mety manao diso tokoa ve Andriamanitra????

1. bosista ( 11/11/2007 10:23)
manaona daoly!
mety gaga angambany ny sasany amin-tsika ,indrindra mikasika ny fanontaniana na ny loha-hevitra,
zavatra roa no horesahiko hitondrana ny dinidinika:
ara-baiboly:
levitiskosy toko faha-12:
and-12 fa handeha hamaky ny tany Egypta @\'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra @tany Egypta hatr@ biby fiompy; ary ny andriamnitry ny Egyptiana dia ho tsaraiko avokoa Izaho no Jehovah.
and 13- ary ny ra dia famantarana ho anareo eo @ trano izay itoeranareo ary raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo ka tsy hisy loza handringana anareo raha mamely ny tany Egypta Aho.
de izao ary ny fanontaniana mety diso ve Andriamnitra ka mila famantarana mba ahaizany ny tranon\'ny zanak\'israely sy ny hafa tsy zanak\' israely? satria fomban\'ny olombelona manko izany mila famantarana izany satria ny olombelona mety diso! fa raha amin\'Andriamanitra mahagaga ihany!
ara-tsosialy:
- zava-misy hita @ fiainana andavanandro ireny olona izay maty nifoha ireny,raha izay no azo ilazana azy,samy karazany ny fifohazan\'izy ireny ,ao ny sasany nohon\'ny anarana mitovy oh,alaiko oh maty izao i josiane(miala tsiny @ anarana mitovy juste pour exmpl) de afaka ora,andro,vitsy aty aoriana raha mbola eo am-piandrasana azy ny havany de indro fa nifoha sahady izy fa tsy izy izao no ilain\'Andriamanitra fa josiane hafa,de afaka andro vitsy2 aty afara de lasa i josiane,ka hoy aho hoe mino an\'ireny ve ianareo sa ahoana?
mety manao diso ve Andriamnitra sa ahoana?
t@ josiane voalohany nalaina taiza Andriamanitra no tsy nilaza fa tsy io no ilainy fa ilay faharoa? sa kosa sanatria milalao Andriamnitra?? inn no lazainareo amin\'izany resaka izany?
de misaotra anareo mialoha

répondu par fijo le 15/11/2007 23:55
2. niryna ( 11/11/2007 10:43)
bosista:


levitiskosy toko faha-12:
and-12 fa handeha hamaky ny tany Egypta @'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra @tany Egypta hatr@ biby fiompy; ary ny andriamnitry ny Egyptiana dia ho tsaraiko avokoa Izaho no Jehovah.
and 13- ary ny ra dia famantarana ho anareo eo @ trano izay itoeranareo ary raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo ka tsy hisy loza handringana anareo raha mamely ny tany Egypta Aho.
de izao ary ny fanontaniana mety diso ve Andriamnitra ka mila famantarana mba ahaizany ny tranon'ny zanak'israely sy ny hafa tsy zanak' israely? satria fomban'ny olombelona manko izany mila famantarana izany satria ny olombelona mety diso! fa raha amin'Andriamanitra mahagaga ihany!
ara-tsosialy:



Tsotra ny valiny,anontanio Izy ,fa raha tena manitikitika anao ny momba Azy sy ny nahariany izao tontolo izao hianao dia omeny valiny tokoa, raha mino Azy,fa raha hitsikera sy hanakiana ny baiboly lava dia alina eo ny andronao fa tsy omeny sy tsy ho hazavainy na oviana na oviana ny teniny @ nao

Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, Jaona 5;22

Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. IKor 2:14

Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy. Kol 2:14

Afaka manao fitsapana Azy hianao toy izy manao fitsapana antsika,mba hijery ny halalin'ny rano.:D
3. bosista ( 11/11/2007 10:57)
odray ary ity valin-teninao ry niryna?!!!fangah lasa tsy vavolombelon'iJehovah indray ndry ity!!!?
4. niryna ( 11/11/2007 11:16)
bosista:

odray ary ity valin-teninao ry niryna?!!!fangah lasa tsy vavolombelon'iJehovah indray ndry ity!!!?

Hampitombo ny tenin'Atra no mba tadiavina ry bosista,fa raha hitsikera ny zavatra ataon'Atra dia tsy afaka ny hanao izany aho.Izy irery no mahalala izany sy ny ao am-pontsika tsirairay avy.
Mahereza:D

5. pissoa ( 11/11/2007 12:57)
ara-tsosialy:
- zava-misy hita @ fiainana andavanandro ireny olona izay maty nifoha ireny,raha izay no azo ilazana azy,samy karazany ny fifohazan'izy ireny ,ao ny sasany nohon'ny anarana mitovy oh,alaiko oh maty izao i josiane(miala tsiny @ anarana mitovy juste pour exmpl) de afaka ora,andro,vitsy aty aoriana raha mbola eo am-piandrasana azy ny havany de indro fa nifoha sahady izy fa tsy izy izao no ilain'Andriamanitra fa josiane hafa,de afaka andro vitsy2 aty afara de lasa i josiane,ka hoy aho hoe mino an'ireny ve ianareo sa ahoana?
mety manao diso ve Andriamnitra sa ahoana?
t@ josiane voalohany nalaina taiza Andriamanitra no tsy nilaza fa tsy io no ilainy fa ilay faharoa?

:-w:-w:-w
taiza no nisy an'io kay ?!
ngo de tsy "notsongotsongoiny" le maty :-D:-D:-D
6. ikaretsaka ( 11/11/2007 13:44)
isika no manana perception hoe diso sy marina ka...
izay ilay hoe ny fiheviny tsy fihevintsika:-D
7. rijadolly ( 11/11/2007 16:41)
levitiskosy toko faha-12:
and-12 fa handeha hamaky ny tany Egypta @'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra @tany Egypta hatr@ biby fiompy; ary ny andriamnitry ny Egyptiana dia ho tsaraiko avokoa Izaho no Jehovah.
and 13- ary ny ra dia famantarana ho anareo eo @ trano izay itoeranareo ary raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo ka tsy hisy loza handringana anareo raha mamely ny tany Egypta Aho.

Voalohany aloha dia ohatrany diso angamba ilay toko sy andny sa ny boky mihitsy no diso fa ity misy hafa misy io andian-tsoratra masina io
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=EKSODOSY&toko=12&andininy=1-13&dika=ls-web
:-*
de izao ary ny fanontaniana mety diso ve Andriamnitra ka mila famantarana mba ahaizany ny tranon'ny zanak'israely sy ny hafa tsy zanak' israely?

Ny hamaliako azy dia tsy mety diso mihitsy Andriamanitra,raha mamaky tsara ianao dia hiraka no nirahana handringana fa tsy IZY no mandringana http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=EKSODOSY&toko=12&andininy=22-23&dika=ls-web . Fanampiny :na izany natsy izany dia afaka mitest ny oloNy Andriamanitra mba hafantaraNy IZAY MPIVADIKA SY TSY MANARAKA NY TENINY.
Bosista > Mitandrema marina isé sao marina io tenin'NYRINA io an
fa raha hitsikera sy hanakiana ny baiboly lava
satria mantsy tsy mitovy ny ahy sy ny an'sé.ny ahy dia mitsimpona teny ao amin'ny Baiboly izay mampetipety ahy hoy ny sasany fa ny an'sé izany dia mitsimpona teny ao amin'Baiboly hamelezana an'Andriamanitra?:evil:
8. soanja ( 11/11/2007 16:53)
Bosista> Aza raisina tsiraidray io teny amin'ny baiboly io fa dia hanimba/hampisy fisalasalana ny fijerinao an'Andriamanitra izany.

Rehefa mamaky dia isaky ny boky foana satria io manko taloha tsy hoe boky iray fa taratasy na scrolls nisarantsaraka ary tokony hahalala hoe iza no manoratra ary ahoana ny tantara momba io mpanoratra io.

9. bosista ( 11/11/2007 17:09)
misaotra an'izay namaly, ary misaotra koa an'i rijadolly nanitsy azy eksodosy 12:12-13 le izy!
aoka hazava amintsika fa zaho dia tsy jentilisa akory, ary tsy mitsikera an'Andriamnaitra aoka isika mba hanana saina sy fo mivelatra, iza moa aho no andeha hitsikera an'Andriamnitra? diso hevitra ianao izay milaza an'izany,satria mbola tsy nitsara aho na sahy niteny sahady fa diso Andriamnitra! fa io soratra masina io no nentiko eto ho dinihina sy tiana hazava,we ahoana ny fahazoanareo azy,fa io fitsarana be fahatany ataon'ny sasany io no mahatonga ny olona sasany manana arriere pense eto, raha jentilisa no manontany anareo sahala amin'izany de valin-teny boraingina ve no omenareo azy? nefa tianareo mba ho isan'ny mpino namanareo izy!aiza ny jentilisa ho voasariakareo amin'izany .... lazaina fa mitsimpona e, mandray an-tendrony e sns..omeo le atiny raha tsy mandray an-tendrony ianao,fa raha mbola tazominao any aminao le atiny no sady tsy omenao koa de aza mitsara fa tsy @ place ny fitsaranao eo!
hoy ny soratra masina hoe:Matio23:13
Fa lozanareo ,mpanora-dalana sy fariseo,mpihatsaravelatsihy!fa arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra,fa hianareo tsy miditra,ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra!
-anjaran-tsika ny mandinika!
10. rijadolly ( 11/11/2007 17:44)
Mazava bosista à. Nampitandrina fotsiny aho sao mantsy manana heritreritra tahaka izany i sé.
Bosista > Mitandrema marina isé sao marina io tenin'NYRINA io an
Voalaza teo :
fa raha hitsikera sy hanakiana ny baiboly lava
satria mantsy tsy mitovy ny ahy sy ny an'sé.ny ahy dia mitsimpona teny ao amin'ny Baiboly izay mampetipety ahy hoy ny sasany fa ny an'sé izany dia mitsimpona teny ao amin'Baiboly hamelezana an'Andriamanitra?
. Mialatsiny an'sé aho :-*
Ary miangavy an'sé koa aho aoka izay iny fahadisoanay iny fa ilay sujet no andeha hiverenana.
11. kiranil ( 11/11/2007 19:01)
and-12 fa handeha hamaky ny tany Egypta @'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra @tany Egypta hatr@ biby fiompy; ary ny andriamnitry ny Egyptiana dia ho tsaraiko avokoa Izaho no Jehovah.
and 13- ary ny ra dia famantarana ho anareo eo @ trano izay itoeranareo ary raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo ka tsy hisy loza handringana anareo raha mamely ny tany Egypta Aho.


Miarahaba,

Rahefa nandinika io tantara io aho dia izao no fahitako azy: faminaniana na filazana na koa hoe tadindon'ny Famonjena izay ao amin'ny Jesosy Kristy io.

Ilay ra voalaza eto @ tantara eto dia ny ra izay nalatsaky Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana ho famelana ny helotsika. Ka na iza na iza no manaiky sy mino io famonjena natolotry Jeosy io dia tsy hiaran'ny fanamelohan'Andriamanitra; tahaka ny nahazo ny egyptiana.

Izay tsy mino, na tsy manaiky ny ra soa nalatsaky Jesosy tany kalvary izany dia safidy ny azy, ary hiatra amin'ny fanamelohan'Andriamanitra noho izany.

"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.

Izay mino Azy dia tsy helohina; [Gr. tsaraina] fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka [Gr. voatsara] reheteo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy.


Ary izao no fanamelohana, [Gr. fitsarana] fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany."

>> Efa nanolotra Famonjena Jesosy Kristy ho famelana ny helontsika, anjaran-tsika olombelona tsirairay no hanaiky na tsy hanaiky, hino na tsy hino izany.


Misaotra.




12. pissoa ( 11/11/2007 19:07)
hmmm !

otran'ny tiko zany fanazavana zany :-D
13. ikaretsaka ( 11/11/2007 19:37)
soanja:

Bosista> Aza raisina tsiraidray io teny amin'ny baiboly io fa dia hanimba/hampisy fisalasalana ny fijerinao an'Andriamanitra izany.

Rehefa mamaky dia isaky ny boky foana satria io manko taloha tsy hoe boky iray fa taratasy na scrolls nisarantsaraka ary tokony hahalala hoe iza no manoratra ary ahoana ny tantara momba io mpanoratra io.

izay manko..
mbola hahavery antsika mihitsy raha io" kitsimpotsimpona" io no atao.
betsaka tokoa amin'izao ny "tsy mahalala akory ny zavatra notsimponiny"!


14. tsimiandravola ( 11/11/2007 21:11)
bosista:

odray ary ity valin-teninao ry niryna?!!!fangah lasa tsy vavolombelon'iJehovah indray ndry ity!!!?
=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))=))


15. tsimiandravola ( 11/11/2007 21:17)
Niryna s'est faite piquée par une méchante mouche=))

Tena gaga tanteraka i Bosista ,tsy nampoizinao indray iny ra-Bosista an!

Sûr mihitsy aho fa izay olona misaina rehetra dia gaga daholo noho io vaitenin'i Nirina io.Nieritreritra izy fa olona mpametra-panontaniana fandrika i Bosista.

Soa ihany ho an'ny mpino kristianna fa i Bosista dia kristiana koa.Na izany aza nefa dia tsikaritra eto ny toe-javatra mahatsikaiky misy eo amin'ny samy kristianna,sy ireo fomba fanotofana ny "raison" tsy ho tafapoitra mihitsy rehefa mba misy ny fanontaniana mba "sérieuse".Na fanontaniana mangataka valiny "rationelle".
:@
16. rabilabila ( 11/11/2007 22:59)
tsetsatsetsa tsy haritra fotsiny:


Fony nianatra sekoly alahady ,na katésizy , na sekoly sabata ,isika tamin'ny mbola kely dia miala amin'ny "kitsimpotsimpona " foana ny lesona .Ary ilay kitsimpotsimpona matetika dia ilay feno fampitahorana ( zaza tiana ho faizina angamba ? araky ny filazan'i Ika).Nofidiana foana izany izay zavatra mi-arranger araky ny taonan'ilay olona .
Imaginer-o ,imaginer-o fotsiny hoe :Ilay mpampianatra antsika taloha (fony kely) nitantara tamintsika ny épopé-n'i Josoa (tsy ilay Cecile B. de Mile) fa ny ao anaty baiboly ; angamba isika "traumatisés à vie" daholo e? Fa niniana natao ny tsimpona (izay logique humaine matetika no finidy) mba tsy hametrahan'ireo ankizy fanontaniana lalindalina kokoa.

Na izany aza nefa dia tsikaritra eto ny toe-javatra mahatsikaiky misy eo amin'ny samy kristianna,sy ireo fomba fanotofana ny "raison" tsy ho tafapoitra mihitsy rehefa mba misy ny fanontaniana mba "sérieuse".Na fanontaniana mangataka valiny "rationelle".


Iombonako tanteraka amin'i Tsimiandravola.
17. ikaretsaka ( 11/11/2007 23:01)
ty tsimpontsimpinareo ity rankizy a
18. niryna ( 11/11/2007 23:20)
Ny tiako tenenina bosista dia izao a:Nandefa hianao fanontaniana,iza no mahery Atra sa satana,diso ny tao amin'ny baiboly,izao indray ilay sujet milaza fa mety manao fahadisona ve Atra?
:roll:
Izay no mahatonga ahy hiteny hoe.Olombelona no anontanianao.Tsaratsara kokoa raha manontany Azy hianao. :D
19. ikaretsaka ( 11/11/2007 23:44)
ity tsimpitsimponareo ity hoa!

miombonkevitra @ Rabilabila aho @ ity e

Fony nianatra sekoly alahady ,na katésizy , na sekoly sabata ,isika tamin'ny mbola kely dia miala amin'ny "kitsimpotsimpona " foana ny lesona .Ary ilay kitsimpotsimpona matetika dia ilay feno fampitahorana ( zaza tiana ho faizina angamba ? araky ny filazan'i Ika).Nofidiana foana izany izay zavatra mi-arranger araky ny taonan'ilay olona .
Imaginer-o ,imaginer-o fotsiny hoe :Ilay mpampianatra antsika taloha (fony kely) nitantara tamintsika ny épopé-n'i Josoa (tsy ilay Cecile B. de Mile) fa ny ao anaty baiboly ; angamba isika "traumatisés à vie" daholo e? Fa niniana natao ny tsimpona (izay logique humaine matetika no finidy) mba tsy hametrahan'ireo ankizy fanontaniana lalindalina kokoa.


Fa za mba nianatra katesizy ihany ry Rabila fa zahay aloha toa tsy nozarina nikitsimpontsimpona izany fa ny anay(soanja koa angamba niaraka tamiko) dia ilay boky (scroll) @ ilay tantara 1 manontolo no vakiana, ary izany anie no mbola atao any ampiangonana, ny any (katolika) raha araka ny fitadidiako dia tantara hoe nisy an'izao dia nanao izay i Jesoa na izao.... ny anay manomboka @ ilay hoe Tamin'izany Andro izanyfoana...

Izany angamba no nahatonga ilay tantara kely hoe Katolika ireo olona ireo ho'zy M Theresa, dia gaga ny olona hoe ahoana koa ny nahalalan'i masera an'izany hoe fa katolika ireo olona ireo? interessed be @ lazainao ry zareo ary tia miady hevitra!..no navaliny!
20. niryna ( 12/11/2007 00:58)
Mifanohitra amin'izany indray no notenenin'ity olona ity tamin'ny namany.Notarihany samy hivavaka tsirairay ny ankizy ka tsy nety ireo katolika.Raha asianao samy mivavaka ireo ankizy tanora ireo hoy izy mantsy ity ramatoa dia tsy maharaka ny tanora protestanta ny tanora katolika.Ny iray hoy izy manao vavaka tora-po ary ny iray manao vavaka miverimberina fotsiny,ny ankizy tanora protestant hoy izy mamaky baiboly sy mianatra soratra masina amin'ny baiboly fa ny iray tsy nampianarina izany izahay fahiny fa ny Arahaba ry Maria no naverimberina.Marina ve izany ry ika?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1509