abraham

1. fijo ( 21/11/2007 22:45)
tamin'ny alahady teo,izay nijery la 2,dia nahita ilay fandaharana "jour du seigneur"nahaliana io,satria
protes iray,jiosy iray"rabin" silamo iray"mpitarikafivavahana" koa,ary kato iray no teo.
resaka momba an'i abraham no teo,ary dia izy rehetra ireo dia samy nilaza fa tsy tena voafaritra na nisy tokoa i abraham na tsia.ilay jiosy sy le silamo ary ilay protes aza moa dia nilaza fa ny filazana fa nampiasa rameva izy,dia porofo ny tsy fahamarina'ny fisiany satria tsy mbola niompy rameva ny olona tamin'izany.
ka hoy aho hoe raha ny mpino ,na ny mpandinika toa ireo aza mahalala izany,nahoana no tsy avy dia lazaina hoe diso io baiboly io?
novalian'i fijo ny 29/11/2007 00:29
2. fijo ( 21/11/2007 22:50)
izay anie le efa nolazain'ika hoe tsy voatery ho marina izay voalazan'ilay boky nindramina e.mety sarisarin teny io hilazana zavatra hafa
3. piste ( 21/11/2007 22:57)
mbola opinion io ra-Fijo fa aza maika hanao conclusion. Sady mino aho fa tsy olona nianatra archéologie biblique ry zalahy ireo. Satria betsaka ny preuves contraires @ izay voalazany izay.
4. fijo ( 21/11/2007 23:07)
ekeko tokoa izay,saingy"toa azo jerena amin'ny net moa ireny fandaharana ireny"dia jereo,fa mahaliana io.
satria dia ahiahy be ny andry zareo,ka maninona no mampiely resaka tsymbola azo antoka???izay no tsy azoko
5. ikaretsaka ( 21/11/2007 23:23)
ka samy manana ny theoriany io ..!
nefa za lety vao nandende tany @ musee d'histpoire naturelle mihitsy anikeheo dia izany no hitako hoe t@ andron'ny cro magnon no efa niopy rameva ny olona!
sa talohan'izany ny eren'i Abrahama?
6. fijo ( 21/11/2007 23:29)
tamin'izany kosa tsy mbola nisy fiompiana kle.mbola niovaova toerana ny olona tamin'izany
7. ikaretsaka ( 21/11/2007 23:44)
efa nitaingim-biby aza honony olona t@ izany ko.. sady ohatran rameva ilay taolana hitany, mitady ilay liens aho io fa tsy mety hitako
8. fijo ( 21/11/2007 23:48)
ny rameva anie raha ny fahalalako azy,toa 8 siekla talohan'i jesoa vao nofehezin'ny olona tao avaratr'i afrika e
9. hery ( 22/11/2007 08:26)
Izao ilay izy fijo a :-)

Ny "tena kristianina" dia tsy mijery ilay baiboly ho boky historique tanteraka. Izany hoe tsy voatery hamarinina hoe oviana no niaina i Abrahama, tena nisy ve Abrahama, inona ny lokony, inona ny sakafony... Fa mijery ny baiboly ho fototra iaingan'ny finoana. Boky mirakitra fifankatiavana izy alohan'ny maha boky mirakitra tantara azy. Fifankatiavana teo amin'Andriamanitra sy ny vahoakany. Izany hoe ny resaka tokony hipetraka dia hoe
Ahoana no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany ny Olombelona... nifidy vahoaka izy (tsy voatery hoe ny jiosy tany aloha fa ny tsirairay mihitsy) nandefa ny zanany ho azy ireo izy, nanafaka azy tamin'ny haizina, namonjy azy sns...

Izay ihany... ny baiboly dia boky mirakitra fitiavana aloha vao boky mirakitra tantara
10. Fody ( 22/11/2007 08:31)

Izao e: mahaiza manavaka ny atao hoe: milaza na mirakitra zavatra marina ny Baiboly, sy ny hoe: manao tatitra ny zavatra nitranga marina.

Misaotra!
11. xxx ( 22/11/2007 09:48)
Ny foko rehetra misy eto ambonin'ny tany dia samy manana ny fitaizana araka ny fanehoana ara-tantara, na angano, na ohabolana mba entina hitaizana ny fara aman-dimby. Ny Baiboly dia Inspiration avy amin'Andriamanitra. Tsy ny fanamarinana ara-tantara izay voasoratra ao no zava-dehibe fa ny vontoatiny, ny Hafatra ampitaina, ny Hery sy Anatra azo raisina Aminy.

Ankehitriny tokoa dia hita fa tena manenjika ny Baiboly ireo olona milaza tena fa mandroso sy mpahay ara-tsiansa ary miezaka mitady porofo materialy etsy sy eroa. Ny aza adino anefa, ary efa voalaza ao anaty Baiboly dia fanoherana ataon'ilay ratsy mamilivily ny Morale omen'Andriamanitra izany asa ataony izany.

Amiko dia ireo maty fanahy no mitady porofo hamotehina ireo fivavahana.

Ny tokony hotsikafonina ankehitriny dia ny fiainana ara-panahy iainan'ny Mpino sy iainan'ireo milaza tsy mpino nefa afaka manao magie sy ny mosavy sy ny sisa.

Mila halalinina ireo fiainana tsy hita maso nefa tena misy.
12. tsimiandravola ( 22/11/2007 22:31)
hery:
Ny "tena kristianina" dia tsy mijery ilay baiboly ho boky historique tanteraka. Izany hoe tsy voatery hamarinina hoe oviana no niaina i Abrahama, tena nisy ve Abrahama, inona ny lokony, inona ny sakafony... Fa mijery ny baiboly ho fototra iaingan'ny finoana. Boky mirakitra fifankatiavana izy alohan'ny maha boky mirakitra tantara azy. Fifankatiavana teo amin'Andriamanitra sy ny vahoakany. Izany hoe ny resaka tokony hipetraka dia hoe
Ahoana no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany ny Olombelona... nifidy vahoaka izy (tsy voatery hoe ny jiosy tany aloha fa ny tsirairay mihitsy) nandefa ny zanany ho azy ireo izy, nanafaka azy tamin'ny haizina, namonjy azy sns...

Izay ihany... ny baiboly dia boky mirakitra fitiavana aloha vao boky mirakitra tantara
Fody:
Izao e: mahaiza manavaka ny atao hoe: milaza na mirakitra zavatra marina ny Baiboly, sy ny hoe: manao tatitra ny zavatra nitranga marina.

Misaotra!

xxx:
Ny foko rehetra misy eto ambonin'ny tany dia samy manana ny fitaizana araka ny fanehoana ara-tantara, na angano, na ohabolana mba entina hitaizana ny fara aman-dimby. Ny Baiboly dia Inspiration avy amin'Andriamanitra. Tsy ny fanamarinana ara-tantara izay voasoratra ao no zava-dehibe fa ny vontoatiny, ny Hafatra ampitaina, ny Hery sy Anatra azo raisina Aminy.

Ankehitriny tokoa dia hita fa tena manenjika ny Baiboly ireo olona milaza tena fa mandroso sy mpahay ara-tsiansa ary miezaka mitady porofo materialy etsy sy eroa. Ny aza adino anefa, ary efa voalaza ao anaty Baiboly dia fanoherana ataon'ilay ratsy mamilivily ny Morale omen'Andriamanitra izany asa ataony izany.

Amiko dia ireo maty fanahy no mitady porofo hamotehina ireo fivavahana.

Ny tokony hotsikafonina ankehitriny dia ny fiainana ara-panahy iainan'ny Mpino sy iainan'ireo milaza tsy mpino nefa afaka manao magie sy ny mosavy sy ny sisa.

Hita arak'izao valiteny ataon'ireto mpino kristiana izao fa tena resilahatra tokoa izy ireo (ary tsy izy ireo ihany fa mpino maro) ny amin'ny fahadisoan-javatra ao anaty Baiboly.

Ny mba tena mahazendana ahy fotsiny dia ny tsy itsoran'izy ireny amin'ny filazana fa tsy misy "infaillible" na ny Pape ,na ny Fanahy Masina sns sns.Kanefa anie dia tsotra tokoa ,ary tsy misy hanome tsiny azy amin'izany ê.Au contraire ,azo deraina mihitsy aza ny mpino raha afaka manao remise en question toy izany.:D

Jereo izao fa efa niverina ilalana ny Katô tamin'ilay resaka "limby" vao tsy ela akory izay.Dia hoy aho hoe Bravo!
Toy izany koa ny Mopera sahy mampijoro ny filahiany ka manambady,fa tsy mampiasa izany antsokosoko,sy any amin'ny takona...Dia hoy koa hoy aho hoe Bravo!Torak'izany koa ry Masera mba mahalala mamelatra ampahibemaso amin'ny alalan'ny fanambadiana fa tsy any amin'ny couvent any no miatsara ivelatsihy ,..dia hoy aho hoe Bravo!

Izany no fahalalahan-saina, tsy misy fitaka,.."zanak'handova ny lanitra" hoy ilay hira katôlika izay.

Remarque:Ny rameva voaresaka etsy ambony dia efa nisy foana ,fa saingy efa ela taty aoriana vao nampiasaina ho taingenana sy ampitondraina entana.Jereo daholo ny tantara mikasika an'i Jakoba,Esaü sy Rachel sy Laban sy ny 12 misy an'i Josefa namidy tamin'ny caravanne Ismaelites mampiasa rameva etc fa "anachronique" satria tamin'ny fotoana nieritreretana fa nisehoan'izany dia mbola tsy "nandevozina" ny rameva.
13. fijo ( 22/11/2007 23:10)
za koa mahatsikaritra fa manaiky ankolaka ny mpino izao,"i ikaretsaka efa ela no nihaiky"fa misy angano io baiboly io.ka maninona kay raha izay marina no tsorina,fa tsy avela ny olona hino zavatra diso ao???aza hadino,fa tsy ny olona rehetra anie no mahatakatra fa fomba fanehoana hevitra io e.amin'ny ankamaroan'ny mpino,"izay taratra eto"dia tena zavatra marina daholo no ao,ka sao dia famitahana olona le resaka.tsy manavaka mpino aho eto.
14. piste ( 22/11/2007 23:28)
Hita arak'izao valiteny ataon'ireto mpino kristiana izao fa tena resilahatra tokoa izy ireo (ary tsy izy ireo ihany fa mpino maro) ny amin'ny fahadisoan-javatra ao anaty Baiboly.

Asa na izaho no tsy mahazo resaka na Tsimiandra fa tsy manafoana ilay aspect storique na narratif ao @ Baiboly velively ilay tanjona voalohany tiany kendreny dia ny tantaram-pamonjena.

Ka ilay affirmation hoe :Ny
"tena kristianina" dia tsy mijery ilay baiboly ho boky historique tanteraka. Izany hoe tsy voatery hamarinina hoe oviana no niaina i Abrahama, tena nisy ve Abrahama, inona ny lokony, inona ny sakafony... Fa mijery ny baiboly ho fototra iaingan'ny finoana. Boky mirakitra fifankatiavana izy alohan'ny maha boky mirakitra tantara azy. Fifankatiavana teo amin'Andriamanitra sy ny vahoakany.

dia tsy mandà velively ny maha-historique azy.
Manarak'izany, ataoko fa maivana loatra raha antokon'ny olona vitsivitsy no milaza fa tsy misy abrahama dia ho resy lahatra sahady aho, nefa sady tsy nanadihady no tsy nanaporofo.
Ny athée angamba no mora mirona @ izany, izay efa miandry kendry tohina hamelesana ny fivavahana hany ka izay lazain'ny na afafin'ny olona @ internet rehetra any raofina daholo sans y remettre en cause.
15. fijo ( 22/11/2007 23:31)
za aloha tsy milaza hoe resy lahatra aho,fa alefako eto le resaka hakana ny hevitry ny mpino.tsy misy milaza hoe marina io na diso.
16. niryna ( 23/11/2007 07:01)
xxx:


Ankehitriny tokoa dia hita fa tena manenjika ny Baiboly ireo olona milaza tena fa mandroso sy mpahay ara-tsiansa ary miezaka mitady porofo materialy etsy sy eroa. Ny aza adino anefa, ary efa voalaza ao anaty Baiboly dia fanoherana ataon'ilay ratsy mamilivily ny Morale omen'Andriamanitra izany asa ataony izany.

Amiko dia ireo maty fanahy no mitady porofo hamotehina ireo fivavahana.

Ny tokony hotsikafonina ankehitriny dia ny fiainana ara-panahy iainan'ny Mpino sy iainan'ireo milaza tsy mpino nefa afaka manao magie sy ny mosavy sy ny sisa.

=D=D
tsimiandravola:


Hita arak'izao valiteny ataon'ireto mpino kristiana izao fa tena resilahatra tokoa izy ireo (ary tsy izy ireo ihany fa mpino maro) ny amin'ny fahadisoan-javatra ao anaty Baiboly.

Ny mba tena mahazendana ahy fotsiny dia ny tsy itsoran'izy ireny amin'ny filazana fa tsy misy "infaillible" na ny Pape ,na ny Fanahy Masina sns sns.Kanefa anie dia tsotra tokoa ,ary tsy misy hanome tsiny azy amin'izany ê.Au contraire ,azo deraina mihitsy aza ny mpino raha afaka manao remise en question toy izany.:D

Jereo izao fa efa niverina ilalana ny Katô tamin'ilay resaka "limby" vao tsy ela akory izay.Dia hoy aho hoe Bravo!
Toy izany koa ny Mopera sahy mampijoro ny filahiany ka manambady,fa tsy mampiasa izany antsokosoko,sy any amin'ny takona...Dia hoy koa hoy aho hoe Bravo!Torak'izany koa ry Masera mba mahalala mamelatra ampahibemaso amin'ny alalan'ny fanambadiana fa tsy any amin'ny couvent any no miatsara ivelatsihy ,..dia hoy aho hoe Bravo!

Izany no fahalalahan-saina, tsy misy fitaka,.."zanak'handova ny lanitra" hoy ilay hira katôlika izay.

Remarque:Ny rameva voaresaka etsy ambony dia efa nisy foana ,fa saingy efa ela taty aoriana vao nampiasaina ho taingenana sy ampitondraina entana.Jereo daholo ny tantara mikasika an'i Jakoba,Esaü sy Rachel sy Laban sy ny 12 misy an'i Josefa namidy tamin'ny caravanne Ismaelites mampiasa rameva etc fa "anachronique" satria tamin'ny fotoana nieritreretana fa nisehoan'izany dia mbola tsy "nandevozina" ny rameva.

Ny anao izany anie fankahalana ilay olona mpitory e.Inona koa izao no hidiran'ny resaka rameva amin'ny monpera?
=))=)):-$:-$

Misaotra hery,xxx ary fody.Tsy andany andro amin'ny hoe misy ve sa tsy misy Atra kosa aloha aho e.Rehefa tsy mino hianao dia izay izy izany.Tsy ny filazana sy ny hiadiana hevitra amin'izany no tanjona amiko manokana.Mitory an'i kristy izay nitsangana tamin'ny maty aho,mitory azy ny soa nataony tamiko sy tamin'ireo fianankaviako ary ireo namana maro dia maro ary tsy ho voatanisa ato izany ,mitanisa aho fa misy izy.Mihaino hianao tsara, tsy hihaino hianao dia anao.Tsy afaka ny hitsara na iza na iza aho na isika.
Tsotra fotsiny,raha tsy manana ny FM dia tsy homen'Atra ny teniny mihitsy ary dia tsy ho azony velively izany soratra masina izany na andeha mbamin'ny lohany aza izy.
Andriamanitra dia fitiavana ary mila mitia ny tenantsika aloha isika,mila mitia ny manodidina antsika ihany koa,ary raha tsy manana fitiavana na dia iray amin'ireo aza hianao dia tsy hino na ahafantatra izany Atra fitiavana izay tsy hitan'ny masonao izany.Finoana io,tsy afaka ny hanazava na hana-forcer ny olona hino ny mpino an'i Kristy na Atra.Raha tsy Atra no hanome azy izany.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=HEBREO&toko=11&andininy=1-20&dika=
17. hery ( 23/11/2007 09:14)
Tena tsy arak'i Tsimiandra ilay resaka... tsy ifanomezan-tsiny io fa misy zavatra mety ho takatra dia misy zavatra tsy takatra... arakaraka ny fahafahana manakatra ihany.

Andao hatao ohatra akaikikaiky kokoa, izay inoako fa mety mba ho takatrao amin'izay (efa nazavaiko tamin'ilay zandriko farany fa takany)

- Eritrereto hoe mandeha any ambanivohitra be tsy mbola nahita goudron akory ianao
- Rehefa tonga any ianao dia manazava amin'izy ireo izany hoe firenena matanjaka iray atao hoe Japon izany.
- Dia miandrasa 20 taona fotsiny dia anontanio ny zaza eo antanàna hoe fantatrareo ve i Japon.
- Mety tsy ho Japon intsony no iantsoany azy fa mety ho lasa Zapà, mety lazainy hoe nisy sarety volamena tany Zapà, satria sarety oatra no malaza eo aminy ary ny volamena ohatra no lafo vidy aminy.
- Dia hilaza ianao ve avy eo fa tsy misy an'izany Zapà izany?

Toa izany koa...
18. xxx ( 23/11/2007 11:30)
Tena marina io fanazavana ataon'i Hery io.

Amin'ny maha-olombelona tsotra dia toy ny mitantara angano Andriamanitra milaza ny Fisiany. Ny mahagaga ahy fotsiny amin'ireo mpanenjika dia tsy mba nanontany ve izy hoe "Nahoana ary aho no misy?". Misy ianao Tsimiandravola, misy ianao Fijo. Dia Ilay milaza hoe "Izaho no Izy" lazainao fa tsy Izy?

Aiza ary ianareo izany.

Io ilay hoe ilaozana mandalina nefa ny zavatra tsotra indrindra tsy fantatra. Mila mitandrina ihany sao dia ilaozan'ny omby mihahaka an! Raha "a cote de la plaque" no itadiavanao an'Andriamanitra dia ao amin'ilay Maizina ianao izay fa mitandrema!!!!
19. Fody ( 23/11/2007 14:02)

Izao e: mahaiza manavaka ny atao hoe: milaza na mirakitra zavatra marina ny Baiboly, sy ny hoe: manao tatitra ny zavatra nitranga marina.

Misaotra![/quote]

Io no zavatra nambarako tery ambony tery. Dia aiza amin'io no miteny fa diso ny Baiboly?


Fanamarihana: Mba mandiniha ihany vao manoratra ry tsimiandravola, ary ny saina no ampisao fa aza entim-pankalana fotsiny!



20. fijo ( 23/11/2007 22:21)
hery an,ny mahagaga anie teo,dia tsy hoe mpahay tantara fa olona mpino aby no miresaka e????"jereo fa toa azo hiverenana jerena amin'ny net moa ireny"
za manokana aloha dia olona mino ny fisian'i jesoa sy abrahama;fa teo aho dia gaga hoe ,hay ve misy an'izany indray e????
ny tsy ekeko ary mbola laviko hatramin'izao dia ny hoe 900 taona vao maty i anona sy anona.raha ny fivoaran'ny fitsaboana tamin'izany tsy marina sy tsy mitombona izany.

fody,le fomba namalianao azy kosa eto dia mihendrika fanafenana na fihazoazoana.tsy ny milaza mivantana hoe "tsia "ihany anie no atao hoe manda e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.26