mety manao diso tokoa ve Andriamanitra????
21. niryna
(
12/11/2007 01:03)
Fanazavana tao anatin'ny baiboly.org
(IIPetera 1:20-21)fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;
Raha mino ianao fa tsy mety diso Andriamanitra ary tsy manadino na iray aza amin'ny fanambarana rehetra ilain'ny olombelona hahalalany ny famonjena ary ny fiainana mifanaraka amin'izay takiany, dia tokony hino ianao fa voalaza ao amin'izay voasoratra avokoa izany fanambarany izany.

22. niryna
(
12/11/2007 03:42)
tsimiandravola:
Niryna s'est faite piquée par une méchante mouche=))
Soa ihany ho an'ny mpino kristianna fa i Bosista dia kristiana koa.Na izany aza nefa dia tsikaritra eto ny toe-javatra mahatsikaiky misy eo amin'ny samy kristianna,sy ireo fomba fanotofana ny "raison" tsy ho tafapoitra mihitsy rehefa mba misy ny fanontaniana mba "sérieuse".Na fanontaniana mangataka valiny "rationelle".
:@
Mety tsy mahalala hianao fa fanontaniana fametraky ny olona tsy mino no nalefany foana.Raha mino isika tsy hiteny izany velively.
bosista:
Lohateny : iray tanjona ve Jehovah sy satana?
niryna:
Lohateny : Re : iray tanjona ve Jehovah sy satana?
bosista tonga dia fantatra hoe silamo io namanao io.Io foana no anisan'ny fanontaniany ataon'ireo olona tsy kristiana any kristiana.Te-hampahafantatra ny kristiana izy hoe tsy mitovy ny hevitra tenenina ao anaty baiboly. too,bad.Izahay mahafantatra ny Atra hivavahanay,Atra miteny,Atra velona,Atra mamaly vavaka.
[quote=rijadolly ]
Lohateny : Re : iray tanjona ve Jehovah sy satana?
Manao azafady amin'Niryna aho tsy hoe tsy namaky aho vao nanoratra fa kosa efa voahomana ilay izy dia nalefa fotsiny,sady heveriko fa tsy mifanohitra ilay izy fa mifameno fotsiny
Eo amin' ilay boky dia mahalina raha jerena ny foniny eo aloha.satria ilay titre dia mena sady lehibe eo ambony LE VRAI MESSAGE DE JESUS-CHRIST;ny mpanoratra somary kelikely ary ilay hoe Agence des musulmans d' Afrique soratra kely ery ambany indrindra.Izany hoe ny Kristianina mihitsy no tiana siblena hamaky azy;izaho aloha dia tratrany é!Nefa :tsara ny ahalalana ny hevitry ny hafa finoana mba hanamafy ny finoanao satria ambaran'ny Fanahy Masina aminao ny marina.
[quote=rijadolly]
Hoan'bosista:
Le vrai message de Jésus-Christ ilay boky nangalan'ilay namanao ireo,mbola betsaka ao izay noheveriny fa mifanohitra.Fa kosa raha isa dia manaiky aho fa tsy mahay manisa isika raha tombamaso.Marihana ihany koa fa boky musulman izy io,azonao ny tiako ambara raha kristianina ianao.
23. rabilabila
(
12/11/2007 09:57)
Mifanohitra amin'izany indray no notenenin'ity olona ity tamin'ny namany.Notarihany samy hivavaka tsirairay ny ankizy ka tsy nety ireo katolika.Raha asianao samy mivavaka ireo ankizy tanora ireo hoy izy mantsy ity ramatoa dia tsy maharaka ny tanora protestanta ny tanora katolika.Ny iray hoy izy manao vavaka tora-po ary ny iray manao vavaka miverimberina fotsiny,ny ankizy tanora protestant hoy izy mamaky baiboly sy mianatra soratra masina amin'ny baiboly fa ny iray tsy nampianarina izany izahay fahiny fa ny Arahaba ry Maria no naverimberina.Marina ve izany ry ika?
Jugement de valeur ....par procuration!!:-D:-D:-D
24. RyAnona
(
12/11/2007 13:01)
Tiako ho fantatra ny taonan'i Bosista azafady.
mila fifampitokisana no nahatonga an'Atra nangataka ny zanak'Israely hanao famantarana teo @ tolam-baravarana ary teo no nahafantarany fa mino sy mahatoky azy ny olona. Jereo ireto toko sy and. ireto fa na dia ny biby aza arovany sy anehoany ny faha gagany.....
Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin'ny Isiraely amin'ny bibin'ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an'ny Zanak'Isiraely na dia iray aza.
Eksodosy 9:6 Ary nony ampitso dia nataon'i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin'ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin'ny Zanak'Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza.

25. rabilabila
(
12/11/2007 13:43)
Ika>>>
Eny e!! Ka na lé scroll aza ange efa kitsimpontsimpona e!!(choix deliberé) Izaho sûre mihitsy fa tsy nisy mpampianatra katesizy sahy nanao scroll amin'ny tantaran'i Josoa ary raha nisy nanao aza tsy ho hita soritra ao mihitsy ilay rà mandriaka sns fa notantaraina ho -aventure ilay izy e!!Any amin'ny Salamo na ny proverbes na ny cantiques any foana no tena mivalampatra .
Ilay fametraham-panontaniana indray miankina amin'ny mpampianatra foana (na protestà izy na katolika na laika ),ny fomba fampianarana sy ny fampitàna ny hevitra no mahatonga ny ankizy ho tia-karokaroka sy interéssé ?
Tsaroako tsara t@ mbola kely nisy fanontaniana ni-intriguer ahy tamin'ny resaka "andro fitsaharana " sy ny "hanina azo hohanina " (tany amin'ny katolika no nitranga ilay tantara an!!),moa va tsy firitsoka no nahazo ny tenako ? Sady mbola nahazo koa hoe devoly ? Fa tsy nahazo valiny .Nalazan'ilay Masera tany amin'ny mamanay aho dia nolazainy i Mamanay hoe tsy handray ahy intsony izy fa ovaina groupe aho . Andray!! 'Zany ve dia mba rariny ?Nanjary tsy nahay hatramin'ny latin fa tena alerjika tamiko ilay Ramatoa Masera Mpampianatra .

26. Fody
(
12/11/2007 14:09)
de izao ary ny fanontaniana mety diso ve Andriamnitra ka mila famantarana mba ahaizany ny tranon'ny zanak'israely sy ny hafa tsy zanak' israely? satria fomban'ny olombelona manko izany mila famantarana izany satria ny olombelona mety diso! fa raha amin'Andriamanitra mahagaga ihany!
Tsotra dia tsotra ny valiny ry Bosista: Andriamanitra dia tsy miasa irery fa miara-miasa amintsika olombelona, noho isika manana fahafahana tanteraka. Natorony ny zanak'Israely ny fomba hanavotany azy, amin'ny alalan'ny ràn'ny zanak'ondry, ka anjaran'izy ireo ny hanaiky an'izay na tsia. Ary na tsy zanak'Israely aza no hanaraka an'io didin'Andriamanitra io dia ho avotra koa.
Izay ihany, dia mazoto mandalina e!
27. Mandefitra
(
13/11/2007 09:09)
kiranil:
Miarahaba,
Rahefa nandinika io tantara io aho dia izao no fahitako azy: faminaniana na filazana na koa hoe tadindon'ny Famonjena izay ao amin'ny Jesosy Kristy io.
Ilay ra voalaza eto @ tantara eto dia ny ra izay nalatsaky Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana ho famelana ny helotsika. Ka na iza na iza no manaiky sy mino io famonjena natolotry Jeosy io dia tsy hiaran'ny fanamelohan'Andriamanitra; tahaka ny nahazo ny egyptiana.
Izay tsy mino, na tsy manaiky ny ra soa nalatsaky Jesosy tany kalvary izany dia safidy ny azy, ary hiatra amin'ny fanamelohan'Andriamanitra noho izany.
"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka [Gr. hitsara] izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
Izay mino Azy dia tsy helohina; [Gr. tsaraina] fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka [Gr. voatsara] reheteo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy.
Ary izao no fanamelohana, [Gr. fitsarana] fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany."
>> Efa nanolotra Famonjena Jesosy Kristy ho famelana ny helontsika, anjaran-tsika olombelona tsirairay no hanaiky na tsy hanaiky, hino na tsy hino izany.
Misaotra.
Miombon-kevitra tanteraka.
IKorintiana 5:7 ... Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;
28. fijo
(
13/11/2007 23:27)
raha misy izy dia mety diso;toa ny misy rehetra,fa raha tsy misy izy dia tsy mila valiny ilay resaka.
29. bosista
(
14/11/2007 17:48)
manaona daoly,
o ry kiranil sy ny namana o!aoka iska tsy hampifangaro zvtr, milaza tsy mitsimpona nareo an nefa zvtr lazainao zvtr hafa mihintsiny,satria io ra izay lazaina eo io dia ra t@ anarivo taonany talohan'i jesosy,tamin'ny andron'i Mosesy ,tamin'ny fotoana mbola tsy nampisy an'i Jesosy,ary Andriamnitra teo tsy nila ran'i Jesosy Tompo,fa ran'ny ondry izay atao amin'ny tolam-baravarana tsy sorona fa juste famantara fotsiny...... ary ny fanontaniana eto tsy hoe karazan'ny ra inn no ahazoana famonjena,fa hoe mety diso ve Andriamanitra no mila famantarana mba ahaizany manavaka ny tranon'ny zanaka'israely sy ny tsy israely? zay fotsiny!!!!!!!!!!,fa de ampidirina daholy izao resaka fitsimponana izao,ary inn ity resaka tsimpona ity e? isaky ny mitondra na mamaky ny andininy avy amin'ny soratra masina ve de fa lazaina fa mitsimpona? ary inn no tsy mitsimpona? le mamaky indray mandeha ny baiboly rehetra ve?miatomboka amin'ny genesisy ka hatr@ apokalipsy?!!!

31. rabilabila
(
15/11/2007 13:42)
Marina dia marina tokoa fa mbola tsy nizy i Jesosy tamin'izany .
Saingy ilay ondry aloha natao sorona ,nangalana ny rany apetraka eo ambonin'ny tolam-baravarana .
Saingy ilay tsy israely izany atao sorona mba hamonjena ny zanak'israely.
Fa dia andriamanitra iza loatra izao e!!