Tokony hanomana ny fiavian'ny Tompo ve isika Kristiana?

21. xxx ( 23/11/2007 15:54)
Araka ireo valinteny rehetra anie izany dia efa miaina araka ny sitrapon'Andriamanitra ny Mpino ary manao ny asa aman-draharahany ao amin'ny Tompo.

Fa ny fanontaniana teraka dia hoe "tena efa vonona ve raha toa ka tonga tokoa ny Tompo amin'ilay Andro ?
22. fijo ( 23/11/2007 22:29)
pissoa an,tsy pahana aho,fa nareo no mamo de mahita zavatra hafa ko.:-P:-P:-P:-P
ari an,mivavaha izany nareo fa aza miasa sy manao zavatra hafa intsony,ary aza lany andro mifaly(aleo hoanay tsy mpino io)fa ny anareo any an danitra vao mifaly sy rehefa tonga lery"atsy hoatsy"hafaka 100000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000000
taona
23. fijo ( 23/11/2007 22:29)
toa mbola tsy ampy aza ireo "0" ireo kle
24. prime ( 27/11/2007 12:29)
Tsy mbola tonga Jesosy Kristy fa ny iraka no efa mitoetra mandrapihaviny... (aoka aloha tsy hifangaro ireo)... ny Fanahy Masina no mitoetra ankehitriny ka mampiorina ny finoana rehetra ao amin\'i Jesosy... ilay Jesosy nohomboana tamin\'ny hazofijaliana, maty sy nalevina ary nitsangana tamin\'ny maty ka niakatra any an-danitra sy nandray ny fahefàna rehetra any sy ety an-tany no resahina etoana fa mbola tsy maintsy ho tonga Izy ary amin\'izay fotoana izay dia ny maso rehetra no hahita Azy ho tonga amin\'ny voninahiny fa tsy olona vitsivitsy sy mpino vitsivitsy tsy akory...

Izany indrindra no nahatonga an\'i Kristy nampianatra matetika ny amin\'ny fiambenana, ny faharetana amin\'ny fivavahana, ny fanantenana ny amin\'ny ho avy amin\'ny finoana Azy feno...

Raha tsy miambina ny mpino dia ho maro no ho voafitaka na dia izay milaza ho efa miorina aza... io dia nanaovan\'i Kristy fanoharana indrindra ny amin\'ny fanjakàn\'ny lanitra sy ny fihaviany amin\'ny virijina folo... toy ny hita ao amin\'ny Matio 25:1-13
25. ikaretsaka ( 27/11/2007 17:22)
hay ve i prime mahay izany e...
=D
26. ikaretsaka ( 27/11/2007 17:23)
oay.. adinoko..namaste
27. prime ( 28/11/2007 08:12)
Mahereza daholo ary fa efa mihaakaiky ny andro...
28. fijo ( 29/11/2007 00:34)
ka tsianjery dia hay,fa izay tokoa ve no izy???
29. soanja ( 29/11/2007 04:34)
xxx:

Manitikitika hatrany io fanontaniana io ankehitriny noho ireo zava-mitranga marobe mahazo ny olombelona ankehitriny. Efa mielipatrana ireo fitaovana marobe (electronique ohatra) izay lasa andrian'ny fon'ny olona indrindra moa fa ny tanora ankehitriny ka lasa manao an'Andriamanitra tsy misy.

Ny Kristiana indray moa dia hita fa misara-kevitra (atao hoe a cote de la plaque) fa tsy mibanjina marina ny Tompo voahombo noho ny otan'ny tsirairay avy.

Ao anaty korontana tokoa ve isika ankehitriny? Inona no fonosin'izany korontana izany? Efa akaiky ve ny Andro?

Izaho izay manoratra dia milaza hoe efa mby an-koditra ny fetr'andro ka aoka hisaintsaina ny fanomanana ny fiavian'ny Tompo isika Kristiana.

Misokatra ny adihevitra ary misaotra mialoha ho an'izay mahatsapa tokoa ny Fanahy Masina eo am-pamaliana ity ady hevitra ity.

Ho an'i Jesoa Irery anie ny Voninahitra. Amen.


Ny fahitako azy indray dia tokony hifandraika lalandava amin'ny fivoaran'ny tontolo iainana na ny zavamisy ny fiatrehana ny fampianarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ary tsy tokony hifikitra amin'ny hevitra izay niainan'ny apostoly , zany hoe tamin'izany andro izany ny fomba hitoriana ny tenin'Andriamanitra fa tokony hampiasaina izay zavamisy dia iny no asiana lanja hanampiana ny tian'Andriamanitra haseho amintsika, izay mahalala ny heviny tiany hampitaina.
Dia ny fitiavany sesilany, ny famindram-pony ary ny fiainana mandrakizay handraisany antsika.

Koa ny hevitro dia raha be ny miala amin'Andriamanitra izao ka mitodika amin'ny zavatra hafa dia satria tsy mandaitra aminy intsony ny fomba fampianarana taloha, izay fampatsiahivana fa manota foana isika im-77, diso lalndava sns... manisy hetry na potsitra ny sain'ireo mandray azy izany ary tsy mifanaraka intsony amin'ny zavamisy satria ny zavamisy manome lanja azy ny hanamboniana sy ny fideraderana sns...

Koa izay hikatsahana ny fanatsarana ny zava-nomen'Andriamanitra azy (fanabeazana feno ny momba an'Andriamanitra) no tokony omena lanja ary ny fitadiavana hoe inona no fomba hikatsahany sy ifandraisany amin'Andriamanitra amin'ny talenta ananany no atao laharam-pahamehana. Rehefa mahatsapa hoe nisy lanja ny momba azy dia ary afapo izy amin'ny zava-nataony hiatrehana/fifandraisany an'Andriamanitra dia mandeha ho azy ny rehetra.

Tsara lalandava no ho azonao amin'olona faly iray mahita an'Andriamanitra ary hanenika izany hafaliany izany rehefa malalaka haneho izany izy.

Ny fahavononana amin'ny fahatongavan'ny Tompo dia ny fanehoana lalandava ny fitiavany tsy an-kanavaka ary ampitoniana!

Cutie> io ilay valin-teniko. Bizz njy!:-*:-*


30. prime ( 29/11/2007 09:42)
fijo> jereo ny famantarana rehetra dia ho azonao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2673