Mitsara ve Andriamanitra?

1. Ylly ( 23/11/2007 11:16)

Mampalahelo fa maro ny olona no sahy manome tsiny an’Andriamanitra tsotra izao raha vao misy zavatra tsy mety miseho eo amin’ny fiainana, ka tsy mifanaraka amin’ny eritreritra ; dia vao mainka manalavitra an’Andriamanitra ny olona ary mahazo vahana tokoa ny ratsy amin’izany satria mora amin’ny ratsy ny manjaka amin’ny olona lavitra an’Andriamanitra.

Ka hoy aho hoe: mitsara ve Andriamanitra ? ohatra fotsiny ity tantara iraika ity:

misy olona tsy afaka manan-janaka , niady teny foana izy saingy indrisy , ny taona mandeha nefa tsy nety nanan'anaka mihintsy izy. Dia io no nitsaran'ny manodidina azy hoe "izao ny vokan'ny zavatra nataonao ! voasazin'Andriamanitra ianao.

Ohatra koa ity olona iray izay maty ny zanany mbola kely , dia io no nanimba ny sainy fa hoe voatsaran'Andriamanitra koa izy , voasazin'Andriamanitra izy , eny na dia tsy hoe olona mpanota be izy satria mba krisiana koa , saingy teo ny haretina dia lasa iny zaza iny.

Ka lasa ny heritreritro hoe tena manasazy tokoa ve Andriamanitra , sazy hita mibaribary no tiako lazaina eto.
novalian'i Ylly ny 07/12/2007 15:20
2. xxx ( 23/11/2007 12:21)
Amiko raha voaharin'Andriamanitra dia tokony ho soa ny fiainany. Isika olombelona anefa dia anisan'ny nianjera ka misedra fahoriana maro. Raha miaraka amin'i Jesoa anefa dia ho maivana izany fahoriana izany.
Ny fitsarana dia tsy eto an-tany velively fa rehefa modimandry ny olona izay vao tsaraina araka ny asany sy ny finoanay.
3. niryna ( 23/11/2007 12:31)
Ylly:



Ka lasa ny heritreritro hoe tena manasazy tokoa ve Andriamanitra , sazy hita mibaribary no tiako lazaina eto.

Amin'ny maha-olombelona dia manana doubt indraindray rehefa tsy mifanaraka ny sitrapo ny zavatra atao.
Isika tsirairay avy dia efa voasoratra ny lalana hitondran'Atra antsika.
Rehefa manankina ny fiainana ho tantanany tokoa mantsy na inona mitranga dia mahafantatra fa avy aminy izany.
Tsy ny sitrapontsika anefa no tantera matetika fa ny Azy ary dia izay no mahatonga ilay fanomezana tsiny Azy.
Miteny kosa anefa Atra fa mamaly ny heloky ny taranaka aman-jafy izy raha tsy mino na manohitra na mankahala azy ilay taranaka ary manome tso-drano ihany koa ho an'ireo izay mino sy manaraka Azy
Izany taranaka manohitra Azy izany anefa dia mety ho afaka amin'ny fahafahan'ny maizina raha ohatra isika taranaka aty aoriana manapaka izany gadran'ny satana izany.
Eny mitsara tokoa izy ary ireo izay tsy mihaino na tsy mino azy ho hiaran'izany,rehefa tonga ny fotoana.Ireo mino Azy kosa dia tsy ho tsaraina intsony satria efa voavidin'ny ran'i Kristy.Samy hilaza ny zavatra sy ny soa nataony nitoriana ny filazan-tsara kosa anefa ireo mpanompony ary dia omeny valisoa(reward)araky ny fanompoana vitany tety an-tany.
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m4742e8edd932b
4. soanja ( 23/11/2007 14:40)
Ylly:


Mampalahelo fa maro ny olona no sahy manome tsiny an’Andriamanitra tsotra izao raha vao misy zavatra tsy mety miseho eo amin’ny fiainana, ka tsy mifanaraka amin’ny eritreritra ; dia vao mainka manalavitra an’Andriamanitra ny olona ary mahazo vahana tokoa ny ratsy amin’izany satria mora amin’ny ratsy ny manjaka amin’ny olona lavitra an’Andriamanitra.

Ka hoy aho hoe: mitsara ve Andriamanitra ? ohatra fotsiny ity tantara iraika ity:

misy olona tsy afaka manan-janaka , niady teny foana izy saingy indrisy , ny taona mandeha nefa tsy nety nanan'anaka mihintsy izy. Dia io no nitsaran'ny manodidina azy hoe "izao ny vokan'ny zavatra nataonao ! voasazin'Andriamanitra ianao.

Ohatra koa ity olona iray izay maty ny zanany mbola kely , dia io no nanimba ny sainy fa hoe voatsaran'Andriamanitra koa izy , voasazin'Andriamanitra izy , eny na dia tsy hoe olona mpanota be izy satria mba krisiana koa , saingy teo ny haretina dia lasa iny zaza iny.

Ka lasa ny heritreritro hoe tena manasazy tokoa ve Andriamanitra , sazy hita mibaribary no tiako lazaina eto.


Eto dia ny manodidina sy ny fiatraikan'ny hevitry ny manodidina na ny society no mitsara fa tsy Andriamanitra akory.

Tsy misy mahalala izay fikasan'Andriamanitra amin'ny tsirairay fa ny manatanteraka ny hafany na ny mission apetrany aminao no misy kosa.


5. zamanoro ( 23/11/2007 15:04)
Salama daholo
Raha ny finoan'ny rehetra kosa aloha dia sarotra ny tsy hilaza hoe manasazy Atra eh.
Ny Malagasy mino an'Atra na Zanahary ohatra dia azo antsoina Atra hanome tody sy vitan-dratsy ary anjara ratsy ho an'izay nahavita ratsy teo amin'ny tany ama-monina.
Raha ny finoana voarakitra indray toa ny Kristianina sy ny rantsany rehetra indray dia hita ao amin'ny baiboly ny namalian'Atra ny Egipta, Babilaona. Dia mbola mitohy amin'ny hoe ny afobe sy ny fikotroha-nify dia an'ireo olona voaheloka any amin'ny fiainana mandrakizay. Izany hoe valin'ny ratsy natao ny afobe, ny sasany moa aza hono mbola mandalo afo fandiovana, nefa iza moa no efa tany?
6. fijo ( 23/11/2007 21:36)
manohana ny hevitri soanja,nympiaramonina no mitsara,fa tsy misy andriamanitra mitsara izany.izy aza tsy misy koa hitsara inona?
7. niryna ( 24/11/2007 03:41)
fijo:

manohana ny hevitri soanja,nympiaramonina no mitsara,fa tsy misy andriamanitra mitsara izany.izy aza tsy misy koa hitsara inona?



:roll: ka efa voalazan'ny baiboly fa mamaly ratsy ny ratsy Atra ary manome fahasoavana izay taranaka mino sy manao ny sitrapony kou.Ahoana no hilazana fa ny mpiara-monina indray no mitsara?
Sady na mitsara aza ny olona ,tsy anjaran-tsika mihitsy no hitsara olona mitovy amin-tsika.Iza moa isika no hitsara ?
Atra irery no tokony hitsara antsika fa tsy ny mpiara-monina.
Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Rom 12:14
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin'ny fitsaran'i Kristy, mba handraisan'ny olona rehetra izay zavatra nataon'ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara ny ratsy. IIKor 5:10
8. Rasiligaoma ( 24/11/2007 04:24)

ka efa voalazan'ny baiboly fa mamaly ratsy ny ratsy Atra ary manome fahasoavana izay taranaka mino sy manao ny sitrapony kou.Ahoana no hilazana fa ny mpiara-monina indray no mitsara?


Mba lalina indray izany andriamanitra mpamaly ratsy nefa tabatabaina atsy ambadika fa God is love sy hoe sitrak'Aa no hamonjena antsika:roll:
fa aiza ihany ary nareo ireto
9. soanja ( 24/11/2007 08:20)
fijo:

manohana ny hevitri soanja,nympiaramonina no mitsara,fa tsy misy andriamanitra mitsara izany.izy aza tsy misy koa hitsara inona?


Ka eo anie matetika no mitranga ilay fitaka na ny fanasana atidoha ry Fijo, fa tandremo!

Terena ankolaka ny olona hanao ny zavatra tsy avy amin'ny fony.

Ny fifohazana ara-panahy dia avy amin'ny tenan'ny tsirairay no miainga. Andriamanitra irery ihany no mahalala ny tiany ampitaina aminao raha misy zava-mitranga amin'ny tenanao.

Tsy ny olona hafa ary akory no hiresahan'Andriamanitra an'izany.

Afa tsy cas miavaka dia miavaka toy ny fisehoan'i Masina Maria amin'ny ankizy na olona vitsivitsy na ireo izay mandray ny Fanahy Masina ary io mampita hafatra hoe zao sy izao no hitako tamin'ny fahitana sns... io aza mbola azo toherina ho an'ireo izay mbola marefo finoana an'i Masina Maria.


10. Ylly ( 24/11/2007 14:37)
hoy Niryna:

>>>>>

ekena Soanja a! fa misy koa hoy aho ny olona izay mihevitra fa raha sanatria ka misy loza miantefa azy dia milaza izy hoe
11. Ylly ( 24/11/2007 14:39)

Ny Soratra Masina ( Petera voalohany 5:8) dia milaza hoe :" ...miambena, fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany" Fa Satana no mpanjaka ny herin’ny ratsy, ary ny tanjony dia hangalatra, hanimba ary hamono ny olona, izay tena mifanohitra tanteraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. ( Jaona 10:10). Manjaka ny ratsy eto amin’izao tontolo izao, ary ny tena olana dia maro ny olona no tsy mino, fa Andriamanitra dia afaka manatanteraka ny zavatra tsara

rehetra, ary manana hery manafoana ny ratsy rehetra, noho izany dia maro koa no voasarika sy voafitaka ka mora mandray sy mino izay lazain’i Satana noho ny voalazan’Andriamanitra. (2 Kor.4:4).

Satana dia fahavalon’Andriamanitra, noho izany dia mitady hevitra hatrany izy amin’ny lainga, fitaka, hafetsena mba ahatonga ny olona ho tafasaraka, hiala ka tsy hino an’Andriamanitra. Ny tantaran’i Adama sy Eva dia mampiseho mazava ny faharatsian’izany asan’i Satana izany ho antsika olombelona :nomen’Andriamanitra fahalalahana feno i Adama sy Eva raha niaina tao amin’ny saha Edena ( Gen 2:16-17), zavatra iray ihany no voarara dia ny tsy ahazoany mihinana ny hazo fahalalana ny tsara sy ratsy. Nampitandrina mialoha tokoa Andriamanitra ny vokatry ny tsy fitandremana io teniny io hoe :"amin’ny fotoana hinananareo izany dia ho faty hianareo".
12. ikaretsaka ( 24/11/2007 17:13)
soanja:


manohana ny hevitri soanja,nympiaramonina no mitsara,fa tsy misy andriamanitra mitsara izany.izy aza tsy misy koa hitsara inona?


Ka eo anie matetika no mitranga ilay fitaka na ny fanasana atidoha ry Fijo, fa tandremo!

Terena ankolaka ny olona hanao ny zavatra tsy avy amin'ny fony.

Ny fifohazana ara-panahy dia avy amin'ny tenan'ny tsirairay no miainga. Andriamanitra irery ihany no mahalala ny tiany ampitaina aminao raha misy zava-mitranga amin'ny tenanao.

Tsy ny olona hafa ary akory no hiresahan'Andriamanitra an'izany.

Afa tsy cas miavaka dia miavaka toy ny fisehoan'i Masina Maria amin'ny ankizy na olona vitsivitsy na ireo izay mandray ny Fanahy Masina ary io mampita hafatra hoe zao sy izao no hitako tamin'ny fahitana sns... io aza mbola azo toherina ho an'ireo izay mbola marefo finoana an'i Masina Maria.


namaste namaste soanja ^:^
(ndroky ty any dia tena mahay mamaky ny namas ko mihitsy yyy)


13. Ylly ( 25/11/2007 10:40)
ekena Soanja a!
14. Rasiligaoma ( 26/11/2007 03:35)
soanja> mankatelina e
15. prime ( 27/11/2007 11:48)
Andriamanitra tsy mitsara mialohan'ny ahatongavan'i Kristy amin'ny voninahiny, saingy Andriamanitra mizaha toetra kosa ny mpanompony... maro karazana ny fizahan-toetra satria ny fizahan-toetra no anamarinan'Andriamanitra sy anamafisany orina ny finoana...

Tsy azo odiana tsy hita koa nefa fa ilay ratsy miasa andro aman'alina ary maka fanahy amin'ny fotoana rehetra, amin'ny toerana rehetra, amin'ny seho sy ny tranga rehetra ka eo indrindra no mila fiambenana avy amin'ny mpino mba hivonona mandrakariva amin'ny alalan'ny fanahy masina...

Ka tsy ny olona rehetra no isehoan'ny tranga toy ireo voatanisa ireo... ny firaisan'ny mpino amin'i Kristy ihany no ahatafavoahana ho mpandresy satria Izy irery no tena mpandresy eny fa na ny fahafatesana aza...
16. Ylly ( 27/11/2007 13:17)
misaotra Prime a!tena marina ireo voalazanao ireo
17. fijo ( 28/11/2007 00:18)
ka efa voalazan'ny baiboly fa,
ko raha tsy hoe marina daholo izay lazain'ny baiboly .

Andriamanitra tsy mitsara mialohan'ny ahatongavan'i Kristy
izany hoe tsy hitsara mihintsy lery,satria le olona handrasany efa maty tsy hita faty akory
18. Mandefitra ( 28/11/2007 06:43)
de ahoana zany no andraisana ty :
Hebreo 12:5 Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'i Jehovah, ary aza rerekan raha resi-lahtry ny anatra ataony hianao;

6 Fa izay tian'i Jehovah no faizany, ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny" (Oha. 3. 11, 12).

7 Famaizana no anton'ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy?

8 Fa raha tsy faizina tahaka ny itondrana azy rehetra hianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka.
19. prime ( 28/11/2007 08:35)
Mandefitra> raha ny fahitako ireo teny notsongainao ireo dia manamafy izay nambarako fa mizaha toetra mandrakariva Andriamanitra... izany fizahan-toetra izany dia mety mora kokoa, fa mety mafy dia mafy ihany koa arakaraky ny fifandraisan'ny mpino iray amin'Izy tompony... ny olona faizina dia ny zanaka malala... ny antsoina hoe zanak'Andriamanitra nefa dia izay nandray an'i Kristy ihany... ka raha ireo no manamaivana na manao tsinontsinona ny sitrapon'Andriamanitra dia tratran'ny famaizana (fa tsy "fitsaràna" tsy akory)...

Raha zohina hatrany amin'ny tantaran'i Joba, dia sady tsy voasoratra ho nanota Joba, tsy niala tamin'Andriamanitra nefa dia nandalo fizahan-toetra mafy tsy hita noanoa...

fijo> ka faty inona moa no andrasanao ho hita... Izy aza efa nitsangana tamin'ny maty!!!:)
20. Mandefitra ( 28/11/2007 09:09)
Prime:
Raha zohina hatrany amin'ny tantaran'i Joba, dia sady tsy voasoratra ho nanota Joba, tsy niala tamin'Andriamanitra nefa dia nandalo fizahan-toetra mafy tsy hita noanoa...

Raha ny tantaran'i Joba zao no dinihana, dia navelan'Andriamanitra i satana hanao ny tsy mety rehetra @ Joba afa-tsy ny manala ny ainy.
Azo tsoahina avy @ zany ve hoe :
- tsy avy @ Andriamanitra ny aretina sy ny fahoriana maro isan-karazany,
- azony sakanana tsy hihatra @ zanany ireny
- nefa mety tsy ho sakanany koa mba ho fizahan-toetra na famaizana ho antsika zanak'Andriamanitra
?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0787