io fitiavanaio Lola

1. malta ( 03/11/2007 16:16)
mba mangataka an'iotonkira io za ra azoatao
novalian'i sarobidy ny 05/11/2007 08:40
2. sarobidy ( 05/11/2007 08:40)
ito ve zany ry malta :oops:

N'iza n'iza



ref :N'iza (2) izy olon'ambony
n'iza (2) olona mana-mbola
fa malemy hatrany be dia be ireo mitomany
fa mbola ampijalin'io fitiavana io


Tsy hay ferina raha io fitiavana io
na tsy hisoka-bava aza
na koa hisaron-tava
ny fihetsika ihany dia manambara

Ny zava-misy toa mifanohitra
fa ny tsiky indray nandositra
toa tsy mihery toa mangovitra
ny any anaty tsy miovitra

Tsy voafetra ny herin'ny fitivana
tsy vitsy ny mifankatia nefa mpihavana
tsy hay nanarina lalim-paka
loatra angamba sa adalana

Na aizim-pito na alaviran-tany
tsy rarahina fa mamikiviky hatrany
lavitry ny fitaintainana
matoky ny fisainana



na jereo ko nge eto e http://serasera.org/tononkira/index.php?rub=tononkira/hira&id=2477
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0843