Inona no atao hoe: Fitiavana?

1. Fody ( 10/11/2007 13:43)

Ny fiainana tsy misy fitiavana no antsoina hoe: afo be! Raha Kristiana izy dia hiaiky fa raha tsy misy an'Andriamanitra eo amin'ny fiainany dia tsy misy Fitiavana izany. Raha tsy mpino kosa dia hanaiky fa "une vie sans amour est comme un ciel sans étoile".

Raha mitovy ny hevitra eo amin'izay lafiny izay, mety ts hitovy kosa ny hamaritana ny atao hoe: fitiavana. Ka ho anao: inona no atao hoe: Fitiavana?
novalian'i fijo ny 14/11/2007 22:48
2. cutie ( 10/11/2007 16:53)
valio alou le fanontaniana araky ny fahazahoanao azy de avy eo zahay mamaly koa:)
3. ikaretsaka ( 10/11/2007 16:54)
amiko aloha ny key voalohan'ny fitiavana dia fifampihainoana sy fifanakalozana e (communication)
Voafehin'io aby ny "zaza tiana no faizina" (le famaizana no moyen de communication hampitana azy)
ka hatramin'ny any am-pandriana!:wink:
4. ikaretsaka ( 10/11/2007 16:55)
oay! dia ako koa kay ny fifamonjena
5. cutie ( 10/11/2007 16:59)
:-D:-D:-D:-D:-D
6. rapala ( 10/11/2007 17:51)
Raha tsy mpino kosa dia hanaiky fa "une vie sans amour est comme un ciel sans étoile".

ka henoko fa misy faritra any am-pita any toa tena tsy mahita kintana mihintsy nefa mande ihany ny fiainana:wink:
misy karazany ny fitiavana araka ny voalaza etsy ambony ka miankina @ tsirairay avy io.

cutie:tô himehezandry fotsiny akia?:wink: sa ilay tenin'i ika hoe:
ka hatramin'ny any am-pandriana!

7. bosista ( 10/11/2007 18:21)
io de tsy mazava amiko mintsy le we Andriamnitra de fitiavana!!! toa dradradradraina loatra izy mantsy!
ary hiteny isika hoe:ndeha hanao fitiavana,de azo adika ve izany hoe:ndeha hanao A/tra??? ary ny milalao fitiavana de hoe:milalao A/tra? tsy mivadika ve ny....@'izay!!!
8. pissoa ( 10/11/2007 18:37)
Inona no atao hoe Fitiavana ? :-D

Mbola tsy nahita famaritana mazava be, fa raha afohezina amiko Fitiavana = Faniriana hiombona ; mety arahin'ny fahatanterahan'ny fiombonana rehefa "reciproque" ny fitiavana.
Mety mbola misy famaritana hafa booobaka be azo omena, fa io fotsiny no ao antsaiko amizao :-D

Tsy dia azoko loatra koa ilay hoe Andriamanitra Fitiavana. Mety ho azoko ihany kosa nefa ny hoe Andriamanitra tia ahy.

Na tsy azoko aza ilay hoe Andriamanitra Fitiavana, dia mety izao no mety ho valin'ny fanontanian'i Bosista :
ary hiteny isika hoe:ndeha hanao fitiavana,de azo adika ve izany hoe:ndeha hanao A/tra??? ary ny milalao fitiavana de hoe:milalao A/tra? tsy mivadika ve ny....@'izay!!!

Andriamanitra "Fitiavana" ozizy ilay dradraina foana, fa tsy hoe izay heverin'ny olona fa "fitiavana" rehetra dia "Andriamanitra". Izany hoe raha manao fitiavana dia tsy voatery ilay Fitiavana = Andriamanitra no atao, fa karazam-pitiavana hafa :-P:-D
9. Fody ( 10/11/2007 19:37)


Ny teny mahazatra andavan'andro dia manamaivana, na manimba, na manova mihitsy ny hevitry ny hoe: Fitiavana.

Ny fitiavana dia tsy zavatra ka azo raisina. Tsy zavatra avy any ivelany izy, fa hery avy ao anaty. Fiteny ny hoe: manam-pitiavana an'i pissoa aho. Fa moa ve izaho no nanamboatra an'izay fitiavana izay? Moa tsy nitsiry tao anatiko izay, tamin'ny alalan'ny fifandraisako taminy ohatra, na tamin'ny alalan'ny fahitako azy, sns...
Ny tiako lazaina dia hoe: tsy misy afaka manao fitiavana izany. Ary ny fitiavana tsy kilalao velively. Raha lazaina fa kilalao izy dia azo natao araka izay itiavana azy. Fa moa ve ny olona afaka mibaiko ny tenany hoe: i ranona no hotiaviko, i ranona no hotiaviko... Matetika aza toa mifanohitra amin'izay heverintsika no zava-miseho, ary ireo miseho ho tsy tia no lasa miaraka mandrakizay...

I Gabriel Marcel dia manipika fa ny fitiavana dia mystère fa tsy avoir. Izany hoe fait partie de l'etre. Isany ny ao amin'ny maha isika antsika izy, fa tsy hoe zavatra avy aty ivelany akory.

Ny mahazatra koa raha vao miresaka hoe fitiavana dia voateny foana ireto: eros, fila, agape. Ny voalohany dia ilay fitiavana tsy mjery afatsy ny tena ihany (manome fahafaham-po ny filana fotsiny), ny faharoa kosa dia ny fitiavana mifamaly (tiako izay tia ahy), ary ny fahatelo farany dia ilay fitiavan'Andriamanitra: tia tsy misy condition na miandry takalo. Samy miseho eo amin'ny fiainana daholo ireo, saingy ny irarian'Andriamanitra ananantsika dia ilay fahatelo: "mifankatiavana ianareo toy ny nitiavako anareo".

farany: ny hoe Andriamanitra dia Fitiavana.
Voalohany aloha dia tsy olona iray izy fa Telo, nefa Tokana. Ao anatin'izay mahatokana azy izay dia tsy levona ny maha izy ny tsirairay ao aminy fa hita soa aman-tsara: Ray manana ny maha izy azy, ny Fanahy Masina sy ny Zanaka koa toy izany. Izay ilay Fitiavana tsy mandevona fa mamelona, manaja ny tsirairay nefa mikabana ho iray, sns... Izy Trinite Masina mihitsy noho izany no atao hoe Fitiavana.

Izay aloha!
10. pissoa ( 10/11/2007 21:59)
mystery ... :-D
11. cutie ( 10/11/2007 22:35)
cutie:tô himehezandry fotsiny akia? sa ilay tenin'i ika hoe:
Voalaza teo :
ka hatramin'ny any am-pandriana!

ie io akia no mampime a:-D:-D:-D:-D
12. cutie ( 10/11/2007 22:39)
inona no atao hoe: Fitiavana?

sentiment ao anaty ( saika nitovy t@ lazain'i fody ihany )
Raha ampifandraisiko @ le Atra fitiavana indray io , de Atra no nanome io sentiment io anatin'ny oul tsirairay, ka ataoko fa samy manana an'io daholo ny oul rehetra na kristiana izy na tsia.
Samihafa fotsiny ny fomba fampisehoan'ny tsirairay azy.
Ny any angatahina @ Atra fotsiny de ny hanananao fo madio ahafahanao mikoloko io fitiavan ao anatinao io :lol:
13. niryna ( 11/11/2007 05:29)
Fody:



Ny teny mahazatra andavan'andro dia manamaivana, na manimba, na manova mihitsy ny hevitry ny hoe: Fitiavana.

Ny fitiavana dia tsy zavatra ka azo raisina. Tsy zavatra avy any ivelany izy, fa hery avy ao anaty. Fiteny ny hoe: manam-pitiavana an'i pissoa aho. Fa moa ve izaho no nanamboatra an'izay fitiavana izay? Moa tsy nitsiry tao anatiko izay, tamin'ny alalan'ny fifandraisako taminy ohatra, na tamin'ny alalan'ny fahitako azy, sns...
Ny tiako lazaina dia hoe: tsy misy afaka manao fitiavana izany. Ary ny fitiavana tsy kilalao velively. Raha lazaina fa kilalao izy dia azo natao araka izay itiavana azy. Fa moa ve ny olona afaka mibaiko ny tenany hoe: i ranona no hotiaviko, i ranona no hotiaviko... Matetika aza toa mifanohitra amin'izay heverintsika no zava-miseho, ary ireo miseho ho tsy tia no lasa miaraka mandrakizay...

I Gabriel Marcel dia manipika fa ny fitiavana dia mystère fa tsy avoir. Izany hoe fait partie de l'etre. Isany ny ao amin'ny maha isika antsika izy, fa tsy hoe zavatra avy aty ivelany akory.

Ny mahazatra koa raha vao miresaka hoe fitiavana dia voateny foana ireto: eros, fila, agape. Ny voalohany dia ilay fitiavana tsy mjery afatsy ny tena ihany (manome fahafaham-po ny filana fotsiny), ny faharoa kosa dia ny fitiavana mifamaly (tiako izay tia ahy), ary ny fahatelo farany dia ilay fitiavan'Andriamanitra: tia tsy misy condition na miandry takalo. Samy miseho eo amin'ny fiainana daholo ireo, saingy ny irarian'Andriamanitra ananantsika dia ilay fahatelo: "mifankatiavana ianareo toy ny nitiavako anareo".

farany: ny hoe Andriamanitra dia Fitiavana.
Voalohany aloha dia tsy olona iray izy fa Telo, nefa Tokana. Ao anatin'izay mahatokana azy izay dia tsy levona ny maha izy ny tsirairay ao aminy fa hita soa aman-tsara: Ray manana ny maha izy azy, ny Fanahy Masina sy ny Zanaka koa toy izany. Izay ilay Fitiavana tsy mandevona fa mamelona, manaja ny tsirairay nefa mikabana ho iray, sns... Izy Trinite Masina mihitsy noho izany no atao hoe Fitiavana.

Izay aloha!



=D =D misaotra anao fa voazavanao tsara ny tiako ho tenenina hoe "Andriamanitra dia fitiavana"
14. keyoann ( 12/11/2007 00:16)
sarotra valiana koa le fanontaniana :roll::roll: fa angaha tsisy fanontaniana mora valiana a?:D:D
15. diamondra27 ( 12/11/2007 07:21)
ny atao hoe: fitiavana amiko dia fanomezana sy fizarana @ lafiny rehetra (alahelo sy fifaliana).
Arakaraka ny zava-miseho no itiavanao azy
Tsy mila hoe: Xna na tsia fa afaka mizara io fitiavana io daholo ny rehetra raha tiany ny hanao izany sy raha misy ny moyen eo ampelatanany.

Ny fitiavana dia famonjena ny olona iray eny na dia hamoy ny ainao aza ianao.
Raha tonga ny tokoa dia tsy mi-se poser des questions ianao hoe: inona ny tokony hataoko fa tonga de lasa mamonjy ilay olona.


16. xxx ( 12/11/2007 16:57)

"Aimer" c'est "se donner"!

Banjino i Jesoa eo ambonin'ny Hazofijalina (na ny hazofijalina) dia ho azonao ny atao hoe: tena Fitiavana!

Ampianaro mitia izahay ry Tompo, dia hahafoy tsy hiandry valiny noho ny fitiavana ny hafa sy ny fitiavana anao. Amen!
17. xxx ( 12/11/2007 17:19)

"Aimer" c'est "se donner"!

Banjino i Jesoa eo ambonin'ny Hazofijalina (na ny hazofijalina) dia ho azonao ny atao hoe: tena Fitiavana!

Ampianaro mitia izahay ry Tompo, dia hahafoy tsy hiandry valiny noho ny fitiavana ny hafa sy ny fitiavana anao. Amen!
18. cutie ( 12/11/2007 20:54)
Banjino i Jesoa eo ambonin'ny Hazofijalina (na ny hazofijalina) dia ho azonao ny atao hoe: tena Fitiavana!

lalina ndray zany :)
19. bioubiou ( 13/11/2007 07:51)
Fody:


Ny fiainana tsy misy fitiavana no antsoina hoe: afo be! Raha Kristiana izy dia hiaiky fa raha tsy misy an\'Andriamanitra eo amin\'ny fiainany dia tsy misy Fitiavana izany. Raha tsy mpino kosa dia hanaiky fa \"une vie sans amour est comme un ciel sans étoile\".

Raha mitovy ny hevitra eo amin\'izay lafiny izay, mety ts hitovy kosa ny hamaritana ny atao hoe: fitiavana. Ka ho anao: inona no atao hoe: Fitiavana?

ny fitiavana dia 1 Cor 13

20. pissoa ( 13/11/2007 19:08)
:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1135