Vaovaon'i Rakaroka

21. Kwasi ( 24/10/2007 10:53)
Mahereza Rakaroka. Mahaiza mionona fa isika rehetra moa dia hihazo iny lalana iny daholo ihany fa ny azy no tombondalana.
22. melody ( 24/10/2007 22:15)
Mirary fiononana ho anao hatrany e!
23. naritsimba ( 25/10/2007 05:01)
Mahereza sy matanjaha fa ny Tompo momba antsika mandrariva.
24. tess ( 25/10/2007 05:23)
mirary fihononana tanteraka ho an'i rakaroka:-*
25. ravatorano ( 25/10/2007 10:29)
aza misosoka alehelo tsony e
atao ahona fa izay no lahatra sy anjarany ary tsika rehetra samy mbola handalo amin'izany avokoa koa mahereza hatrany fa tombon-dalana ihany ny azy
26. tsiahi ( 27/10/2007 21:10)
Mahatsiaro ny reniko efa koa aho amin'izao fotoana izao.
miaraka ory aminao amin'izao fahafatesan'ny Reninao izao!
Koa mahereza! , mitrakà , ny fiononona avy amin'Andriamanitra no hampionona anao sy ny fianankvianao manontolo.

'ndriiiiy

27. rakaroka ( 18/12/2007 21:53)
'ndriiiiiiyyyyy. Miala tsiny ry reto fa tsy hitako ity dinika ity raha tsy vao izao, rahateo be ny natrehina .
Misaotra eram-po, eran-tsaina sy am-panahy antsika namana rehetra eto aho. Misaotra akia Ari.malala
tsy manadino ny "fomba" izay "Marina tokoa" ny filaza hoe tsy hita izay maharatsy azy. Ary izao vao tsapako fa ny namana "malagasy" ilay favifavy ireny:
mitahiry io fomba io daholo.Ary vao miha hi-"estimé-ko an-drizareo tokoa aza! Nisy namana sy havana maro,
tsy nampoiziko ho hita loatra akory noho ny hazakazaka na halavirana sns... fa dia nanefa ny "adidiny" hono. Ary isaorako avokoa ianareo: "Ika, Soanja, ari, tsiahy,sasà , Booboo..." fa tsy amin'ny resaka fivavahana sns ihany no nifaneraserana fa tsy hadinonareo aho tao anaty ady sarotra : Andriamanitra "mahefa ny zavatra rehetra no hivimbina ny tsi1/1 mba ahita soa tokoa eto am-pandiavana izao fiainana izao. Dia soava-dia sy ho ambinina amin'izay iriana sy atao avokoa anie isika:
:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2132