Apokalypsa

1. soanja ( 28/10/2007 18:23)
Mahavariana rehefa mamaky ny Apocalypse fa betsaka ny zavatra tsy azo nefa tian'ilay Mpanoratra hampitaina tamin'izay nanoratany azy. Dia i John of Patmos moa izany no nanoratra azy.
Inona no fihevitrao momba an'io revelation io ary ahoana no fiantraikan'izany amintsika olombelona.
Zavatra efa vita io sa mbola ho avy?

Raha ny hevitro mantsy dia nosotan'i John io ho an'ny olona tamin'ny 1st century ary betsaka ny zavatra nifandraika tamin'izany satria izy nihevitra mihitsy fa ho avy TSY HO ELA ny farany.
Dia ny firodanan'ny finoanoam-poana sy ny fanompoana ireo amperora Romanina nifandimby teo. Izay tiany lazaina amin'ny Kristianina rehetra fa mijoroa lalandava amin'izay hinoana fa aza variana sy manamora fiainana hiaina ny fanompoana izay misy eo fa Andriamanitra dia hanjaka. Indrindra moa ny fisian'ilay isa 666 izay mifandraika amin'zay tokoa satria nisy tokoa ny fampijaliana ny Mpino tamin'izany ka ny amperora no mitarehy ilay Biby mampatahotra.

Ahoana ny hevitrao?
novalian'i fijo ny 31/10/2007 22:05
2. ikaretsaka ( 28/10/2007 19:05)
za manokana ry zoky soanja dia tsy asiako olana loatra io na omaly na t@ elabe na androany na rahampitso na raha afaka 1 segondra fa ny mivonona no atao an..
rehefa izao dia be it!
3. tynah ( 28/10/2007 19:09)
Ika : marina mintsy zany .:-*
4. xxx ( 28/10/2007 19:33)
Ra dinihina ry ikaretsaka sy tynah dia hoe hiomana amin'ny inona?? Fa ahoana?? Raha ny lojika aloha dia mametraka fa tantara entina milaza zavatra hafa io , mety natao hananatra ny olona fotsiny satria raha io tantara ohtran'ny science fiction io aloha tena tsy azo inoana mihitsy hoe hitranga na nitranga e. sady raha hoe io fotsiny no tena izy fa tsisy hevitra ambadika lalina dia lalina (matoa mbola tsy voadinika ihany hatram zao ) dia efa nisy olona nahavita boky tsara ary nalaza lavitra nohon'ny baiboly teto am ty tany ty. Sa ahoana oz nareo?
5. ikaretsaka ( 28/10/2007 19:46)
ka na fiction io na tsy fiction dia vonona koa..
ohatrany hoe hijery film horera dia efa mivonona, misy cyclone @ film na amin'ny fiainana andavanandro dia efa vonona
Izany no tiako teenina
6. niryna ( 29/10/2007 04:20)
xxx:

Ra dinihina ry ikaretsaka sy tynah dia hoe hiomana amin'ny inona?? Fa ahoana?? Raha ny lojika aloha dia mametraka fa tantara entina milaza zavatra hafa io , mety natao hananatra ny olona fotsiny satria raha io tantara ohtran'ny science fiction io aloha tena tsy azo inoana mihitsy hoe hitranga na nitranga e. sady raha hoe io fotsiny no tena izy fa tsisy hevitra ambadika lalina dia lalina (matoa mbola tsy voadinika ihany hatram zao ) dia efa nisy olona nahavita boky tsara ary nalaza lavitra nohon'ny baiboly teto am ty tany ty. Sa ahoana oz nareo?

Ny bokin'ny Apokalypsa no boky irery milaza ny fanambarana ao amin'ny Testamenta vaovao(the only book of prophecy in the NT).Ary io boky farany io dia manambara ny fanomezana fahasoavana ireo izay mamaky sy mihaino ny teny ao.Rehefa mamaky ny chapitre voalohany izay milaza ny fiangonana,ny fanazavany ny any an-danitra fotsiny anefa dia matetika toa kamo sy kivy ny olona.:lol::lol:
Io boky farany io koa anefa no tena mampiseho fa kristy dia manjaka ary mampiseho ihany koa fa Izy dia Mpamonjy.Izay mitantara ihany koa ny nanjakan'i Kristy tety an-tany ary ny fahefana izay ataon'ny satana.Ary ny fiafaran'ny satana satria ho avy i kristy,ary izany koa no antony iray mahatonga ny olona tsy tia mamaky an'io boky io.Mety tsy avelan'i satana =))(No wonder Satan doesn't want men to read it).
Ato amin'ity boky ity ihany koa no hilazana fa hanjaka farany satana ary dia tsy hanana hery intsony rehefa tonga i kristy.Ity boky ity izany dia milaza ny fanambarana an'i kristy fa tsy fanambarana an'i Jaona (Revelation of Jesus Christ not the revelation of John),ny fiverenan'i kristy.Ny famaranana ny tantara rehetra izay natomboka tany amin'ny Genesisy.
"Izaho no voalohany sady farany,Izaho no alfa sy omega."
Tamin'ny voalohany dia nisy ny masoandro sy ny volana izay voasoratra ao amin'ny Genesisy.Ato amin'ny Apo indray dia Kristy no jiro fanazavana ho an'ny rehetra sy any an-danitra.
Any amin'ny Gen milaza ny zaridainan'ny Edena,ato amin'ny Apo indray milaza ny tanana masina na Jeresalema vaovao.
Any amin'ny Gen miresaka ny fampankaram-bady sy ny olona voalohany Adama.Ato indray miresaka ny fampankarambady (JK).
Gen miresaka ny fahotana,ny fahoriana,fijaliana ary ato amin'ny Apo dia ny famotehana an'izany ka tsy hisy intsony ny fangirifiriana rehefa tonga i Kristy.
Mahereza hatrany:-*
Ho an'Atra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay,mandrakizay.
Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i J K T ary fiadanana an'Atra ,izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra,hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'ny K.J ^:^^:^(l)(l)
7. soanja ( 29/10/2007 04:24)
ikaretsaka:

ka na fiction io na tsy fiction dia vonona koa..
ohatrany hoe hijery film horera dia efa mivonona, misy cyclone @ film na amin'ny fiainana andavanandro dia efa vonona
Izany no tiako teenina


namaste ranadahy!


8. soanja ( 29/10/2007 04:33)
ikaretsaka:

za manokana ry zoky soanja dia tsy asiako olana loatra io na omaly na t@ elabe na androany na rahampitso na raha afaka 1 segondra fa ny mivonona no atao an..
rehefa izao dia be it!



Zah ndray ry Ika dia karazan'olona ilay tsy manaiky mandray direkta ireny fa mila alaliniko aloha vao mandray zavatra asa nahoana.
Tiako ny mamaky zavatra toy io satria mampiasa ny saiko hoe ahoana zany ny ahoana. Ny tena mampihomehy ahy fotsiny de mitsangam-bolo be ny olona sasany refa mamaky azy fa ny ahy indray dia izy milaza zavatra tena niavaka tamin'ireo teo alohany no nanaitra ahy.
Ny mbola fanontaniana mipetraka de hoe i John the evangelist ve io nanoratra io sa John hafa mihitsy. Izy manko toa antsoina hoe John of Patmos.
De ahoana ny fisian'ireo mpitaingitsoavly 4, ilay biby manandoha fito sy ny 666 ary ny ady any Armagedona. Ohatra hijery film zany ny fahitako ny nataon'i St. John tao anaty fonjany fa tsy nanonofy.
Asa anefa fa dia ny zavatra nosoratany no isan'ny nahatonga ny fivavahana Kristianina ho nafonja indrindra ankoatran'ny asan' St. Paul.


9. niryna ( 29/10/2007 04:46)
Soanja a>Io misy fanazavana,jereo raha mety hanampy anao fa vao hitako teo io.
http://www.siscom.net/~direct/revelation/
10. soanja ( 29/10/2007 04:57)
Misaotra nizara ry Niryna fa ny tsy azondry dia ahoana moa no ahafahako milaza fa izay teneni'ilay rangahy mpampianatra nanao io website io no marina sy tena izy.
Izay no ilako ny fandalinana satria tsy tiako raha ny olona no manome hevitra ahy fa tiako ny Fanahy Masina no hanoro ahy ny teny nomen'Andriamanitra ahy.
Raha ny baiboly nomen-dry dia noraisiko fa raha mbola olon-kafa no manoro dia aleoko zah tompony mijery azy akaiky.
Ny tantara sy ny momba azy mantsy tokony efa eo ampelatanako hanampiako izany fianarako zany.
Ilaina ny fandalinana fa tsy tsara loatra ilay mandray vonona raha ny amiko lasa manjara Dogma le izy mantsy refa izay.
11. LazaDaddy ( 29/10/2007 05:41)
soanja:
Raha ny hevitro mantsy dia nosotan'i John io ho an'ny olona tamin'ny 1st century ary betsaka ny zavatra nifandraika tamin'izany satria izy nihevitra mihitsy fa ho avy TSY HO ELA ny farany.
Efa niverina tamim-boninahitra ve i Jesosy ary efa vaovao ity tany feno fahalovana ity araka ny hevitrao?

"Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra. Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin'ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra" 2 Petera 3:9-11
12. cazal ( 29/10/2007 12:00)
soanja: tsara ilaay lohaevitra fa mba hanampiako anareo dia sosokevitra no omeko:

mba hahazoana tsara ny zava misy dia vakinao Gen - Apok ny bible iray manotolo, ary mila mandray note tsara, ùny antony dia ahazoana ny fandehan ny tatara!

vitanao izay dia mamerina mamaky indray mandé no sady manomboka mandinika
mahita zavabaovao marobe zay tsy takatrao mihitsy ianao eo!

marihina fa ny apokalipsy dia boky faminaniana (livre prophetique) izay manambara ny zavatra ho avy izany! anjaranao no mijery izay efa tateraka sy tsy mbola tateraka !

ary ny baiboly ihany no mamaly ny fanotaniana ao anatiny! ohatra : inona no dikan ny ranomasina ? ao @ Apokalipsy ? manambara vahoaka izany! ao ihany no ahitanao ny valiny!
inona no ambaran ny tendrombohitra : fanjakana, fitondrana sns......

izany woé misy code daholo izany izy rehetra ireo ka rehefa vitanao mi decodé azy dé mazava be ary tena gaga ianao avy mahita zavatra tsy mbola hitanao na noeritreretinao akory !

vitsy anefa no mahavita manao izany satri izay ilaay voasoratra woé tery ny lanana makany @ fiainana ka vitsy mahita azy...
Ka mila fotoana be io hoan izay té hahita azy! fa izay té ho very dia tsy manampotona handinihina izany, ka malalaka ny lalana makany @ fahaverezana ka dia makany avojoa ny rehetra ohatra izao misy film @ télé dia aleon akamaroan olona mijery iny toy izany handinika ny baiboly !!!!!

ohatra fotsiny io omeko io fa tsy woé tsy maitsy io akory fa ny experience nataoko io, eo ampamakiana ny baiboly fan 7 manotolo aho izao ka mahita sady nahita zavatra marobe mihitsy aho!!!
13. simplex ( 29/10/2007 13:12)

2007/3=669

669-3=666

Mailhol

:@
14. simplex ( 29/10/2007 13:34)

669= 6 69
15. xxx ( 29/10/2007 15:06)
Ny bokin'ny apokalipsa ry soanja dia tsy mahazava azy irery nefa kosa izy dia mahafehy ny baiboly iraimanontolo , ka mila ianao izany mahalala , indrindra fa ilay atao hoe Jesosy , jereo ihany koa ny bokin'i Daniela fa zavatrz mitovy no lazainy ao ka ho an'ireo izay tsy dia mino ny voalazan'ny baiboly dia tsara izy raha mampitaha ireo boky roa ireo . De mba ny fanontaniako de hoe oviana no nomena an'i Daniela ny faminaniana ary aviana no nomena an'i Jaona io faminaniana io ihany fa faminaniana ny zavatra ho avy mantsy ireo boky roa ireo , mba mila mahay histoire kely koa mba ahalalana tsara de mahazotoa Jesosy anafosafo :lol:
16. Kwasi ( 29/10/2007 15:42)
soanja> Betsaka ny zavatra efa voasoratra momba an\'io boky io. Ary ny mpanoratra ireny fanazavana ireny dia samy tena tao anatin\'ny concentration tanteraka tokoa ka tsara raha mba mijerijery azy ireny ihany. Tsy voatery hino izay lazainy akory fa mba ho fanampiana @ fandinihana. Etsy andaniny koa ianao afaka manamarina hoe tena izay tokoa ve ilay izy sa tsia. Raha ny ahy aloha dia izay e!

Ilaina koa ny fahafantarana ny contexte niainan\'i Jaona t@ izany. Tena io karazana science fiction io marina ve no hitany sa hafa ka sarin-teny nampiasainy daholo ireny mba hanafenany ny tiany hambara. Toa henjana manko ny fanenjehana t@ izany ka mety natahorany ho voadoro avy hatrany koa ny zavatra nosoratany raha toa ka mivantana loatra.

Betsaka ny interpretations, ary raha dinihina (hevitro manokana ity) dia toa misy zava-miseho mirazotra @ izay voalaza ao isaky ny vanim-potoana ka mahatonga hieritreritra hoe efa niseho, nefa aty aoriana dia misy zava-miseho mitovitovy @ iny ihany. Misy ny karazana fahamarinana @ ankapobeny (verite generale na azo raisina koa hoe lois universelles). Fa ny mbola tsy tanteraka aloha dia ny fiverenan\'ilay Voahosotra Hanjaka mandrakizay.

Ka raha ny momba ny Farany indray, io efa voasoratra hoe \"Fa na ny Zanaka aza dia tsy mahalala\". Ka tsy tokony hisahiranan-tsaina araka ny hevitry ikaretsaka.
17. soanja ( 30/10/2007 00:07)
Misaotra antsika nandray anjara sady nanome torohevitra.
Raha nandray an'io tokoa aho dia satria izy no farany tao ary izy dia mahafehy ny tantara sy ny faminaniana rehetra tany aloha ary ny ho avy.
Noho izany dia mila fantatra tokoa hoe inona no voalaza any aloha mifameno aminy sy indrindra ny tantara efa nisy tamin'izany ohatra ny tao Israel, Roma sy Asia Minor sns.
Misy idiran'io ve ny resaka Chernobil sy ny global warming sns... Ny Amperora Nero ve no voalaza ao sa iza?
Dia miaramivavaka mba ahita izay mangirana momba an'io fa tsy misy afatsy ny Fanahy Masina ihany no afaka hitari-dalana ahita ny tena tiany resahina.
18. ikaretsaka ( 30/10/2007 00:13)
aza mivaky loha amin'ny zavatra tsy azo ry soanja an.. izany tsy midika hoe mandeha fotsiny anefa ha raha misy zavatra tsy azo an, ho'zy manko nanontany hoe "ka ianareo koa ve handeha? dia ho'zy i piera hoe handeha ho aiza moa izahay"
de eo.. tsisy miala eo.. any aoriana any ho azo ihany.. ho'zy!
19. soanja ( 30/10/2007 02:56)
Ka matoa misy anie ry Ika ny saina dia natao hampiasaina e. Raha misy zavatra manitikitika dia tsara foana alalinina fa tsy avela mandeha ho azy zany mihitsy, indrindra ny resources eo daholo hanovozana azy.
Refa tsy azo moa atao akory fa at least mba nanao izay vita aloha. Asa anefa fa tsy mitovy boka antsika olombelona ity e.

Ka i Jesoa no miresaka an'izay hoe Ndao tamin'i Piera? Raha izy dia tsy nisalasala aho. Fa ity kosa tena hitako fa mitaky mihitsy ny saiko hoe Ndao koa. hihihi saingy tsy mitaingina i Soanja raha tsy hitako ny kodiarana.

Ny finoana amiko dia natao halalinina sy fakafakaina. Mino aho fa matoa napetrak'Atra tamin'izany lalana izany aho dia tsy ho tsinotsinoavina izany fa hankalaza azy amin'ny fahefany aho. Aza manahy!
20. LazaDaddy ( 30/10/2007 03:03)
soanja:
Ka matoa misy anie ry Ika ny saina dia natao hampiasaina e.
ignace de loyola:
Jesuits should set their private judgment aside
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2303