Tena ilaina no sady mampalava andro iainana.

1. niryna ( 12/11/2007 23:00)
Vokatry ny fiainana mirotoroto dia tsy misy fotoana mihitsy isika indraindray mba hakana sasatra kely.
Ny fakana tori-maso mandritra ny andro hiasana hono dia tena ilaina tokoa(mampalava andro iainana),eny fa na dia 10 mn isan'andro aza.Mila maka aina ny saina,ny vatana ary ny fanahy ary dia mamelombelona antsika izany rehefa avy mifoha isika.Miverina indray ilay hery teo, dia mitohy indray ny tolona amin'ny fiainana.
Arakaraky ny olona ilay fakana torimaso 10-30 mn,raha mihoatra an'izany indray dia mety aretin'andoha no ho azo .Raha tsy afaka matory dia afaka manao meditation kely hono na akipy fotsiny aza ny maso dia mamoaka sy mampiditra rivo-baovao.
Mahereza daholo.
novalian'i niryna ny 21/11/2007 05:14
2. sarobidy ( 13/11/2007 10:01)
ary raha le torimaso mihitsy ndray² no tsy avy fa de eo ambony fandrina de mivandravandra fotsn mijery plafon d tsy mety hikipy mihitsy ra-vômaso de aôna ndray zay?
3. Veloo ( 13/11/2007 13:18)
sarobidy [ Valio ] 13-11-2007 11:01:28
Lohateny : Re : Tena ilaina no sady mampalava andro iainana.
ary raha le torimaso mihitsy ndray² no tsy avy fa de eo ambony fandrina de mivandravandra fotsn mijery plafon d tsy mety hikipy mihitsy ra-vômaso de aôna ndray zay?


mitsangana dia misotra dite a la menthe, maha calme ny nerf io, matoa mivandravandra ny maso dia satria ny sainao tsy au repos na calme, manana soucis ianao na dia tsy fantatrao ary...

nyrina marina ny anao - ny saina daholo ry reto no mitondra ny rehetra
4. niryna ( 14/11/2007 05:06)
sarobidy:

ary raha le torimaso mihitsy ndray² no tsy avy fa de eo ambony fandrina de mivandravandra fotsn mijery plafon d tsy mety hikipy mihitsy ra-vômaso de aôna ndray zay?

Raha misy ronono dia mamana kely na rano mafana kely koa aza dia efa mety,asio ba kiraro ny tongotra ary mamaky boky kely.Ny ahy moa dia ny baiboly no ataoko sady vita ny fianarana ny soratra masina no mahazo hery .Mianara mamoaka sy mampiditra rivotra amin'ny orona,avoaka amin'ny vava.Atao lalina be,manisa ary tsy tonga any amin'ny folo akory dia efa renoka.Andramo anie e.Hiezaho ihany koa ny tsy mihinana na misotro kafe na chocolat ao aorian'ny 6 pm,na zavatra misy caffein na sakafo mavesatra .Mihinana sakafo adin'ny roa alohan'ny atory ihany koa sady mahasalama,manena ny kibo,tsy manofinofy ratsy,no mahita tory ,tsy mivadibadika :D

5. niryna ( 14/11/2007 05:19)
Veloo:

sarobidy [ Valio ] 13-11-2007 11:01:28
Lohateny : Re : Tena ilaina no sady mampalava andro iainana.
ary raha le torimaso mihitsy ndray² no tsy avy fa de eo ambony fandrina de mivandravandra fotsn mijery plafon d tsy mety hikipy mihitsy ra-vômaso de aôna ndray zay?


mitsangana dia misotra dite a la menthe, maha calme ny nerf io, matoa mivandravandra ny maso dia satria ny sainao tsy au repos na calme, manana soucis ianao na dia tsy fantatrao ary...

nyrina marina ny anao - ny saina daholo ry reto no mitondra ny rehetra



Izany tokoa.Io voalaza io koa misy soso-kevitra.Hono e. =D=D
Ity koa misy toro-hevitra kely
Mifaly lava ihany koa mampa-lava andro iainana.Mieritreritra zavatra tsara foana sy manana toetra positive foana,ary mitsiky lava koa tena manala ny kentrona sy mampa-salama.Ny fo tsinona no tena motera ato amintsika ka raha voadona io tonga dia milofika daholo ny rehetra.:D
Rehefa misy zavatra ratsy ,tonga tampoka ao an-tsaina iny ,tonga dia avadika ho eritreritra tsara na lafin'ny tsara no hitondrana azy.Ilay manana toetra kizitina,fohizina,manana ambo,mialonalona,mankahala olona.E,e, ireo tena tsy lasa amin'ny fiainana.Mila hiezahana ny hialana amin'ireny olona manana toetra toy ireo,hialao lavitra fa mifindra.Ilay olona tsy mba manana fo faly fa mitsikera na mahita lesoka foana eo amin'ny manodidina azy ireny,mbola zava-doza ihany koa.Ilay toetra izany dia tena mifindra raha ny marina e,raha olona tsara toetra na mieritreritra zavatra positif foana no hiarahana ,dia mandray an'iny koa isika,raha ireny olona mimoto-dava sy be fanaratsiana olona ireny foana no miaraka amintsika dia mikony hatramin'ny fanahintsika koa.
Sa ahoana hoy hianareo?=)) :-$:-$
6. Veloo ( 15/11/2007 00:49)
ie:wink:
7. sarobidy ( 15/11/2007 11:36)
zay iany le mahatsara ny eto an, mahita dinika mahasoa =D
8. niryna ( 16/11/2007 00:02)
sarobidy:

zay iany le mahatsara ny eto an, mahita dinika mahasoa =D


Ka izay anie no atao hoe namana e,mifanoro
,mizara,mifanohina.Mahazo hery amin'izay rehefa miditra eto,raha miresaka na mitady hivily amin'ny hoe manaratsy olona dia tonga dia mitsoaka fa tsy ahitana vokany ho an'ny tena sy ho an'izay ho resahina.:oops:
Mba nandeha nianatra natory aho ka ie,ie ..narary ny an-dohako.Nosorako vicks avy eo dia nisinda.Tsy kivy aho fa mbola niverina indray ny ampitson'iny.:D ary nasiako alarm fa tena vetivety dia tonga ilay fotoana fiverenana miasa sao lasa manofy eo.:D
9. Veloo ( 16/11/2007 17:33)
Ka izay anie no atao hoe namana e,mifanoro
,mizara,mifanohina.Mahazo hery amin'izay rehefa miditra eto,raha miresaka na mitady hivily amin'ny hoe manaratsy olona dia tonga dia mitsoaka fa tsy ahitana vokany ho an'ny tena sy ho an'izay ho resahina.


:-*:-*:-* marina zany
10. ikaretsaka ( 16/11/2007 17:57)
niryna> power nap e:wink: aza adino io
11. niryna ( 16/11/2007 23:55)
ikaretsaka:

niryna> power nap e:wink: aza adino io


misaotra ika a:D
12. sarobidy ( 20/11/2007 07:27)
aiza njay no misy anzany power nap :roll:
13. niryna ( 21/11/2007 05:14)
sarobidy:

aiza njay no misy anzany power nap :roll:

Nanandrana naka nap tokoa aho eo amin'ny 20 -25mn eo isan'andro ary tena itako mihitsy ny hatsarany,miverina mahazo aina indray.Narary an-doha aho aloha tamin'ny voalohany,nataoko mitovy foana ny ora hatoriko kely.Manome hery be sarobidy a.:D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3714