manamasina sa miaro

1. fijo ( 01/11/2007 21:24)
ny finoana sasany dia aleony manamasina izay matin'ny sida toa izay mamporisika ny tanora hiaro ny tenany.
asa raha mbolamahatsiaro tena ho eto an tany izany na efa mihevitena fa any an danitra
novalian'i fijo ny 15/11/2007 23:54
2. Fody ( 01/11/2007 21:33)
Samy manana ny fomba entiny miaro ny tenany ny rehetra. Ny fifehezan-tena no tsara indrindra. Aza adino fa tsy maharo 100 isan-jato amin'ny aretina sida ny kapoty. Io dia tsy izaho no niteny azy fa ny mpitsabo mihitsy.
Ny fifehezan-tena anefa dia tena maharo 100 isan-jato amin'io aretina io.

Ny fampiasana kapoty koa dia marky ny tsy fandraisana andraikitra amin'ny zavatra ataon'ny tena fa aza adino. Manabe ny olona tsy mba hahay hifehy tena izy, fa ho entin'ny fitiavana sex fotsiny.

3. pissoa ( 01/11/2007 21:35)
:-D:-D:-D

Mifandray amin'ilay resaka kapaoty indray angamba ity resaka ity raha azoko tsara.

Raha ny fiangonana Katolika manokana dia tena mandrisika, mananatra - ary tena masiaka mihitsy aza aminay tanora mba hiarovanay ny tenanay. Heveriko fa isan'ny tena masiaka ny fiangonana Katolika amin'ny resaka "vatana" sy "firaisana ara-nofo". Ka raha mahita fomba hiadiana amin'ny SIDA mandaitra noho ny tsy fil#$%^&@na amin'izay te hi#$%^&@ rehetra i Fijo dia ento fa hodinihina. :wink:

Ny Kapaoty aloha dia tsy maharo 100% izany fa aza manofy e :-D Ankoatra ny precision tsy ampy amin'ny siansa ... dia taty aminay ohatra izao feno taratasy mihantona ny rindrina hoe raha toy izao ny laharana amin'ilay kapaoty dia avereno fa mbola tsy nahazo alalana hiparitaka ireny dia efa nisy nanaparitaka. :-D:-D:-D
4. fijo ( 01/11/2007 21:36)
maharo 100% ny fifehezan tena??????na tsy manao firaisana aza hianao ka voatsindron'ny fanjaitra nisy sida dia voa foana,ka aza miteny hoe 100%

aza adino koa fa eto an tany dia misy ny firaisana.sa hianareo hanambady 15 taona??mba tsy hovoasariky ny sipa kely?
5. Fody ( 01/11/2007 21:41)
Lany bala ve rafijo ò!
6. pissoa ( 01/11/2007 21:42)
:-D:-D:-D:-D:-D
7. fijo ( 01/11/2007 21:44)
ady hevitra misokatra io ry fody fa aza handosirana an.
8. Rasiligaoma ( 01/11/2007 21:46)
inona aloha ny attao hoe "miaro tena ra fijo? mampiasa kapoty?

ka impary ao anatin'ny zito letsy no ahitan'ialahy fanjaitra misy sida,
nohon'ny oe fivaviana sy filahian'olona voany sy kapaoty rovitra?
9. Fody ( 01/11/2007 21:49)

Fa angaha ny dispensaire katolika tsy mba mampiasa fanjaitra à jetter (na mahandro fanjaitra) rafijo?
10. fijo ( 01/11/2007 21:50)
za tsy hanoa stat fa tsy ekeko fotsiny le ho 100%,
fa aminero ve tsy fiarovntena le fampiasana an'io ary?????sa adala ny fanjakana mamporisika an'io?
11. fijo ( 01/11/2007 22:08)
ary ny tanora katolika ve izany tsy manao kapoty??????aza milaza eto hoe tsy manao ny tanora katolika fa mitandritena an.
12. pissoa ( 01/11/2007 22:17)
:-D:-D:-D

Toy ny didy rehetra nomen'Andriamanitra ihany io. Natao ny zavatra toy ireny hiarovana ny olona (fa tsy ny tanora ihany) na ara-batana na ara-panahy. Anjaran'ny tsirairay ny miaro ny tenany na tsia. Anjaran'ny tsirairay ny miaro fotsiny ny "nofony" na miaro ny fanahiny koa. Ary anjaran'ny tsirairay ny mifidy ny fiarovana tiany, na ilay miaro kely na ilay miaro be.
13. Fody ( 01/11/2007 22:19)

Izaho katolika ary tsy mbola nampiasa kapoty izany mihitsy! Amiko izany dia tsy mampiasa kapoty ny tanora katolika, satria aho tsy mampiasa ary ny Fiangonana misy ahy koa tsy d'accord amin'ny fampiasana an'io. Mazava ny hevitry ny Fiangonana momba an'io, ary momba an'izay aho.

HS: misy mampiasa angamba ampanirina volo!
14. fijo ( 01/11/2007 22:24)
fody manokana izany tsy mampiasa,fa i fody ve mahasolo ny tanora katolika rehetra????
15. fijo ( 01/11/2007 22:29)
i fody izany izao raha maty dia azo atao hoe maty tsy ampy fiainana,satria misy zavatra tsy mbola nandramana.
16. Fody ( 01/11/2007 22:32)

Eny mahasolo ny tanora katolika rehetra. Ohatra raha asaina miteny amin'ny anaran'ny tanora katolika aho dia afaka manao izany, ary izay ambarako eo dia hevitry ny tanora katolika no andraisan'ny olona rehetra an'azy. Raha soratana any anaty gazety moa izay nolazaiko dia ambara fa araka ny hevitry ny tanora katolika.
17. pissoa ( 01/11/2007 22:33)
I Fijo ka izany izao raha maty dia tena maty tsy ampy fiainana ... satria
- tsy mba nanao maopera !
- tsy mba niaina an'izany hoe "izaho hifehy tena"
- sns

=))=))=))
18. fijo ( 01/11/2007 22:39)
de nefa ry fody maro ny tanora katolika no mampiasa an'io.ohatra fotsiny eto frantsa.tsy hilaza ny any mada aho.70%ny tanora eto frantsa ngamb dia katolika,ary ny tanora eto dia mapiasa daholo,ka tena mahasolo an'ireo ve ise sa misandoka ho mpisolo tena an'ireo.

pisoa an,ny mopera anie tsymaro no manao an'io e.eto frantsa aza izao efa manao pub be hisariana tanora fa tsy be mpanaraka intsony le izy,ka raha izay tsy maha perta
19. Fody ( 01/11/2007 22:44)

i fody izany izao raha maty dia azo atao hoe maty tsy ampy fiainana,satria misy zavatra tsy mbola nandramana.


I fijo moa izany rehefa mikaly dia fonosona selefana na plastika ny lelany?
20. fijo ( 01/11/2007 22:48)
eto tsy mikaly fa manao firaisana.sa kaly koa io amin'ny katolika???:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3215