Sakafo gasy @ didi-poitra

1. Rafotsy ( 19/11/2007 18:51)
Salut daholo indray o !
Mba mangataka aminareo aho raha misy manana recettes ( ilay tena gasy an ) fanaovana composé , fanaovana saucissess gasy sy izay sakafo hitanareo fa tsara !
Ilay izy , soirée , ary karazana buffet ( apéro dinatoire moa izany e ) , ary gasy no betsaka fa misy vaza vitsivitsy koa ! Sakafo azo karakaraina mialoha e !
Misaotra betsaka o !:-*:-*
novalian'i Rafotsy ny 30/11/2007 18:46
2. sipagasy ( 19/11/2007 20:05)
Arahaba ririnina izany aloha ny renin-jaza e! hihih, ny ahy akia rehefa manao fanasana tahaka izao aho dia tsotra ihany annn:

Composé gasy: macedoine de légumes, tsy @ boites annn fa iny modaka be fa ireny @ surgelé ireny jerena, ampiana ovy nandrahoina @ hodiny, tetehina efa-joro kely avy eo, tahaka izany koa ny betravy, tetehina kely madinika, afangaro miaraka à mayonnaise ireo dia haingoana voatabia voatetika bori², sy atody nandrahoina t@ akorany, sy zava-maitso; azo atao mialoha atao anaty frigo avy eo

lasary gasy: tetehina ny haricots verts, carôty, laisoa, tetehina à halavany avy ho madinika kely(ny ahy ny fanaoko ny karôty dia andrahoiko manokana kely aloha @ rano vao tetehina, mora kokoa @ izay) avy eo somary endasina à menaka sy carry, ary farany dia laroina vinaigrette, rehefa vita dia tehirizo koa.

ny nems, sy ny sambos, ngamba efa hain'dRafotsy ann

hena baolina ihany koa azo atao,

afaka asianao tetika fromage (gouda na emmentale...) ireny koa tetehina efa-joro, dia atsatoka @ pique kely ireny miaraka @ olives, na cornichons, na koa voatabia cerises, dia atsatoy @ silaka voatavo nahohoka, fa ho tsara endrika ery e!

hafa koa hihi: fotoanan'ny endives izao, silatsilao ny felany iny dia asio feta vita t@ fromage bleu sy crème fraiche somary atao marihidrihitra, aza hadinoina ny manisy vovoka poivre mainty fa hitanao fa tsara izy avy eo,

afaka manao voatabia sesika ihany koa ianao, sesika feta fromafe isan-karazany na koa feta charcuterie sy mayo miaraka @ legumes izay tianao afangaro aminy

azonao atao koa ny manao salady @ vary, ka izay fangaro tianao atao aminy ,a ho thon sy katsaka sy voatabia ihany aza....


sns e.... dia aza adinoina ny vary sy laoka sa tsy ilaina? ny ahy aloha rehefa fety tahaka izao dia vary @ anana sy sosisy ny ady eo e!

dia manaova fety sambatra e!!!
3. Rafotsy ( 20/11/2007 07:37)
sipagasy ; misaotra betsaka e !
Tsy renin-jaza aky fa beben-jaza a !:-D:-D
Hitandry ihany moa ny ankizy teraka taty andafy ireny , ka mba ampianarina ny fomba kalou , amin'izay misy ampitaina koa izy any aoriana any rehefa tsy eo intsony Rafotsy e !
Mbola miandry hafa o !:-*:-*
4. miantra ( 20/11/2007 09:52)
arahaba ririnina izany ny zafikelin-drafotsy e!

Azonao atao koa ny manao cake salé aux olives sy aux saumon azonao jerena ao amin'ny internaute ny recette.

Afaka manao mofo sakay kely sy mofo anana ihany koa fa mba asaina crevette kely na totokena kely miaraka aminy fa tena :miam::miam:.

Ary koa manao kobandravina : farine de riz asiana akondro potsehina asiana totom-boanjo raha manana ianao dia atao bain marie ny ahy ny fanaoko fonosiko amin'ny papier alu tsy atao matevina be loattra ary rehefa masaka dia tetehina atao efa-joro madinika.

Ny catless koa azonao atao dia asiana sakay gasy tena HUMMMM!!! asiana salalde verte kely!!

Ankoatr'ireo ny nems sy ny sambos toy ny mahazatra.

Ireo aloha ny tena gasy fa ny ho an'ny vazaha betsaka . dia mazotoa e!

5. Rafotsy ( 20/11/2007 10:18)
Miantra : misaotra e !
Mba omeo ny recettes fanaovanailay mofo sakay sy mofo anana ary ilay catless koa !
Ilay cake salé indray efa fanao matetika fa mba te hiditra @ tsakitsaky tena gasy mihitsy zah é !
:-*:-*

6. miantra ( 20/11/2007 13:21)
Ireto akia ny recette ah:

fa izany hoe ny katless ny ahy ampiako betsaka kokoa ny ovy na ovaina trondro ny hena, ary ny mofo anana asiako sakay mena na asiana version misy crevette tetehina madinika.


http://razafimalala.free.fr/Recette/mofoanana.htm


Ity indray ny catless:

http://coconono.blog4ever.com/blog/lirarticle-19564-57362.html

Dia bonne appetit eh!
7. sarobidy ( 21/11/2007 13:29)
kaii itako daholo ndray reto enarana,d hataoko :D
8. soanja ( 22/11/2007 04:29)
Baranjelin'Ibotosalama

Baranjely tetika boribory 4
Voatavo tetika boribory 2
voatabia 5 vaventy
sakaibe tetika fisaka refa nalaina ny voany 2
tongolobe 7
menaka mandry 3 sotro
sira sy dipoavatra
zava-manitra

Sasao ny legioma ary esory ny vodin'i baranjely sy ny voatabia ary ny sakaibe.

Hafanao ao anaty vilany ny menaka ary ataovy ao ny legioma rehetra sy ny zavamanitra ary asio sira. Andrahoy amin'ny afo malefaka mandritra ny 45 mn ary haroy tsindraindray. Azo asina heron-dronono mangotraka na atody iray nokapihina ny baranjely rehefa masaka ary ampifangaroina tsara.

Mazotoa homana!
9. Rafotsy ( 22/11/2007 15:31)
soanja:

Baranjelin'Ibotosalama

Baranjely tetika boribory 4
Voatavo tetika boribory 2
voatabia 5 vaventy
sakaibe tetika fisaka refa nalaina ny voany 2
tongolobe 7
menaka mandry 3 sotro
sira sy dipoavatra
zava-manitra

Sasao ny legioma ary esory ny vodin'i baranjely sy ny voatabia ary ny sakaibe.

Hafanao ao anaty vilany ny menaka ary ataovy ao ny legioma rehetra sy ny zavamanitra ary asio sira. Andrahoy amin'ny afo malefaka mandritra ny 45 mn ary haroy tsindraindray. Azo asina heron-dronono mangotraka na atody iray nokapihina ny baranjely rehefa masaka ary ampifangaroina tsara.

Mazotoa homana!


Misaotra aky Soanja !
Indry kalou dia mbola tena mitana ilay teny gasy an : ny voatavo ve courgette sa citrouille ? Ary ilay menaka mandry ve dobera sa hafa mihitsy ?
mbola andramako ho anay kalou fa tena vao2 amiko ilay recette ndry! Ary aroso plat sa entrée ? Miala tsiny aky fa toa be fanontaniana !
Mbola miandry ihany ô ary misaotra mialoha e:-*:-*


10. soanja ( 23/11/2007 15:05)
rafotsy> na korzety na citrouille dia mety aby saingy korzety io ary tsy voatery tapatapaha boribory akory raha voatavo fa zay mahamamety azy.

Menaka rehetra dia mety avokoa fa mba te hampiasa ny fanaovan'ny malagasy azy aho fa ny azy mantsy menaka kisoa na omby io na mena-boanjo. hihihi manadala fotsiny aho eo an!

Tokony efa tena main course na sakafo miaraka amin'ny vary na laoka aloha io an!

Tsy manahy fa manontania foana ka. Tsy dia mafilotra be akory io saingy manampy izay vegetarianina vahiny. hihihi
11. Rafotsy ( 29/11/2007 11:25)
Salut !
Dia tsy mba misy manan-kevitra mihitsy ve amin-tsika namana eto ? Sa dia tanora be daholo ka mbola tsy nandalo ny fety tena gasy ?
Miandry anareo e !:lol:
12. ikaretsaka ( 29/11/2007 20:36)
soanja:

Baranjelin'Ibotosalama

Baranjely tetika boribory 4
Voatavo tetika boribory 2
voatabia 5 vaventy
sakaibe tetika fisaka refa nalaina ny voany 2
tongolobe 7
menaka mandry 3 sotro
sira sy dipoavatra
zava-manitra

Sasao ny legioma ary esory ny vodin'i baranjely sy ny voatabia ary ny sakaibe.

Hafanao ao anaty vilany ny menaka ary ataovy ao ny legioma rehetra sy ny zavamanitra ary asio sira. Andrahoy amin'ny afo malefaka mandritra ny 45 mn ary haroy tsindraindray. Azo asina heron-dronono mangotraka na atody iray nokapihina ny baranjely rehefa masaka ary ampifangaroina tsara.

Mazotoa homana!


dein.. hita hoa hatrany an-tanana kia soanja
13. ikaretsaka ( 29/11/2007 20:45)
Rafotsy, asio mofo anana, mofo sakay, koba ravina le akondro ireny (fa voasy sy teteho le 1-mbava ireny)

zavatra tsotra koa nefa tian'ny vazaha.. hena na nofon'akoho na crevette efa avy napangotrahina .. dia fatory @ ravina tongolo maintso.. dia atsoboy ao anaty pate fanaovana beignets ireny.. dia endasina
tsy atao mendy le tongolo maintso an..
tsara raha menaka mahamay be dia tazomina amin'ny tanana ilay izy (na ilay pince fandraisana sambosa ireny).. dia atsoboka ao anaty lapoaly eo @ 1 minitra latsaka eo.. mandra paha dore an'ilay izy fotsiny!
14. soanja ( 30/11/2007 01:13)
ikaretsaka:

soanja:

Baranjelin'Ibotosalama

Baranjely tetika boribory 4
Voatavo tetika boribory 2
voatabia 5 vaventy
sakaibe tetika fisaka refa nalaina ny voany 2
tongolobe 7
menaka mandry 3 sotro
sira sy dipoavatra
zava-manitra

Sasao ny legioma ary esory ny vodin'i baranjely sy ny voatabia ary ny sakaibe.

Hafanao ao anaty vilany ny menaka ary ataovy ao ny legioma rehetra sy ny zavamanitra ary asio sira. Andrahoy amin'ny afo malefaka mandritra ny 45 mn ary haroy tsindraindray. Azo asina heron-dronono mangotraka na atody iray nokapihina ny baranjely rehefa masaka ary ampifangaroina tsara.

Mazotoa homana!


dein.. hita hoa hatrany an-tanana kia soanja



:-D:-D:-D:-D Ika mbola ho aiza ny hanaovako anao Ramalagasy! Ampiakariko amin'ny ambony indrindra. hihihi


15. Ratoa ( 30/11/2007 12:55)
Iza no mahay manao fintsa? Mba atoroy aho

misaotra
16. Rafotsy ( 30/11/2007 18:44)
ikaretsaka : misaotra anao !
Io crevettes io efa @ programme ko saingy sauter ko miaraka @ tongolo lay sy sakay no hanaovako azy , fa toa ela be raha hanao beignets ho any olona betsaka !
Dia mbola miandry e ! Raiso daholo izay hevitra e !:-*:-*
17. Rafotsy ( 30/11/2007 18:46)
Ratoa:

Iza no mahay manao fintsa? Mba atoroy aho

misaotra


Zah kalou tsy mahay manao fintsa fa raha zah ianao dia manao post vao2 mangataka ny fanaovan'azy @ namana !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2347