rahoviana ny ho mba tafita izy ity!

1. fanaina ( 26/10/2007 16:54)
ny vidim-piainana misondrotra lava a,sady tsy misy sécurité intsony ny publique fa mitady hivadika biby ny olona sasany, lasa be mpangala-jaza be,trafic d'organes sy trafic de personnes, misy maro ny manary zaza eny @ fanariampako, ny mpitondra fanjakana variana miady toerana, misy réseau na bande organisé koa eraky ny tanana, misy fanafihana sy vono olona foana, halatra voitures taxi etc maro e.

mampalahelo gasikiara fa de tena tsy hotafita mihhintsy
novalian'i kofbay ny 26/11/2007 18:57
2. zakilinina ( 26/10/2007 22:03)
Efa ela no nahitako sy niainako an'ireo ry Fanaina !
Kanefa mihamazana tokoa ve ny fiainana sany fahelàny sy ny fivoahana aminy tsy fantatra no tena mafy ?
3. fasaly ( 27/10/2007 06:48)
tena mbo marina ve nefa lay hoe trafik d'organe sa resaka tsaho mandende fotsiny????
ankoatra izany na aty ivelany koa aza aky misy an'io ry fanaina an! mila mintadrina fona na'aiza n'aiza e!:wink:
4. tslem ( 27/10/2007 07:23)
Minoa fotsiny ihany hono e!!!
5. Aino ( 27/10/2007 09:30)
fasaly oui aty anie fatatro fa misy io. fa ity isika malagasy tia mianatra @ratsy ko
6. fasaly ( 27/10/2007 09:44)
aino: tandremo voafitaka fa ny malagasy mitovy aùin'ny olona rehetra any am hafa firenena ihany koa, misy ny olondratsy, misy ny olona tsara:wink:
tsy mifidy race io ....ka ny mitandrina ihany....
7. 08051972 ( 27/10/2007 12:56)
ny fahasaron'ny fiainana sy fiankaran'ny vidimpiainana aloha efa manerantany io ,fa ny hoe ho tafavôka ve madagasikara tena mbola fanontaniana mipetraka satria na de izaho aza mba nanangana fikambanana aty ivelany mba ahafahako manampy ny iray tanindrazan'amiko de tena sahirana sy mametrampanotaniana hoe " inona sy aiza ary iza no hampiana?" satriaisika gasy koa eny hatra@ mpitondra de mila fiovantsaina aloha sy hezaka avy @ herin'ny tena fa tsy manao 4mis lava
8. rariri ( 27/10/2007 13:09)
Efa firy firy taona izay!!! izao foana izy ity ry Fanaina. Ireo ray aman-dreny taloha efa ela no nanantena, depuis Philibert Tsiranana , Gabriel Ramanantsoa, Ratsimandrava, Ratsiraka dia izao Ravalomanana.
Efa ho efapolo taona isika izay no andalampandrosoana , matoa tsy tonga hatramizao mety diso lalana tany ho any.
izaho aloha fataliste e! raha nisy fihovana ve tsy efa ela no nisy.
Angamba hoy aho ny génerations any aoriana no mba hahita izany.
mehereza.
9. bonazy ( 27/10/2007 16:03)
tena marina ny tenin'i "rariri" matoa tsy mety tafavoaka ny gasy dia nety nisy lalana diso tao ,nefa tsy mety hitan'ireo izay mitondra mihitsy na tokony hiaiky ireo fa misy zavatra tokony hoalalinina lalina ny fototrin'ny tsy fivoarana ,ny antony, vao mametreka rafitra politika mety ho heveriny fa ahomby ireo izay mitondra,fa raha tsy izany dia tsy ahita vaha olana hiatrehana ireo zava misy ireo izy ireo ,fa voamaika aza hia gravy ny fahantrana sy ny elanelana eo amin'ny vahoaka ,dia normale raha hitombo ny Ratsy ary miena ny Tsara,satria na ny kely ananana aza ho votsotra satria samy tia hiala faingana ao anatin'ny fahavoazana dia ampiasaina ny ati-doha,nefa voa mainka miha milentika...
10. salmo1 ( 27/10/2007 16:22)
fanaina:
mampalahelo gasikiara fa de tena tsy hotafita mihhintsy
Hampianaro ny fomba fitondra-tena tsara ny namany fanaina any Mscar de hitovy am fanaina daholo izy rehetra avy eo.
Tadidio tsara fa misy avotra tsara noho i fanaina any ah, ary misy koa tsy ti hirara zay fitondratenany fanaina. donc, moramora ihany fanaina rehefa miresaka fa tsy mitovy akory Mscar sy ny tany hipetrarany fanaina:-*;)
Ny ratsy tsy maintsy misy foana, na aiza na aiza.
:-*:-*
11. lemenakely ( 27/10/2007 18:54)
08051972:

ny fahasaron'ny fiainana sy fiankaran'ny vidimpiainana aloha efa manerantany io ,fa ny hoe ho tafavôka ve madagasikara tena mbola fanontaniana mipetraka satria na de izaho aza mba nanangana fikambanana aty ivelany mba ahafahako manampy ny iray tanindrazan'amiko de tena sahirana sy mametrampanotaniana hoe " inona sy aiza ary iza no hampiana?" satriaisika gasy koa eny hatra@ mpitondra de mila fiovantsaina aloha sy hezaka avy @ herin'ny tena fa tsy manao 4mis lava


MARINA ANY IO ! MOA KA TSY IZANY VA ...

Maneran-tany ny fahasarotan'ny fiainana e ! jereo fotsiny ny vidin'ny petrole @ baril fa misondrotra foana ..Manao ahoana ny crise de logements ao USA maro ny tsy mahaloa ny trosany @ banky ka lasa saisie na atao mise en vente ny trano ...cyclone eroa inflation ery doro tanety eroa mi gréve ny mpiasan'ny AIR FRANCE sy ny SNCF sns...
12. xxx ( 28/10/2007 19:51)
rehefa tsapatsika fa laharampahamehana ny secteur primaire sy secondaire.
13. sarobidy ( 05/11/2007 07:46)
. Mpandefa : fasaly [ Valio ] 27-10-2007 08:48:53
tena mbo marina ve nefa lay hoe trafik d'organe sa resaka tsaho mandende fotsiny????


fasaly: nisy fotoana aloha taty aminay tena nalaza be io de nisy an'zany oe nisy glacière tratra teny @ iny lalana rn2 iny t@ taxi brousse de feno taova isankarazany
14. Aino ( 05/11/2007 10:04)
sarobidy mbol ataty mihintsy aho no naheno any iny vaovao iny
15. sarobidy ( 05/11/2007 11:34)
Fa zao nge le izy lasa somary mangingina fa ny asan-jiolahy no tena grave be e!
Vô teo vo teo zao a, andro atoandro be io, mazava, misy manendaka be tsotr'izao fotsiny. Nisy sipa mpiasan'ny Shoprite zay avy naka vola tany am banky (BFV) de le efa akaiky fesana iny(metatra vitsivitsy tsy hiala eo am shoprite) no nisy 2lahy nanao ankeriny. Nony hitsoaka ry zareo, mande scooter de nenjera le moto de ny 1 tratra fa ny ray tafatsoaka. Mba nalaky ny sécurité de azo le vola fa le sipa no nampalahelo saiky torana.

Fa taloha ko nge fa efa tsy de henoko firy izy tatoato olon-debe ôtrzao no fôhin'ny 4x4 de tsy fantatra ze itondrany azy fa de manjavona fotsiny nefa lelah lebe zao!
Ny zazakely mo d efa nahita maso mihitsy a ny nakàny azy, ngah tsy loza eeee
16. koffman ( 05/11/2007 13:35)
trafic d'organe misy io fa kosa ny marina angamba entina andrebirebena sain'olona ireny hoe olona maty hita ireny de misy organe tsy hita aminy.
Satria rah organe zany hoe afindra @ olona iray na ilaina tsy mety hiandrasana na adiny 1 aza, tsisy mode de conservation possible-na organe zany, le olona velona ihany no afaka mi-consever an'io.
Ny tiako tenenina de izao, rah hanao trafic d'organe le olona tsy maintsy le olona velona no hangalariny de iny mintsy no "EXPORTER-NY", de rah ny eto Dago zany de hitako hoe tsy possible no hisian'izany, fa entina handrebireben'le mpamono olona saim-bahoaka fotsiny ireny.
Vonoiny le olona de mody alany ohatra ny lelany na ny fony, ... de very eo.
Rah ataoko indray ohatra hoe nahavita nandefa an'le oul any an-dafy izy de tsy ho tafaverina aty le fatiny.
17. sarobidy ( 05/11/2007 13:46)
tsisy ambara ndray aloha a ny @ zany zavatra voalazan'i koffman zany :?
18. kofbay ( 26/11/2007 18:57)
ho tafita ihany tsika rehefa ataon'i Ravalo malalaka ny regle de jeu e! kabary no betsaka fa ny vita tsy hita akory! fa ny fahantrana no mitombo, dia avy eo lazaina fa tsy ny malagasy rehetra no sahirana fa izao tontolo izao mihintsy! tsy manome tsiny ireo mitsoaka any @ tany mandroso ihany aho no farany, raha samy ahantra ihany marina ve!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4198