homosexualité

1. fantsika ( 21/11/2007 05:43)
Miarahaba,
Mitombona ve fa tena tsy fahatomombanana ara-tsaina ny maha homo sa ahoana? Raha izany marina no izy, mety hisy ihany ve ny fanafody?
Efa mba ela ihany koa manko no narenesako an'io teny io nefa mbola tsy dia misy teny malagasy mahasolo azy. Misy ihany ny hoe "pelaka" inona anefa no tena hevitr'io teny io?
Misaotra, mandra-pihaona.
novalian'i sarobidy ny 03/12/2007 13:29
2. niryna ( 21/11/2007 07:28)
Raiso izay fantatrao fa tsara sy mahasoa anao.
Mahereza

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m473be310ef309
3. fantsika ( 21/11/2007 09:41)
nyrina, misaoatra aloha namaly fa saingy izao, tsy izao no "homo" fa olona fantako akaiky ka holazaiko azy io. raha misy torohevitra hafa dia mba ambarao ihany sao hahasoa azy
4. kelly13 ( 21/11/2007 10:23)
amiko (teboky ny fahitako no lazaiko) tsy resaka ao @ saina ny maha homo na tsia fa resaka gene, ka tsy haiko na misy fanafody na tsia
5. ari.malala ( 21/11/2007 13:34)
misy hono noho ny dona nahazo azy teo @ fiainana no nahatonga azy ho lasa homo... ohatra hoe, zatra voafitaky ny vehivavy dia lasa ts tia vehivavy tsony, misy koa hono t@ fitaizana azy fahakely, satria naniry vavy ny reniny nefa izy lahy, dia ampanaovina akanjom-bavikely, kilalaom-bavikely sns, ka raha izaho no anontaniana @ ireo zavatra voalazako ireo dia ny sainy mintsy zany no voa... asa raha hisy fanafody...
6. kallie ( 21/11/2007 15:00)
ny nianaranay d oe resaka fitaizana sy "environnement" no mahatonga "tendance",
samy manana "féminité" daholo ny olona ao aminy ao, na lahy na vavy, fa ny fitaizana no mampitombo na mampihena azy, io lazain'i Ari io, raha bandikely, favoriséna am saribakoly sy akanjo rose, lasa tafiditra ao aminy lé fironana am univers vavy, toy zany koa ny vavy kely taizana sy zarina am univers lahy
Mety koa oe fanirian'ny ray amandreny vavy kely (na lahy kely) be tam bevohoka ka tsy ni accepté oe lahy (na vavy) ilay zaza rehefa tena teraka

Ny fanafodiny 2 :
- na accepténa ilay izy, assuména d mitady izay maha sambatra ao anatin'izay
- na manantona docotera (psychologue) manao thérapie
7. niryna ( 23/11/2007 05:36)
fantsika:

nyrina, misaoatra aloha namaly fa saingy izao, tsy izao no "homo" fa olona fantako akaiky ka holazaiko azy io. raha misy torohevitra hafa dia mba ambarao ihany sao hahasoa azy

Safidy io ary raha mangataka toro-hevitra aminao izy dia lazao azy ny ao anaty baiboly ireo nomeko ireo.Rehefa hiteny azy anefa hianao dia mila mivavaka raha ohatra ka kristiana hianao.Mivavaha koa ho azy fa mbola voagejan'ny satana izy.Miala tsiny aho fa tafiditra ato ny fivavahana a.
Ny saina no mitondra an'io ka omeo fampaherezana izy ary avelao izy hitantara ny fiainany sy izay manjo azy.Anjaranao ny mi-supporter na mihaino izay heviny ary aza tonga dia batiana na pohana fa sarotra be ny milaza ny mary raha mbola tsy te-hiala izy .(Fitiavana izany no tena omenao azy ary ataovy fantany izany,ny fiteninao,ny fihetsika,ny marina rehefa manontany hevitra aminao izy.)
Mahereza

8. niryna ( 23/11/2007 05:41)
kelly13:

amiko (teboky ny fahitako no lazaiko) tsy resaka ao @ saina ny maha homo na tsia fa resaka gene, ka tsy haiko na misy fanafody na tsia

Kelly a,vakio ilay hafatra eo aloha dia ho hitanao.
Andriamanitra nanao ny olona ho lahy sy vavy.Tsy diso izy na sanatria nikipy ny masony nanao antsika.Sarotra be ny manazava ilay izy raha tsy ilay olona mihitsy te-hiova.Feno aty aminay ary mivady sy manaiky ny fanjakana sy ireo fiangonana izay mitady support.Ny tanana dia efa misy fitoerana misy azy,ary na ny alika vavy koa aza dia misy mivady,feno eny amin'ny arabe hita ho hafahafa ilay alika vavy.Ary voasoratra ao anaty baiboly koa io fa rarana kanefa ataon'ny olona ihany.Tsy mitsara azy isika ary tsy afaka hitsara olona isika na dia iray aza.Mila mivavaka ho azy ireny fa mampalahelo ry zareo.
Miso dokotera,ingenieur,olona avara-pianarana marobe ary tena variana hianareo sady malahelo,milahatra ary mankalaza ny fetiny.Maro ny olona no mankasitraka azy.Mba meteza anie isika eo amin'ny toerana raha misy fianakaviana voan'io e.:cry::cry:

9. niryna ( 23/11/2007 05:43)
ari.malala:

misy hono noho ny dona nahazo azy teo @ fiainana no nahatonga azy ho lasa homo... ohatra hoe, zatra voafitaky ny vehivavy dia lasa ts tia vehivavy tsony, misy koa hono t@ fitaizana azy fahakely, satria naniry vavy ny reniny nefa izy lahy, dia ampanaovina akanjom-bavikely, kilalaom-bavikely sns, ka raha izaho no anontaniana @ ireo zavatra voalazako ireo dia ny sainy mintsy zany no voa... asa raha hisy fanafody...

Hitan'i kelly io,jereo fa misy fanazavana mitovy io lazain'i ari-malala io ao amin'io fivavahana Sodoma sy Gomora izay nalefako any amin'ny fivavahana ,ary misy mitantara ny homo koa ao amin'ny (Gen 19)
10. fantsika ( 23/11/2007 08:47)
niryna,
raha mandinika ny valiteninao aho dia izao no eritreriteo indray ary:ekeko fa mety hiova ny olona iray nefa diniho anie e!, raha misy lhl iray asaina miova ho vhv: na toetra na fihetsika na fisainana; mety ho possible ve izany? ohatran'ny sarotra ihany an! satria izao manko, ilay olona homo matoa izy miaina araka ny maha homo azy dia izay mihitsy ny nature-ny, ka ilay nature (ara-tsaina) mihitsy ve no mety ho voaova? nisy niteny hoe gène, d'accord @io aho satria ilay olona manko tsy mieritreritra hoe tsy normal (toa an-tsika mahalala hoe lhl na vhv isika), raha tsy izany mety ho mora ihany ny handresy lahatra azy. hoy ianao hoe mivavaka, mety ho vahaolana matanjaka ve ny fivavahana? nahoana?
11. niryna ( 24/11/2007 05:20)

:roll: ka rehefa mivoaka izy raha mihevitra azy ho vehivavy ,maninona no any amin'ny WC ny lehilahy ihany izy no mandeha.:D.
Raha tsy tonga manatona mila vahaolana izy dia tsy tsara ny tonga dia miteny azy,tsy hihaino eo izy akory,mila mivavaka ny fianakaviana rehetra,toy ireny olona manana olana amin'ny fiainana ireny ka.Ny vavaky ny maro hono mahataka-danitra.Mety tsy mivaly eo noho eo fa fantatsika fa mahafantatra izay tadiavintsika Atra ary efa mahafantatra koa Izy.Tsy kivy ary tsy maneso na manao teny mankarary azy.Rehefa manatona anao kosa izy dia avy amin'izay hianao amin'ny angady sy ny harona,miaraka amin'ny fivavahana kely vao miteny ary miaraka amin'ny tenin'Atra.
Mahereza fa aza kivy,voasoratra ao anatin'ny SM fa tsy mahazo ny fanjakan'ny lanitra ireo olona manao izay tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra. http://baiboly.org/toko.asp?boky=GALATIANA&toko=5&andininy=19-26&dika=
12. soanja ( 29/11/2007 05:11)
fantsika:

Miarahaba,
Mitombona ve fa tena tsy fahatomombanana ara-tsaina ny maha homo sa ahoana? Raha izany marina no izy, mety hisy ihany ve ny fanafody?
Efa mba ela ihany koa manko no narenesako an'io teny io nefa mbola tsy dia misy teny malagasy mahasolo azy. Misy ihany ny hoe "pelaka" inona anefa no tena hevitr'io teny io?
Misaotra, mandra-pihaona.

Tsy marary ny homo ka! izay mihitsy no toe-batany. Misy fanafody ve? tsia, saingy azo atao kosa ny miafy. Toy ny hoe miafy ny olona iray hanao masera na mopera na dia tomombana aza ny taova eny aminy rehetra.
Ny hoe hitsara ny hafa dia jereo ao anaty baiboly ny tian'Andriamanitra resahina momba izany.
Raha resaka finoana no resahina dia izay hitanao fa mahasoa anao no araho fa aza manahy ny hafa. Ny hafa mahalala izay tokony ataony raha hitany fa tsy mety ny ataony.

13. sarobidy ( 03/12/2007 13:29)
za ko nieritreritra hoe avy am fomba fitaizana fony fahakely mihitsy no mahatonga ny olona ray lasa homo ^^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4981