krismasy

1. fijo ( 14/11/2007 22:56)
niresaka tamina silamo aho androany,de manaratsy be ny krismasy lery.de notoheriko.
ny zanak'ialahy wa mianatra ka avelao izy mba hifaly toa ny ankizy rehetra.
za hozy tsy mila ny zanako manamasina izany fety izany.ka esory ao ampinarany ary wa ny zaza de alefaso any afganista fa any tsy mila io fety io ngamba.
ary elahy ngah amino indray hozy,
tsia ,tsy mino aho wa,fa manaraka izay misy eo kosa.fety io dia mifety aho.
ko maninona wa ialahy no tsy miasa rehefa krismasy??sa rah ahiasa de masina io,fa raha hanaja ilay izy dia tsy mila.
lava be le resaka,fa ny tiako lazaina dia,izao,na fetinareo io,na fetin'iza,hifalio na tsy hinoana aza
2. ikaretsaka ( 14/11/2007 23:30)
marina izany Bruno!
Ohatran'ny savalentin sy ny sensilvestra, fetin'olomasina Katolika fa de... faly sy mankalaza aby zao tontolo izao!
eo tsy mino ny fiombonan'ny olomasina an, fa dedaa ery rehefa saint sylvestre st saint valentin sy ascencion sy 15 aout sy toussaints fa hanao vokansa!

Zahay anie tsy maninona fa mba asheo fiheverana ihany ity fanoheraheram-poana ity e
3. rabilabila ( 14/11/2007 23:58)
'Nareo raolahy 'reto tena tssssssssssss!!!!Inona 'zao no hidiran'ny fanoherana amin'ny calendrier imposer-n'ny civilisation judéo-chrétienne?
Rehefa te-hanao fety ,ka te-hiseho hoe hanaja ny rehetra dia atao daholo :
Ny krisimasy (eo vao misy mivarotra gisa ,ka tsy hihinana izany ?)
Ny paka ,ny pentékoty ,ny toussaints.....(vôkasy io ko!!)
Ny fetin'ny ondry (fotoana mba hanaovana couscous)
Ny kippour ( mandeha mividy mofomamy ,na omen'ny voisin)
Ny Alahamadibe ( Izay vao mandro:lol:,sy manao henaritra miaraka amin'ny hanim-pito o-loha)
Ny fety de la biera (miaraka amin'ny choucroute).
Ny verséran'i Ika sy Fijo
Ny fetim-pirenen'izay toerana honenana ( afomanga io ko!)
Ny 26 Juin ,ny 29 Marsa
Ny savalentin ( Sao dia mba misy mba manome voninkazo)
Ny sasilvetra ( mba mikilalaky ,misaleba ,misôma miaraka amin'ny sampaina e!!)
Ny famadihan-drizareo atsy atsimo ( vary be menaka sy ambodivoara io ko!)
Ny famoran-drizareo atsy avaratra
Ny nouvel an sinoa
.............................................
Fijo>>> Raha sekoly miankina amin'ny fanjakàna no misy ny zanany ka misy signe ostentatoire n'ny fivavahana iray ( na kiresy izany ,na arbadénoely,na ny firesahana fotsiny aza hoe :Jesosy ) dia zony tokoa ny mandà sy mampatsiaro ireo mpanabe amin'ny maha-laika ny sekoly. Azo azavaina à ankizy ny dikany fa tsy imposer-na aminy ,ary tokony hazavaina toy izany amin'ny ankizy koa ny anton'ny fetin'ny ondry , sy ny kippour ( ireo moa no tena mibahana ).
Dé à la vôtre izany
4. ikaretsaka ( 15/11/2007 00:29)
taoko ankalazaina aby io..ndrendra le famadehana.... Alamahadibe sns... .
saingy za tsary mifety she versera zany yy.. tsa mety @ secta anay le manao fety:-D
ary tsary toheriko rehefa any @ le tanana ahako
5. ikaretsaka ( 15/11/2007 00:30)
zahay tsy manao hoe fetin-drakoto tsy tsy ankalazaina, ankalazainay aby
6. soanja ( 15/11/2007 01:27)
Zavatra iray tena mampalahelo ahy tokoa io ry Fijo fa misy fianakaviana izay aty Temoins de Jehovah ry zareo. Zany tena hoe tsy mankalaza n'inona n'inona de ny zaza no mampalahelo satria mipitrapitra isaky ny fetin'ankizy na anniversaire n'inona n'inona.... Tsy manome tsiny izay inoan'ny RAD-niny akory aho fa maheno kosa ny fitiavan'ireo zaza ireo mba hahazo ny anjara masoandrony amin'ny mahazaza azy dia ny fifaliana iraisana amin'ny hafa na ho an'ny tena samirery amin'ny fotoana iray manokana.
7. fijo ( 15/11/2007 05:33)
rabilabila an,ekeko ary mitovy hevitra isika,fa lery io anie ka tereny ny zanany tsy hiaraka amin'ny ankizy e.efa tratrako moa tamin'ny herintaona,fa tsy navelany ny zanany hanao fety noely niaraka tamin'ny ankizy,nefa navelany naka kilalao nozaraina tao an sekoly.
avereno ny kilalao wa fa tsy fetinareo io.
tsy nisy valiny teo.
ika,hay vy ialahy koa tsa mifety versera e???ahako koa liaka de tsa mba tia an'io ka
8. majesty ( 15/11/2007 08:32)
Dieny mbola misy fety dia aleo manararaotra fa sao dia raikitra eo tokoa ilay siosion-ndresaka hoe tsy asian'i Ravalo fetim-piangonana intsony toy ny alatsinain'ny paska sy ny pantekôty sy ny andro fiakarana sy ny assomption amin'ny herin-taona izay vao raharaha,indrindra moa fa lanian'ny ao amin'ny antenimieram-pirenena ilay hoe 15 andro isan-taona ihany sisa no fialan-tsasatra.
Ny krismasy atao toy ny fetin'ny ankizy.
Ny st valentin fetin'ny lehibe.
Ny assomption fetin'ny manano-tena.
Ny st sylvestre fetin'ny fianakaviana.
Ny paka sy ny pantekôty famangiana ny havana aman-tsakaiza any ambanivohitra sns.
9. xl ( 15/11/2007 08:39)
krismasy,
paka,
pentekoty,
ascension
zara aza mifaly sy mifety,
sady ampinoana
amen
10. bozyboleta ( 15/11/2007 09:34)
De misiosio tokotrany zany resaka zany ry majesty fa aiza koa de tsy hisy hatr@ ascension sy ny assomption :roll:

Reny olona besaina reny, refa tsy manaraka ny onjan'ny besinimaro de tokony mitady toerana mifanaraka @ eritreriny ipetrahany.
Marina fa tsy mankalaza krismasy izy, fa mipetraka mangina fotsiny fa tsy bevava.
Na dia any @ tany tsy mankalaza krismasy aza, refa mahafantatra fa hoe kristiana enao, de miarahaba anao izy refa krismasy.

11. ikaretsaka ( 15/11/2007 12:37)
majesty:



Ny st valentin fetin'ny lehibe.
Ny assomption fetin'ny manano-tena.
Ny st sylvestre fetin'ny fianakaviana.


Ny tena tsy azoko dia ity hoe "manda nefa mankalaza ity":P:-D:-D
Zahay tsy manda fetin'Arabo sy fety jiosy, eny na ny halloween aza:-D
12. fijo ( 15/11/2007 22:28)
le izy koa letsy ,tsy tokony terena izany ny ankizy an,
mba heritrereto hoe ny namany rehetra manao resaka krismasy,izyirery no tsy mahita lazaina eo.nefa rehefa tonga ny fety ramadany;mifaly koa ny namany.
13. rabilabila ( 15/11/2007 22:41)
Ny ahy aloha ry Ika ataoko daholo na mandà aza aho .Izaho no mandà fa tsy manana droit aho ,amin'ny zanako ,hi-imposer ny fandàvako .Io no rivotra iainany ary tokony omena azy daholo ny donne rehetra ( na dia orienter-ko ihany aza ny reflexion -ny amin'ny maha-zaza azy ,izay ilay hoe zaro @ làlana......)mba tsy hitsaratsarany ny hafa (comprehension=>tolérance).Rehafa lehibe izy dia en toute connaissance sy liberté no handraisany décision ;mety ho déçue aho ?Fa Tant que tsy misy fanerena ny fanapahan-keviny (na ara-tsosialy izany na zavatra hafa )ka mi-s'épanouire ao izy dia hajaiko tanteraka .Tsy ho very ny tsy ho zanako izy ary izaho miaraka manao fety aminy foana ko!!
14. fijo ( 15/11/2007 23:04)
izay mihintsy,za koa mampiasa ity fomba fijery ity
15. ikaretsaka ( 15/11/2007 23:05)
ka rabilabila misaina malalaka fa tsy bornE @ zavatra iray! izay no tsy maha fanatism sy extremist sy freako antsika:wink:
(tazomy ny ar'2 vidianantsika bonbon gasy)

ny an'ireny Freako ireny mody hoe zao aho zao, nefa rehefa dinihina izay tiatiany ihany! hoe rehefa halloween de ratsy sy tsy ankalazaina satria fetin'ny avelo dia nefa ankalazaina ny saint valentin, satria fetin'ny Fitiavana! (nefa tsy mino ny fiombonan'ny olomasina akor)y sy hoe saint symbolen'ny fitiavana le izy!

neophyte aho neophyte, born again aho born again , evangelist aho evangelist, laviko ny zao sy zao kanefa.. rehefa dinihina ,, ny tian'ny tena no mbola atao, rehefa otrotr'zay....
Tsory ny marina e.... Miantsaravelatsihy rangaha nareo an!
16. fijo ( 15/11/2007 23:08)
izay e,fety io dia hifalio aby,fa mbola hoavy koa ny halahelo
17. ikaretsaka ( 15/11/2007 23:34)
ary fijo ity tena lasa nahay ni reason tato ho ato le
18. fijo ( 15/11/2007 23:40)
efa hatr'izay ka,
fa nihamanga ny lanitro de itan'ialahy kokoa
19. ikaretsaka ( 16/11/2007 00:09)
neveriko fa mbola tsy manao "lanitra" ange ialahy fa @ izao fotsiny e!:-D
20. majesty ( 16/11/2007 08:00)
hoy ikaretsaka:
Ny tena tsy azoko dia ity hoe \"manda nefa mankalaza ity\"
Zahay tsy manda fetin\'Arabo sy fety jiosy, eny na ny halloween aza


Ilay hoe manda ekeko fa ilay hoe mankalaza tsy mety amiko.Raha tsy miasa ny mpiasa rehefa ascenssion dia tsy midika izany fa mankalaza an\'io andro io ny tenanay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5287