MIRANDRANA VE MANIMBA VOLO?

1. mzksoa ( 10/11/2007 13:03)
:D:D:D Salut daholo ianareo

zao e, ny voloko a, matevina be, tsy tsotra fa olioly, dia nisy fotoana nato lissage tony (2 ans) izay dia lasa simba, maina oh volokatasaka reny :{
dia zao efa nihalava fa mbola maina foana, ka hono oa, mpirandra aho taloha, fa raha randranina ve dia mety hihatsara sa:?:
brushing zao no fanaoko 2 */mois rhf misy fotoana, fa na mirandrana koa anie dia tsy maintsy vahana au bout d'1 semaine satria mikorontana be ireny, ka inona no mety azoko atao ry zareo?

merci sahady a:-*:-*:-*
novalian'i arialy ny 12/12/2007 12:39
2. ravl ( 10/11/2007 14:24)
za alo miconseiller anao hoe aleo mirandrana, ny ahy ndray aza volo tsotra fa tratran ty brushing lava ty d simba
3. ifiona ( 10/11/2007 21:35)
aza mirandrana zany ntsony raha efa avy nanao kitoatoa toy izany f'efa tara loatra :(. Enao ve manao traitement manalefaka ny volonao (beurre de karité ohatra)? Ataovy alou ny traitement hitsaboana azy. aza dia atao brushing sy lissage matetika intsony. Rehefa elaela hitanao hoe mihatsara lé kalitao an'ilay volonao vao tokony mba randraninao indray.8)
fa raha izaho ianao, dia misafidiana. Na mirandrana, na manao brushing lava. Fa tsy hoe te hiverina hirandrana reehefa avy nanao brushing sy lissage, fa maka fotoana io.:oops:
4. Veloo ( 11/11/2007 19:13)
itako manimba aloha ilay mirandrana e betsaka be ny volo lasa sy mihintsana t@ ny ahy
5. ikaretsaka ( 11/11/2007 20:14)
ko tsy tena za no tena simba volo be ndrindra le:?: nefa ny ahy mba hitako norma ihany
6. melody ( 11/11/2007 22:51)
ika: mampiresaka fotsiny satria volo normal an!:-P
7. ikaretsaka ( 12/11/2007 03:38)
volo normal @ ahoana? le ary fa tsy aty!:°)
8. sakaizakely ( 12/11/2007 08:54)
ny fotobolo iny ihany no azo atao hoe miaina @ volo, fa ny tahony dia efa azo heverina fa "maty". Izany hoe rehefa simba iny dia tsy azo amboarina na tsaboina intsony.

Iny volo otra volonkatsaka iny dia tsy azo sitranina intsony fa atao be menaka fotsiny angamba sisa hahamora ny fibangoana azy.

Aleo aza tapahina rehefa simba dia ny volo salama no avela haniry indray

ny brushing tsy manimba volo raha toa ka voaaro tsara (après shampooing, masque, serum sns...) satria tsy dia mahery loatra ny voltage n'ny appareil.

ny lissage no mila fitandremana betsaka, indrindra raha mampiasa an'ireny plaques de lissage ireny satria ambony be ny heriny ary tena mandoro volo mihintsy. Ny manatsotra volo @ produits no tena faran'ny manimba be na dia manisy produits sal@ n'inn aza

ny randrana tsy haiko raha manimba volo, mety pratika satria mba mifitsapitsaka le volo fa tsy le mibofaka be ireny. Tsy hitako aloha hoe izay mety maharatsy ny firandranana
9. kally ( 12/11/2007 09:05)
Ny randrana aloha mahasola raha atao matetika loatra e! sao lasa ohatra an'i Venus William eo sanatria.Voasintona mafy loatra mantsy ny tahom-bolo.
Maninona raha hydrater-na ny volo aloha.
Raha amiko aloha tsy vahaolana ny fanapahana volo raha volo efa mibofoka izany, vao mainka ianao ho sahirana hoe hogoina mankaiza izy ity.
Fa dia masque, soins, bain d'huile tena hosory menaka ohatr'ireny hirandrana ireny iray andro tontolo dia izay vao kobanina fa hifitsaka io.
10. xxx ( 12/11/2007 15:16)
ny randrana mahasola ka! io voalazan'i kally io...
somary hanapaho ny lohany izay simba be iny de manaova traitement na volo maina sy simba....
raha lafo loatra ny prpduit dia asio ny adi-gasy e!
11. sarobidy ( 12/11/2007 15:32)
Arakarakle karazana volo iany no mahatsara azy, ndray² mantsy raha volo tsy tokony harandrana no randranina de lsa mivadika orera izy rehefa vahana iny
12. xxx ( 14/11/2007 13:56)
=))=))=))=))la marge!!
13. soacool ( 01/12/2007 07:54)
Mampalava volo sy mampaniry volo reny ko
14. arialy ( 12/12/2007 12:39)
za tam mbola kely nirandrana fona alo fa tsy naninona e , ny fotoana nibangona volo manko tena horreur be refa hianatra de nirandrana lahady de vahana sabotsy aprèm, fa mety arakaraky ny volo io.
ny tena manimba volo de ny manasa loha isan'andro ka tsy fafaina fa avela am zao nefa tsy asina masque sy serum.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.379