halloween

1. Kwasi ( 30/10/2007 15:47)
Fa inona no tena dikan'ity Halloween e?
Taona vitsivitsy izay no nanombohana nitaritan'ny sasany azy io hankalazaina eto amintsika. Toa hetsika azahoam-bola fotsiny nefa no misy fa tsy toy ny any @ tena tompony araka izay hita @ film ireny.

Raha izaho aloha hatr@zao dia tsy hitako izay ilana azy e.
novalian'i Kwasi ny 02/11/2007 14:54
2. sipagasy ( 30/10/2007 16:28)
ato ianao mahita fanazavana kokoa e!

http://www.buteau.qc.ca/halloween1.htm
http://www.lescale.net/halloween/a000fr.html

ankoatran'ny maha fety markeling azy aloha @ izao fotoana, tsy ferana izay e! hhihi
3. ikaretsaka ( 30/10/2007 18:13)
arakaraky ny fijery io :
tsisy hafa amin'ny Famadihana gasy ihany e..
misy resaka ara kolontsaina ilay izy, no misy resaka ara bola...
de izay domaine de definition anao
4. sipagasy ( 30/10/2007 18:28)
hhh ika marina tokoa izany!
5. soanja ( 31/10/2007 02:53)
Kwasi:

Fa inona no tena dikan'ity Halloween e?
Taona vitsivitsy izay no nanombohana nitaritan'ny sasany azy io hankalazaina eto amintsika. Toa hetsika azahoam-bola fotsiny nefa no misy fa tsy toy ny any @ tena tompony araka izay hita @ film ireny.

Raha izaho aloha hatr@zao dia tsy hitako izay ilana azy e.


Ny Halloween moa zany aty aminay dia fetin'ankizy. Mampifaly ankizy ny rehetra. Isankarazany ny fankalazana azy anefa dia miankina amin'izay no ahafahana miteny hoe natao hakana/handaniana volan'olona le izy na hoe hanomezana fahafinaretana/hafalina ny zaza. Fa raha toa ka manjaitra akanjo kely mitarehy saka ho an'ny zanakao ianao ohatra ary mamangy ny pampkin patch na alam-boatavo, nanao trick or treating niaraka aminy dia hino aho fa afapo ny zanakao. Ny fahafahampon-jaza anefa rey olona dia tsy voavidim-bola (priceless) tokoa fa hafaliana ifampizarana ampitiavana = fahasambarana.

Ny olondehibe afaka manao fety manokana ho azy koa saingy tsy idirako lalina iny satria zah tsy isany.
Ny tele moa zany tsy mandaitra ato aminay noho izany dia tsy misy film horera ho hita.

HAPPY HALLOWEEN ABY O! AZA ATAO BE LOATRA IO MOFOTAPO-TSATROKA VOATAVO IO!

6. baraingo ( 31/10/2007 09:29)
raha mba fantatrareo moa fa ny andramalagasy ze any ivelany iahany no tompoina fa ny any tena na mankalaza azy aza tô mamenatra, normal raha tsy hivôtra mitsy ity firenentsika ity. mba ovay @zay ny fanao fa tsy de sasatra manenjikny any ivelany any fôna e!!!. faly ery mankalaza ny halloween nefa raha atao hoe mpamosavy teztra ery
7. Kwasi ( 31/10/2007 11:17)
Mazava aloha izany fa ho an\'ny tena tompony dia natao hifalifalian\'ny fianakams indrindra fa ny ankizy ilay izy, ankoatry ny efa maha koltora latsapaka azy any @ ndry zareo.

Fa ny nahatonga ahy niresaka an\'io manko dia nahita pub aho @ hetsika anio sy @ 2 novambra, izay tena tsy misy hifandraisany mihitsy @ ilay tena halloween afa-tsy izay mety ho masques hamidy eny an-toerana angaha.

Ka raha hibizna aho izany dia mety ho mety amiko ihany.

Fa raha ilay ara-kolotsaina kosa dia tsy hitako izay ilana azy aty.
8. soanja ( 31/10/2007 16:04)
Kwasi> Marina ihany saingy,

Raha manabe zaza aty an-dafy ianao na aty aminay no resahiko fa tsy fantatro izay ankafa any dia ahita fa ny sense na community dia tena zava-dehibe tokoa.
Io zavatra tsara indrindra tokony voizina ao anatin'ny sain-jaza iray hoe miara-miaina, miara-mifaly ary miarak'ory noho izany miara-mandray andraikitra. Tsy mifanalavitra amin'ny an'ny gasy ihany.

Sarotra be raha manan-janaka ianao dia hilaza aminy fa tsy hanao halloween isika nefa ny zaza rehetra mifaly havanja amin'zany sy sahirana mikarkara izany. Ny tranonao rery no tsy hotsindriana hiteny hoe trick or treat. Ny fahafahany miara-mankalaza izany fety izany amin'ny namany no zavadehibe aminy ka na gasy izy na japs na mexicanina na ry zareo tompntany dia samy eo aby miaraka manamafy ny fiarahamonina.

Izany rehetra zany anefa dia atao ao anatin'ny control tanteraka ny zavatra sesefanao ny zanakao. Zany hoe na hifaly izy dia tsy midika hoe avelako hanarampo hijery film horera ny zanako na hoe hampinariko azy ny ftotry ny halloween na hoe hividy hividy sns... ny fitaizana ihany no base hoe ' freedom within limit'

Refa lehibe kosa ny zaza dia afaka misafidy izy na hankalaza na tsia.
9. Kwasi ( 31/10/2007 17:48)
soanja> Ekeko marindrano ange io lazainao io e, - any aminareo.
Fa ny lazaiko dia ity ao Antananarivo ity. Tsy hoatr'io lazainao io mihitsy ny esprit n'ilay izy.

Ary marina tokoa io hoe mety hangasihasy ny ankizy raha tsy mankalaza hoatry ny namany.
Ary io resaka ankizy io mihitsy koa no olana @ ray amandreny manan-janaka mianatra @ ecoles privees ao an-drenivohitra ao @ ity resaka mardi gras sns ity, ny ecolage sy ny kojakoja efa lafo, nefa mbola teren'ny sekoly hanao depenses ihany koa @ izay fety eo. Tsy maintsy manao ianao fa ny zanakao ve avelanao hipitrapitra fotsiny eo? Somary HS kely.
10. soanja ( 31/10/2007 19:57)
Fa inona koa tokoa re no idiran'i Madagasikara amin'izany e. Tena variana be zah. Mankalaza koa ve ny any?
Ny famadihana hoe no ataovy tsara laza.
Raha izay de manaiky ny hevitrao aho ry Kwasi.
11. Kwasi ( 02/11/2007 14:54)
soanja> ao tana ange io lazaiko io e. Ie misy mankalaza fa araka ilay lazaiko anao hoe manifestation bizna fotsiny e. Defile de mode, sy mpanakanto ampiakarina an-tsehatra sy ny hoatrohatr'izany ve de inn. De manaonao masque kely eo fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5722