Fiadanana feno no omen'i Jeso izao

1. lembelo ( 01/11/2007 22:15)
Faly miarahaba.
Mba mangataka ny tonon'io hira io aho raha misy manana. Raha tsy diso aho dia fihirana advantiste izy io.
Misaotra mialoha
répondu par tsiafoi1 le 02/11/2007 13:13
2. sarobidy ( 02/11/2007 10:30)
Ny mpino ao @ adventiste zao no avy d mahay an'io
3. tsiafoi1 ( 02/11/2007 13:13)
Tonony voalohany :

1° Fiadanana feno
no omen'i Jeso 'zao.
Loharano 'zay tsy mba ho ritra
Fa voavela avokoa,
Voasasa tokoa,
Ny ota maro 'zay efa natao
Réf Fiadanana tsy ho lany
Raisina amin'ny rany,
Ho antsika rehetra,
Fa tsy misy fetra,
Dieny ety sy rahatrizay
Rahatrizay...

andininy 1 ihany no tadidiko fa raha misy mahatadidy ny namana de aleo tohizany indray
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0449