Tandremo! Finoana sa asa?

21. ikaretsaka ( 26/11/2007 15:43)
izay indrindra....
ka ny hanao ny sitrapony anie ry prime tsy hoe mitory teny irery fa manao sy noa rehetra e..
Aza adino fa niasa t@ fanasoavana olona ara batana koa i Jesoa ankoatran'ny toriteniny
ny azy T@ fahagagana no nentiny nanampy ny olona ara tsakafo ..nanasitrana olona kilemaina sns (Satria izy andriamanitra), ny fampianarana tsotsotra momban'ny fiainana ary bedebe ny fampiofanana nomeny ny Apostoly nandritra ny 3 taona
Asa daholo izany,
Raha tena hanaraka azy? inona ilay asa? sa ilay 1 metimety amin'ny sainareo fotsiny fotsiny:wink:

22. prime ( 27/11/2007 08:00)
ikaretsaka> ka mifanohitra angaha moa izany ambaranao izany sy ny hoe mino sy manao ny asan'Andriamanitra?

Ny nitarihan'i LD ny resaka dia ny fisarihana ny saina handinika fa tsy ny asa no mialoha fa ny finoana... izay ihany... tsy milaza mihitsy na dia kely aza hoe tsy mila miasa na tsy ilaina ny asa... fa ny finoana no mialoha...

Ary Kristy mbola nampianatra toy izao koa amin'ny anaran'i Jesosy :

"Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny." Jaona 6:29

Noho izany izay mpanaradia an'i Kristy milaza ho manana finoana dia mila mandinin-tena ny amin'ny asan'izany finoana izany hoe hatraiza... ary izay milaza ho manana sy manatanteraka ny asan'Andriamanitra dia mila mandinin-tena raha vokatry ny finoana an'i Jesosy Kristy no anaovana izany na noho ny filàna sy ny fahalalàna ary ny fampianarana eto amin'izao tontolo izao ihany...
23. ikaretsaka ( 27/11/2007 17:20)
ny fitiavana no lehibe indrindra hono ko.. dia raha mitia dia @ asa no anehoana izany
24. fijo ( 28/11/2007 00:32)
inona anefa no asa nataon'ilay jesoa,

nandrava tsena,za tsy mbola nanao an'io na dia mpa niady ihany aza fahiny.

tsy tonga hinatso ny marina fa ny mpanota,izahay efa mba miaraka ihany rehefa mirevy.(asa na mpanota izahay na tsia)

hoavy amin'ny sabatra sy inona moa le izy rabilabila fa tsy tsaroako.eto koa hialako pas mihintsy fa za tsy mbola te higadra
25. Mandefitra ( 28/11/2007 06:52)
Zay ny mason'ny olona ra fijo an, ny ratsy (jery ivelany) ihany no tazana sy voizina ... Mampalahelo :(

Ny nanetren'i Jesosy tena ho tonga olona na Andriamanitra aza, ny nanasitrany ireo marary marobe, ny nananganany ny maty, ny nanolorany ny Tenany sy ny Rany ho fanavotana ny olon-drehetra zay mino Azy tsisy resaka sy tsy inoana ...

Hoy ilay hira malagasy fahiny zay hoe:
Raha izany no izy dia azafady, tsy mitovy ny antsika ny fahendrena
26. prime ( 28/11/2007 08:21)
ikaretsaka> ekena fa ny fitiavana no lehibe indrindra tokoa satria Andriamanitra velona mihitsy izany... fa telo nefa ilay mitoetra fa tsy ny fitiavana ihany... araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Kristy :

"Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo." I Korintiana 13:13
27. ikaretsaka ( 28/11/2007 16:04)
dia ny fanehoana ny fitiavana (izay lehibe indrindra) dia ny asa fa tsy ny "tiako ianao"
28. fijo ( 29/11/2007 00:21)
ity farany dia ekeko .asehoy ho tsapa,fa tsy tenenina fotsiny."tsy ny milaza amin'ny vadiny isanandro hoe tiako ianao,no tena tia,fa ny manaja sy mahay mifandefitra aminy"

Ny nanetren'i Jesosy tena ho tonga olona na Andriamanitra aza, ny nanasitrany ireo marary marobe, ny nananganany ny maty, ny nanolorany ny Tenany sy ny Rany ho fanavotana ny olon-drehetra zay mino Azy tsisy resaka sy tsy inoana ...
io dia fomba fijerinareo mpino,fa za tsy hino mihintsy hoe nisy efa maty nefa nitsangana indray..
29. Mandefitra ( 29/11/2007 05:50)
fijo:
io dia fomba fijerinareo mpino,fa za tsy hino mihintsy hoe nisy efa maty nefa nitsangana indray..

Kanefa zay mihitsy no nahatongavan'i Jesosy Kristy tety an-tany. Ka raha tsy hino zany ny tovolahy, tsy tokony hanaratsy Azy akory (nandrava tsena etc ...).
Zay no ataoko hoe ovay le fomba fijery ... zay mba tsara tsihifina raha misy.
Hoy Kristy : "Tiava ny fahavalonareo"
30. prime ( 29/11/2007 09:49)
31. ikaretsaka ( 29/11/2007 16:22)
Ity angamba no maha samihafa kely azy:

Benoit 16, papa :
"Catholics believe that works are not only a manifestation of faith, but we also believe that the Word of God is saying that works complete our faith".
Somary tsy tafita ny hafatra raha atao dikan-teny malalaka fa ialako tsiny
32. Mandefitra ( 30/11/2007 11:47)
Mba hazavao marina hoe ry ika (na zay Katolika) le hoe fa tsy azoko tsara:
"Mpiara-miasa @ Andriamanitra ny olombelona"
Mpiara miasa @ inona? hahazoana inona?
Misaotra
33. ikaretsaka ( 30/11/2007 18:36)
miara miasa amin'Atra ny olombelona.. mba hampankaja ny fiadanana eto an-tany, sy hanombohana sahady ny paradisa eto an-tany..
ny finoanay dia hoe raha ratsambatan'i Kristy ny fiangonana, dia miara miasa sy mitambatra aminy! izany hoe raha te hiasa hanao an'izao izy, dia ianoa no ampiasainy! raha membre an'ny fiangonana ianao!

fa tsy misaraka hoe atsy ny akibeny de atsy ny hoho tongony dia atsy ny volon-tananay.. dia soi disant avy eo hoe samy avy amin'i kristy ihany ireo nefa tsy misy atokona fa ohatran'ny kankana na rambon'androngo tapaka sanatria!
azafady an!
34. fijo ( 30/11/2007 22:21)
Zay no ataoko hoe ovay le fomba fijery ... zay mba tsara tsihifina raha misy.
Hoy Kristy : "Tiava ny fahavalonareo"

tsy voatery hovana ny fomba fijery ka ,hafaka samy manana ny azy ny olona fa tsy azo terena hitovy io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0609