maty vao ramalala ! fombatsika io e !

1. ravatorano ( 09/11/2007 10:32)

Niravaka mari-boninahitra ireo mpanakanto nalaza nodimandry tao ho ao, ka isan’ny nahazo izany farany i Zafihita sy i Toty, ary nomena sehatra manokana tetsy amin’ny tranom-pokonolona Analakely mba hiandrasana ny nofo mangatsiaka.

Fihetsika mampihetsim-po ny toy izao, saingy voninahitra tsy noravahan’ny velona fa anara-tsy very ho an’ny maty. Firy ireo zoky olona tsy hanavahana asa atao sy sehatra politika nampiakatra avo ny voninahitry ny firenena, saingy mazana olatra na kilaoty rovitra no mba voninahitra hisalorany. Raisina ohatra amin’io na mpanakanto, mpanao gazety, mpanao fanatanjahan-tena, mpanao politika, mpitsabo indrindra ireo mpanao asa sosialy. Adino tanteraka izy ireny raha mbola velona, kanefa voatanisa avokoa ny asa vitany rehefa maty. Maty vao ramalala izy ity hoy ny mpitazana , ka ny velona sisa mihebo ho manana havana nirava mari-boninahitra. Tsy aleo mba asiam-panovana amin’izay ny fomba fiasa manomboka izao mba higoka ny hatsembohany izay nisasatra ?

vendredi 9 novembre 2007, par Naivo kely
madagascar tribune

fombatsika io ka atao tsy dia mahagaga loatra :x:x:x
novalian'i sarobidy ny 12/11/2007 09:08
2. lemenakely ( 09/11/2007 13:16)
ravatorano:

Raha raisina @ saina tsy miangatra dia ny zavatra voalohany raha tena hi motiver ny artiste iray dia ny fividianana ny zavatra vitany TSY PIRATE !nefa indrisy firifiry ny cd sy vcd pirate...

Mampalahelo tokoa moa ny any amitsika fa refa maty foana vao RAMALALA !akory atao fa izay izany no zava-misy
3. sarobidy ( 09/11/2007 15:02)
Zoki, fa aôna marina aloha izy io e! misy miteny oe mangataka hono ny fianakavian'ny maty de mahazo mari-boninahitra ilay maty, aiza ho aiza ny fahamarinan'zay zoki a:oops:
4. ravatorano ( 09/11/2007 15:51)
tsy fantatro aloha ilay hoe mangataka fa mino za fa raha misy aza izany dia vitsy
fa mbola velona dia efa betska ano mangataka fa tsy mahazo mihitsy :?::?:
:wink:
5. Optik ( 09/11/2007 19:44)
Hoy ravatorano:

"maty vao ramalala ! fombatsika io e ! "

Ataoko fa tokony hitodika any @ mpitondra fanjakana izany teninao izany fa tsy amin'ny valala be mandry mpankafy an'ireo mpanakanto hatry ny fahavelony toa antsika.
6. sarobidy ( 10/11/2007 07:34)

Ataoko fa tokony hitodika any @ mpitondra fanjakana izany teninao izany fa tsy amin'ny valala be mandry mpankafy an'ireo mpanakanto hatry ny fahavelony toa antsika.

Optik: ka so de kosa nge misy tanan-kavavanan'ny pitondra ato am serasera e:oops:, mbô mitondra teny sa aôna zoky?:°)
7. Optik ( 10/11/2007 11:28)
sarobidy < eny ndray ary e!
8. sarobidy ( 12/11/2007 09:08)
optik :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.048