an'ilay zavatra de efa tsy tina ?:D:D:D:D:D:Dde ampy 6O !
34. betola ( 29/11/2007 10:59)
Ny ahy ny mba fanontaniako dia ity : koa satria samy manaiky ny rehetra fa iray ihany ny habakabaka, iray ihany izao tontolo izao, iray ihany Andriamanitra, iray ihany ny loharano ahazahoan'ny rehetra traikefa amin'ny fivavahana, iray ihay ... iray ihany... iray ihany ... dia maninona kay ireo mpitondra fivavahana samy hafa (kristiana-silamo-bodista-indoista-animista-...)raha manao fivoriambe indray mandeha mba hamaritana ny tena tokony ho izy amin'ny fivavahana? Tsy misy te hanao an'izany fa ny mivaky sy misaraka tsikelikely aza izao no malaza eo amin'ny antokom-pivavahana rehetra. Satria nahoana?
35. papala ( 29/11/2007 11:30)
SATRIA SAMY MANANA ny FOMBA SY FIHETSIKA HIDERANA an'ANDRIAMANITRA !
- Ao ny mihevitre fa TSY MIHAINO ANDRIAMANITRA RAHA TSY MIVAZAVAZA SY MIHINJAKINJAKA NY OLONA IZAY MIDERA AN'ATRA.
- AO NY MILAZA FA ASIANA MPANELANELANA AN'I RENINY (MARIA)I JESO kRISTY.
- AO NY MINO FA IRENY MATY EFA RAZANA IRENY KOA MPANELANELANA AMIN'ANDRIAMANITRA.
- AO NY MIDERA AN'ANDRIAMANITRA MIARAKA @ FIANGOANA FATRATRA DIA FATRATRA.
- AO NY MIDERA MIARAKA @FITAFIANA MALOTO ENY ANKODITRA, FA NY FO HONO NO AN'ANDRIAMANITRA FA TSY NY ETY IVELANY........................
ILAY FOMBA NO TENA MAMPIZARAZARA NY MPINO !
36. niryna ( 29/11/2007 14:15)
rijadolly:

ika:
26. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 28-11-2007 20:32:45
Lohateny : Re : Misalasala ve hianao?Minoa an'i kristy fa mamaly vavaka Izy
tsy hoe tampenana ny sofina..
fa henoina ny lazain'i pasitera sy i mompera.. fa tsy mianona eo ihany, fa misaintsaina an'iny, dia sady mikaroka koa ho an'ny tena
fa tsy hoe iny akory de verite absolue

Hitan'sé zany ilaina ilay ilay lazain'sé hoe kitsipona fa mandalina fotsiny(mandini-tena avy eo,manongo-tena,mamerina mamaky ilay notoriana tany am-piangonana):-*:-*:-*:-*

=D=D ^:^ aiza tokoa no ahalalana ny vaha-olana amin'ny fiainana raha tsy mamaky ny tenin'Atra izay mankahery?
Marary aho dia misy fanomezana teny mampahery ao.
Mijaly aho dia ao ihany koa izany.
Tezitra ny hafa aho ,dia miteny koa izy fa tsy antsik a ny famaliana fa Azy irery
Toa tsy mety tapitra ny onjam-piainana,ny ao afaka ,ny ao tonga,ny ao mbola tsy voavaha.Dia mahatadidy ny teniny ihany koa fa "Aza matahotra fa homba anao mandrakariva Aho"
Dia mitamberina daholo ilay tenisoa ,mamy nomeny sy noresahiny antsika."Moa ny soa ihany va no azo avy Amiko? " Dia izay ilay mitsimpona ,tsy ratsy :miam::miam:

37. niryna ( 29/11/2007 14:26)
papala:

an'i fijo : inona no définition ny , TIA manaraka hirana chorale hoy ianao, TIA manaraka fandaharana >.Tsy efa misy zavatra henonao mahafinaritra ve ao ?
Inona ny définition ny ? MINO=Manaiky : Manaiky , MANAIKY MIHAINO . Ka rehefa tsy tianao henoina lay zavatra de tsy te hiaino ho azy tsotra izao fotsiny enao. Ka rehefa tsy mino zavatra iray enao dia na ny mahita an'ilay zavatra na mihaino an'ilay zavatra de efa tsy tina ?:D:D:D:D:D:Dde ampy 6O !



:D:D ka misy anie mino fa misalasala e,mbola mitady miracle na fahagagana lava .Mino aloha,manantanteraka ny hafany ary mampiasa sy mampihatra izany amin'ny fiainana.Na ao anatin'ny fahoriana lehibe izay noheverinao fa tsy hisy vahaolana mihitsy aza ka mino sy manantena Azy hianao ......Na tsy mivaly eo noho eo aza ny olana,ilay fo sy fisainana nanankina ny fiainana Taminy dia efa tena zava-dehibbbbbbe mihitsy,mahatsiaro maiva hianao,misy fifaliana lalandava ao anatin'ny fo,ary mahay mandefitra,ireo toetra ratsy izay nananao fahiny toa miova tsikelikely ary fenoinao fitiavana daholo izay zavatra ataonao rehetra ka i Kristy izay miaraka aminao no manao ny asa. Isaky ny manao zavatra izany hianao dia hoe ataoko ity ho an'i Kristy.Tsy mila patron mijery akory mahatoky anao tanteraka ry zareo ,ary hianao koa no lasa fitaratra sy jiro manazava ny manodidina.Toa velombelom-bolo ny tsirairay.Misy fitiavana lehibe sarobidy ao dia i Kristy,tsy mila mitaraina intsony,manao zavatra fa tsy be menomenona.Tena vetivety dia tonga ny adin'ny valo.:D
indrindra moa fa fenoinao fifaliana miaraka amin'ny mozika,tori-teny ,na hira fivavahana ny andronao.Veloma ry fankahalana,veloma ry fahatezerana,veloma ry fitsikerana,ary veloma ry fialonana sy fifosana.Lasa zavatra tsara daholo no mibahana ao an-tsaina.Tsy misy intsony ireo teny-fakofako manelingelina sy mitady hamotika ny fiainana.
38. xxx ( 29/11/2007 14:26)
Ny ahy ny mba fanontaniako dia ity : koa satria samy manaiky ny rehetra fa iray ihany ny habakabaka, iray ihany izao tontolo izao, iray ihany Andriamanitra, iray ihany ny loharano ahazahoan'ny rehetra traikefa amin'ny fivavahana, iray ihay ... iray ihany... iray ihany ... dia maninona kay ireo mpitondra fivavahana samy hafa (kristiana-silamo-bodista-indoista-animista-...)raha manao fivoriambe indray mandeha mba hamaritana ny tena tokony ho izy amin'ny fivavahana? Tsy misy te hanao an'izany fa ny mivaky sy misaraka tsikelikely aza izao no malaza eo amin'ny antokom-pivavahana rehetra. Satria nahoana?


Satria tsy mbola fantatry ny tsirairay ny Fototry ny fanorenana izao tontolo izao dia lasa manaraka izay saintsainin'ny olombelona lazaina fa hendry isan-karazany ny olona, dia lasa marobe ireo antokotokony.
39. niryna ( 29/11/2007 14:47)
betola:

Ny ahy ny mba fanontaniako dia ity : koa satria samy manaiky ny rehetra fa iray ihany ny habakabaka, iray ihany izao tontolo izao, iray ihany Andriamanitra, iray ihany ny loharano ahazahoan'ny rehetra traikefa amin'ny fivavahana, iray ihay ... iray ihany... iray ihany ... dia maninona kay ireo mpitondra fivavahana samy hafa

Izany indrindra no mahatonga ny tsirairay hitory ny filazantsara ho azy ireo.
Ny baiboly milaza: Fa Atra iray izay mahefa ny zavatra rehetra,ny baiboly milaza fa ho fongana ny firenena izay manao an'Atra ho tsinotsinona ary efa norarany hatrany amboalohany ny fivavahana amin'ny zavatra nohariany na ireo fanahy izay amin'ny fomba ankolaka no nanaovan'i satana izany.
"Mino an'Atra Iray Tsitoha Mpanao ny Lanitra sy ny Tany aho,ary Mino an'i Jesoa Kristy ,Zanaka Lahitokana,Tompontsika."
Aiza misy miteny ve eo hoe mino an-dranona aho,mino ny omby aho ,mino ny Atra maro tanana aho,mino ny sampy aho,mino ny sarivonga aho?Manaiky ny fiangonana manambady maro aho,manaiky ny fiangonana tsy mino fa kristy no zanak'Atra?Tsia.Noho izany dia ireo mpanohitra dia manangana fiangonana hilazany izay mahafinaritra azy sy mifanaraka ny fiainana ary hisitomana client maro.Tsaratsara kokoa fiangonana misy vondron'olona 20 ao kanefa tena mifikitra amin'Atra,feno herin'ny FM, toy izay feno ny fiangonana kanefa tsy misy FM.Vao mivoaka dia mitovy ny omaly tsy miova ihany ny fiainana.



(kristiana-silamo-bodista-indoista-animista-...)raha manao fivoriambe indray mandeha mba hamaritana ny tena tokony ho izy amin'ny fivavahana? Tsy misy te hanao an'izany fa ny mivaky sy misaraka tsikelikely aza izao no malaza eo amin'ny antokom-pivavahana rehetra. Satria nahoana?

Kristy no torina ary any amin'ny irery no ahitana famonjena,Izy irery ihany no lalana mankany amin'ny Ray.Mazava ho azy fa samy mahay didy folo ny rehetra,fa moa ve manantanteraka sy miezaka ny hanantateraka izany ny rehetra?
ao ny miandry ny mpaminany mbola ho avy:arrow: Kristy efa tonga tety an-tany.
ao ny mivavaka amin'ny biby na sarin-javatra na idol na vavaka hampitana ny hoe ho any amin'Atra:arrow:Kritsy efa niteny :Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana mandrakizay,tsy misy na iray aza mankany amin'ny Ray raha tsy avy amiko,satria Izaho ao Aminy ary Izy ao amiko.(telo izay iray)
Mila mibebaka ny tsirairay ary manankina ny fiainany amin'i kristy raha te-ho voavonjy amin'ny farany ny fanahy ka hiara-belona Aminy ho mandrakizay.:arrow:raha tsy ho velona ny fanahy,raha tsy mino izany teny izany ......Tsy mila manao na inona na inona.:cry:

Ireo mifanohitra an'i kristy dia efa nolazainy ary efa nambarany fa na isika miaraka aminy na isika miaraka amin'i satana.Ny eo am-povoany dia tsy misy.
Vakio ny Apok mikasika ny fiangonana fito.
Mikasika ny dragona,mikasika ireo olona misy tombo-kase ny lohany.
Ho avy ny anti-kristy ary ny fanahin'izy ireo dia efa mihebohebo sy feno manerana ny tany.Ny Fanahy Masina no mihazona azy ireo tsy handrimpaka ,saingy raha tsy miambona isika dia hivadika hanaraka azy ireo koa.
40. niryna ( 29/11/2007 14:52)
papala:

SATRIA SAMY MANANA ny FOMBA SY FIHETSIKA HIDERANA an'ANDRIAMANITRA !
- Ao ny mihevitre fa TSY MIHAINO ANDRIAMANITRA RAHA TSY MIVAZAVAZA SY MIHINJAKINJAKA NY OLONA IZAY MIDERA AN'ATRA.
- AO NY MILAZA FA ASIANA MPANELANELANA AN'I RENINY (MARIA)I JESO kRISTY.
- AO NY MINO FA IRENY MATY EFA RAZANA IRENY KOA MPANELANELANA AMIN'ANDRIAMANITRA.
- AO NY MIDERA AN'ANDRIAMANITRA MIARAKA @ FIANGOANA FATRATRA DIA FATRATRA.
- AO NY MIDERA MIARAKA @FITAFIANA MALOTO ENY ANKODITRA, FA NY FO HONO NO AN'ANDRIAMANITRA FA TSY NY ETY IVELANY........................
ILAY FOMBA NO TENA MAMPIZARAZARA NY MPINO !




=D=D ka ny zavatra takian'Atra antsika dia ny iray ao amin'ny Tompo,iray amin'ny Fanahy ary ho mpino iray ihany koa dia i KRISTY VELONA,ANDRIAMANITRA VELONA,ANDRIAMANITRA HO AN'NY VELONA FA TSY AN'NY MATY.HANANKINA NY FOTSIKA AMIN'I KRISTY IRERY FA TSY NY HAFA.HIVAVAKA AMINY MIVANTANA FA TSY MISY MPANELANELANA IZAY DISO HATRAMINIZAY.MILA MAMAKY NY TENINY FA TSY MIHAINO IZAY TENENIN'NY MPITORY FOTSINY,MILA MIJERY NY FIANGONANA IZAY MITORY AN'I KRISTY,MAMPAHAFANTATRA FA NY FAMONJENA DIA AVY AMINY IRERY.
Raha tsy mahita izany ao anatin'ny fiangonana dia mivavaka ireo mpitondra mba hisy Fanahy Masina izy ireo ary mba hampianatra ny vahoaka ny tena marina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5582