avelao

1. razdel ( 21/11/2007 10:51)
mba mangataka an'izay hira izany
misaotra
novalian'i sarobidy ny 22/11/2007 08:51
2. sarobidy ( 22/11/2007 07:02)
avelao an'i Lalatiana sa avelao an'iza kay raha tsy mahadiso :roll:
3. sarobidy ( 22/11/2007 08:50)
Raha le an'i Lalatiana mantsy de ito e

AVELAO
avelao any
avelao any ny taloha
adinoy any
adinoy any tsy hifoha
raha ny lasa
raha ny lasa no nania
ao ny ampitso
ao ny ampitso mirana

ho ela ihany izany mbola hiainana
ho lava ihany ny lalana ho diavina
omeo ahy ny tananao
avy tantano aho

mety ho mafy
mafy ny ady piainana
tsy maintsy misy
misy ny andro mierika
na izany aza
avelao any ny taloha
na izany aza
adinoy any tsy hifoha

ho ela ihany izany mbola hihainana
ho lava ihany ny lalana ho diavina
omeo ahy ny tananao
avy tantano ahy

4. sarobidy ( 22/11/2007 08:51)
sa le hoe

AVELAO AHO


aza lany andro miteny ahy
izaho tsy miova fa tia azy
fa sao lazainao vazivazy
tsy anio ihany fa ho doria
hoy ianao :" izy anie maditra
toa tsy misaina anao akory
ny alina izy tsy matory
fa dia milalao fitia"

ref:
avelao aho sy ny fitiavako
hiara ho faty
fa na marina aza izay lazainao
tsy maninona f'aleoko ihany miaritra
anaty fitiavana
lalina ka avelao

hoy ianao :"izy anie maditra
toa tsy misaina anao akory
ny alina izy tsy matory
fa dia milalao fitia"
aza tantarainao ahy intsony
ny toetrany tsy tantinao
tsy mampaninona ahy izany
tiako izy ampy izay

REF




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0609