ny hatanorana

1. lepetitbetsileo ( 08/11/2007 15:24)
Ahoana ny fandraisan-tsika ny hatanorana ho antsika mandalo azy @ zao fotaona izao ? Inona avy ireo zavatra maneligelina ny saina ?
Ahoana ny hevitra sy ny soso-kevitra entin'ny olon-dehibe ?
novalian'i kofbay ny 26/11/2007 18:24
2. xxx ( 08/11/2007 15:34)
ny fandraisako ny fahatanoràna raha izaho no hamaly anao dia mahafinaritra tokoa ny miaina anaty ny fahatanoràna...mila mahay misafidy ny lalana aleha anefa fa tsy hoe rehefa tanora dia hanao an'izao rehetra izao....manja ny revy.....
satria tsy ho tanora lalan-dava ka ho varina eo amin'ilay fahatanoràna sy ny revy miaraka aminy.
Tsy misy mitsy aloha tokony hanelingelina ny saina rehefa amin'ny fahatanorana satria manja daholo ny rehetra, fa ny fanotaniana hety hoeptraka dia hoe inona no mba ho avy aviko, manao ahoana ny ho fiainako , iza no ho vadiko, ??????
ny soso-kevitry ny olon-dehibe dia ny manome anatra sy sermone ihany no mety:wink:
3. Kwasi ( 08/11/2007 17:17)
Farito aloha ilay hoe "tanora" ry rabetsikely, tanora ara pijiolojika ve sa tanora fisainana?
4. sarobidy ( 09/11/2007 14:54)
Kwasi: hihihi hay ko mo misy an'izany izy ity:roll:
5. soanja ( 10/11/2007 04:59)
Kwasi:

Farito aloha ilay hoe "tanora" ry rabetsikely, tanora ara pijiolojika ve sa tanora fisainana?



Possible ve hoe mandray roa koa? Le faharoa io toa mila elanetezana le olona vao hahatratra an'io hatanorana mandrakizay io an. Ho ela velona e!
6. sarobidy ( 10/11/2007 07:17)
Raha le voalohany de araraoty e, mandalo izy io:P(l)
7. lepetitbetsileo ( 12/11/2007 13:19)
Le tanora ara-psikôlôjia aloha no tena resahiko eto e. Ny mahagaga mantsy de tsy mba milamina ny sain-tsika fa raha tsy any @ sipa de any @ hadalana isan-karazany.
Anefa anenenana avokoa izay atao rehetra.
Sa aôna ny hevitrareo ?
8. sarobidy ( 13/11/2007 07:26)
arakarakle zavatra atao io fa tsy voatery oe hanenina fôna kah
9. lepetitbetsileo ( 16/11/2007 05:32)
sarobidy:

arakarakle zavatra atao io fa tsy voatery oe hanenina fôna kah


Raha ohatra 'zany enao ka hoe mandainga aman'olona nefa tena tsy tianao mitsy 'zany de eo ihany enao de manenina. Nefa sady matahotra ihany.
10. soanja ( 16/11/2007 06:38)
lepetitbetsileo:

Ahoana ny fandraisan-tsika ny hatanorana ho antsika mandalo azy @ zao fotaona izao ? Inona avy ireo zavatra maneligelina ny saina ?
Ahoana ny hevitra sy ny soso-kevitra entin'ny olon-dehibe ?


Soso-kevitra amin'ny mahaela netezana ahy zany no omeko hoe:

- Eo amin'ny fiainana dia misy foana ny fotoana mahasolafaka nohon'ny fihetsika tsy voahevitra saingy tsy atao ho aretina iny na fery ka hanarimo sy ho lo fa natao ho lesona ka isaky ny mahita ilay holatran'ilay fery ianao dia mahatsiaro fa tsy hisy fanindroany ny fery eo amin'iny toerana iny fa mety toeran-kafa indray eo amin'ny vatana. Noho izany dia mila manova fihetsika zany ianao mba tsy hisian'iny fahasolafahana eo amin'iny faritra iny intsony.

- Eo amin'ny fiainana dia tsy voatery ho rariny sy hitsiny daholo no hohitanao saingy raha vitanao ny manampy ny fiarahamonina hizotra amin'izany lalana izany dia izay no tsara indrindra. Noho izany dia mahaiza mandray andraikitra. Raha misy zavatra tena takianao hisy fiovana dia ny tenanao no mila maka fanapahan-kevitra voalohany handray handraikitra hanova izany. Ny tiako resahina dia modely ho an'ny hafa ianao vao afaka hampita zavatra heverinao fa fahendrena. Iny fanapahan-kevitra raisinao iny anefa dia aza manantena foana koa fa handaitra na ho eken'ny be sy ny maro satria samy manana ny fomba fisainany ny olona ary mahasarotiny azy ny zavatra hinoany na arahiny na heveriny fa ara-drariny. Eo no milalao ny finoana sy ny fomba fisainana ary ny soa toavina. Koa raha hainao ny mandanjalanja hoe aiza ny fahamarinana manakaiky ny finoanao dia iny arahina satria iny no mety aminao fa aza manahy ny an'ny hafa izay matetika tsy mihevitra izany.

Fa raha toa kosa vitanao ny manova fisainan'olona iray na indrindra finoan'olona iray hanaraka ny finoanao dia arabaho ny tenanao fa nahavita be ianao izay tamin'zay nataonao raha tsy hoe nanimba sy nandatsaka, nanazimbazimbaina ny fiainan'olona na fisainan'olona, ny mahaolona teo anelanelan'izany tanjonao izany.

- Sarotra ny manova olona na toetsain'olona na fihetsik'olona fa ny mahasalama ara-tsaina sy ara-batana indrindra dia ny mampianatra ny tenanao na manova ny fihetsikao hampifandray/na tsy mampifandray ny mety aminao amin'ilay olona na ny manodidina.

- Manomboka amin'ny fanabezana ny zava-drehetra. mazotoa mianatra fa tsy misy taona ny fandraisan'ny atidoha raha tsy hoe marary izy.

Farany, mametraha tanjona eo amin'ny fiainana dia sorito amin'iny ny lalana hizoranao miaraka amin'ny kajy sy ny fanahy mahaolona ary ny finoana heverinao fa haharitra! Mahereza!

11. sarobidy ( 19/11/2007 05:47)
8. Mpandefa : lepetitbetsileo [ Valio ] 16-11-2007 06:32:21
Lohateny : Re : ny hatanorana
Hoy i sarobidy:

arakarakle zavatra atao io fa tsy voatery oe hanenina fôna kah



Raha ohatra 'zany enao ka hoe mandainga aman'olona nefa tena tsy tianao mitsy 'zany de eo ihany enao de manenina. Nefa sady matahotra ihany.



ka zay nge no mahatonga anah hiteny oe arakarakle zavatra atao ry lpetibetsileo e :)
12. kofbay ( 26/11/2007 18:24)
za koa mba tanora taloha, zao zao za eto sisa no mbola kofbay! araraoty daholo izay mahafinaritra anao eo amin'ny fahatanorana fa io tsy miverina intsony, saingy tadidio fa ny fandrika lehibe indrindra dia ny fanaovana zavatra hilana doka amin'ny tanora namana hafa, aza atao tsirambina ny ho avy fa rehefa lehibe ianao dia ny saina sisa no azo hatanorana fa ny fiainana samy miantoka ny ainy! rehefa lehibe ianao dia ho hitanao daholo ireo olona nilanao doka taloha ireo hoe aiza ho aiza izy @zao. Nanana akama be zay za taloha (16 ansza t@zany), degany be i lery, misotro, mifoka, manana sipa, mandeha boite, mikata be, tena ao amin'ilay mampitsiriritra kofbay mintsy, ohatran'ny hoe i lery no role teo @ tanana, ary izay revy tantarain'i lery dia toa milay be daholo, rehefa lehibebe za (18-20) dia lasa nanao revy ohatran'i lery, ny ahy aza niampy fugue, manohatra ray aman-dreny, manamoly, sns.., vokany betsaka be ny occasion tsara no rater-ko teo amin'ny fiainana satria za tsy niheritreritra ny avenir-ko mihintsy fa nihevitra fa ho tanora mandrakizay. raha oharina amin'i lery za dia tena lasa lavitra t@ fiainana, fa raha oharina amin'ny akama nitovy taona tamiko dia mitovy @ elanelanay mitsamy! Fehiny, ataovy daholo izay revy tianareo atao rehefa tanora, fa tsinjovy foana ny farany! izao zao i lery mbola hitako mandeha boaty, miditra ftsiny nefa rehefa tonga ao mangataka revy @ bandy akama taloha.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9224