Tandremo! Finoana sa asa?

1. LazaDaddy ( 22/11/2007 12:44)
voalaza matetika ny hoe "ny finoana tsy arahina asa dia naman'ny maty". Tandremo sao misy mamitaka anareo ka mandika vilana an'io.

Sanatria tsy hoe tsy ampy akory ny finoana ka mila arahina asa, tsia! Diso izay fiheverana izay.
Ny marina dia miseho amin'ny asa ny finoana. Izany hoe vokatr'ilay finoana ny asa fa tsy sanatria famenon'ilay finoana.
novalian'i fijo ny 30/11/2007 22:21
2. ikaretsaka ( 22/11/2007 12:53)
marina... dia sady miasa no mino fa tsy mino dia misalaka tanana eo!
tsy ny fanahy ihany ny maha olombelona fa mbola misy koa ny vatana sy ny saina
ny fanahy no mino, ny vatana sy saina miasa...
3. rabilabila ( 22/11/2007 12:55)
"ny finoana tsy arahina asa dia naman'ny maty".

Fanazavàn-drabilabila:

ny finoana (raha manana izany ) ka tsy aparitaka ( io ilay asa ) fa tazominao irery ho anao dia maty miaraka aminao.

Ohatran'ny hoe raha tsy miteraka ianao dia maty miaraka aminao ny patrimoine genetique-nao izay nolovaina tamin'ny razambe-nao .
4. prime ( 22/11/2007 13:35)
LD> tena mitombina tanteraka... ny asa dia vokatry ny finoana fa tsy ny mifanohitra amin'izay na koa hoe famenon'ny finoana ny asa... mankasitraka...:)
5. fijo ( 22/11/2007 22:55)
miasa miasa daholo ary
6. cutie ( 23/11/2007 02:57)
samia mazoto miasa aza:lol:
7. prime ( 23/11/2007 08:56)
fijo,cutie> ny tenin'Andriamanitra mampianatra fa mino vao miasa fa tsy miasaasa fotsiny... fa rehefa manana ilay finoana dia maneho izany amin'ny asa... izay no tian'i LD ampahatsiahivina etoana...
8. cutie ( 23/11/2007 15:05)
eny tompoko:)
9. ikaretsaka ( 23/11/2007 19:05)
ary raha mino fa tsy miasa? (ny sasany @ evanelika..style minoa fotsiny ihany))
na miasa fa tsy mino? (style ry fijo)

dia ahoana ny @ ireo?:wink:
10. rabilabila ( 23/11/2007 20:06)
Inty aho eto:-D salama vatana ,salama saina de ahoana?
11. rabilabila ( 23/11/2007 20:07)
Ary mijoro ho vavolombelona :-D:-D:-D
12. Fody ( 23/11/2007 20:37)
Ny finoana dia fanampahan-kevitra. Ao anatin'izay ny fanekena, fahatokisana, ary fanantenana. Ny tena manontolo no Mino, fa tsy ny fanahy ihany. Izany hoe: raha miaiky aho fa kristiana,mpino, ny dikan'izay dia izao: ny amiko manontolo (saina, vatana, fo, fanahy) no indray mandray izay finoana izay, ary ny amiko manontolo koa no indray mi-engager amin'izay finoana izay.
Tsy ilaina intsony ny torin-teny be amin'izay fotoana izay fa ny fiainako dia efa ahitan'ny hafa ny hoe: ahoana ny iainana ny Evanjely.

Mba hanantanteraha an'io fiainana ny finoana io dia misy ny olona mandeha manokan-tena amin'Andriamanitra ka manao pretra, na pastera, na relijiozy, sns... Misy kosa ny manefa izany eo anivon'ny fianakavina, eo amin'ny fiaraha-monina sns... Io dia safidin'ny tsirairay araka ny fahatsapany ny fahasoavan'Andriamanitra voarainy.

Fa hoy i Jesoa: "Ianareo no fanasin'ny tany, nefa raha ny fanasina no tonga mahatsatso, azo atao inona intsony...". Ny maha fanasina dia ny fiainana ny finoana, ny fanatanterahana izay zavatra takian'ny Finoana.

13. fijo ( 23/11/2007 21:51)
ka ny anay aleonay le asa toa izay le mino revy ka.
14. ikaretsaka ( 23/11/2007 22:50)
rabilabila:

Inty aho eto:-D salama vatana ,salama saina de ahoana?
Ary mijoro ho vavolombelona

he he he :-D


15. fijo ( 23/11/2007 23:18)
hi hihi mijoroa tsara e
16. niryna ( 24/11/2007 03:57)
prime:

fijo,cutie> ny tenin'Andriamanitra mampianatra fa mino vao miasa fa tsy miasaasa fotsiny... fa rehefa manana ilay finoana dia maneho izany amin'ny asa... izay no tian'i LD ampahatsiahivina etoana...

=D=D
Mitovy hevitra amin'i prime sy laza.


http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&msgid=m46c2f772b44b2
17. Rasiligaoma ( 24/11/2007 04:48)
ka misy ve ny mpino maneho izany amin'ny asa? amin'ny fomba ahoana? raha ianareo fotsiny no lazaina? ahoana ny fanehoanareo izany? inona no avotanareo? Aiza ny tianareo hahatongavana? Famonjena vatana sy saina sy fanahy ve io sa fanahy fotsiny io ataon'ny "mpino" lazainareo io?
raha izy 3, hatraiza ny "asa vitanareo" mihoatra amin'ny "tsy mino" teo amin'ny fanasoavana ny olombelona amin'ny maha olombelona feno azy?

Aoka samy handinika izany any am-po tsy miloaka any avy!
Ho tonga saina amin'izany anie isika, amen!
18. niryna ( 24/11/2007 04:52)
Rasiligaoma:

ka misy ve ny mpino maneho izany amin'ny asa? amin'ny fomba ahoana? raha ianareo fotsiny no lazaina? ahoana ny fanehoanareo izany? inona no avotanareo? Aiza ny tianareo hahatongavana? Famonjena vatana sy saina sy fanahy ve io sa fanahy fotsiny io ataon'ny "mpino" lazainareo io?
raha izy 3, hatraiza ny "asa vitanareo" mihoatra amin'ny "tsy mino" teo amin'ny fanasoavana ny olombelona amin'ny maha olombelona feno azy?

Aoka samy handinika izany any am-po tsy miloaka any avy!
Ho tonga saina amin'izany anie isika, amen!



Finoana an'i Kristy no lazainy voalohany izay vao manao ny asa ary mampiantra azy amin'ny fiainana.
19. ikaretsaka ( 24/11/2007 15:50)
ko efa hoe aoka samy handinika ny tenany hono ko
mandinin-tena mandinin-tena :wink:
20. prime ( 26/11/2007 10:55)
rasiligaoma> hoy ny tenin'Andriamanitra amin'ny anaran'i Jesosy :

"Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray." Jaona 14:12

Ny tena fanontaniana mila fandinihan-tena raha ny fahitako azy dia ny hoe inona ilay asa ataon'i Kristy? ary manao izany asan'i Kristy izany aho sa ny asa izay heveriko ho asa tokony hatao no ataoko...?:)

Tsy ny fahavitàna asa lehibe noho ny hafa no niantsoan'i Kristy ny mpanompony fa ny hanao ny sitrapony... (io indrindra no nahasarika ahy nanao ilay lohadinika momba ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta... fa raha manana betsaka ny olona iray dia adinina betsaka kokoa amin'izany, raha manana kely dia adinina araka izany kely nomena azy izany)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.465