sakafo!

1. xxx ( 26/10/2007 12:39)
Mety efa nandalo teto ireto resaka ireto fa tsy tazako ka miala tsiny indrindra raha mamerina izay efa voalaza e!

Tsy izany fa izao:

Misy namana milaza amiko fa:

1 - Isika olom-belona hono dia tsy natao hinan-kena izany. Marina ve io? Dia mba omeo fanazavana misimisy kokoa

2 - Tsy tsara hoe raha avy misakafo no mihinana voankazo. Izany hoe, rehefa avy mihinam-bary sy laoka no mihinana voankazo dia tsy mety. Marina koa ve izany? Raha eny dia mba omeo fanazavana.

3 - Tsy mety hoe raha ny salady no rarahana menaka. Raha marina io, inona no antony? Ny salady ambara eto moa dia ny ravi-maintso sy voatabia.

Miasaotra mialoha amin'ny fanazavana e!
2. Veloo ( 26/10/2007 14:58)
1 - Isika olom-belona hono dia tsy natao hinan-kena izany. Marina ve io? Dia mba omeo fanazavana misimisy kokoa


marina io. genesisy 2 -
T@ nanamomboaran'Andriamanitra antsika dia vegetalien mihitsy isika, fa nony tonga ny ota teto an-tany dia simban'ny fahotana ny tany rehetra dia nanomboka nihinana hena ra-olombelona apres safo-drano. Ankehitriny @ zao andro-tsika zao (amiko) ny hena dia efa ratsy satria tena simba ny produit chimique be .. ka raha mahatanty ianao tsy mihinan-kena dia mizara, raha tsy mahatanty dia raiso miadana ao e.. esory tsikelikely ko izay no famba tena tsara atao raha tena vonona ny hanao vegetarien.. ny hena mena aloha no tena ratsy indrindra e, ny akoho sy ny trondro mbola eo ho eo ihany raha mbola te-hinana hena ianao.
- Tsy tsara hoe raha avy misakafo no mihinana voankazo. Izany hoe, rehefa avy mihinam-bary sy laoka no mihinana voankazo dia tsy mety. Marina koa ve izany? Raha eny dia mba omeo fanazavana.

za aloha mbola tsy naheno an;izany oe tsy mahazo mihinana vokazo zany apres ny sakafo e.. au contraire mahatsara ny fandehanana mankany any WC io. satria manadio...
Tsy mety hoe raha ny salady no rarahana menaka. Raha marina io, inona no antony? Ny salady ambara eto moa dia ny ravi-maintso sy voatabia.

odryy afa ndray zany -
huile d'olive no tena tsara indrindra amin'ny menaka raha ho hanina manta...
ary raha mazaka tsara ary ianao ny mofo asina huile d'olive fotsiny mahasalama be.
zany oe votabia rarahina menaka zany tena tsara mihitsy asina sira kely sy vosarimakirana dia zay hummm.
Izy ity moa dia samy manana ny fahalalany ka izay itako fa tsara no lazaiko eto.:-*
3. sarobidy ( 27/10/2007 08:32)
misaotra indrindra tam torohevitra e^:^
4. niryna ( 29/10/2007 03:20)
xxx:

Mety efa nandalo teto ireto resaka ireto fa tsy tazako ka miala tsiny indrindra raha mamerina izay efa voalaza e!

Tsy izany fa izao:

Misy namana milaza amiko fa:

1 - Isika olom-belona hono dia tsy natao hinan-kena izany. Marina ve io? Dia mba omeo fanazavana misimisy kokoa

Misy olona tsy minan-kena fa ny voamaina no ataony solony.Mahita aho fa tsy ho voatery ny rehetra akory,malemilemy sy potipotika tsy maniry ny hohany.
Mila mihinana hena isika ka tsy azo atao fotsiny no mihinana hena betsaka(portion kely fotsiny )isaky ny mihinana.

2 - Tsy tsara hoe raha avy misakafo no mihinana voankazo. Izany hoe, rehefa avy mihinam-bary sy laoka no mihinana voankazo dia tsy mety. Marina koa ve izany? Raha eny dia mba omeo fanazavana.
Dia tena mbola tsy naheno an'izany indray aho.Tsara mila mihinana 1/2 paoma isa-maraina isika.Manampy betsaka amin'ny fahasalamana.
Mila mihinana voankazo karazany sy ny karazana legumes ihany koa.Izaho tena tsy azoko ny aiko raha tsy mihinana paoma ,karoty,salady saika isan'andro.
Mandevona sakafo sady mora kokoa amin'ny fivoahana indrindra raha tsy mivoaka fa mafy...

3 - Tsy mety hoe raha ny salady no rarahana menaka. Raha marina io, inona no antony? Ny salady ambara eto moa dia ny ravi-maintso sy voatabia.
Asa aloha fa tsy maninona aho hatramin'izay olive miaraka amin'ny voasarimakirana kely,misy tongolo gasy kely,tongolo be,poivron mavo ,maitso ,mena,karoty,lettuce,karoty,radis + voatabia+celery+persily.Tena mahasalama tsara mihitsy.Io tongolo gasy io angamba tsy dia misy manao fa taty aoriana koa aho vao nanao an'io.Raha misy zavoka kely moa dia efa mahasolo sakafo atoandro ny ahy + almond sy voanjo (tsakotsakona).Sady mahasalama no mila voa ny vatana.
Andramo fa sady voky ny vatana no mahazo hery ny tena


5. sarobidy ( 29/10/2007 08:47)
:-w aleo iany aloha mitandrina
6. Veloo ( 30/10/2007 17:37)
sarobidy [ Valio ] 29-10-2007 09:47:14
Lohateny : Re : sakafo!
aleo iany aloha mitandrina


Zay no mety :-*
7. xxx ( 09/11/2007 10:29)
1- NY HENA : nanomboka tamin'ny safodranon'i Noa no nanomboka nihinana hena ny olombelona. Raha ny tena izy tokoa dia no-hariana tsy hihinana hena ny olombelona.
Ny hena raha hohanina be loatra dia mi favoriser ny cancer ary koa ny prb cardiaque.
Ny tavin'ny hena na ny menaky ny hena dia tsy tsara ho an'ny fahasalamana fa manetsina lalandra raha be loatra

Ny fihinanana voakazo tokoa dia tsara raha alohan'ny sakalo. Ny tena marina, tsara ny fihinanana legume na fruit naturel, izany hoe manta na cru alohan'ny vary na sakafo nahandroana. Tsara ho an'ny vavony sy ny digestion. Ka izany no hilazana fa hoe tsara raha alohan'ny sakafo ny voankazo.

3- iny indray ho tsy haiko

8. vahiny2004 ( 09/11/2007 10:56)
saro-devonina ny voankazo (mavesatra) ka izay no ilàzana hoe tokony tsy hohanina aorian'ny sakafo. Ny voankazo koa tsy tsara hohanina @ alina, noho izy mavesatra io ihany

momba ny hena : à consommer avec modération hoy aho , ilain'ny vatana ny protéines avy @ hena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3406