Mony efa sitrana mamela marika,inona no atao?

21. niryna ( 14/11/2007 05:22)
xxx:

Refa kitihinao le izy an de esory h@ fotony mitsy hiala le fotsifotsy fa raha mbola misy anle fotsifotsy ao de iny le mivadika maintimainty be.
Andramo moa.


Andraso fa ho tadidiako io,raha sanatria ka mihinana sakay aho ka mivoaka mony.Endrasana hisy mavomavo toy ny nana ireny ve dia potsirina ?Ary raha sendra misy lavaka rehefa avy eo,misy zavatra azo asiana azy ve? Izany hoe misy fanafody no tiako ho tenenina.Ohatran'ny hoe rarahana fanafody eraky ny sotrokely no fiteniko azy :D
22. niryna ( 14/11/2007 05:26)
Veloo:

nyrina ampiasaivo ny "PRO ACTIVE" tena efficace beuuuuu


Misaotra,Veloo a> taty aminay nisy izay rangahy nilaza fa dokoteran'ny hoditra izy (resaka dermatologie).Feno mony be natsiravina hono ny tarehin'ity rangahy mpanan-karena.Lany ritra tao ny volany kanefa tsy nisy fiovany.Naseho tamin'ny TV ilay izy ary notorian'ilay rangahy izy.
Io pro active io koa aloha efa naheno aho e,andraso fa omeko ilay namako io anarana io.Misaotra betsaka.:-*
23. Veloo ( 15/11/2007 00:52)
nyrina a io tena assurena ka dsl ho an'ilay olona lazainao io
24. fijo ( 15/11/2007 21:39)
le alamo io koa tena marina
25. niryna ( 15/11/2007 23:51)
Veloo:

nyrina a io tena assurena ka dsl ho an'ilay olona lazainao io


Misaotra betsaka,mino an'io koa aho ka.Efa noteneniko izy fa misaotra ny rehetra aho.Beurre de coco hono no nosorany dia miha-miala ilay tasy maity.
:-*
26. niryna ( 15/11/2007 23:54)
fijo:

le alamo io koa tena marina

Misaotra fijo a,mino aho fa mandaitra koa io ka.Tsy misy mivarotra an'io aty aminay ,izay any amin'ny mpivarotra afrikana any no tsy fantatro,dia inona no hilazana azy amin'ny fiteniny =)) angamba atao baiko moana e.

27. arialy ( 16/11/2007 12:51)
nisy ramatoa fantako zay manko nisy an'ireny gôka² am tarehy reny de nasiany citron sy tantely (bio) de nihidy ny masokoditra , nadiodio be mitsy lay tarehy e !! mila finiavan io
mila produit naturel sy bio ony zay no nolazainy, sady toa mi cicatriser lay iz satri ny tantely antibiotique.
lay alamo misy tsy mahazaka an, za kalou nanandrana na tam helika aza taloha efa ela tonde nagididy be sy triatra ny hoditro.
mety mahery be gamba, ny colgate tandremo fa mandoro tarehy an.
mirary soa e
28. xxx ( 16/11/2007 13:09)
Ary inona ndray no mahatonga anle mony rehefa akaiky ho tonga iny ny règlen'ny vevavy? :oops:
29. niryna ( 17/11/2007 01:07)
fijo:

le alamo io koa tena marina


fijo a hay hono misy alamo hono any @ mpivarotra sinoa hono misy mivarotra ary alum no hilazaina azy.Fanafody helika sy tongotra maimbo.1g alamo + 1 kopy rano dia atao ao anaty tavoahangy dia hotsanina dia
30. ikaretsaka ( 17/11/2007 01:22)
azo atao kao ilay vato kely iny alona rano dia tsy levonina dia iny no ahosotra eo..
mateza tsara izy @ izay
31. niryna ( 17/11/2007 01:24)
Misy miteny koa hoe rehefa miloko mena be iny hono na toa ireny bokaboka ireny dia asiana tongologasy kely ilay misy nana sy mivonto.Asiana tantely kely.
32. niryna ( 17/11/2007 01:27)
xxx:

Ary inona ndray no mahatonga anle mony rehefa akaiky ho tonga iny ny règlen'ny vevavy? :oops:

Hormone no mahatonga izany ary mila mifady sakafo be menaka sy sakafo be la farine.Mila misotro rano be fa tena ilaina amin'ny vatana ny rano.:D

33. sarobidy ( 17/11/2007 11:21)
ah le tantely aloha no tena itako efa nataoko e
34. niryna ( 17/11/2007 12:54)
sarobidy:

ah le tantely aloha no tena itako efa nataoko e

Misaotra
Tena andeha hividy citron aho fa nihinana sakay ka misy mony,loza ity.Hiverina hijery ny hafatry ny namana.:D
Soa ihany fa efa manana tantely.
35. hanta77 ( 18/11/2007 14:41)
xxx:

mivavaha !!!

nareo reto de tena mampiome mintsy
lol



36. soanja ( 18/11/2007 15:38)
Ny tena manasitrana holatra na marika kely tahak'izany n'aiza n'aiza eo amin'ny hoditra dia ny Vitamin E. Raha aty an-dafy dia misy Vitamin E menaka hamidy eny amin'ny mangazay mivarotra resaka cosmetika sy fanafody sns... Osorana kely fotsiny isan'andro mandrapaha eo amin'ilay toerana misy marika.
Mety koa izany amin'ny faritra avy nodidiana sy ny may.
Raha tsy izay dia maka ravina Aloe na tarehitra na vahona dia tapaho kely dia ny rano mivoaka amin'iny tapaka iny dia be vitamine E tokoa. Raha manana orchidee ianao dia misy ny ranona ravina maintson'io koa dia manala marika na fery tokoa.
37. ikaretsaka ( 18/11/2007 16:26)
ilay ranona ravina orchide sy vanille manala holatra aloha dia tena mandaitra tokoa.
maka raviny vitsy2 dia totoina @ laona dia iny no ahosotra ilay toerana miaraka @ tantely dia afaka.
tsy mbola nandramako t@ tarehy aloha e

nisy fotoana aho kiaka be fa nazeran'ny moto, dia io no nanalana ilay holatra
38. niryna ( 19/11/2007 05:03)
hanta77:

xxx:

mivavaha !!!

nareo reto de tena mampiome mintsy
lol






:D marina izany ka,mila mivavaka foana amin'ny rehetra,na fifaliana na fahoriana na kely na be omen'Atra dia mila mivavaka misaotra Azy foana.Na inona mitranga amin'ny fiainana dia mivavaka aminy foana mba hiarovany amin'ilay semba-drahona iny.Andramo anie e. :P
39. niryna ( 19/11/2007 05:06)
soanja:

Ny tena manasitrana holatra na marika kely tahak'izany n'aiza n'aiza eo amin'ny hoditra dia ny Vitamin E. Raha aty an-dafy dia misy Vitamin E menaka hamidy eny amin'ny mangazay mivarotra resaka cosmetika sy fanafody sns... Osorana kely fotsiny isan'andro mandrapaha eo amin'ilay toerana misy marika.
Mety koa izany amin'ny faritra avy nodidiana sy ny may.
Raha tsy izay dia maka ravina Aloe na tarehitra na vahona dia tapaho kely dia ny rano mivoaka amin'iny tapaka iny dia be vitamine E tokoa. Raha manana orchidee ianao dia misy ny ranona ravina maintson'io koa dia manala marika na fery tokoa.



Misaotra aky a,adinoko tokoa fa holazaiko azy.Raha sendra maratra iny dia asiana peroxide sy vit E kely,iray andro fotsiny dia misy fihovana,ary tsy maharitra telo andro akory dia sitrana.Sady hohaniko io Vit E no ampiasaiko amin'ny ratra rehetra tokoa.
Ary ny celery indray dia fanafody ratra any anaty(antibiotique),manampy be io raha mihinana an'io foana koa.
40. niryna ( 19/11/2007 05:09)
ikaretsaka:

ilay ranona ravina orchide sy vanille manala holatra aloha dia tena mandaitra tokoa.
maka raviny vitsy2 dia totoina @ laona dia iny no ahosotra ilay toerana miaraka @ tantely dia afaka.
tsy mbola nandramako t@ tarehy aloha e

nisy fotoana aho kiaka be fa nazeran'ny moto, dia io no nanalana ilay holatra


misaotra ika a. Ary ilay ranona anamamy mandaitra tokoa ve raha ohatra ka maratra be ? Rehefa sitrana hono ka misy marika dia hosorana an'iny dia miverina ilay lokon'ny hoditra.Inona tokoa no atao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8915