vavaka mihambahamba

1. milay3 ( 02/11/2007 14:59)
:(:roll:
novalian'i sarobidy ny 03/11/2007 05:45
2. sarobidy ( 03/11/2007 05:45)
VAVAKA MIHAMBAHAMBA

Vavaka mihambahamba ny sasany
Tsy mba tsaroany ny andro alahady
Miasa tany, mibalady, mandray angady
Ka izany ve no mivavaka?

Tsy izany velively arô mivavaka
Vakio Soratra Masina ô
Tsy misy arô m ahita tavan’I Jesosy Tompo
Raha tsy @ finoana

Vavaka mihambahamba ny sasany
Tsy sitraky ny fony mandeha leglisy
Miaraka @ namany no tena anton-diany
Ka izany ve no mivavaka?

Vavaka mihambahamba ny sasany
Mamonjy fivoriana sy fandalinana
Mijery tovolahy sy tovovavy mipozipozy
Kristianina ve no anarany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0629