poisson...

1. diamondra27 ( 19/11/2007 09:41)
Efa ela ihany izay ny nahitako ireny auto collant poisson ireny na ilay apetaka ao afaran'ny fiara.
Ny nahalasa ny eritreritro dia hoe: tena inona tokoa moa no dikan'izay io?
Ny fahalalako azy dia hoe: marika maha-Xna, ka sao dia nisy nifandraisany t@ lay tenin'i Jesosy nanao hoe: "indro ataoko mpanarato olona ianareo..." ihany koa.

Manaraka izany dia ny symbole croix ihany koa dia mariky ny finoana kristiana. Ny fanontaniana dia hoe: maninona misy ny la croix sasany misy sarin'i Jesosy ary ny sasany tsy misy.
Misy dikany ve ny fisiany sy tsy fisiany?
2. sarobidy ( 19/11/2007 09:53)
ilay croix aloha a efa mba nahita sady mba betsaka mampiasa fa le poisson no tsy de mbola betsaka aty aminay :)
3. booboo ( 19/11/2007 10:10)
ny hany kely fantatro momba ny lakroa- " nay " :

- croix huguenote : manana tendrony valo mariky ny " béatitudes ". Isaka ny tenondry misy ohatra teboka zay mba hanalefahana ilay sarina flèches isaka ny tendro. Manodidina ilay lakroa izay symbole n'ny fanavotan'Atra ny olona, misy kiboribory izay mariky ny satro-tsilo nentin'i Jesoa sy ny fijaliany noho ny fitiavany ny tsirairay ( manome endrika fo ilay izy entre chaque branche ).
Ary farany, ilay voromailala ohatra midina kosa mariky ny " présence " n'Atra mankaty amintsika.
Io no ahafantarana indrindra ny protestanta. T@ XVII io no nanomboka nalain'ny protestanta. T@ " vieux français " ny hoe protestanta midika hoe pro = devant ary testare= témoigner ( celui qui témoigne de sa foi ) fa tsy ilay hoe mi-protester contre les catho :wink:.



4. fahamarinana ( 19/11/2007 10:13)
:arrow:Mahita olona misy io poisson io tokoa aho aty aminay dia raha ny fanazavana nomeny dia io volazandry io hoe :Mpanarato olona ianareo...Tsy fantatro raha feno ny fanazavana nomeko fa miandry ny hafa zany e,merci(l)
5. diamondra27 ( 19/11/2007 10:26)
sarobidy: zany v?

booboo: misaotra betsaka t@ fanazavana. ye io karazana la croix io koa hitako iambozonan'ny olona.
Tsara tokoa ny mahalala izany.

fahamarinana: ka mba mila fanampiny aho fa nisy nilaza fa hoe: ny poisson hono de mariky ny fiainana sy ny fiterahana; dia izay no nanoharana an'io ihany koa @ Xna hoe: manana fiainana ny Xna dia nasaina mameno ny tany...ka sao dia misy manana version hafa ihany koa any ho any
6. diamondra27 ( 19/11/2007 10:29)
ho famenoana izay voalazan'i booboo dia ity koa izany no hitako aloha http://huguenotsweb.free.fr/croix.htm
7. xxx ( 19/11/2007 10:41)
"ichtus" ki ny anaran'ireny poisson reny a! ny kristianina nenjehana voalohany tany Roma no nitondra ireny signe ireny hifankafantarany. ny poisson t@ zany symbole-na rano sy batemy, sady jeu de mots @ teny grec, fitambaran'ny hoe: Jesoa, Kristy, Andriamanitra, zanaka, mpamonjy... natambatra ireo de nanome hoe: ichtus (Jesoa Kristy, mpamonjy, zanak'Andriamanitra)
izay mitondra ireny poisson ireny izany @zao dia olona mijoro ho kristianina (tsy mifidy fiangonana)
(afaka mijery @ google kou nji fa be de be ny manazava an'io ao...)

:)
8. beza ( 19/11/2007 11:31)
jereo eto no valiny
http://www.eurhode.com/ichtus.htm
9. fahamarinana ( 19/11/2007 12:23)
:arrow:Merci Beza sy xxx dia mazava amiko amin'izay zany no tena signification-ny.(l)
10. diamondra27 ( 19/11/2007 12:41)
xxx, beza: dia misaotra anareo dahy fa zao vao mazava amiko le izy e!
efa manana ilay signe poisson za efa ho 2 taona izay de mbola tsy natao t@ fiara le izy satria sao misy manontany de miteniteny foana eo. Zao vao azo apetaka le izy zany :-P
11. diamondra27 ( 19/11/2007 12:44)
beza: dia misaotra manokana ano ihany koa fa efa ela aho no nitady ity versets ity ary tao @ ilay lien nomenao io no nahitako azy:

" La crainte de l'Éternel, c'est le commencement de la sagesse. -
Confie-toi en l'Éternel de tout ton cœur et ne t'appuie pas sur ta propre intelligence.
Recherche Sa volonté pour tout ce que tu entreprends et Il te conduira dans le droit chemin. "

Proverbes 9,10 ; 3,5
^:^
12. beza ( 19/11/2007 14:00)
diamondra27 : tsy misy fisaorana fa fantatro fa efa hainao ilay teny hoe:
"Ny zavatra rehetra dia miara miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra (ianao io izany :D)
Sady tsy misy kisendrasenra amintsika kristianina.

Mirary soa e!
13. ikaretsaka ( 19/11/2007 20:27)
diamondra27:

Efa ela ihany izay ny nahitako ireny auto collant poisson ireny na ilay apetaka ao afaran'ny fiara.
Ny nahalasa ny eritreritro dia hoe: tena inona tokoa moa no dikan'izay io?
Ny fahalalako azy dia hoe: marika maha-Xna, ka sao dia nisy nifandraisany t@ lay tenin'i Jesosy nanao hoe: "indro ataoko mpanarato olona ianareo..." ihany koa.

Manaraka izany dia ny symbole croix ihany koa dia mariky ny finoana kristiana. Ny fanontaniana dia hoe: maninona misy ny la croix sasany misy sarin'i Jesosy ary ny sasany tsy misy.
Misy dikany ve ny fisiany sy tsy fisiany?



Marina daholo izany nolazain'i Diam's izany:
fa tantara kelin'ny momban'io

Taloha ny kristianina voalohany dia nenjehina! ary betsaka ny tsy mahasaky manao lakroa! ary izy samy izy ary tsy nifankahalala

dia ny fika fahalalana azy fia manao ilay 1/2 cercle @ tehiny aloha ny 1 @ ilay olona 1


dia raa krristianina ilay 1 dia manao 1/2 cercle 1 koa.. dia manome trondro

tsotra... codee.. misy symbole maha kristianina ny hevitra fonosiny (@ le resaka trondro)

taty aoriana ilay izy dia lasa symbole na ordre religieux... ny miaramila Irlandais sy amerikanina katolika dia betsakany manao tatouage na mitondra io marque io, mba ahalalana ny finoany raha sanatria maratra na maty any @ vava ady ry zareo!

Ny pretra any @ tany le voarara ireny koa ny fivavahana dia manao an'io ho karazana pin's, (ireo mompera any Dubai ohatra no hitako)

Ny sasany moa dia nanampinampy araky ny firehan-keviny teo!



14. ikaretsaka ( 19/11/2007 20:30)
nymaha "trondro" azy moa dia io efa voazava io
15. majesty ( 20/11/2007 05:00)
samihafa be ny fandraisan'ny olona an'io sarina trondro io sy ny lakroa.ilay sari-trondro mijanona fotsiny amin'ny maha marika manokana azy,fa ny lakroa misy mampiasa amin'ny fotoam-pivavahana (orohana,hiondrehana,ampiasaina ho fandroahana devoly...)kanefa dia mitovy ireo marika roa ireo.Dia atopazy kely ihany ny maso @ ilay didy faha 2:D
16. diamondra27 ( 20/11/2007 07:35)
dia misaotra @ famenoana ny fanazavana.
Tsara ho fantatra daholo izany sao de mba mahita Xna ihany any @ tany vahiny ze aleha de tondé tsy misalasala manantona azy sy miresaka aminy.

Efa mazava aloha ny @ilay hoe: la croix
fa ny fanontaniana mbola manitikitika ahy de hoe: misy antony ve maninona @ eglise hafa le la croix ao ampiangonana misy sarin'i Jesosy dia maninona ny hafa tsy misy. Inona ny anton'ny safidiny.

Ny reko de we satria Jesosy efa nitsangana de tsy tokony apetraka eo @io la croix io intsony.
Ka asa na mitovy @io daholo ny valinteny henonareo fa mba mila fanazavana fanampiny aho.
Dia raha misy tsy d'acord @izay koa moa dia afaka milaza ny heviny ve izy hoe: tsy izany ny fomba fijeriny azy.

Misaotra anareo rehetra nanome fanazavana fa dia fianarana foana foana tokoa ny fiainana. On apprend tous les jours...
17. ikaretsaka ( 20/11/2007 15:13)
majesty:

samihafa be ny fandraisan'ny olona an'io sarina trondro io sy ny lakroa.ilay sari-trondro mijanona fotsiny amin'ny maha marika manokana azy,fa ny lakroa misy mampiasa amin'ny fotoam-pivavahana (orohana,hiondrehana,ampiasaina ho fandroahana devoly...)kanefa dia mitovy ireo marika roa ireo.Dia atopazy kely ihany ny maso @ ilay didy faha 2:D


samy misy mampiasa aby ireo ka:-D (jereo fotsiny ny etole an'ny pretra sasany ohatra:wink:.. samy marika daholo ireo:fa iray ihany ny tanjona tiany ambara. dia i JK sy ny finoana azy



18. fijo ( 20/11/2007 23:11)
fa ngah ambola misy manenjika ny kristiana izao????sa ny silamo?
19. Rasiligaoma ( 21/11/2007 04:00)
ry zareo tsy mahalala sy tsy ampy elements nefa be vava miseho manenjika ny mahalala sy ny liberal indray ry fijo an
20. diamondra27 ( 21/11/2007 14:58)
mbola misy manenjika ny Xna hatr@zao @ pays sasany

http://www.topchretien.com/topinfo/?/21887/le-parlement-europeen-condamne-la-persecution-des-chretiens

mivavaha ho azy ireny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0494