y fivavahana sy ny emboka...hatraiza ny fifandraisa'izy roa?

1. bosista ( 14/11/2007 18:28)
manaona daoly,
ity mba misy zavatra tsy aritro kely de mba anontaniako,indrindra ny rahalahy mpino namana ao @ tompo ,dia ry zareo katolika izany,mba mila fanazavana aho fa aoka ny fanontaniako tsy atao ahatezitra,fa raha afaka mamaly dia isaorana mialoha,tsarovy fa ny famalianao ny fanontanian'ny mpanontany anakiray dia midika fa ny famatsianao azy ara-pahalalana sahady,izao le fanontaniako: fa maninn kay ny katolika no manemboka ao am-piangonana? otran'ny tsy mampiasa an'io ny pasiteranay ao am-piangonana, ary inn marina ny filozofian'ity emboka ity eo amin'ny fivavahana?,fa toa mampiasa koa mantsy ireny mpimasy ireny,de mila embohana koa ve Andriamnitra? mba nampiasa emboka ve ny Tompo fony Izy tety antany rehefa nivavaka ,de misaotra mialoha!
novalian'i fijo ny 21/11/2007 23:51
2. ikaretsaka ( 14/11/2007 19:19)
Andriamanitra hatr@ tantara eeeeeeelabe tany ny Andriamanitra inoan\'ny katolika: (\"Andriamanitra avy amin\'Andriamanitra, Fahazavana avy amin\'ny fahazavana\") ekena hatreo?

efa novakinao koa ny ny tantaran\'ny majy 3 lahy dia emboka manitra no nomen\'ny anankiray ny tompo? (ao anaty baiboly izany an!)

Toy izany ny tantatan\'I Kaina sy Abela sy ny resaka setroka ilay hoe miakatra any an-danitra? (mbola ao anaty baiboly koa izany an (misy connexion izany ary symbolisme ny fanompoana an\' A/tra izany ny manemboka.
I abrahama sns...

ao anaty \"Sorona Masina\" no isian\'io \"fanembohana\" io an
Ary jereo fa ny zavatra rehetra raisina ho masina sy atolotra an\'Atra rehetra no embohana... Alitara (toerana masina , ny tenin\'A/tra, ny pretra, ny Komonio, ny olona (tempolin\'A/tra ny vatantsika)


Mbola manampy an\'izany ny Levitika 6... ngamba izy izay,
Tollet sacerdos pugillum similae quae conspersa est oleo et totum tus quod super similam positum est adolebitque illud in altari in monumentum odoris suavissimi Domino (14-na 15 io raha tsy diso aho) dia ny Apokalipsa 8..euh manomboka eo @ 3 eo angamba

Ie nampiasa Emboka i Zakaria izao ohatra ...

Ny katolika rehefa mivavaka dia mampiasa ny sens sy ny fitaovana rehetra, hatrany @ orona aza! fa tsy ny sofina sy ny vava ary ny maso hihaino ny toritenin\'i pasitera, sy hihira fotsiny ..:wink:
ny Toucher rehefa mihinana komonio ohatra sy manao amin\'ny anaran\'ny Ray na mifandray tanana rehefa manao \"fiadanana\"
Izay angamba ilay maha tanteraka azy? ao aby!
3. zamanoro ( 14/11/2007 19:33)
Bosista
Ka asiana emboka le izy ry Bosista sao dia mandositra le Andriamanitra an. Raha manimanitra foana mantsy eo dia mijanona eo izy.
Bosista ve dia mba efa niheritreritra hoe misy Andriamanitra ao andavapiringa ?
4. fahamarinana ( 14/11/2007 19:36)
:arrow:misaotra any Ika tamin'ny fanazavana fa za koa tsy dia nahazo loatra ny antony sns..(l)
5. pissoa ( 14/11/2007 19:54)
Zamanoro : toy ny "mety" tsy hisian'ny Andriamanitra any an-davapiringa no mety tsy hisian'ny Andriamanitra ao am-bavanao :-D:-D:-D:-D:-D
6. tsimiandravola ( 14/11/2007 20:04)
zamanoro:

Bosista
....
Bosista ve dia mba efa niheritreritra hoe misy Andriamanitra ao andavapiringa ?
Jehovah est omniprésent n'est ce pas!:-D


7. ikaretsaka ( 14/11/2007 20:28)
raha ao lery no te hivavaka.. inona ny olana kosa e! aoka izy ho ao raha ao ny tiany..
fa tsy mila emboka kosa izy ao e
8. zamanoro ( 14/11/2007 21:12)
Fa izany hoe resaka no atao fa iza ary no efa niheritreritra an'izany tamintsika, raha tsy efa nosoratako teto ilay izy?
9. fijo ( 14/11/2007 21:44)
4. Mpandefa : pissoa [ Valio ] 14-11-2007 20:54:54
Lohateny : Re : y fivavahana sy ny emboka...hatraiza ny fifandraisa'izy
Zamanoro : toy ny "mety" tsy hisian'ny Andriamanitra any an-davapiringa no mety tsy hisian'ny Andriamanitra ao am-bavanao
ndry wa tena tsssssss
10. cutie ( 14/11/2007 21:50)
misy hiteniteny foana ato ny iafarany :-D:-D:-D:-D
vontom-pinoana loatra:-D
11. fijo ( 14/11/2007 22:07)
tsy vonto fa mamo
12. cutie ( 14/11/2007 22:08)
:-D:-D:-D:-D:-D
13. fijo ( 14/11/2007 22:09)
maik afa misotro le ran'i lery???
14. cutie ( 14/11/2007 22:10)
vo maika :-D:-D:-D:-D
15. fijo ( 14/11/2007 22:35)
de tsy hiako intsony fa lasa manidina eny amin'ny nofy eny. aleo mangina
16. pissoa ( 15/11/2007 09:44)
4. Mpandefa : pissoa [ Valio ] 14-11-2007 20:54:54
Lohateny : Re : y fivavahana sy ny emboka...hatraiza ny fifandraisa'izy
Zamanoro : toy ny "mety" tsy hisian'ny Andriamanitra any an-davapiringa no mety tsy hisian'ny Andriamanitra ao am-bavanao
ndry wa tena tsssssss

?! :-D:-D:-D

cutie : ary votom-pinoana kay njy ty a :-D:-D:-D
17. ikaretsaka ( 15/11/2007 12:46)
"ny zavatra hasandratra no embohina, fa ny zavatra ahidina manembontena"
Ny atao ao @ kabone dia mampidina sy mandatsaka!
18. fijo ( 15/11/2007 22:30)
mazava be le fanazavana
19. bosista ( 16/11/2007 08:52)
fa manin wa ny sasany no manao toetra tsy mampiseho mpino fa manimbazimba ,resaka emboka izao no atao eto dia lava-piringa no resahin'ny sasany?!fa mitovy ve ireo aminareo e?
misaotra amin'i Ika @ le fanazavana fa tsy ampy,satria le majy izay resahinao,dia ekena fa nanolotra emboka manitra ho an'i Tompo zazakely fa mbola kely anie ny Tompo t@'izany ka tsy afaka manda na manaiky,fanomezana iny,Izy moa mbola tsy afaka miteny rahateo,fa ho antsika kristianina @ maha-kristianina antsika mba nampiasa an'io ve ny Tompo izay inoantsika sy arahin-tsika?
betsaka anie ny zavatra voalaza sy nisy ao @ tes.taloha fa tsy tanterahin-tsika..ny resaka ny lalana oh sns..amin'izao fotoana izao ary tsy misy kristianina misorona izany,lazaina fa tsy misorona ny kristianna ,ary tsy mihinana ny henan-tsorona !izay mahatonga ahy nanontany eto ny kato mbola mitazona ny emboka,nefa tsy hita taratra sy tsy heno tantara le izy hoe nanemboka i Kristy Tompo!
20. niryna ( 16/11/2007 13:05)
bosista:

emboka,nefa tsy hita taratra sy tsy heno tantara le izy hoe nanemboka i Kristy Tompo!

:roll: ,izaho koa mba manontany tena?
Toa tsy nanao izany emboka izany intsony Izy raha tsy diso ny fitadidiako ny baiboly.
Samy manana ny safidiny io ry bosista a!
Ny faniriana sy ny tanjona dia ny hitorian'ny rehetra ny filazan-tsara dia i kristy izay Mpamonjy ny rehetra,i Kristy izay maty teo amin'ny hazofijaliana namonjy ny heloko sy helokao ary ny heloky ny rehetra.I kristy izay nitsangana tamin'ny maty ary mbola hiverina indray.FAMONJENA,FAMONJENA.Tsy misy takalony,tsy misy tambiny,mino Azy,manantena Azy,mametraka ny fiainana iray manontolo ho tantanany.Izay no tadiavina ,izay ho faniriany,izay no hafany dia ny hitory ny teniny ho antsika.Izay ihany dia ampy.:D
Ny fiadanan'ilay Ray mahery nanolotra ny Zanany hamonjy antsika anie ho amin'ny tsirairay avy.^:^

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0379