ny protes

21. ikaretsaka ( 27/11/2007 22:30)
ny ahy ny tsy azoko ilay rehefa mi coince izy dia le hoe satria izay ho'zy ny SM

te hanaborka izy @ io an

dia raha vao asiana ilay hoe SM nalainareo tamin'ny tahiry navondron'iza?....
dia nisy scotch ny vava!
asa raha m,sy afaka manazava an'io fa io koa ny tsapako!
Dia raha misy protes ko afaka mamelabelatra le

hoy piste hoe:
Ka eo no mahalasa eritreritra hoe, tena tsy voafetra ao anatin'ny Baiboly na ny doctrine chretienne fotsiny ny hafatr'Andriamanitra fa manana fomba hafa hitenenany @ ireo sehatra ivelan'izany izy. Ary ny Fanahy Masina dia tsy azontsika monopoliser-na satria tsy fantatsika ny niaviany ary tsy fantatsika ny handehanany. Mitsoka @izay tiany izy fa ny vokatry ny asany kosa dia azontsika tsapain-tanana.
22. fijo ( 28/11/2007 00:04)
io kosa ngambany samy manana ny fahitany ny tsirairay,satria mahalala protes aho,fa tsy mianona amin abaiboly;fa mivelatra toa ny fijerin'ialahy koa.misy koa nefa kato,dia tena hoe baiboly ihany.saingy eto moa dia avahako foana izao hoe kato fopla sy le tena izy
23. ikaretsaka ( 28/11/2007 00:46)
izya ilaina domaine de def sy fahafantarana sy comparaison foana
24. fijo ( 28/11/2007 00:48)
ny olana anie letsy dia maro le fopla e
25. Rasiligaoma ( 28/11/2007 03:32)
tsy misy maharatsy ny manao cartes sur table sans préjugés anie e!
amiko raha tena te hino nefa te hitana ilay liberté maha olona dia ny fianarana ireo finoana rehetra no ataoko aloha, izay vao misafidy!
Noho ilay tonga dia manaratsy ny hafa fa nahita anakiray naha convaincu(e)
26. Mandefitra ( 28/11/2007 06:28)
fijo> ho an'ny protestanta de ity :
"L'ÉCRITURE SAINTE EST LA SOURCE ET NORME DE LA DOCTRINE CHRÉTIENNE"
de anjaranao ny manadihady ny fahasamihafany ... :)
27. prime ( 28/11/2007 08:46)
fijo> ilay lohahevitra mihitsy no tsy mitondra n'inon'inona ka mahatonga ilay valin-teny mihodinkodina... raha ny foto-kevitra protestanta no tianao tovozina dia azo atao tsara izany fa ny mitsaratsara hoe inona no mahasamihafa dia tsy mahasoa... satria misarika ho amin'ny fanamelohana ny hafa ary mitondra ho amin'ny fanamarinan-tena... ireo izao dia efa misy voafitaka maro sahady... asa re!!!:)
28. xxx ( 28/11/2007 09:15)
Tena marina ny filazan'i Prime azy.
29. ikaretsaka ( 28/11/2007 16:03)
Mandefitra:

fijo> ho an'ny protestanta de ity :
"L'ÉCRITURE SAINTE EST LA SOURCE ET NORME DE LA DOCTRINE CHRÉTIENNE"
de anjaranao ny manadihady ny fahasamihafany ... :)


tokony natao hoe
LES QUELQUES ECRITURES SAINTE (PROVENANT DES LIVRES QUE LES CATHOS ONT ELABORE, ET Q'ILS APPELLENT "LA BIBLE" ), et en choisissant des versets que l'on aime, et en rejetant ce que l'on aime (par le principe du "mitsimpona"
est la source De la doctrine chretienne propeztan

Satria izay no tena zava-misy marina sy natao! (jereo ny tantara taloha sy ny zavatra ataonareo andavanandro0


30. fijo ( 29/11/2007 00:03)
za vao saika hiteny fa efa voalazan'ika le izy.aza hadinonareo protes fa tsy izay ao anaty baiboly ihany no soratra.

hoy prime:"raha ny foto-kevitra protestanta no tianao tovozina dia azo atao tsara izany fa ny mitsaratsara hoe inona no mahasamihafa dia tsy mahasoa... satria misarika ho amin'ny fanamelohana ny hafa ary mitondra ho amin'ny fanamarinan-tena... ireo izao dia efa misy voafitaka maro sahady... asa re!!!tsy izay no fandraisako azy.

jereo amin'ny maso tsy miangatra,fa ianareo na ireo protes ato dia mahita teny misy tsilo foana ,homena ny katolika.nefa samy milaza fa mpino ianareo.ka tsy tsara ve raha lazaina ny tsy mampifanaraka dia aravona izay mety???sa dia hanao io politka ny ambadika io foana????
31. Mandefitra ( 29/11/2007 06:05)
ikaretsaka:
tokony natao hoe
LES QUELQUES ECRITURES SAINTE (PROVENANT DES LIVRES QUE LES CATHOS ONT ELABORE, ET Q'ILS APPELLENT "LA BIBLE" ), et en choisissant des versets que l'on aime, et en rejetant ce que l'on aime (par le principe du "mitsimpona"
est la source De la doctrine chretienne propeztan

Satria izay no tena zava-misy marina sy natao! (jereo ny tantara taloha sy ny zavatra ataonareo andavanandro0

Tsy maninona raha zay no mahafinaritra anao, fa ny zava-dehibe de hoe ampy hinoana an'Andriamanitra sy ny fitiavany, an'i Jesosy Kristy zanany Mpamonjy sy Mpanafaka, ary ny Fanahy Masina Mpampahery sy Mpampionona ... ka hanana ilay Fiainana mandrakizay
Hoy Kristy :"Ampy ho anao ny fahasoavako" :)
32. prime ( 29/11/2007 10:03)
fijo> Diso fijery ianao raha izay no fahitanao azy... tsy ny katolika no olana na andaniana andro eto fa ny famonjena fanahy... na protestanta na katolika dia samy manana ny fahalemeny sy ny fanomezam-pahasoavana... ka rehefa misy namana manoro na manitsy na mitondra hevitra vaovao dia mba hainoana sy dinihina ny amin'izany... mahay mihaino, mahay mandray ary manaja ny hafa (araka izay ambaran'ny tenin'Andriamanitra)... fa raha mitsaratsara kosa na milaza ho mahalala noho ny tena ao anatiny dia izay no mahatonga ilay fanitsiana matetika... (vakio tsara ireo voasoratra eo ambony ireo sahady)

Raha izaho izao tsy handeha hiseho hahalala ny fiangonana katolika na hilaza ny momba azy betsaka noho ireo tena ao anatiny satria voafetra ny fahalalako izany... fa raha misy kosa mampianatra na milaza ny foto-pampianarana katolika dia vakiana tsara satria mampitombo fahalalàna izany fa tsy handeha aho hitsara hoe "mety na tsy mety na tsara na ratsy na diso na marina..."

Toy izany koa ny fiangonana protestanta, rehefa tsy fantatra dia liana mianatra sy mihaino fa tsy mampisavorovoro hoe inona ny mahasamihafa...
fijo:
za vao saika hiteny fa efa voalazan'ika le izy.aza hadinonareo protes fa tsy izay ao anaty baiboly ihany no soratra.
... na ianao aza voafitaka eto... efa manana "préjugé" mialoha fa tsy misy fahavononana akory na dia kely aza hoe hihaino fa efa mitsara dieny mialoha sahady tsy am-pahafantarana ny tena finoana an'i Kristy araka ny foto-pinoana protestanta...

Izao indrindra no tsy mampandroso amin'ny lafiny rehetra... ilay fototra aza tsy fantatra dia efa be famaritra sahady ny amin'ny ivelaran'ny adihevitra...

Vokany : betsaka no tsy mandray anjara fa ny mitazana no betsaka...
33. ikaretsaka ( 29/11/2007 15:56)
Mandefitra:

tokony natao hoe
LES QUELQUES ECRITURES SAINTE (PROVENANT DES LIVRES QUE LES CATHOS ONT ELABORE, ET Q'ILS APPELLENT "LA BIBLE" ), et en choisissant des versets que l'on aime, et en rejetant ce que l'on aime (par le principe du "mitsimpona"
est la source De la doctrine chretienne propeztan

Satria izay no tena zava-misy marina sy natao! (jereo ny tantara taloha sy ny zavatra ataonareo andavanandro0

Tsy maninona raha zay no mahafinaritra anao, fa ny zava-dehibe de hoe ampy hinoana an'Andriamanitra sy ny fitiavany, an'i Jesosy Kristy zanany Mpamonjy sy Mpanafaka, ary ny Fanahy Masina Mpampahery sy Mpampionona ... ka hanana ilay Fiainana mandrakizay
Hoy Kristy :"Ampy ho anao ny fahasoavako" :)


ka inona no tsy marina amin'izany ara:-D:D

ka naninona raha tsy nampiasa sy nindrana ny an'ny olona fa dia nitady fika hafa mba hahatonga ilay "nino fotsiny ihany" tokoa e?:roll:
34. fijo ( 30/11/2007 00:33)
fijo> Diso fijery ianao raha izay no fahitanao azy... tsy ny katolika no olana na andaniana andro eto fa ny famonjena fanahy

mety i prime irery ngamba no misaina an'io,fa raha ny protes tazako ato,toa tsilo no itako be atolotra ny kato,
ary tsapan'ny katolika ato izany.(efa nisy nanao dinika momba an'io ry zareo fa jereo any ambadika any)

"Hoy i fijo:
za vao saika hiteny fa efa voalazan'ika le izy.aza hadinonareo protes fa tsy izay ao anaty baiboly ihany no soratra.
... na ianao aza voafitaka eto... efa manana "préjugé" mialoha fa tsy misy fahavononana akory na dia kely aza hoe hihaino fa efa mitsara dieny mialoha sahady tsy am-pahafantarana ny tena finoana an'i Kristy araka ny foto-pinoana protestanta..."

azafady tsy prejugé io,fa notaizana tao anaty finoana protes aho,ary tamin'ny sekoly alahady nampianarina ahy,dia naverimberina foana,fa ny baiboly ihany no fototra.io dia diso tanteraka.
ary tazano amin'ny fanehoankevitry ny namana protes ato,fa dia io baiboly io ihany no hakana izay hevitra tiana haroso eto
35. ikaretsaka ( 30/11/2007 04:35)
za koa zafikelina pastera prot.. fa tsy nanaiky io IHANY io ..

Ireto no niadianay mianaka hevitra:

1-raha io ihany izany ka arahina ny lojikanareo dia tsy miteny intsony Andriamanitra satria efa voasoratra ao aby , za nefa mino fa miteny amintsika foana Izy, ary tsy mila mamelatra aho fa miteny amiko @ alalan'ny zavatra rehetra manodidina ahy Izy. Sady raha milaza fa nandray ny Fanahiny Masina aho. Ny apostoly raha nidinan'ny fanahy masina... tsy nila baiboly izy tompoko nitory.. fa t@ izao fotsiny!
ka Raha mihambo hoe nidiran'ny Fanahy Masina sy misy izany ao aminao , inona no mbola ilana sopapa? nefa efa element an'A/tra no ao anatinao? afaka mampiteny anao mivantana?

2) nintsiponany ilay (2 timoty 3:15-16) aho, dia novaliako izy hoe eny.. dia noteneniko izy hoe ohatran'ny rano io: ilaina @ maha izaho ahy! fa ny rano ihany ve no ilaiko?.. tsia ny valiny

3)Nasiany indray ilay hoe t@ voalohany ny teny.... dia nasaiko notohizany teo ny vakiteniny dia tonga teo @ ilay hoe ny Teny tonga Nofo ..
Mazava loatra fa tsy lasa boky sy taratasy ny Teny ...fa lasa nofo!

Ozona no namaliany ahy ary hoe tsy mila mandevina azy hono!:{

dia nandeha ny fotoana.. za mao curieux de nature.. dia namaky boky teny dia nampitaha teny dia hita ny ara tantara sns.. teny dia.. izao!
36. Mandefitra ( 30/11/2007 05:03)
ikaretsaka:
ka naninona raha tsy nampiasa sy nindrana ny an'ny olona fa dia nitady fika hafa mba hahatonga ilay "nino fotsiny ihany" tokoa e?

Hoy Paoly
IKor14:37 Raha misy manao azy ho mpaminany, na ho manana fahaizam-panahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin'ny Tompo ny teny izay soratako ho aminareo.
Tsy an'olona ny tenin'Andriamanitra fa Azy Tompon'ny Teny.
Miteny @ tsirairay Andriamanitra @ alalan'ny Fanahiny, fa ny @ famonjen'i Kristy sy ny fanavotany ny mpino ka tiany ho fantatry ny fiangonana, tsy efa ampy tsara zay voasoratra ao anaty Baiboly ve?
Jaona 20:31 fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino hianareo
Ny hany tsy mahampy zay voasoratra raha io teny ao @ Jaona io de ny tsy finoana ihany ... anjaranao ny mieritreritra.

37. ikaretsaka ( 30/11/2007 18:12)
mandefitra.. jere.. jere.. le bokinay no tsimponina
38. fijo ( 30/11/2007 22:06)
izao fotsiny e,nisy pasitera nanamasina ny fatin'i mamany teo niresaka tamiko(namanay ihany moa izy io)dia noresahako ny heviny momba ny apokryfa.de valiny boribory fotsiny no azo.tsy masina ireny ka tsy mila andaniana andro.asa aloha na izy irery no misain aizany na ahoana,fa nazava be tamiko izay
39. prime ( 04/12/2007 10:16)
fijo:
mety i prime irery ngamba no misaina an\'io,fa raha ny protes tazako ato,toa tsilo no itako be atolotra ny kato,
ary tsapan\'ny katolika ato izany.(efa nisy nanao dinika momba an\'io ry zareo fa jereo any ambadika any)
... enga anie ka tsy izaho irery no hisaina toy izany...
fijo:
azafady tsy prejugé io,fa notaizana tao anaty finoana protes aho,ary tamin\'ny sekoly alahady nampianarina ahy,dia naverimberina foana,fa ny baiboly ihany no fototra.io dia diso tanteraka.
... dia izay indrindra ilay lazaiko hoe somary efa misy \"préjugé\" ka fahasahiana mihitsy milaza hoe diso tanteraka...

Eo aho dia efa manitsy anao fa ny foto-pinoana protestanta dia tsy hoe baiboly ihany no fototra fa hafa : amin\'ny protestanta dia tokana no fototra dia JESOSY irery ihany... izay aloha no voalohany...
fijo:
ary tazano amin\'ny fanehoankevitry ny namana protes ato,fa dia io baiboly io ihany no hakana izay hevitra tiana haroso eto
... ka mahagaga ve izany??? raha idirana lalina kokoa aza dia samihafa ny atao hoe baiboly, soratra masina, tenin\'Andriamanitra... ka izay ilay ilàna fandalinana vao miteny hoe diso na tsy mety...sns...

Ka tsy mahagaga araka izany raha teny voasoratra ao anaty baiboly no ambara tsy ampihambahambàna, anisan\'ny loharano iray manambara feno ny tenin\'Andriamanitra sy ny sitrapony...
fijo:
izao fotsiny e,nisy pasitera nanamasina ny fatin\'i mamany teo niresaka tamiko(namanay ihany moa izy io)dia noresahako ny heviny momba ny apokryfa.de valiny boribory fotsiny no azo.tsy masina ireny ka tsy mila andaniana andro.asa aloha na izy irery no misain aizany na ahoana,fa nazava be tamiko izay
... dia izay resak\'ilay pasitera izay ve no raisinao ho foto-kevitra protestanta?

ikaretsaka> :)... bokinareo tokoa moa izy io an...???:wink: sao dia misy misandoka any ho any... ny jiosy koa manko milaza fa azy io, ny hebreo milaza fa azy io, ny palestiniana milaza fa azy io, ny grika koa milaza fa azy io, ny egyptiana koa milaza fa azy io, ny ôrtôdôksa koa milaza fa azy io... dia izao ny ekar (amin\'ny alalanao) milaza fa azy io... iza izany no tena tompony e? raha izaho aloha tsy hiteny mihitsy hoe ahy io, na anay na an\'ny fjkm io, na an\'ny reformée io satria tsy ahy io no sady tsy anay fa an\'Andriamanitra... sa?
40. ikaretsaka ( 04/12/2007 16:56)
ie.. Boky maromaro navondronay t@ alalan'ny konsilin'ny Evekanay tany nicea io

ekena fa misy boky maromaro nindramina t@ finoana maro samihafa, ao.. fa zahay no namondrona azy ho ohatran'ny anao io
(cf tantaran'ny baiboly)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1148