Mitsara ve Andriamanitra?

21. prime ( 28/11/2007 10:27)
Ny fahafantarako azy ry Mandefitra dia toy izao,

  1. Andriamanitra mikatsaka ny tsara sy ny soa mandrakariva
  2. Satàna no fototra ny ratsy ary rain'ny fahaverezana sy ny lainga sy ny ozona sy ny fahafatesana ary ny asan'ny nofo (aretina, fahafatesana, loza, fahoriana...)
  3. Satàna no mpaka fanahy
  4. Andriamanitra nefa rehefa mandalo fakam-panahy ny olona dia mizaha toetra izany olona izany raha miorina na tsia ka mahatohitra na tsia ilay fakam-panahy
  5. Andriamanitra mahalala ny fetra sy izay zakan'ny tsirairay eo amin'ny fizahan-toetra ka manajanona izany raha mihoatra ny sahaza
  6. Andriamanitra koa nefa manafay izay mpino sy mpanaradia Azy ka manao tsinontsinona sy manitsakitsaka ny sitrapony

  7. Raha fehezina dia tsara ny fizahan-toetra ary tsara iainan'ny mpino izany satria sady mahasoa no mampiorina... ka mampitombina ireo voambaranao ireo...
22. ikaretsaka ( 28/11/2007 15:30)
Amiko dia tsotra aloha e
Ny fiasan'ilay fanahy mahaolona ary nikatsaka an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny asa sy finoana ary ny fanompoana AZY ATRA dia hitondra anao handray an'ilay FANAHY MASINA, izay tsy iza fa Andriamanitra ihany koa.
Ny fakam-panahy kosa raha ampiasainao , zany hoe tsy hoe tsy nisy nanampo fa niasa ho azy dia diso tokoa izany, ny sainao no hisafidy fa hangalatra ianao, ny sainao no maka safidy fa hijangajanga ianao, ny sainao no misafidy fa haka drouge ianao. Saingy izao anefa ny fiantraikan'iny dia tsy mora fa hitarika amin'ny ota ary hiafara amin'ny ny fahafatesana na ara-panahy na ara-batana aza.



Ny hidiran'i Satana amin'io resaka io dia tsy midina avy any an-danitra (na avy any @ helo) ny Satana hoe olona na biby misy tandroka na fanahy manerongerona fa ny ao anatinao miara miasa amin'ny olana ety ivelany no isian'izany fakam-panahy ka miteraka ota izany. SAFIDINAO ny hanota ary safidinao ny hanao zavatra iray tsy eken'Andriamanitra. Fialana bala fotsiny izany hoe SATANA no tonga manome anao izany SAFIDY izany!

Jereo amin'ny maso tsy miangatra fotsiny le izy hoe tsy nisy naniraka ny olona iray hamono olona fa na izy marary saina dia voan'ny ilay aretina maheno feo roa, dia namono olona ohatra na izy naka rongony ka niakatra ny herin'ny rongony na toaka na hafa miasa eo aminy na izy mihitsy no efa tena te hamono ilay olona.

Tsy misy hoe hery hafa no hanome anao izany fitiavana te hamono izany raha tsy hoe accident angaha dia izay hafa koa ny fivoakany.

Tsy voatery hitovy hoa ny fijerintsika fa aza manahy ny amiko. Hevitro ireo ary tsy voatery hanana namana hino azy fa izay ahatongavantsika eo anivon'ilay Ray tsy tohaina no zava-dehibe. Ny lalana mety samihafa. Raha mitondra amin'ny lalana diso aho dia lazao.

Mbola tsy niteny aho hoe "manota daholo fa tsy misy i SATANA' mifanohitra amin'izay aza hoe "ampiasao ny saina , ny fanahy ao aminao ary ny vatanao amin'izay mahasoa fa aza avelan'ireo filana ireo hanjakainy ny tontolon'ny fanahinao sy ny vatanao ary ny sainao!"
23. fijo ( 29/11/2007 00:16)
prime an,tsy fizahantoetra ny "ny famaizana ataon'i Jehovah"
famaizana izany midika sazy.ary ny sazy dia vokatry ny fitsarana
24. prime ( 29/11/2007 10:06)
fijo> tsy toy izany no heviny ara-tsoratra masina...
25. Ylly ( 30/11/2007 12:41)
ekena Prime a!dia mialoha e!

26. fijo ( 30/11/2007 22:14)
izay tsy haiko,fa rah atsy izay no dikany,dia tokony hovana ny teny ampiasaina
27. Ylly ( 01/12/2007 15:58)
mba azavao an'i Fijo hono ry Prime raha azo atao a!dia misaotra anao e!
28. prime ( 03/12/2007 12:12)
aho:
Ny fahafantarako azy ry Mandefitra dia toy izao,
Andriamanitra mikatsaka ny tsara sy ny soa mandrakariva
Satàna no fototra ny ratsy ary rain'ny fahaverezana sy ny lainga sy ny ozona sy ny fahafatesana ary ny asan'ny nofo (aretina, fahafatesana, loza, fahoriana...)
Satàna no mpaka fanahy
Andriamanitra nefa rehefa mandalo fakam-panahy ny olona dia mizaha toetra izany olona izany raha miorina na tsia ka mahatohitra na tsia ilay fakam-panahy
Andriamanitra mahalala ny fetra sy izay zakan'ny tsirairay eo amin'ny fizahan-toetra ka manajanona izany raha mihoatra ny sahaza
Andriamanitra koa nefa manafay izay mpino sy mpanaradia Azy ka manao tsinontsinona sy manitsakitsaka ny sitrapony

Raha fehezina dia tsara ny fizahan-toetra ary tsara iainan'ny mpino izany satria sady mahasoa no mampiorina... ka mampitombina ireo voambaranao ireo...


Ny famaizana dia vokatry ny fandikàna ny sitrapon'Andriamanitra... ary rehefa maditra ka mandika ny didy sy ny lalàna na ny sitrapon'Andriamanitra ny mpino dia faizin'Andriamanitra... tsy fitsaràna ny famaizana fa fananarana... ny zanak'Andriamanitra sy ny mpino no mandalo famaizana... ny tsy mpino dia tsy mandalo famaizana fa miandry ny fitsaràn'Andriamanitra... tena samihafa mihitsy izany...

Ny fitsaràna dia avy amin'Andriamanitra ihany ary ny olona voatsara dia mizara roa :
- raha mino ilay olona dia voavonjy noho ny ràn'i Kristy...
- raha tsy mino izy dia voaheloka ary ny tenin'Andriamanitratsy tsy inoany ihany no efa mitsara azy sahady...
29. Ylly ( 03/12/2007 13:53)
ekena Prime a!misaotra anao fa raha ho ahy manokana aloha dia tena mazava tsara ireo fanazavanao ireo a!
30. prime ( 04/12/2007 09:09)
Ylly> Tsy misy fisaorana fa dia mahereza hatrany...
31. Ylly ( 07/12/2007 15:20)
ianao koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9428