mila vonjy i joellas

1. dadane ( 02/11/2007 15:31)
i joellas dia zaza 9 taona marary voan'ny hydrosifalie nandritra ny 5 taona izay efa natao opération in-3 izay nasiana valve gauche sy droite herin'andro lasa izay tsy nahatsiaro tena izy fa 2 andro teo izay efa mamihana tanana izy sady mihome fa tsy mihiratra ny masony mila vonjy ny maman y ka miandry ny hevitra avy aminareo sao mbola mety ho vonjena mbola any amin'ny hopitaly izy amin'izao sao mba misy mahafantatra org mandray ny cas toy izao.izay fa dia misaotra betsaka anareo amin'ny fandraisana ady hevitra sy fanampiana azy misaotra
novalian'i RyAnona ny 12/11/2007 13:14
2. xxx ( 02/11/2007 18:54)
misy namana zay tena mafantatra tsara we inona no tokony atao @ io satry efa nanampy olona tahaka io izy!saingy tsy miditra eto rsony izy zao!enganié ka hitany ito!:(:{:^):snif::snif:
3. Tanora ( 02/11/2007 20:01)
hydrocéphalie kosa angaha fa diso tsipelina!nanomboka oviana no ne ngeza ny lohan'io zaza io?inonadaolo no mitranga ?
4. pika ( 03/11/2007 05:22)
tsy dia manana torohevitra aho fa ny mivavaka ho azy no azoko atao
dia mirary soa
mahereza mitsabo fa aza kivy
5. koffman ( 05/11/2007 12:41)
mivavaka ho azy e!
6. sarobidy ( 05/11/2007 15:13)
:( fa aiza le hoptaly?
7. ari.malala ( 06/11/2007 14:02)
mirary soa be dia be indrindra, dia mivavaka hoazy! mahereza!
8. dadane ( 06/11/2007 15:24)
misaotra amin'ny famaliana ny antso io zaza io dia ao amin'ny hjra efa 5 taona izay notratra io aretina io izy nilaza ny dokotera anio fa mitadiava hevitra ny aminy fa tsy misy azo atao ny aminy eto ka dia izay ry reto ianareo ireo izay any andafin-drika indrindra mba hitadiavo hevitra ry reto fa tokony asorina io zavatra mivonto ao amin'ny lohany io dia nanome dossier izy hikarohana hevitra hafa tsy ireny be loha be ireny izy fa nisy nivonto ny lohany ary io no miteraka tsiranoka tao ka dia nifanintona izy ary izay natao operation izy izay reto fa dia misaotra betsaka anareo mikarakara azy
9. sarobidy ( 07/11/2007 12:32)
:( :( mapalaelo be nefa za tsy vary ray venty
10. dadane ( 07/11/2007 15:29)
(ny momba any joellas sy ny fasalamany dia io fivotosana io dia tsy sahy nodidiany dokotera fa ny azony ataony fotsiny dia ny nanao ny valve hivoahany rano ka dia nosoloiny in 3 izy satria mihalava )ijoellas eo amin'ny fara hatony no misy io fivotosana io ny taona voalohany dia nalemy tao an-trano i joellas nandritra ny heritaona ary ny taona voalohany tsy mbola fantatra fa mivonto ny lohany nitaraina marary andoha foana izy ka dia nanao scan dia hita tamin'izay fa misy rano ny lohany ary natao ny opération voalohany nametrahana ny valve gauche droite nandeha foana izy na dia teo aza ny crise indraindray izay mifanintona be izy ka amin'izao fotoana izao dia hitadiavana solution satria atahorana ny fasalamany raha tsy atao ny opération analana io kista io izay tsy misy hevitra ny anovan 'azy ka izay ary ny ambangovangony fa dia maneho fisaorana anareo mitondra vavaka ho azy misaotra
11. rush ( 07/11/2007 15:37)
kyste zany le mivonto,hoy ny dokotera,iza no nijery azy?Pr Clement ve?azavao bebe kokoa ny valin'ny examens rehetra natao taminy azafady!
12. dadane ( 09/11/2007 03:08)
eny tompoko kiste ilay izy Dr Gabriel no mikarakara azy efa maro koa ireo dokotera nanao io opération io dia tsy aiko intsony izany no tena mpikarakara azy ny soratra ato anaty ny bulletin de sante dia tumeur ilay izy ary début de la maladie au mois de juillet 2004 par apparition d'un syndrome d'hypertantion extra cranienne ary hydrocéphalie verticalaire volumineuse secondaire à la présence d'une tumeur de la poste exterieure io ny resumé scanner ny resumé ny bulletin de sante nomeny dokotera hitadiavanay izao evacuation etsy sy eroa izao izay angamba aloha no azo ho lazaina anao fa hiezaka hanao dossier mazava tsara
13. niryna ( 09/11/2007 21:54)
Mampalahelo tokoa izany fa dia mivavaka ho azy aho.

Tompo o ,mivavaka ho an'i Joellas izahay namana rehetra.Apetrakay eo am-pelan-tananao ny fiainany iray manontolo sy ireo fianakaviany.Hafao ny aretina mahazo azy,ary izay mahasoa azy no enga anie mba ho tanteraka.Amin'ny Kristy Tompo no anaovanay izany vavaka izany. Amena.


(l)niryna
14. RyAnona ( 12/11/2007 13:14)
Amen
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.405