Tsy kivy na inona mitranga fa manana an'ATra !!!
1. niryna
(
09/11/2007 19:10)
Nifankatia ireo olon-droa ary tena latsa-paka tokoa ny fitiavany.Tsy nandray ravin-dena mihitsy ity ramatoa ary nanao izay hiadanin'ity vady aman-janany ity rangahy.Nafindra ny kaonty tany amin'ny banky ary dia natoky ity ramatoa.Roa andro talohany andehanany haka vakansy any an-tanindrazan-drangahy vao niteny azy mianaka izy.Roa herinandro ihany hoy izy.Tonga tany @ry zareo dia nandeha daholo ny fomba rehetra ary tafiditra tamin'izany ny famonoana omby sy ny ra alatsaka hodinganin'izy mianaka.Tonga ny andro fodiana,hoy ilay rangahy hoe tsy mody intsony isika fa mijanona aty.:roll: Nanomboka teo no niseho ny maha-biby ity rangahy,namono vady,mandaka zanaka ary vokatr'izany dia nitondra takaitra ity zaza ka nivilana ny lamosiny.Felaka mandrivorivo no miantra,tsy mahazo manao na inona na inona.Nijanona tany nandritra ny heri-taona sy tapany,nivavabavaka fa kristiana ilay ramatoa mianaka,nangataka tamin'Atra mba hisy hamonjy azy mianaka,ny teny tsy hay ary farany nahita olona nanampy azy ka tafa-verina soa aman-tsara aty an-tanindrazany izy mianaka. Na tao anaty fahakiviana tanteraka aza izy mianaka dia nanana fanantenana fa mamaly vavaka foana ATra.
Tsy nisy vola teny am-pelantanany mba hiantsoany ny rainy,kanjo nisy bokina-telefaony teo anoloany ary nisy quarter iray tao,ny nahatonga anio aloha dia misitery ihany koa.Tonga tany amin'ny tranony izy ary olon-kafa no tao,hay namidin'ity rangahy vadiny hatramin'ny tranony sy ny fanaka ary ny vola rehetra tany amin'ny banky izay nafindra tamin'ny fahatokisana ity rangahy vadiny,lasa ,ritra ,ary efa voafindrany tany amin'ny kaontiny any aminy.Nanjeniheny teny izy mianaka ary farany nahita asa ihany.Tonga ny olona nirahin'ity vadiny hangalatra ity zanany saingy misaotra an'Atra fa mbola feno ankizy tao am-pianarana ka afaka niantso vonjy ity zaza. Nantsoina ny polisy ka tratra hatramin'ireo ankizy nampidirina nianatra tao hanara-maso ity zaza,sy ny olona saingy hangalatra ilay zaza. Andriamanitra mahalala ny ondriny ary miaro sy mitahy azy ireo ihany koa na inona hetraketraky ny fahavalo.
Mahereza hatrany mivavaka sy manankina ny fiainantsika aminy fa tsy hanenina velively hianao.
(l)niryna

novalian'i niryna ny 16/11/2007 13:18
2. niryna
(
09/11/2007 19:22)
Vokatry ny aretim-po sy ny fijaliana nahazo ity zaza fahiny dia nisy aretina tampoka,nahia ilay zaza ary nalemy tsy afaka nandeha intsony.Natosika ilay zaza natanjaka fahiny fa nisy voa hatramin'ny nerve-ny.Notsaboina izy ary indray andro izy niteny ny reniny hoe avelao aho hitsangana.Kivy ny reniny tamin'ny voalohany fa tsy zakany raha mianjera eo izy.Namindra ity zanany ary nahavita nandeha eraky hopitaly.Nitohy isan'andro izany dia an-tongotra izany ary farany sitrana ilay zanany ary tsy nila fanafody intsony koa.Mahery ny herin'Atra ho an'ireo izay tena mino fa manasitrana izy raha mangataka aminy amin'ny fo tanteraka tokoa.
Ho an'Atra irery ihany anie ny voninahitra.Amena
Ho an'Atra irery ihany anie ny voninahitra.Amena
4. niryna
(
09/11/2007 20:48)
sipagasy:
mmhh tahakan'ilay film: 'jamais sans ma fille' ty izany
Izany ve? namana vao tonga tany amin'ny tanindrazan'ny vadiny ity niresaka ity dia nalefako ho antsika rehetra fa tena tantara nisy.Mbola feno diana-ratra daholo ny vatan'izy mianaka.Ilay rangahy tsy niverina aty intsony saingy mitady haka ny zanany.Efa lehibe ilay zanany ka anjarany no misafidy na hiverina hiaritra fahoriana,daka sy famonoana na hijanona aty amin-dreniny.Tena nitondra fahoriana mihitsy.
Ny ratsy tsy misy tandroka:twisted:
5. niryna
(
10/11/2007 11:55)
Tsy afaka ny hamalifaty ny ratsy izany isika fa ny mifanohitra amin'izany aza dia ny mitia azy ireny ary ny mivavaka ihany koa satria tsy ilay olona na havana na namana na ny mpiray serasera no manao izay manafitohina na manana fankahalana fa ilay hery ataon'i satana tohatra hanoherany ny tenin'Atra.Tsy ny vady na ny zanaka na ny hafa mihitsy izany no tokony hiadivana.(LK 6:27,Mat 10:35)
Ny tenin'Atra ao amin'ny Ef 6:12-20 no mampiseho amin'izany antsika fa tokony :
-mianatra ny mitraka tanteraka ary tsy kivy na miembotra fa mitady an'Atra hatrany
-Mahatanjaha ,tsy amin'ny herin'ny tenanao irery anefa fa amin'ny herin'Atra mba hanoherana ny fahavalo izay ampiasan'i satana.
-Apetraka eo am-pelatanany izany olona izany ary mivonon mandrakariva ny hiaro sy hanafika ny fahavalo avy amin'ny alalan'ny tenin'Atra sy mivavaka azy ireo
-Fantaro ny fahavalo ary fantaro ihany koa ny tetika ataony ary dia reseho amin'ny herin'Atra izany,ny famakiana ny baiboly.
-Mivavaka ho azy ireny fa satana tsy tiany hiverina amin'Atra ireny fahavalo ireny.Fantany fa kely sisa ny hery hananany ka izay rehetra manatona an'Atra dia finganiny avokoa.Mivavaka ho any fahavalo mandrakariva isika mba tsy ho voatariky ny fakampanahy hankahala azy ireny(Oh 20:22,24:29.Mt 5:39-45)
Mahereza hatrany .

6. xl
(
14/11/2007 10:39)
Ny tsara no hamaliana ny ratsy, raha tsy izany hiaharatsy hatrany izao fiainana izao,
Samia mifampitondra ambavaka aza,
amen
Samia mifampitondra ambavaka aza,
amen
7. niryna
(
16/11/2007 13:18)
xl:
Ny tsara no hamaliana ny ratsy, raha tsy izany hiaharatsy hatrany izao fiainana izao,
Samia mifampitondra ambavaka aza,
amen
=D=D