Lazaina ny toko sy andininy?

1. xxx ( 23/10/2007 15:34)
Fa hono ho'aho ry reto: tena ilaina ve ny miteny ny référence ny baiboy rehefa miresaka amin'ny olona e? Ohatra ny hafahafa be ny maheno ilay olona isaky ny miteny dia manao foana hoe: efa voalazan'i Jesosy izany ao amin'ny Lioka toko faha.. andiny faha... fa hoy izy amin'ny anaran'i Jesosy:.... Na koa hoe: blablabla Jaona toko faha zao andininy faha zao.

Amiko manokana aloha dia ohatra tsy normal e (Ny tiana lazaina amin'ilay hoe tsy normal eto dia tsy hoe adala sanatria, fa kosa hoe tsy naturel). Fomba fijeriko io fa ahoana ny hevitrareo?

Raha lazaina fa naka tahaka an'i Jesosy ry zareo, ohatra tsy nisy Jesosy nanao an'izany mihitsy fa rehefa mi-citer soratra Masina izy dia teneniny fotsiny any, tsy misy référence. Raha maka tahaka ny mpianatra sy ny apostoly indray dia tena tsy nisy na iray aza mpianatra na apostoly nanao an'izany.

NB: ny nanisy an'ireny toko sy andininy ao amin'ny Baiboly ireny dia Md. Jerome, efa taty afara be.

novalian'i fijo ny 30/10/2007 23:22
2. xxx ( 23/10/2007 15:52)
Mandresy lahatra ny dikan'iny, mandresy lahatra miteny hoe efa novakiako io ary tadidiko tsara.
Satria mety efa nisy olona mpamaky baiboly koa niresaka taminy ka nandatsa azy foana hoe: aiza koa no hisy an'izany anaty baiboly fa ianao mandainga.
Dia isaky ny miresaka Soratra masina ilay olona aty afara dia lasa matahotra sao voafingana foana ka dia izay no hitany fa hanamafisana izay voalazany.
3. pissoa ( 23/10/2007 16:13)
Amin'ny ankapobeny, ny zavatra resahina sy ny fomba firesaka dia miankina amin'ny mpihaino (rehefa miady hevitra izany). Endrika iray tena hisehoan'ny mahaIzy azy ny tena koa io.

Noho izany, ny tokony hampiasana ny toko sy andininy dia miankina amin'ny olona hiresahana sy ny zavatra resahina - ary ny tena. Rehefa any amin'ny fianarana baiboly angamba ohatra ilaina foana ny toko sy andininy (tsy haiko fa izaho mbola tsy tany :-D:-D:-D).

Ankoatra izay, manampy amin'ny ady hevitra ny fitanisana toko sy andininy rehefa mitovy finoana ny olona miresaka. Raha hanontany olona Katolika aho hoe fa maninona no izao, ka hanome toko sy andininy avy ao amin'ny baiboly Katolika izy dia hanampy betsaka izany. Raha olona tsy Katolika kosa no omenao toko sy andininy ao amin'ny Baiboly katolika ... dia mety hivadika hatramin'ny hoe ny baibolinareo tahaka izao ny resaka ... tsy manampy ! :-D:-D:-D

Ny zavatra tsy tokony atao koa rehefa hanome toko sy andininy ihany dia ny manao resaka HS ! Rehefa mba anontaniana hoe amin'ny firy izao dia mba teneno tsotra hoe amin'ny 6 sy 10 fa aza atao hoe Araka ny toko sy andininy dia izao sy izao :-D
4. ikaretsaka ( 23/10/2007 16:14)
miombon-kevitra amin'i xxx2
Mandresy lahatra ny dikan'iny, fomba fiady ankolaka entina mandresy lahatra hanakorotanana olona (tsy haiko na mihatsara ivelantsihy) hoe efa novakiako io ary tadidiko tsara.


Misy olona izay ato amin'ny serasera ato tratrako amin'io foana dia adikany diso mihitsy ilay zavatra tsimponiny!:D

5. diamondra27 ( 23/10/2007 16:48)
mitovy hevitra @ pissoa

amiko tsy ho an'ny hafa ny hahaizana tsianjery ny toko sy andininy fa ho an'ny tena aloha vao ny hafa.

Raha sendra tojo olona misedra fitsapana dia tsara ny itenenana io amiko hoe: " jereo ange ny nolazain'i boky ...." dia hita fa tsy roman na boky hafa no lazaina fa resaka tenin'Atra.

Rehefa mitady ilay olona dia omena toko sy andininy fa tsy tokony avy hatrany de pli vava fotsiny le izy.Hitanao @ fomba fihainoany eny any hoe: mi-interessé azy ve le izy sa tsy andriny aza izay hisarahanareo. Koa mba mitandrema ihany @ le fomba fitory ary izany no ilaina ny FM we: tariho aho FM fa tsy araka ny hafanapo na we: zao no tiako atao.
6. ikaretsaka ( 23/10/2007 17:46)
izhao tsy dia zatra an'io toko sy andininy loatra io aloha raha tena hoe olona mitsimpona no mifandahatra amiko dia hitsimponako koa! fa amiko manko ilay izy dia karazana fisehoana hoe za namaky dia nahatadidy!

.. fa ny ahy ilay votoatin'ilay tantara no lazaiko hoe ," tadidinao ny tantara nataon'i Anona momba ilay ohatran'izao?"
Amiko dia izay no namaky sy azo inoana kokoa noho ilay nitsimpona! nefa ny contexte an'ilay zavatra tsimponiny aza tsy mazava akory sy tsy hainy!
7. fijo ( 23/10/2007 20:52)
mitovy hevitra amin'i pissoa,kay tsika sy ndry hitovy hevitra ihany le
8. xxx ( 23/10/2007 21:49)
ikaretsaka:

miombon-kevitra amin'i xxx2
Mandresy lahatra ny dikan'iny, fomba fiady ankolaka entina mandresy lahatra hanakorotanana olona (tsy haiko na mihatsara ivelantsihy) hoe efa novakiako io ary tadidiko tsara.


Misy olona izay ato amin'ny serasera ato tratrako amin'io foana dia adikany diso mihitsy ilay zavatra tsimponiny!:D





marina izany saingy tsy dia ny fanakorontanana foana koa no mety ho tanjony fa mba te hiteny ihany izy saingy sendra ny mpanakiana lava ka dia lasa matahotra dia mampiseho be hoe tena haiko ilay zavatra teneniko.
9. fijo ( 23/10/2007 21:54)
ka rehefa kianina dia ampiadiana ny hevitra.izay no dia eto
10. xxx ( 23/10/2007 21:59)
Raha fanankianana hevitra marina dia ok, tsy maninona. Fa ny fanankianana hita matetika eto dia fanankianana fanabatiana olona na fanompana ankolaka raha adika.
11. fijo ( 23/10/2007 22:05)
izay kosa aloha tsy mety.nefa na izany aza aza kivy fa avohay izay hevitra misy any fa aza tanana samy irery
12. ikaretsaka ( 23/10/2007 23:32)
xxx: matetika ilay olona tsy manan-kalahatra ireny no mahatsiaro tena ho voakiana sy voabaty!
dia ilay "manakorontana" tiako holazaina dia ilay hoe mahatonga ny olona ho confus fa tsy ilay hoe manakorontana migafy!
13. soanja ( 24/10/2007 03:01)
Miankina amin'ny communication io ka. Io ilaina hoe raha hanao pasitora na pretra na hafa mifandraika amin'io dia mila good communicator tsara. Mahalala ny mpihainony sy ny handefasany ny hafany. Zany hoe mila etudier ambohalohany zany hoe iza ny fokontany alehako ohatra de iza avy ny olona ao anatiny (ara-tsosialy, politika, fahaizana, harena sns sns...)

Mila fantarinao foana hoe iza ireo olona tia mihaino andinindininy amin'ny baiboly dia rehefa miresaka aminy dia io no tena asesy ao anaty resaka. Amin'iny ianao raha eny an-tananao ny baiboly dia mahazo points be ianao satria tonga dia mitsara izy hoe tsy misaraka amin'i baiboly mihitsy aza ranamana.

Fa raha olona kosa tsy tia fa tonga dia ilay zavatra tiana resahina no resahina nefa manazava tsara ihany ny tian'i baiboly ampitaina dia tsy tsara loatra manome andalany be loatra amin'ireo.

Misy ireo andian'olona roa ireo.

Ary misy koa ireo izay tonga de boky hafa mihitsy no tiany heno fa tsy baiboly. hihihi.

Mahaiza fotsiny mi-screen, tombamaso sy avy amin'ny teny roa na telo mivoaka voalohany ny vavanao, ny olona resahina mba tsy hisian'ny energy be loatra ho lany e!
14. niryna ( 24/10/2007 04:40)
xxx:

Mandresy lahatra ny dikan'iny, mandresy lahatra miteny hoe efa novakiako io ary tadidiko tsara.
Satria mety efa nisy olona mpamaky baiboly koa niresaka taminy ka nandatsa azy foana hoe: aiza koa no hisy an'izany anaty baiboly fa ianao mandainga.
Dia isaky ny miresaka Soratra masina ilay olona aty afara dia lasa matahotra sao voafingana foana ka dia izay no hitany fa hanamafisana izay voalazany.


Arakarany io.Hanamafisana ny tenin'Atra no dikany.Raha olona tia mianatra fakan-tsary ohatra ka iny foana no teneninao sy hiresahanareo dia mazava ho azy fa tsy ho lany ny resaka.Raha tia tenin'Atra koa izany dia mitovy izany.Ahoana koa moa no hilainy ny tenin'Atra rehefa tsy mino izy.
15. LazaDaddy ( 24/10/2007 04:49)
soanja:
Miankina amin'ny communication io ka. Io ilaina hoe raha hanao pasitora na pretra na hafa mifandraika amin'io dia mila good communicator tsara. Mahalala ny mpihainony sy ny handefasany ny hafany. Zany hoe mila etudier ambohalohany zany hoe iza ny fokontany alehako ohatra de iza avy ny olona ao anatiny (ara-tsosialy, politika, fahaizana, harena sns sns...)

Mila fantarinao foana hoe iza ireo olona tia mihaino andinindininy amin'ny baiboly dia rehefa miresaka aminy dia io no tena asesy ao anaty resaka. Amin'iny ianao raha eny an-tananao ny baiboly dia mahazo points be ianao satria tonga dia mitsara izy hoe tsy misaraka amin'i baiboly mihitsy aza ranamana.

Fa raha olona kosa tsy tia fa tonga dia ilay zavatra tiana resahina no resahina nefa manazava tsara ihany ny tian'i baiboly ampitaina dia tsy tsara loatra manome andalany be loatra amin'ireo.

Misy ireo andian'olona roa ireo.

Ary misy koa ireo izay tonga de boky hafa mihitsy no tiany heno fa tsy baiboly. hihihi.

Mahaiza fotsiny mi-screen, tombamaso sy avy amin'ny teny roa na telo mivoaka voalohany ny vavanao, ny olona resahina mba tsy hisian'ny energy be loatra ho lany e!
Dia aiza ny anjara toerana omen'i Soanja ny Fanahy Masina raha hiantehitra @ izany karazana "etudes" izany? I Petera dia mpanjono fa tsy nanao an'izany fandalinana izany kanefa nitory Soratra Masina t@ Sanhedrin :)


16. Rasiligaoma ( 24/10/2007 04:54)
xxx:
Mandresy lahatra ny dikan'iny, mandresy lahatra miteny hoe efa novakiako io ary tadidiko tsara.
Satria mety efa nisy olona mpamaky baiboly koa niresaka taminy ka nandatsa azy foana hoe: aiza koa no hisy an'izany anaty baiboly fa ianao mandainga.
Dia isaky ny miresaka Soratra masina ilay olona aty afara dia lasa matahotra sao voafingana foana ka dia izay no hitany fa hanamafisana izay voalazany.
Betsaka sy maro tokoa ny mitanisa sy manao tsianjery toko sy andininy vitsivitsy mba "hisekoana" hoe namaky izy!

i Petera dia nampianarin'i Jesosy nandritra ny 3 taona aloha: "etudes" be izany!
17. pissoa ( 24/10/2007 08:39)
Dia aiza ny anjara toerana omen'i Soanja ny Fanahy Masina raha hiantehitra @ izany karazana "etudes" izany? I Petera dia mpanjono fa tsy nanao an'izany fandalinana izany kanefa nitory Soratra Masina t@ Sanhedrin

ao amin'ny etude ataonao ny Fanahy Masina :lol:

Aza endrasana hanao mazi mazi foana hoa ny Fanahy Masina izay nareo vao hiteny hoe tena nisy Fanahy Masina tokoa. Eny anivon'ny tsara takatry ny saina eny Izy :lol:
18. ikaretsaka ( 24/10/2007 16:38)
izay mantsy...
foto-finoana hafa indray izany
sekta vaovao... "Fanahy Masina: mazii mazii"
19. fijo ( 24/10/2007 20:13)
le fomba firesaka,io efa nolazainay sy ika.fa mila fantarina ny olona hiresahana.ary misy fomba mety hety ety tsy mety ery.ka raha tsy mahay sy tsy zatra io fivelarana io,de mahatsiaro ho voakiana sy voabaty.
20. ikaretsaka ( 25/10/2007 03:42)
.. izay mihitsy...
ny patalohan'i fijo tsy ho patalohako!:-D hoe antonona an'i fijo iny dia "mety amiko"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1594