namita-tena

1. bioubiou ( 07/11/2007 12:13)
film efa nandeha ve?
tafaresaka tam finday zay sy lé ranamana d potika be tam feoany à!nataoko zay nifaneraserana taminy,d nitohy ny resaka d tafaray ny tia sy ny manina,izy nefa nilaza tamiko fa efa manana sipa,nefa izy koa tsy d tena hoe nanisy olana tam zany...nitohy ny lanonana...kinanjo babo ty fokely adalako,naniry ny ho "izy 'lay tokana"...tsy afaka ny hisaraka amin'io oul io hono izy,bla bla bla... otrany mbola babo iany ao nefa satria izy tsy manova ny fihetsiny amiko refa mifanena zahay,mbola manontany vaovao,sns...,diso ve za raha mbola manantena?tena babo fa tsy vazivazy.
novalian'i bioubiou ny 13/12/2007 04:51
2. sarobidy ( 07/11/2007 12:55)
andray kosany e, mampalahelo be enao. Le fitiavana marina refa tena iantefa zay de lalina tokoa sady tsy azo programena oe itsy no ho tiko sy tsy ho tiko.
De raha ohatra ve izy ka tsy mety hisaraka amle ray de aôna no ataonao? Vao may ihombo le fery sy ratra ao anatinao nge e!
Maninona raha antonina sy iresahana tsara izy de anontanio izay heviny de lazao azy ny ao amponao mba hieritreretany, sa efa fantany? Mahereza e
3. ainaheri ( 07/11/2007 12:57)
Ka refa babo razoky d atsangano ny tanana roa d tsy mitifitsa tsony izy =))=))=))=))
4. sarobidy ( 07/11/2007 13:17)
fa inona nefa no hotifiriny eo e :oops:
5. bioubiou ( 07/11/2007 13:42)
tsy afa-manôtra hono izy e!efa betsaka ny antony nomeny dia tsy maintsy hoe izà zany no mandefitra.:cry:
6. Kwasi ( 07/11/2007 13:45)
Efa mazava io ny valiteniny, dia mbola hanantena ihany ve ianao?
7. xxx ( 07/11/2007 13:58)
bioubiou, itantarako zavatra niainako enao, niresaka tao am msn alou d nifanome numero, d nifanao fotoana, d tonga tokoa ny fotoana nihaonana d nihaona, d mpinamana tsotra klou no niresahana, teny nandeha ny fotoana, nilaza izy fa tia ahy (za vevavy) fa saingy efa misy ol tiany any hoany, ary efa fantatry ny RAD ny io ol io fa saingy tsy tena tiany, d mbola nanantena iany le fo kely adala tato anatiko, d miandany credit miantso mandefa sms sns, mahavatra mangalatra miantso azy am 22 ato ampiasana mints aza, sady izy kou mahavatra mitsena aty ampesana d manatitra hatrany antrano sns, d ndremande, andro alahady tamzay, manina azy ny tena d niantso, kinanjo feona vevavy no tao anaty tel nefa ny tel anazy no natsona an! d ts nino aloy fa taitra b d notapahina d aveo natao anonyme ny numero fa mbola le vevavy iany no nandray tao, de mody ts taitra fa we hitady an'i ann, d namaly le vevavy we izy iany ky cherie a, d taitra b a, d ozy a we tsy feony zany fa iza le miresaka amko azafady , d tonga d ozy le vevavy we vadiny, tonga d notapahiko ary nanapakevitra ah fa ts hiantso azy intsony ary d zay no nataoko. Mbola nibip ana in2 iany izy ny harivan'io andro alahady io,fa ts nirappel azy tsony mints za mandrak'ty ny androany, ary d voafafa tsikelikely na ny anarany na ny momba azy. Ny tiako tenenina anao d zao, aza miandry voa otrana vao manapakevitra, fa ra vo misy miteny we efa misy ol hafa any, d raiso ny fanapahankevitra hoe aleo hidaboka fa manjary mitady aretin'andoha sy aretim-po ftsn refa injay fa mitongilana any amle ray ny lelamizanan'ny fony. Mahereza.
8. bioubiou ( 07/11/2007 14:08)
adala lé fo e!ny olana koa ny olona manodidina anà mieritreritra daholo hoe miaraka tsisy olana mitsy zay roa,izy efa noraisina ho zanak'an trano,mandeha fetim-pianakaviana sns,explication:zahay nge tena efa niaraka mihitsy fa hoe nisy balise d najanona e!
9. ari.malala ( 07/11/2007 14:46)
@ manaraka alohan'ny hitondràna olona ho fantatry ny fianakaviana assuréo tsra hoe matotra v le fiarahana fa manjary manala baraka tena enao! anatry ny hoavy izay, ny hoavy amzay jerena e! ozy le hiran'i Rija Ramanantoanina hoe
"jereo ny maraina vaovao
mbola misy mamiratra ho anjaranao
velomy ao amponao ny feon'ny fanantenana
fa hisy masoandro hitondra hafanana
mbola hisy fanilo hafa indray"

de zay ampiononana ny fo e, sady izao ko e, ts hahasoa anao ny hiaritra eo, fa mety hiaraka aminao par pitié izy, na ts haiko, voatery v noho izay situation zay hoe fantatry ny ao aminareo, fa ny sainy any amle ray, ka raha inty tanteraka ny anareo d izy nefa ts tamàna aminao fa any amle ray d vao maika fijaliana ny anao. Mahereza hatrany e!
10. sitlo ( 07/11/2007 19:16)
bioubiou:

film efa nandeha ve?
tafaresaka tam finday zay sy lé ranamana d potika be tam feoany à!nataoko zay nifaneraserana taminy,d nitohy ny resaka d tafaray ny tia sy ny manina,izy nefa nilaza tamiko fa efa manana sipa,nefa izy koa tsy d tena hoe nanisy olana tam zany...nitohy ny lanonana...kinanjo babo ty fokely adalako,naniry ny ho "izy 'lay tokana"...tsy afaka ny hisaraka amin'io oul io hono izy,bla bla bla... otrany mbola babo iany ao nefa satria izy tsy manova ny fihetsiny amiko refa mifanena zahay,mbola manontany vaovao,sns...,diso ve za raha mbola manantena?tena babo fa tsy vazivazy.

misy fahavoazana


11. xxx ( 07/11/2007 19:26)
izaho manokana aloha raha olona efa manana hiarahana izany tsy dia mahaliana ahy loatra e!
hitady aretina sy blem ve?????
na sipany io na vadiny io tonga dia tsy mahaliana ahy, raha tsy hoe angaha hoe tsy nilaza ny marina izy teny ampiandohàna dia efa raiki-pitia be iny no vao maheno hoe hay izy efa manana olo-tiana ...dia eo vao mila mieritreritra manapa-keivtra..fa na izany aza tsy maitsy hoe hiafàra amin'ny fiasarahako azy ihany satria le fait hoe izaho manadala vadin'ou dia efa tsy voako izay, na koa hoe izaho v ehivavy ka tsy afaka ny hanao izay mampalahelo ny vehivavy toa ahy koa izaho tonga dia adaboka e! tsy misy fika
12. bioubiou ( 08/11/2007 05:55)
gaigy e?:-P
efa saina tonga iany nge fa tara loatra e!tsy koi!fiainana dôly zany e!
marary lé izy fa zay no nitadiavina,namita-tena oa!:wink:
13. ari.malala ( 08/11/2007 07:03)
d raiso antanandroa ny korazy demialà tao faingana mints;)
14. koffman ( 08/11/2007 14:03)
bioubiou> mialà deny mbola tsy maratra enao, indrindra moa rah mbola sipany le miaraka aminao, ka rah any andro any volana hifanambady izy roa haratra eo ny fonao.
Rah vady manko azonao leferina ary tokony efa hahay miomana mialoha ny fo kelinao ho etsy anjarako ity.
Fa rah hoe sipany le izy fantatro fa misy fanantenana mihiratra kely angamba any aminao oe mety hisaraka izy roa, ka eo le teneniko hoe mialà dieny mbola tsy maratra sao de tsy enao no iantefan'ny safidiny:cry:
Zany akory tsy midika oe tsy tia anao izy fa efa nisy olona fotsiny nosafidiana hiara-dalana aminy.
Courage !!
15. reve ( 08/11/2007 14:04)
bioubiou a! ny fitiavana tsy voafetra fa saingy zao na de marina aza hoe efa manana olontina izy talohanao de jereo ihany hoe misy fitiavana anao ve aloha izy sa te hanala azy fotsiny de enoa ihany no afaka mamaly hoe misy ny espoir na tsia!:* de aza kivy fa ny fitiavana nge tsy mifidy izay hiantsapazany e!
16. bioubiou ( 08/11/2007 14:25)
:cry:
misôtra bdb am fanohanana na ny avia na ny havanana (freestyle!lol)
manahy mafy ny tenineo à ry koffman!zany no tena nofy ratsiko indrindra hoe mbola harary otrizao ve za refa ho tonga ilay andro iray ahafantarako hoe hanambady izy?
17. sitlo ( 08/11/2007 14:36)
Ianao nge misy itovizana amin'ny voangaly eh. Maty an-kazo tokana. Tsy mahita hafa tsy ny loko manga.
Nefa be dia be ny loko: mena, maitso, voloparasy, mena, manga be, fotsy, voloparasy ...
Andefaso sariny ange hikiakianana azy fa tsy tianao iny ny farany eh.
18. koffman ( 09/11/2007 12:25)
ka izay ne ho ah e,ampandefero kely aloha ny fitiavanao azy de manapaha hevitra, aleo ne enao no miala mialoha toa izay izy npo hilaza aminao hoe "ndao @ zay hisaraka".
19. ari.malala ( 09/11/2007 12:58)
miombon-kevitra am koffman, sady raha i bioubiou no miala alou ts perdante mints ndry! d na henondry aza fa hanambady izy any aoriana any ts marary fo tsony mints ndry satria nahay niala am-pahendrena! miala aky no fahendrena a! jereo le temoignage n'i xxx ao ambony ao, zany no tena fahendrena hoe mahay miala, fa nenazy efa voadona iany alou e,
20. bioubiou ( 09/11/2007 13:50)
miala nge miala fa marary foana na d zany aza e!
"le temps guérit tout" hono,enga anie mba tsy ho ela be!:cry:
misy baguette magique nga any d tonga d tsy marary tsony ny fo d tonga d tsy te ahita azy tsony ny maso?
tsy koi!
fiainana daholo foana zany e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.052