Ny isaorako Azy

1. soanja ( 22/11/2007 13:58)
Teny tsy mba valiana ny ahy fa aingam-panahy te hitroatra.

Raha nitanjozotra nidina ny tendrombohitra aho omaly hamonjy fodiana, somary maika satria mamanala ny andro no nahatsikaritra ny setroky ny ozinina iray dia iray ery lavitra ambany. Matroka ny lanitra amin'ny andro mangatsiaka ialokalofan'ireo setroka mainty ireo. Tonga avy hatrany ny saiko nisaotra an'Andriamanitra fa iray dia iray io ozinina mpamoa-tsetroka maloto eto an-tanana io. Avy hatrany aho dia namonjy nihaino radio na madio ny rivotra androany alina na tsia. Soa fa madio tokoa na tazako aza io setroka io.
Lasa ny eritreritro hoe any ho any misy tananan-dehibe, firenena be dia be miaina ao anaty setroka sesilany vokatry ny filan-draolombelona. Misy zaza vao teraka mifoka izany setroka izany anefa. Any ho any misy ankizy be dia be miaina ao anaty tebitebin'ny ady sy ny poabasy ary ny tafondro ka na ny mahaankizy azy aza tsy ahafahany mifaly avanja. Any ho any misy marary nohon'ny fiantraikan'ny zavamisy teo amin'ny manodidina niainany. Raha mamohy ity fiara ity ve aho dia isan'izany mpanome fijaliana azy ireo izany?

Fety ny Thanksgiving androany. Efa vonona ny tenako hanoko ilay vorintsiloza mafilotra ho an'ny fianakaviako. Isaorako Andriamanitra nanome ahy ny hery sy ny fahafahana manao izany.

Na izany na tsy izany aza dia manontany tena aho hoe misy zaza ve any ho any tsy misakafo, noana , tsy nivalana telo andro azo hanomezana na handrombinana amin'ity zavamafilotra harapakay sady tsy holany ity? Firy ny isany ary ahoana ny ahafahako hanome izany?

Tsy manan-kolazaina aho. Isaorako Andriamanitra fa feno ny nomeny ahy androany ary mbola isaorako Azy ny fitiavana sesilany hatramin'izay.
Angatahako manokana amin'Andriamanitra anefa ny hitsinjovany ireo tsy manan-tsiny, ireo izay mitady ny masoandro mahiratra amin'ity fiainana ity izany mbola tsy nahazo izany hatramin'izao. Ifonako koa ny amin' ireo izay adidy tsy vitako nefa tokony ho vitako.

Koa mirary antsika rehetra aty andafin'ny Ranomasina Atlantika aho hanao fety sambatra. Happy Thanksgiving ary Andriamanitry ny fahasoavana anie hitsimbina lalandava ny diantsika lavi-podiana.
novalian'i kofbay ny 26/11/2007 17:36
2. suzuki ( 22/11/2007 14:27)
mafinaritra e =D=D=D
3. sipagasy ( 22/11/2007 15:07)
mmhh arahabaina izany ry soanja sy ry cutie sy ry cute sy ny maro hafa koa any e!!!!! tratry ny fety ianareo rehetra any e!!!

Soanja izay anie retsy no mampatonga antsika tsy hisaraka @ Izy ao ambony e! ary raha mandinika ianao dia ilay vavaka faran'ny tsotra: 'Rainay izay any an-danitra4 dia mahafehy ny zavatra mato tiana hambara isan'andro, ao anatin'io vavaka io misy hoe..... omeo anay anie ny hanina sahaza ho anay....., na tsara io na ratsy io hanina io, dia hainy fa zakantsika matoa omeny antsika.

bizz hatrany e!:-*(l):-*
4. diamondra27 ( 22/11/2007 15:13)
soanja: bonne fety de klou klou klou @ vorontsiloza ao zany nareo e!matsiro b zao zany an!:-*
:-*:-*
5. sitlo ( 22/11/2007 15:42)
Isaorako ny any ambony, tsy vidiana ny torapasika
Isaorako ny any ambony nanome tany midadasika
Isaorako ny any ambony, tsy vidiana ny masoandro
Isaorako ny any ambony nanome hanina isan'andro

Takodah sy Ngahy be (rap gasy):wink:
6. miantra ( 22/11/2007 16:05)
mirary fety sambatra ho anareo rehetra any andafin'ny ranomasimben'i Atlantika any !

Miara-misaotra ny Any Ambony aminareo.
Dedicace manokana : ilay hiran'i Henri Ratsimbazafy hoe "Fa Anao ireny no nindramiko".
7. bonbongasy ( 22/11/2007 19:44)
Happy Thanksgiving e!
araraoty aloha ny fotoana ahafahana miaina izany, ho hita eo ihany ny tohiny
Aza manahy
8. tywa68 ( 22/11/2007 19:53)
mahafinaritra ny mahita olona mahay misaotra rehefa feno fifaliana, ary mangataka fitahiana ho an'ireo zay ory sy tsy manana. Dia bon app zany Soanja aloha d alefaso eto ny sary ho jerenay :lol::-*:-*
9. ikalamako ( 22/11/2007 22:07)
misaotra anao Zanahary o
misaotra foana foana e anao mandavantaona e
manantena anao Zanahary o
fa indray andro any mba ho any an-danitra any

(Tempo Gegy)

Manaova fety sambatra daholo ianareo rehetra any an-dafin'ny atlantika any.
:miam::miam::miam: klou klou klou klou !
10. cutie ( 23/11/2007 03:10)
happy turkey day njy ry soanja
voky turkey ve e :-D
za tsy nihinana fa za tsy tia :-D
11. sarobidy ( 23/11/2007 05:58)
za ko te hanao tononkalo ôtran'ni sitlo fa tsy mahay :( d mahereza daholo nareo manao fety any andafin'ny riaka eh :-*
12. soanja ( 23/11/2007 14:58)
Misaotra antsika rehetra e. Isika rehetra misaotra an'Atra isanandro tokoa no tena zava-dehibe.

Cutie> somary be sira le izy tao an. Soa fa nisy cranberry sauce sy ny gravy nanalefaka azy. :-D:-D.
Ny tena tiako dia ny mashed sweet potatoes.
13. cutie ( 23/11/2007 15:06)
soanja
za tsy tia gravy koa :-D
mashed potatoes no tiako de sweet potatoes koa :)
14. xxx ( 23/11/2007 17:29)
soanja:
Na izany na tsy izany aza dia manontany tena aho hoe misy zaza ve any ho any tsy misakafo, noana , tsy nivalana telo andro azo hanomezana na handrombinana amin'ity zavamafilotra harapakay sady tsy holany ity? Firy ny isany ary ahoana ny ahafahako hanome izany?

Vao nisaina izany fotsiny ianao dia toy ny efa nanome,enga ané mba hisy handimby ny toeranao any amin'ny toerana izay misy azy ireo.
15. xxx ( 23/11/2007 17:30)

16. soanja ( 24/11/2007 08:09)
sipagasy:

mmhh arahabaina izany ry soanja sy ry cutie sy ry cute sy ny maro hafa koa any e!!!!! tratry ny fety ianareo rehetra any e!!!

Soanja izay anie retsy no mampatonga antsika tsy hisaraka @ Izy ao ambony e! ary raha mandinika ianao dia ilay vavaka faran'ny tsotra: 'Rainay izay any an-danitra4 dia mahafehy ny zavatra mato tiana hambara isan'andro, ao anatin'io vavaka io misy hoe..... omeo anay anie ny hanina sahaza ho anay....., na tsara io na ratsy io hanina io, dia hainy fa zakantsika matoa omeny antsika.

bizz hatrany e!:-*(l):-*

Misaotra sipagasy!

Marina tokoa io resahandry io saingy tsy hitako ao anatin'io "rainay any an-danitra io" ilay hoe "omeo hery/finiavana aho hizara amin'ny hafa izay tsy manana" sa ve tafiditra amin'io ny hoe "avelao ny fahotanay"?

17. xxx ( 24/11/2007 08:58)
cutie:
za tsy tia gravy koa
mashed potatoes no tiako de sweet potatoes koa

ary ny sweet shôrta vé tsara:-D:°):-D
18. kofbay ( 26/11/2007 17:36)
tsy misy tokony hampiasa saina izany ry Soanja a! Tsy kristiana za kanefa tsy manakiana na mandoka izay finoan'ny hafa (tsy asiantsika ady hevitra io an!), kanefa izao no fantatro fa voalazan'ny baiboly (satria efa novakiako io. Tsy ny soa ihany no raisintsika avy amin'andriamanitra fa ny ratsy koa (tantaran'i Joba io), tsy misy izao tontolo izao raha tsy mifameno izany ny soa sy ny tsara toy ny ying yang ihany!le bien et le mal, le beau et e mauvais, ho an'ny kristiana dia samy miandrandra ny paradisa avy ny rehetra, mety ho epreuve fotsiny izany ny fiainana ety ka tsy maintsy hisy ny lahatra sy anjara fa rehefa tonga any mety mitovy daholo! ankoatran'izay ny fahasambarana dia samy manana ny conception-ny momba izany. Ozy ilay zanak'ilay mpiasanay izay tamiko indray krisimasy izay, sady faly be i lery: 'Ny laokanay sosisyyyy! ny dessert-nay Yaourt aaaaa!" ontsa ery aho nijery an' takaka mandindihy eran'trano.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1088