ny alika sy ny lalana malagasy, voaaro ve ny tompony?

1. kofbay ( 29/10/2007 21:02)
toy izao no olanay, ka mety misy mpahay lalana ve afaka mamaly! dia hisaorana betsaka indrindra. vao nifindra trano izahay,eto Tana io, avo be eo h eo amin'ny 2m50 eo ny tamboho, ary mihidy foana ny vavahady, ary izahay irery no mipetraka ao. manana alika 3 izahay, ka rehefa atoandro dia mandendeha eo an-tokotany ry zareo, fa rehefa amin'ny alina kosa dia mihidy ato an-trano! tsy mivovo ireo amin'ny alina fa matory, raha tsy hoe misy zavatra hafahafa angaha ivelan'ny trano. misy alikan'olona tafiditra anefa ao antokotany, izay tsy fantatray mihintsy hoe t@ fomba ahoana, ny ampitson'iny indray dia lasa misy akohon'olona, ary akohokely izay tsy hay koa hoe ahoana no nidirany tao! avy hatrany ny alikanay dia mi attaque, Amstaff, dogue allemand ary alika gasy vaventy be no anay! raha misy fahafatesanan'ireo bibin'olona ireo ve dia tkony hanolo izahay? raha matetika loatra ilay izy dia mety hopozin'ny olona ny alikanay, satria betsaka no tsy tia. araka ny lalana inona no fiarovantena azonay atao raha izay no mitranga? na torin'olna izahay na vovoin'ny olona ny alikanay. marihiko fa dresses ary tsy mirenireny ivelan'ny tamboho ireo alika ireo, ary raha mivoaka ny vavahady aza dia miaraka aminay foana sady asiana laisse.
novalian'i kofbay ny 10/12/2007 18:06
2. tsaramaso ( 30/10/2007 09:10)
hahahahhaha !!!!!! http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m472583f0b5429

Voasasa atidoha ndray ny kofbay nanaovan'ny vazaha azy le !!!!!! Rehefa manao lalànan'alika ny vazaha de takian'la lalànan'alika koa ny gasy !!!!!!! tsssssssssss !!!!! Aza mba vendrana ry lety e !!!!!!!
3. kofbay ( 30/10/2007 20:31)
tena tiakoi lay reaction'ialahy ry tsaramaso! satria ilay hoe voasasa atidohan'ny vazaha mihintsy no tena tiako atongavana , ary avy hatrany dia kobon'ialahy! satria eto amin'ny tanana izao dia misy olona avy hatrany dia mangataka ny hisian'ny lalana momban'ny alika atao hoe mampididoza, satria io no malaza any an-dafy! ka mba tsy najakanjakan'ny olona tahakan'ireny no hangatahako fanampiana momban'ny hoe mba voaharo ve ny mpanana alika eto madagasikara, sa dia rehefa resaka tsy hinanakanina aloha dia atao faran'ny lisitra foana!
Marihiko aloha fa voalazan'ny lalana gasy ny momban'ny fanana biby fiompy izay mizara karazany roa dia ny hoe biby fiompy mampidibola toy ny akoho amam-borona sy ny omby aman'ondry ary ny osy, sy ny biby fiompy mitovy amin'ny hoe fanana manokana toy ny saka, alika, voromailala, boloky sns, fa saingy ny fampiharana azy no tena ilaiko fanampiana mba tsy anaovan'ny polisy sy ny olon'ny lalana azy ho ambanin'javatra!
4. kofbay ( 30/10/2007 20:55)
Ary aza tonga dia manapepo letsy ry tsaramaso hoe aza mba vendrana, fa mba vakio aloha ny lalana hoe misy an'izany ve sa tsia, sao dia ialahy indray no kobon'ny olona hoe vendrana! eritrereto fotsiny hoe raha ialahy zao no rombasan'ny alikako ka potika sy maty,(amstaff sy dogue allemand) aty Madagasikara io, dia hoy ve ny fianakavian'ialahy hoe " ty hita moa izy ity fa tsy misy an'izany lalana izany eto Madagasikara, ka dia aleo alevina amin'izao raTsaramaso fa io ve tsy... haniry eo ihany?

fehiny:tsy olona ohatran'ialahy no tadiaviko eto, fa ireo olona mpahay lalana sy ireo tia alika ka mahatsapa ilay olana, ahafahanay miaro tena sy mandray andraikitra ho fiarovana ny olona tahaka an'ialahy!

Aza raisina ratsy ireo koziko ireo fa mba hisainana, lazao eto izay hevitr'ialahy ra Tsaramaso momban'ny alika fa tena sur aho fa ilainay tia alika mihintsy, mba ahafahanay manazava amin'ireo tsy kopy rehetra hoe inona moa n atao hoe tontolon'ny alika! Ialahy izany izao no solontenan'ireo mpankahala alika eto madagasikara ka mandrovita tsihy, anitsianay izay tsy mety!
5. fijo ( 06/11/2007 22:17)
raha any mada aloha dia tsy arako izay fandehany.ny lalana aloha dia manome andraikitra ny tompon'ny biby nahavita ny zavatra.
fa amiko,raha voakaikitra ao antokotany nareo ny alikan'olona,dia tsy misy azony atao anareo,satria ny alikany no tokony ataony izay tsy handehandehanany any.
6. keyoann ( 10/11/2007 23:02)
tsy misy fahadisoan ny tompon ny alika mihintsy izany satria ny alikany tsy mivoaka fa eo amin ny faritra misy azy ka tsy afaka manao na inona na inona @ tompon alika ny ety ivelany satria adalan izay ety ivelany no t hiditra.
Ary misy mihintsy ny lalana momba an izany fa tsy lalana natao ho an ny alika le izy fa lalana mihatra ho an ny olona.
Afaka toriana koa ny olona manampoizina ny alikanareo satria marihana eto fa ny chien d race d lafo vidy ka toy ny olona manimba fananana ihany zay manampoizina azy ireny.
P.S:ry tsaramaso a! ataovy mba malalaka ihany le fisainana fa aza d borné loatra e!
7. ds ( 11/11/2007 22:22)
Tandremo ihany fa raha manaikitra olona ny alika, dia tompon'andraikitra ny tompony. Na dia eo antokotaniny aza. Na dia mpangalatra aza no voakaitra :-(
Tsy mba manana fiarovan-tena ara-drariny (légitime défense) ny alika :-)
8. keyoann ( 11/11/2007 23:39)
ds:

Tandremo ihany fa raha manaikitra olona ny alika, dia tompon'andraikitra ny tompony. Na dia eo antokotaniny aza. Na dia mpangalatra aza no voakaitra :-(
Tsy mba manana fiarovan-tena ara-drariny (légitime défense) ny alika :-)


an an raha ohatra kosa mpangalatra d misy legitime defense iany e:-/:-/
9. kofbay ( 04/12/2007 19:58)
tena tsara ho fantatra ihany aloha hoe hatraiza marina ny fetran'ilay hoe legitime defense @ zay cas nolazain'i ds izay, satria raha efa misy soratra hoe tandremo fa alika masiaka, sady mihidy be ny vavahady ary avo ny tamboho,no misy sonnerie, interphone moa ny ahy ka fantatro mialoha hoe iza sy firy ary inona avy no hiditra ato amiko (olona, zazakely, antitra, olona mitondra ny bibiny)akoatr'izay mbola mihidy miaraka amiko ato an-trano ny alika @ alina! ka raha mbola tafiditra hanafika ahy @ zany ve ilay olona ohatra dia mbola mipetraka ihany ny responsabilite-ko? hafa indray mantsy raha mirenireny sy tsy mifefy ny tanana, ka na olona hangalatra aza mety afaka miteny hoe nenjehin'ireo aho dia tafiditra tay an-tokotaninao!
tao anatin'ny tapabolana mantsy dia gaga aho fa 4 izay ny alika tafiditra tato ka ny 2 matin'ilay amstaff, ny 1 torana, ny iray lasa poa-maso, ka tena tratrako teo ampanipazana ny alikabeny tao antokotaniko mihintsy ilay rangaha (mpiray tanana io!) i lery moa menatra be satria tsy afa nitsoaka, ny alikany nojereko fotsiny ka nony efa tsy nitsangana tsony dia nobataiko dia nomeko an'i lery sady nataoko hoe aza mba tia herisetra ohatran'io moa fa efa olon-dehibe e! dia nomeko 1000 fmg i lery no nataoko hoe mandehana mijery video, jet li, steven seagal, commando sns fa any feno herisetra sady mahita film 2 toi @ iny! i lery moa efa menatra be ka tsy hitany mihintsy izay natao ka na ilay vola aza noraisiny tsizazoka! ny nahatsara azy, lasa mifampiarahaba izay mitsamy, nefa taloha ohatran'ny hoe tsy mifanakantatra.
10. ds ( 05/12/2007 23:15)
Tsy mba ho any aminareo zah kle. Masiaka be tokoa izany kivà izany :-)
Rehefa mifandanja tsara ny hery vao mihatra ny fiarovan-tena ara-drariny. Raha ianao manana basy na alika masiaka kanefa ny ankilany tanam-polo, dia efa tsy mifandanja intsony izany ny hery. Raha matin'ny alikanao na notifirinao ilay mpangalatra na mpamono olona aza, dia tompon'andraikitra ianao. Teoria daholo anefa izany fa ny fitsarana no tompon'ny teny farany.
11. ikaretsaka ( 06/12/2007 00:06)
raha ao an-tokontany kosa ilay zavatra na olon-tsy fantatra sy tsy nomena alalana ho ao aminao no namboarin'i medor dia tsy hitako ny olana, fa raha any ivelan'ny taninao vao olana!
rehefa misy olona fantatra sy nahazo kosa mivahiny ao amin'ialahy d afatotra ny alika..

kiii amstaff kosa ve.. tsy mba Rott na mastiff le


12. kofbay ( 07/12/2007 18:22)
Koa raha manana fanotobe aho izany kanefa ilay mpangalatra tafiditra ao an-tranoko ve dia tonga dia atsipiko ilay fanotobe ohatran'ireny film kung fu sinoa ireny, dia hoy aho ve amin'ilay mpangalatra hoe aleo duel corps a corps fa sao matiko @ fanoto eo ingahy vao higadra eo aho! Izay ve no tokony ataoko ohatra?

,Ikaretsaka>Ny amstaff na Pitbull dia tsy agressif amin'ny olona, fa amin'ny biby ihany, tsy dia mi-attaque olona loatra ireny raha tsy mahazo baiko na endriky ny famporisihina na sendra mahita fihetsika hafahafa heveriny fa ho loza manamaba! sady efa manana fahaiza-miady efa voajanahary, ny rott sy ny Bull mastiff (io angamba no tianao tenenina? betsaka mantsy no atao hoe mastiff; Matin de Naples, Dogue allemand, Boerboel sns..)kosa dia somary protecteur kokoa, ka tsy dia manana fahaiza-miady voajanahary saingy manana hery ampy hiarovany tena sy ny tompony! Mahafaty olona kokoa nohon'ny amstaff/Pitbull izy saingy mora mamotsotra prise, ka izay tratrany dia rotidrodika vao afaka. Ny amstaff/Pitbull kosa dia manana prise tena mafy ary mety aharitra sady mitombo hery mandritra ny 10mn eo ho eo, ary izay no mahatonga azy maharesy alikabe, na hahafaty olona eo no eo raha ratsy fipetraka ny kaikitra. Ny maman'ilay amsatff-ko izao efa nahafaty rott be 1(2ans) sy boerboel(4ans) iray! tena boka mihintsy ilay bandy satria 15 millions no nalohany t@ ilay rott ary 8 tamin'ilay boerboel, fantaro fa ny amstaff/PitBull dia omby masiaka no fampiadiana taminy taloha ary avy amin'izay ilay anarana hoe Pit (arene) bull (taureaux).
13. ikaretsaka ( 10/12/2007 02:24)
bull mastiff mihitsy no tiako lazaina.
ny ahy ange tsy ilaiko @ dogfighting fa gardien mihitsy no ilavako azy ka.. resaka intimidation sy hoe azo ny mpangalatra sy efa vizana rehefa tonga aho.
ny ahy ny alika biby mpiandry fa tsy fampiady, ny akoho no fampiady:wink:
14. kofbay ( 10/12/2007 18:06)
Marina izany,raha resaka intimidation dia dia ireny no tena mety: Bull Mastiff, Matin de Naples, Boerboel, Dogue Allemand sns..
ny dogfighter matetika tsy dia mampatahotra ary mora angalarina mihintsy aza @ ry zareo ilay hoe tsy agressif @ olona raha tsy mahazo baiko. Info fotsiny ilay resaka amstaff/pitbull teo ambony fa izaho tsy pour @ fampiadiana biby, na akoho io na tanalahy indrindra moa fa hoe alika. Saingy tsy manakana ny alikako hanafika kosa za rehefa sendran'ny olona tahakan'ilay eo akaikinay hoe dia izy mihintsy no manipy ny alikany ao an-tokotaninay dia maka toerana mijery avy eo, nefa efa noteneniko moramora.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4393