Hevitra mombana mpiasa

1. ds ( 18/11/2007 22:22)
Misy olana mila vahako haingana ka mba mila ny hevitrareo azafady.
Manana mpiasa maromaro izahay any Dago. 100 000 Ar isam-bolana eo ho eo ny karama farany ambany. Hiantohana trano sy sakafo ny ankamaroan'ireo mpiasa ireo (logé, nourris, blanchis). Araka ny hevitro (kanefa mety ho diso aho), dia tsara karama izy ireo raha oharina amina mpiasan-trano izay mitovitovy sokajy aminy.
Ny olana dia izao : tratra nangalatra volabe ny mpiasa iray. Efa intelo no nisy volabe very fa ny iray ihany no tratra rehefa nofandrihana ilay olona. Tsy afaka ny hitazona azy intsony izahay satria very ilay toky napetrakay taminy. Ka ahoana no hatao ? Asaina mametra-pialana ve izy sa horoahana. Fiantrana azy no hitadiavanay marimaritra iraisana aminy.
Raha azo hatao, dia fihetseham-po sy fomba amam-panao
no horesahantsika satria ny momba ny lalàna fantatro.
novalian'i endrika01 ny 09/12/2007 12:51
2. ikaretsaka ( 19/11/2007 00:39)
affecteo @ asa hafa izy raha azo atao.

Izaho koa tratran'izany vao haingana, ary anisan'ny mpiasa tao @ chantier ( za mao ny asako ffameloman-tena dia mpanao trano:wink:)

natokisako t@ asa maro koa izy no nanjodikodim-bola (magasinier izy) . Ny nataoko dia sady nalefako lavitra any @ ilay toerana tsy azony hanodikodinana intsony no asa hafa no nomeko azy, natsipy tany toliary, (tsy resaka mitazom-bola sy misy resaka materiels intsony: nataoko portier sns..., moa izy sy le concierga sakay sy maso!)
nomena safidy hoe na izay na migadra... fa tonga saina
3. sasa ( 19/11/2007 04:15)
raha azo afindra am toerana tsy azony angalarana tsony aloha d mety ny hevitr'Ikaretsaka io fa raha mbola toerana hahitany irika aloha! tanana zatra mitsotra tsy afaka ny hovokona tsony, d hangalatra foana izy raha mbola misy moyen angalarana ary mety zavatra hafa indray no ataony fa tsy vola tsony, fa refa tena tsy hita izay anaovana an'azy na hamindrana an'azy! refa hijery izay marimaritra iraisana ihany enao, asaivo mametram-pialana izy fa tsy faute-nao izany satria izy no nangalatra.
4. soanja ( 19/11/2007 04:23)
Raha ny izaho no miandraikitra izany dia tsy misy atakandro fa roahina miaraka amin'ny fanazavana ny hadisoana nataony. Tsy be sentiment ary tsy asiana resa-be fa ny zavamisy no resahina ary ny vokany noho izany.
Zany hoe mila mianatra lesona ny olona iray ary mila mahatsapa ny hadisoany. Soa lavo hahay hamindra.
Nangalatra izany tsy misy hantra izany raha fanjakana fa gadra. Ianao anefa tsy hanagadra dia ny fandroahana tsy misy atakandro no famezana amin'izany. Miaraka amin'ny fampitahorana hoe raha mitady hijanona dia hametrahana fitoriana amin'ny fanjakana.
Betsaka ny mpiasa nanao izany tao aminay dia nanao sentiment aho fa zah indray no haratsiany sy andihizana eny ivelany rehefa tahak'izay ka ny mahatsara azy dia mampihatra famaizana tsy misy indrafo.
Mila masiaka ihany ny fitondrana olona saingy tsy hanao ratsy fanahy velively. Rehefa manao veloma azy dia teneno fotsiny izy hoe mampalahelo ahy ny vady aman-janakao saingy izay ihany no hitako fa azo hanampiana amin'izao zava-mitranga izao. Enga anie mba hiova ianao indray andro any!
Satria anie ny fanananao no norobainy e! Mpamosavy malemy tokoa izany!
5. rush ( 19/11/2007 08:00)
manahoana ds, marina zany fa roahana no mety, ny tànana zatra mitsotra sarotra ny mamoritra azy, ampanaovina taratasy ara-dalàna momba ny fandroahana, mametraka plainte de reserve sao mitory izy, atao mazava anaty taratasy ny antony androahana azy, aza manaiky ny fifonana ary tsy manaiky ny mbola hitazomana azy intsony fa soloina avy hatrany izy,ary misy lesoka zany ao ampiasàna ao ry ds matoa misy vola very foana an!aleo olona efa za-draharaha sy matotra no alaina hasolo azy!
6. sarobidy ( 19/11/2007 08:41)
ary raha roahina tokoa e, sa le mandroaka no sarotra be ?
7. ds ( 19/11/2007 11:27)
Misaotra anareo namaly haingana be.
- toerana iray ihany no azony hiasana
- tsy kisendrasendra ilay fangalarana fa tena tetika maty paika mihitsy. Izay no nahafahana namandrika azy. Noho izany tsy mety tazomina intsony.
Mandia tany daholo ka mety ho solafaka. Izay no mahatonga ahy hiantra kely azy hoe asaina miala fotsiny izy fa tsy roahana. Amiko, dia samy hafa ny fiantraikan'ireo eo amin'ny lafiny atifanahy (psychologique). Mbola tanora ilay olona ka tsy maintsy tsinjovina ihany ny ho aviny. Efa sazy lehibe ho azy ny fialany amin'ny asany ka tsy hosaziana eo anivon'ny fiaraha-monina koa amboniny. Amin'izay angamba izy afaka manarin-tena amin'ny ho avy. Izay ny fijeriko manokana, fa ny an'ny vazaha rehetra mpikambana aminay (izaho irery no gasy), dia mitovy amin'ireo lazainareo ireo daholo : fandroahana tsy misy an-kiantra.
Saika hadinoko : any ambanivohitra ilay toeram-piasana ary ny ben'ny tanàna mihitsy no nanome toky anay sy nampiditra azy.
8. mbaliana ( 19/11/2007 11:29)
mi-comprendre an'i ds tsara za fa efa nahita ohatran'io, gardien ndray ilay olona, fa namidiny daholo ny entana tao, tena vide le trano hatramin'ny fandriana sy tapa-tsotro...dia notoriana le olona dia nigadra dia ny vadiny aman-janany niverina tany amin'ny tanindrazany.. dia inn hozy nareo nataon'le vadiny nangataka taty ndray hoe mba omeo akanjo mba omeo vola fa tsy manana.... noana tsinona sady tsy mandray karama intsony...efa nolazaina hoe efa tezitra aminareo ange le olona fa dia hoe nentin'ny fahorina tokoa ngamba... dia nomena fa hoe aza tonga tonga aty intsony...
Roahina aloha no tena tsara kanefa en meme temps hainao koa fa misy ny mijaly noho izany ireo zanany...roahy fa tsipatsipazo fotsimbary kely ndraindray ireo tsy manantsiny e....ary tena fotsimbary omena fa tsy vola
9. simplex ( 19/11/2007 12:13)

Tsara kokoa ra izy no mametra-pialana, satria manatsara kokoa ny CV-ny zay. Raha mitady asa hafa izy, tsara kokoa ny mahita hoe nampetra-pialana noho ny hoe voaroka...
Sady du point de vue an'ny lalana, tsy haiko tsara an, ra mametra-pialana izy dia tsy voatery mandoa indemnites sns... enfin, mety tsy mipetraka ngamba izay satria nanao faute grave izy no antony nandroahana azy, asa anefa...

Za alou tsy momba an'le affectation disciplinaire e. Tsy tokony manao etat d'ame izany satria olon-dehibe izy no nanao izay zavatra tsy nataony. Noho izany tokony ho responsable @ zany. Sady manome mauvaise exemple an'ny hafa hangalatra kou zany ra hoe afindra fotsiny izy...


10. rush ( 19/11/2007 13:49)
raha izy no asaina hiala dia tsy hiala izy satria mila miasa, raha tsy hanao taratasy dia azony toriana ianareo, azony atao ny mandà ny halatra, tsy misy porofo koa,fa izy no mametraka ny fialany,ho azy sy ho anareo io,@ fanjakana zany, ny retraite eo, cnaps,etc....jerena daolo ireo ry ds ,ra ianareo no mandraoka azy aloha dia tsy maintsy mandoa indemnité de licenciement ianareo e,satria izy déclaré ara-dalàna,tandremo sao manao fahadisoana kely @ fihantrana olona, ara-dalàna koa no hanaovana azy e!
11. ds ( 19/11/2007 14:05)
Azo atao tsara, araka ny lalàna, ny mandroaka mpiasa na dia tsy misy fahadisoana goavana aza. Mila mampandre mialoha (préavis) sy mandoa onitra (indemnités de licenciement). Ho ahy manokana (mpitantana ny vola), dia tsy mampaninona ahy ny mandoa an'ireo raha fandroahana tsotra no hatao. Raha betsaka manko, dia karamany roa volana no haloa. Etsy an-daniny, ny namana sasany tsy te ahalala fa tonga dia faute grave hono satria sady efa very vola no mbola hiantoka zavatra hafa indray. Na marina aza izany, izaho tsy mila gidraka fa aleoko misaraka samy tsy misy maratra raha azo hatao. Averiko ihany, fa izahay aty bolangina tsara manapa-kevitra fa ny any an-tanàna no mizaka ny vokany ka tsy maintsy lanjalanjaina tsara. Misaotra betsaka tamin'ny torohevitrareo.
12. soanja ( 19/11/2007 14:58)
[quote=ds
Saika hadinoko : any ambanivohitra ilay toeram-piasana ary ny ben'ny tanàna mihitsy no nanome toky anay sy nampiditra azy.
[/quote]

Ity farany ity zany no tsy nazavain'i ds satria mino aho fa io no anisan'ny antony hitadiavanao fanampiana satria mety hisy fiantraikany amin'ny fiarahaminona tokoa izany.

Efa nisy nitranga toy io tokoa ny cas nisy anay.
Izao no nataoko:
Izaho mihitsy no nankany amin'i Maire sy ny mpitondra teo, nanazava amin'ny antsakany sy andavany ary ny hoe impiry no nitranga ny olana toy izany sns ny zava-misy alohan'ny nandroahana olona. Dia anontaninao i Maire hoe ahoana izany no tsara hamaizana ity olona ity fa ianao Ray aman-dreny an-tanana sady ianao rahateo no mahalala tsara ity olona ity ka azonao ve manampy anay hamaha ity olana ity. Miala tsiny anefa fa tsy afaka ny hitazona azy intsony izahay?
De henoana eo izay lazainy.
Ny antony mantsy dia responsable (at least psych.) an'ilay nanome reference sy nampiditra ilay olona ny olona na kompania nampifandray anareo. Izay no mahaRef ny Ref. Tsara raha fantany ny probleman'ny olona natolony mba hiana-desona koa izy any aoriana hoe tsy ny fahaizana na havan'olona na olom-pantatra no tolorana na atoro asa fa ny fahaizana sy ny fahafahana fa mahavita ny asa ilay ray voaresaka . Donko mila mitandrina izy fa ny anarany mety ho voaso-potaka amin'ny zavatra toy izany. Raha mahalala ny atao fiarovana ny anarany sy ny voninahiny izy. Misy koa manko olona tsy mahalala n'io fa ny fihavanana sy ny finamanana sns no manjaka ka na dia hita aza fa nagalatra ilay iray de mbola arovana ihany.

Raha mahavita an'io ianareo dia nahavita adidy satria nanome voninahitra ny RAD ao an-tanana sady nametraka ny fihavanana ho mitohy ihany na dia misy olana aza amin'ny fiainana indraindray.

Ny momba ilay mpiasa indray dia rehefa vita ny resaka tany amin'i Maire dia omeo tso-drano izy handeha. Ny resaka tany amin'i Maire mantsy no fomba iray hirovanareo ny mety ho siosion-dresaka sy ny olana ateraky ny firahamonina satria zay tonga any amin'ny Maire matetika dia tonga any ampoto-tsofin'ny be sy ny maro any ambanivohitra. Enga anie ka ahatahoran'ny rehetra ny Maire any, ary dia mba mipirina sy milamina amin'izay ataony ilay mpangalatra. Efa mihabetsaka ny asa ao Madagasikara ary ny fiainana koa anie ka tsy hoe lavo de izay fa rehefa nahita fa lavo dia miarina no tokony ho izy. Ny mahatanora azy indrindra no ahafahany manao izany.

Rehefa voaroka izy kanefa mbola misy fifandraisana eo aminareo amin'ny mahasamy gasy dia mankanesa any an-tranony refa milamina ny rehetra elaela dia toroy hevitra izy hitady asa na amin'ny tanana hafa. Ohatra hoe mankany Ilakaka mivarotra na miasa sns de ampio izy amin'izany raha ilaina. Fa ny famaizana tsy maintsy atao alohan'izay satria hadisoana be izany fangalarana izany ary mahatamana tokoa io aretina io raha tsy mahita lesona ny mpanao azy.

Adidintsika ny manome valisoa na mankasitraka ny mpanao asa tsara ary adidintsika ihany koa ny manafay izay mpandika lalana, raha tsy izay tsy misy ny fiaran-desona eo anivon'ny fiarahamonina.



13. ds ( 19/11/2007 21:59)
Miombon-kevitra aminao aho soanja saingy izahay anie ka aty am-pitan-dranomasina daholo e. Baiko no alefa any amin'ny mpiandraikitra izay manatanteraka any an-toerana. Raha resahina an-tariby toa manahirana kanefa amin'ny volana fevrie na avrily indray vao misy mandalo any izahay. Ny hevitry ny maro moa maha taka-davitra koa dia manantitra ny fisaorana anareo rehetra nanome sosokevitra. Misy hotsakotsakoinay ireo ka hoentiko eto ihany ny tohiny amin'ny manaraka.
14. RyAnona ( 20/11/2007 16:10)
Angambaympangalatra toy izany milafaizina satria arakaraky ny hanambatambazanao azyno vao maika mampanitsaka azy ireo ny mahaorinasa ny orinasa saingy mila dinihina ny sazyomena azysao manao vageance izy.
15. Rasiligaoma ( 21/11/2007 04:24)
miombona hevitra amin'i soanja
DS: io hibaikoana ireo izay any an-tanana e
16. endrika01 ( 21/11/2007 12:00)
soanja:
[quote=ds Saika hadinoko : any ambanivohitra ilay toeram-piasana ary ny ben\'ny tanàna mihitsy no nanome toky anay sy nampiditra azy.
Ity farany ity zany no tsy nazavain\'i ds satria mino aho fa io no anisan\'ny antony hitadiavanao fanampiana satria mety hisy fiantraikany amin\'ny fiarahaminona tokoa izany. Efa nisy nitranga toy io tokoa ny cas nisy anay. Izao no nataoko: Izaho mihitsy no nankany amin\'i Maire sy ny mpitondra teo, nanazava amin\'ny antsakany sy andavany ary ny hoe impiry no nitranga ny olana toy izany sns ny zava-misy alohan\'ny nandroahana olona. Dia anontaninao i Maire hoe ahoana izany no tsara hamaizana ity olona ity fa ianao Ray aman-dreny an-tanana sady ianao rahateo no mahalala tsara ity olona ity ka azonao ve manampy anay hamaha ity olana ity. Miala tsiny anefa fa tsy afaka ny hitazona azy intsony izahay? De henoana eo izay lazainy. Ny antony mantsy dia responsable (at least psych.) an\'ilay nanome reference sy nampiditra ilay olona ny olona na kompania nampifandray anareo. Izay no mahaRef ny Ref. Tsara raha fantany ny probleman\'ny olona natolony mba hiana-desona koa izy any aoriana hoe tsy ny fahaizana na havan\'olona na olom-pantatra no tolorana na atoro asa fa ny fahaizana sy ny fahafahana fa mahavita ny asa ilay ray voaresaka . Donko mila mitandrina izy fa ny anarany mety ho voaso-potaka amin\'ny zavatra toy izany. Raha mahalala ny atao fiarovana ny anarany sy ny voninahiny izy. Misy koa manko olona tsy mahalala n\'io fa ny fihavanana sy ny finamanana sns no manjaka ka na dia hita aza fa nagalatra ilay iray de mbola arovana ihany. Raha mahavita an\'io ianareo dia nahavita adidy satria nanome voninahitra ny RAD ao an-tanana sady nametraka ny fihavanana ho mitohy ihany na dia misy olana aza amin\'ny fiainana indraindray. Ny momba ilay mpiasa indray dia rehefa vita ny resaka tany amin\'i Maire dia omeo tso-drano izy handeha. Ny resaka tany amin\'i Maire mantsy no fomba iray hirovanareo ny mety ho siosion-dresaka sy ny olana ateraky ny firahamonina satria zay tonga any amin\'ny Maire matetika dia tonga any ampoto-tsofin\'ny be sy ny maro any ambanivohitra. Enga anie ka ahatahoran\'ny rehetra ny Maire any, ary dia mba mipirina sy milamina amin\'izay ataony ilay mpangalatra. Efa mihabetsaka ny asa ao Madagasikara ary ny fiainana koa anie ka tsy hoe lavo de izay fa rehefa nahita fa lavo dia miarina no tokony ho izy. Ny mahatanora azy indrindra no ahafahany manao izany. Rehefa voaroka izy kanefa mbola misy fifandraisana eo aminareo amin\'ny mahasamy gasy dia mankanesa any an-tranony refa milamina ny rehetra elaela dia toroy hevitra izy hitady asa na amin\'ny tanana hafa. Ohatra hoe mankany Ilakaka mivarotra na miasa sns de ampio izy amin\'izany raha ilaina. Fa ny famaizana tsy maintsy atao alohan\'izay satria hadisoana be izany fangalarana izany ary mahatamana tokoa io aretina io raha tsy mahita lesona ny mpanao azy. Adidintsika ny manome valisoa na mankasitraka ny mpanao asa tsara ary adidintsika ihany koa ny manafay izay mpandika lalana, raha tsy izay tsy misy ny fiaran-desona eo anivon\'ny fiarahamonina. Endrika01/ Zaho manokana aloha dia tsy manda zay voalaza rehetra tery aloha,zaho koa tsy fikambanana mère térèsa ka hanome antra an\'ny zay tsy manara-dalana rehetra eo @andraikitra na asa napetraka aminy.Nefa koa tsy tokony hisehosehoko na ampiariko amin\'izy ireo ny fahaizako lalàna,na ny mahapitandrina ny filaminana ahy,fa ny vahaolana tokony hisoroana an ireo voalaza(halatra).Tsy voatery any @oniversité vao mianatra lalàna,misy anié vola hidirany mianatra any @ T1 T2 aza tsy misy é,ka lay ezaka de miainga ao amin\'ny fiaraha-monina,misy ireo Vaomiera,filoham-pokontany ny maire,mila ny fanapina avy aminireo ny vahoaka,am-palalao azy ireo\"zao no lalàna mifehy eo @fiaraha-monina samy mahaeno zay ny daholo be,ka raha misy ny mandika ireo lalana ireo de ho hampiarina aminy zany.Ka raha ireo mpitondra aza tsy nandray ny andraikiny@fampitana,de tokony hisaina kely ihany @fampiarana.Mino aho fa tsy hors sujet ny @zay voalazako teo.Raha tsy mazava mantsy ireo de na gadraina omena ny didy tena henjana aza izy ireny mpangalatra sns ireny de lasa rano an-damosiny gana fotsiny ihany,de iverenany atao ndray rehefa mivoaka izy na miasa@olon-kafa. mba tsipazo hevitra izy hoe inona ranamana no mba tena nanosika anao hanao zao zavatra izao...Misy lesona na vahaolana ny @manaraka.Misaotra naharitra namaky é!!! [/quote]
17. soanja ( 22/11/2007 03:41)
ds:

Miombon-kevitra aminao aho soanja saingy izahay anie ka aty am-pitan-dranomasina daholo e. Baiko no alefa any amin'ny mpiandraikitra izay manatanteraka any an-toerana. Raha resahina an-tariby toa manahirana kanefa amin'ny volana fevrie na avrily indray vao misy mandalo any izahay. Ny hevitry ny maro moa maha taka-davitra koa dia manantitra ny fisaorana anareo rehetra nanome sosokevitra. Misy hotsakotsakoinay ireo ka hoentiko eto ihany ny tohiny amin'ny manaraka.


ok ds!

Ny zavatra iray tiako soritana fotsiny ary miala tsiny raha mahita horesahina aho , mba mifanakalo hevitra eto isika momba izany satria mitovitovy raha atao, fa ny zavatra iray nianarako koa hatramin'ny nanaovako ity asa ity dia ny fanomezan-danja na fametrahana/fanomezana andraikitra ny tena tompon'andraikitra na mpiandraikitra any satria hozy ianao hoe manatanteraka baiko midina izy?

Matetika mantsy raha tsy omena fahafahana mampihatra ny andraikitra atolotra azy ny boss any dia miraviravy tanana tokoa. Ny tiako resahina dia responsable ny olona entiny koa izy fa tsy hoe izy miasa fotsiny mandray karama dia izay hangalatra hangalatra ary ny aty andafy mamaha ny olana.
Amiko matoa misy fahaverezana toy izany foana ny vola dia misy karazana faille izany ao amin'ny system ary mila jerena akaiky tsara.

Misy tokoa manko ny fisainana hoe non-profit na tsy azahoana tombony ity na volam-bazaha ity dia samy manao ny tandrify fa tsy misy mba hiezaka hanao mihoatra hampaharitra ny orinasa na ny fikambanana. Io no education tsara anamafisana ny hatsaran'ny qualite ny asa sy ny faharetan'ny asa. Ary manano sarotra be tokoa ilay manavao mpiasa foana sy mitady mpiasa mahatoky.

Koa ny hafatro, ds, dia hoe rehefa hanao ny fanavaozana ihany ianareo dia jereo akaiky koa ny fanomezana lanja ny asan'ny mpiandraikitra fa izay tsinona no asany. Mila manao evaluation na system de suivi ianareo hijerena raha mi-perform tsara izy sa misy olana foana ny zavatra entiny na isaky ny 6-mbolana io na 1 taona dia asaivo mandray anjara amin'izany daholo ny mpiasa rehetra na hoe antsoina hoe mpikambana mba hanana ny anjara birikiny amin'ny fanasoavana ny zavatra azahoany karama izy fa tsy hambotry fotsiny tokoa.

Io fanomezana anjara feon'ny mpiasa io dia afaka miara manao formation na teamwork ary ny iray boss manao ny leadership ankoatr'io ambony io.

Asa anefa fa safidy na lalana mety ho lafo io satria misy depense koa miaraka amin'io saingy mamokatra tokoa ho an'ny orinasa be de be.

Mahereza hatrany!


18. ds ( 22/11/2007 21:56)
soanja>misaotra betsaka amin'ireo toro-hevitra mafonja ireo. Izaho taloha tsy niditra lalina tamin'ny fiainan'ny mpiasa ireny fa nianona tamin'ny fitantanam-bola fotsiny.
Rehefa nanomboka nikajy sy nanavao ny karaman'ny mpiasa aho vao tonga saina fa misy zavatra betsaka tsy arako momba ny tontolon'ny mpiasa andavanandro. Efa zatra loatra ny aty tandrefana efamira :-)
19. soanja ( 23/11/2007 14:54)
ds> Mahereza hatrany amin'izay atao. Mahasoava.:-*:-*
20. xxx ( 26/11/2007 06:20)
Mandiso fanantenana tokoa ny mijery ireo olona mivadika amin'ny teny nataony.Ny zavatra mitranga anefa dia toa tsy mahavita na ahavita hanao zavatra ratsy aminy ny tena.Asiana manao tttsy fialana tsy hiasa ao amin'ny teny intsony izy dia efa sazy lehibe aminy.Tsy misy azo antoka intsony ny olona any dago ,eny na dia ny mpiray tam-po aza fa mivadika daholo.Tandremo !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0881