atoroy fika fa tena be lalitra ao antrano

1. kofbay ( 18/11/2007 10:31)
tena lany haika aho ry zareo a! diovina amin'ny vovotsavony isan'andro ny trano, asiana nuvan avy eo, asiana ilay poudre mavomavo ireny, avy eo asian desodorisant, mampirehitra ody moka, dia asiana ilay boum boum (io aloha tena tsy mandaitr akory e!), ny maty, maty eny ihany fa ny miditra koa dia tena maro! menatra mihintsy aho rehefa misy vahiny! raha misy maimbo ao antrano na fatimbiby dia tokony ho lalilamnga no betsaka, fa dia tena ireny lalitra tsotra ireny! sao ianareo dia mahita hevitra hoe tsy hidirany mihintsy, fa tsy hoe mamono fotsiny? mety misy plante tsy tian'ny lalitra ve ohatra, na produit hafa ankoatran'ny bombe aerosol. misaotra e!
répondu par Rafotsy le 01/12/2007 09:48
2. pisougasy ( 18/11/2007 14:33)
kofbay:

tena lany haika aho ry zareo a! diovina amin'ny vovotsavony isan'andro ny trano, asiana nuvan avy eo, asiana ilay poudre mavomavo ireny, avy eo asian desodorisant, mampirehitra ody moka, dia asiana ilay boum boum (io aloha tena tsy mandaitr akory e!), ny maty, maty eny ihany fa ny miditra koa dia tena maro! menatra mihintsy aho rehefa misy vahiny! raha misy maimbo ao antrano na fatimbiby dia tokony ho lalilamnga no betsaka, fa dia tena ireny lalitra tsotra ireny! sao ianareo dia mahita hevitra hoe tsy hidirany mihintsy, fa tsy hoe mamono fotsiny? mety misy plante tsy tian'ny lalitra ve ohatra, na produit hafa ankoatran'ny bombe aerosol. misaotra e!

ary sao dia ny eny an-tokotany no tokony diovina ohatra, esorina ny bozaka sy rano miandrona fa ireny no tena tian'ny lalitra, misy koa ilay fandrika lalitra ahantona misy lakoly ohatran'ny ressort irony izy dia manintona ny lalitra miraikitra eo...handramo ihany ê!
3. heidi ( 18/11/2007 15:07)
kofbay: na hampiasa ody biby kely in-jato amin'arivony aza ianao, maty ny ao an-trano fa ny any ivelany miditra ihany...raha mahavita sakana ho an'ny biby kely manana elatra ianao, izany hoe otran'ny varavarakely afaka esorina sy apetaka makarakara kely afaka hidiran'ny rivotra dia io no tena idealy na rideau makarakara apetaka ho an'ireny biby kely ireny ihany koa...tsy haiko no misy anao na madà na ivelany fa aty ivelany misy mivarotra vita an'ireny, fa raha any madà dia raha brikolera ianao afaka mandrafitra izany alaina refy nyvaravarakely dia asina filet mkarakara dia ho voasakana ny bibykey manana elatra, ny varavarakely sy ny varavaram-be misotra no mampiditra ny lalitra na ny moka avy any ivelany....
4. lemenakely ( 18/11/2007 20:09)
jereo tokoa aloha hoe inona no antony ? avy aiza ireo lalitra manao ahoana ny manodidina ? dia tsara raha tsy sokafana loatra ny trano ary asiana rideau e! misy produit baygon izay tena tsara raha hamono lalitra
5. suzuki ( 20/11/2007 14:18)
miovà tanalà lo D oita eo ndray ntohiny e!!!
6. kofbay ( 22/11/2007 09:41)
mrc daholo e! ny tokotany aloha dia tsy misy rano miangona, na ny any ivelan'ny vavahady aza tsy misy, fa gazon sy hazo no misy, eto Tana za no mipetraka. ary mety hoe misy plante mampitsoaka lalitra ve ohatra, satria tena marina ny an'i heidi, na maty aza ry zalahy dia misy hafa tonga foana, ka ilay hampitsaoka azy mihintsy no tiako
7. Rafotsy ( 22/11/2007 15:42)
Ny basilic hono répulsif ho any mouches ! ka manaova jardinières dia ataovy barrage eo @ varavarankely , ny lalitra tsy hisy intsony ny sakafo ho lasa matsiro ! Mbola tsy nanandrana kalou zah an ! Mba lazao raha mety e !
8. dokotany ( 25/11/2007 08:20)
Asa na mahalala ianao fa misy ilay hala kely antsoin'ny gasy hoe polisin-dalitra ? Tahaka ny fahatahoran'ny voalavo ny saka, dia matahotra an'io biby io koa ny lalitra. Ka hevitra sao mety : raha asiana sarin 'hala (na hala ttsy) ny rindrina na ny plafond dia mampitsoaka lalitra.
9. bichette ( 27/11/2007 13:06)
Ny citronnel tsy tin'ny insecte. Andramo asiana essence de citronnel na evoka ny trano. Tsy tin'ny moka mihitsy io ary tsy tin'ny bibikely
10. Rasiligaoma ( 28/11/2007 03:50)
marina koa io an'i bichette io.
dia mamboly kiwis koa
ny kiwis rehefa mamelana dia manitra be, dia ny bibikely (insectes) maloto tsy tia ny fofony
11. kofbay ( 30/11/2007 18:27)
mrci, ilay poudre kely mavomavo ireny aloha no nampiasaiko dia maty daholo ry zalahy, fa ny miditra miditra ihany! azo hiafiana aloha hatreto fa ilay manakana mihintsy izany izao no andramako. Ahoana no fanaovana ilay basilic ry Rafosty?
12. Rafotsy ( 01/12/2007 09:48)
kofbay:

Ahoana no fanaovana ilay basilic ry Rafosty?

Ilay izy , araka ny eritreritro , dia azo ambolena akaiky ny varavarankely sy ny varavarambe ! Izany ihany no noteneniko anao hoe ataovy ao @ jardinières dia hapetrao toa ny voninkazo e !


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1762