union libre

1. reve ( 07/11/2007 17:19)
mba misy zavatra manitikitika ahy hoa ty ry zareo a!
teny tsy mety ary tsy mateza ve ny fifankatiavana ra tsy entina hatrany amin'ny mariazy ? de misokatra ny ady hevitra e!
novalian'i tsikih ny 10/01/2008 01:20
2. booboo ( 07/11/2007 17:28)
:). Na vita an'izao fomba² aby aby izao aza ka tsy mahay mikolokolo isan'andro ny fitiavana dia tsisy raha vanona !

Raha vao mieritreritra koa hoe satria vita fombafomba dia efa "acquis" zay ny zava-drehetra dia vita matavy kounkou !



3. bitrokel ( 07/11/2007 18:27)
tsy voatery hoe tsy haharitra ny fiarahana na dia tsy manao mariazy aza.. betsaka amin'izao fotoana izao no tsy manao mariazy fa tonga dia miray trano ao , mandeha tsara, ka hoy aho hoe voa mafy fotsiny izany izay nanao mariazy anefa misaraka après:roll:
4. bioubiou ( 08/11/2007 05:47)
lé mariazy nge otrany hoe famatorana azy ho propriété privée e!:lol:
io na misy na tsisy mariazy nefa refa tsy aharitra lé love d tsy maharitra e!:-o
5. sakaizakely ( 08/11/2007 08:38)
arakaraky ny tsirairay

ny fanorenana tokatrano dia matetika omba faniriana hanantaranaka hamelona ny anarandray.

Dia misy faniriana avy amin'ilay reninjaza hitovy anarana @ zanany ohatra. Mazava ho azy koa fa resaka sentimantaly koa ilay manambady, hitondrana ny anaran'ilay olontiana, hi materializena ny fitiavana sady porofo lehibe koa

safidy io fa tsy voatery hitovy am zay daholo ny fandraisana ny mariazy
6. kallie ( 08/11/2007 09:57)
miankina am ça dépend io, ndraindray ary ny fanaovana mariazy no fiatomboan'ny fihenan'ny fitiavana
7. ari.malala ( 08/11/2007 09:57)
fa tsaratsara kokoa raha amiko aloha e, ny misy fifamatorana eo anatrehan'Atra ilay tena Fitiavana, fa ts avala ho union libre zany satri le libre anie otran'ny misy sous entendu hoe afaka misaraka refa tina le hisaraka e, na firy na firy zaza eo (hevitro manokana)
8. sakaizakely ( 08/11/2007 10:13)
kallie>

tsy ny mariazy no mampihena le fitiavana fa mety mamohafoha ny olana miafina

raha toa misy fisalasalana na de kely balitia fotsiny aza dia aoka klou hijanona kely rankizy :-P:-P:-P
9. slym ( 08/11/2007 12:44)
ra momban'le union libre alo de somary mitovy @ an'i ari.malala ny hevitro,satria ra ohatraka oe libre le izy de dikany izany afaka manao zay tiany atao ny tsirairay.sa ts zany ry ari.malala?
10. keyoann ( 08/11/2007 22:50)
za aloa mahita olona tsy vita soratra aradalana nefa miray trano ary niteraka nefa mifankatia tsara.
Ny indro kely fotsiny rehefa te andeha ny iray d tsy voasakana satria tsisy zvtr mamatotra.
Fa rehefa mahay mifankatia fotsiny angamba dia tsy d olana loatra na tsisy mariazy aza satria efa mpivady ihany anie ry zareo e! d izay no zava-dehibe
11. soanja ( 09/11/2007 04:08)
Raha tia fahalalahana ianao dia io union libre io no tsara aminao.
Fa raha toa kosa ka olona mpitazona ny teny nomena ianao dia raiso ny lalan'ny mariazy fa io no tsara indrindra.
Ny zavadehibe dia ny fifankatiavana ao anatin'izany firaisana izany na misy fehy na tsia.
12. ari.malala ( 09/11/2007 13:02)
ka zay mants wa ry slym! ;)
13. reve ( 10/11/2007 09:16)
de mafinaritra tokoa ny hevitra maro samy hafa ary misaotra ny namana zay nadray anjara.
misy ho eritrertin'izay mifankatia rehetra ireo hevitra ireo e!
fa ra ny ahy manokana ny tena hevitro de le manao manariazy be misy fety be de misy nuit de noce be de mikaly be de mandihy be de MIVAVAKA BE amin'ilay NAHARY mba hitoetra foana ilay fitiavana niredareda tamin'ny fiarahana vonalohany ! hi!hi!hi:D:-*:*(l) de am zay love be fona mandrapahafaty !
14. soanja ( 10/11/2007 11:58)
Mitovy hevitra isika sy Reve fa ny ahy indray dia ny fitonian-tsaina ao anaty fiarahana no itongilanako mirona amin'ny fitiavana ny mariazy.
Rehefa nanorina ianao dia "ilay vatolampy" no ataovy fototra amin'ny trano. :-*:-*:-*
15. meva2 ( 12/11/2007 07:43)
bjr dôly,

Raha izaho indray aloha dia ny mba tiako ho marihina kely dia hoe: amiko ny union libre dia tsy midika velively hoe samy miliba manao zay sai-patany fa hoe libre ny hiara mipetraka sans taratasy ara-panjakana.Marihina eto fa ny fanjakana no namaritra an'io fomba iray io toy ny pacs etc...satria matoa ianao reconnu hoe manambady eo anatrehan'ny fanjakana dia satria nankany @ mairie nanao sonia. IZANY hoe resaka administratif ilay izy.
KA ny faharetan'ny tokantrano iray dia tsy miankina @ mariage na tsy mariage fa kosa amin'ireo mpifankatia.
Mahafinaritra ahy koa ny manao mariazy fa saingy tsy tiako ilay vahoaka beee tsy fantatro akory ny antsasany.
16. Angolaina ( 12/11/2007 08:55)
@ iny fotoana iny toko aki ry meva no ahitana karazan'olona izay tsy mbola hita mihitsy teo @ fiainana !
Raha ny hevitro manokana mikasika io union libre io de zao, efa zavatra banale be zany @ zao fotoana izao ka tsy dia hitako oe inona ny olana raha misy zany, io koa safidin'ny tsirairay ny hitondra ny fifankatiavana hatrany @ mariazy na hijanona eo @ fifanekena mangina teo @ izy roa. Ny zava-dehibe ange de zao e! "NY FIFANKATIAVANA TSY METY RITRA", endrika iray fanehoana fitiavana ny fampakarambady eo anoloan'ny fanjakana sy eo anatrehan'ny Tompo ary porofom-pitiavana lehibe koa satria iny no manaporofo fa io ilay voatsonga tao anatin'ny maro.
An'ny tsirairay ny safidy ny fomba ifampitondrany sy ifanehoany ny fitiavany ka mahaiza mamelombelona azy fa ny faharetan'ny fitiavana no lehibe indrindra
Vive l'amour !!!
17. xxx ( 12/11/2007 09:22)
meva2:


Mahafinaritra ahy koa ny manao mariazy fa saingy tsy tiako ilay vahoaka beee tsy fantatro akory ny antsasany.



Occasion hahafantaranao azy io, sady matoa ilay olona eo dia na namanao/ havanao na namana / havan'ilay vadinao, donc tsara foana ny mahalala azy
18. reve ( 12/11/2007 10:23)
aimer c'est partager ry reto a! de mba mizara fifaliana am ny havana aman tsakaiza e! eo ry meva2 no ahafantaranao ny havan'ilay olon-tinao fa tsy ny havanao ihany.

Ka eo tokoa no mbola resaka hafa ndray e! de ahoana nareo am ny havam-bady na naman'ny vady ?????
misokatra indray ny ady hevitra!!!!!:°)8-):^):evil:
19. vahiny2004 ( 12/11/2007 10:33)
soanja:

Raha tia fahalalahana ianao dia io union libre io no tsara aminao.
Fa raha toa kosa ka olona mpitazona ny teny nomena ianao dia raiso ny lalan'ny mariazy fa io no tsara indrindra.
Ny zavadehibe dia ny fifankatiavana ao anatin'izany firaisana izany na misy fehy na tsia.



Inona ary ilay atao hoe "fahalalahana" @ izay fotoana izay ?

Io lazain'i soanja io mantsy amiko dia ohatry ny milaza hoe tsy misy fahalalahana ao anaty fanambadiana . Azonao hazavaina kokoa ve ?
20. achrafhanna ( 12/11/2007 17:10)
Amiko manokana le union libre, de tena mibahatoerana be @zao fotoana any amintsika,fa ny an\'ny Egyptienne kosa tsy misy oe te hisaraka de misaraka na hanao divorces mora be,refa vita mariazy.Refa tsy manaiky ny fiangonana ny hisarahanao @vadinao de herim-po very maina sy henatra eo @fiaraha-monina,mila motifs tena azo tsapain-tanana sy hita mihariary!De okay le manariazy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0882