Miangavy hijery akaiky ny fitsipika

21. fijo ( 25/10/2007 20:19)
mety misy izany ka.soa fa lanto mbola manaraka tsara ny rehetra mitranga eto
22. tsaramaso ( 30/10/2007 09:28)
fijo:
fa ny hanintsy azy ahay hiara miserasera ampanajana

hahahahahaha !!!!! ny hanolana azy @hasin'ny fahavendranana malagasy zany !!!!!! HAFAMA !!!!!!!

booboo:

Misoratra any ho any hoe raha misy olana na ohatra² izany dia manorata mivantana @ tompon'andraikitr'ilay dinika.

Fa iza mihitsy no tsy mijery akaiky ny fitsipika e ???!!!!! hahahahah !!!!!!! http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/policy
23. xxx ( 30/10/2007 11:00)
izaho koa dia mahita fa midina dia midina ny kalitao n'i serasera. Miha very andro aman'alina ny fanajàna ny hafa : eo @ voambolana ampiasaina , ny fanajàna ny hevitry ny hafa ihany koa

ny fahitako azy dia tsy misy tompon'andraikitra manokana afaka hijery an'io fa ny fahatsiarova-tenan'ny tsirairay no ilaina
24. soanja ( 30/10/2007 16:40)
Hoy ny fitsipika> Teny mendrika sy feno fifanajana no ifandraisana. Noho izany dia tsy ekena ny fisian'ny fifamaliana ara-poko sy firazanana, ara-pinoana ary ara-pirehan-kevitra.

Amiko raha voatonotonona ny razako fa vendrana dia tena mampalahelo ahy tokoa izany.

Mazava sy mitohaka amin'ny tenda ny porofo mitory tsy teny mendrika. Ny hoe fifamaliana ara-poko dia mazava koa fa tsy hifamaly amin'ny adala saingy kosa milaza amiko izany fa vendrana ny razako izay tsy iza fa MALAGASY.
" Fahavendranana Malagasy"

Marina fa tsara ny manaraka antsakany sy andavany ny fitsipika saingy matoa miseho ny toy izao dia tsara raha dinihina akaiky koa ny fanamboarana ny fitsipika hifandraika amin'ny zavamisy na olana satria miharatsy ny kalitao hoy xxx sy ny tenako.

Tsy misy azo atao tokoa ve?

Misaotra indrindra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2154