Ho Any Mananjary

1. Lisano ( 26/11/2007 07:11)
Slt dahol e , mba hangataka ny tonon'io hiran'i LOLO sy ny Tariny io raha misy e ; de misaotra (Lohateny :HO ANY MANANJARY)
répondu par sarobidy le 26/11/2007 09:52
2. sarobidy ( 26/11/2007 09:52)
Lisano: ka tsy i LOLO sy ny tariny nge ny fahaizako mihira an'iny fa feogasy ee

MANANJARY

Mianatsimo miantsinananana
No fizotran'ity lalana
Ho any Mananjary aho re'ory o !
F'izao vohitra ao izao
No namoizako anao
Ry ilay Iarivo tsy foy o !
Mbola teny antsasa-dalana
Dia nirotsaka mahalana
'Lay erikerika kely
Fambara fa vonon-kandray
Na dia efa hariva aza izahay.

Dia natao ho an'ireo mpiala sasatra ve ?
ô ô ô !
Dia natao ho an'ireo olon-dresy kosa ve ?
Asanao, asanao, asanao !

Kanjo nony harivariva
Ny masoandro efa iva
Io Mananjary fa hita ô !
Toa ampela tsisy tsiny
Mihaingo hariva handray vahiny
Sy miarahaba fa tafita ô !
Alokaloka voanio
Rivo-tsoa sy madio
Mampanadino an'Iarivo
Ilay fahanginany koa
Tsy manampaharoa tokoa

Dia natao ho an'ireo mpiala sasatra ve ?
ô ô ô !
Dia natao ho an'ireo olon-dresy kosa ve ?
Asanao, asanao, asanao !

Ho any Mananjary aho re'roy ô ! (4)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1477