Miangavy hijery akaiky ny fitsipika

1. soanja ( 22/10/2007 19:47)
Azafady indrindra raha managataka sy miangavy an'ity aho fa somary efa betsaka loatra ilay fanararaotana ny fahatsoran'ny hafa tato ho ato.
Marina fa any Dago i Hery fa azo atao ve izay admin ao mba hametra ny fametrahana hevitra feno fanambaniana sy fanitsakitsahana ny hevitry ny hafa indrindra ny hevitra tsy misy ifandraisany amin'ny olondehibe mifanerasera eo anivontsika.
Amiko manimba ny serasera eto ny fahitana resaka hoe fahavendranana, sy ny teny ratsy isan-karazany. Eny fa tsy voateny eto ny teny ratsy saingy nahitsy sns saingy hita fa manompa tokoa ilay olana ary manararaotra ny hafa .
Tsy mamaky intsony ireny hevitra ireny aho saingy mahita kosa ny hafa ao anaty hevitra napetrako.

Hevitra toy ny hevitra rehetra anefa ny ahy ary raha tsy possible dia tsy manahy.
Raha tiantsika ny hanana hasiny ny fifandraisana iray dia isika rehetra samy miara miasa manamora sy manatsara azy. Misoatra mialoha.
novalian'i soanja ny 30/10/2007 16:40
2. ikaretsaka ( 22/10/2007 20:05)
dia miandry ny kaonsilin'ny admin izany amin'io e..
misy koa anie le admin rehefa tsy ao ny prezy de laza indray ny samy mirevy izay reviny e
3. lanto ( 23/10/2007 07:29)
Izany ve ry ika ? ;-)
4. tsaramaso ( 23/10/2007 08:53)
hahahahahahaa !!!!! rehefa eo ambony lamosina tsy ganagana no raraka ny rano !!!!!!!! iiiiiiii

saonja:
Tsy mamaky intsony ireny hevitra ireny aho

saingy mahalala kosa izay voasoratra ao !!!!!! hahahahahaha !!!!!!!

De mbola misy tsy mahazaka ihany ny fahamarinana : fahadondrenana sy fetsarambelatsihy 100% !!!!!!! tsssssssssss
5. simplex ( 23/10/2007 10:21)
soraty manokana any @ admin
ny preuve a l'appuis hoe otran'itony no tiako lazaina. Somary "vague" be manko ilay izy ra tsy hita hoe aiza sy aiza :)

Ny filazana fahavendranana sy fahadondronana ngamba tsy "ompa" fahotana mahafaty be kosa e. Manjary lasa mivadika "pensee unique" indray le izy ra vao fehezina doly. Sady izao kou e, iza no tena dondrona, ilay olona miteny olona ho dondrona @ forum/internet sa ilay olona nolazainy ho dondrona...
Sao dia mba fitiavan-dreny aza no tsy ampy taminy t@ mbola kely :°):-P:lol::@:@

Ny fanaratsiana olona mpanao xxx kou mitovy @ zany ihany. Matoa io misy ao dia azo ampiasaina izany. Ra misy tsy mirevy izany, tsy maninona kou anefa. Izay no safidiny.
Ra mbola setrasetra kely, na vava tsy voatandrina eny antsefatsefany eny tokony tsy hampisafoatra ny mpamaky akory. Samy olombelona doly. Rehefa miditra @ personnalite ana olona 1 ilay izy vao tokony voafafa, indrindra ra mangataka izany ilay olona voalaza...

:-*:-*


6. sipagasy ( 23/10/2007 10:39)
ka isika anie ka saonjo 1 lohasaha ka tsy ilaozan'ilay mamaraha!

fa raisina am-pitsikiana fona ny hevitry ny rehetra e!
7. booboo ( 23/10/2007 10:45)
Misoratra any ho any hoe raha misy olana na ohatra² izany dia manorata mivantana @ tompon'andraikitr'ilay dinika.



8. soanja ( 23/10/2007 14:41)
Tsy izaho akory anie no miferinaina na mijaly na ho faty raha mahita ny zavatra toy ireo.
Ny hoe jereo akaiky mantsy dia tsy hoe araho ny lalana fa hoe sao tokony hilana koa aza fanovana na mila ahitsy hoe tsy izay manambany na manimbazimba olona direkta ihany fa ny manimbazimba ny serasera koa ka manisy fotaka azy.
Fa milaza fotsiny ny fahaitako ny qualite ny serasera eo amin'ny samy mpiserasera ary ny soatoavina ifandraisana. Fa raha toa ka tsy mamapanahy anareo ireo de tsy manahy ka. Reventsika manja!
Teny atsipy ny ahy ary natao ho an'ny manam-panahy. Misaotra hatrany.
9. xxx ( 23/10/2007 15:13)
tsaramaso:

hahahahahahaa !!!!! rehefa eo ambony lamosina tsy ganagana no raraka ny rano !!!!!!!! iiiiiiii

saonja:
Tsy mamaky intsony ireny hevitra ireny aho

saingy mahalala kosa izay voasoratra ao !!!!!! hahahahahaha !!!!!!!

De mbola misy tsy mahazaka ihany ny fahamarinana : fahadondrenana sy fetsarambelatsihy 100% !!!!!!! tsssssssssss


Be dia be ny gasy hitako miteny zavatra toy izao, saingy ny tsy nampi-pasy ny heviny dia satria ry zareo ireo dia karazana olona iray daholo hoy ny psychologue. Somary mahiahia izay, mangamanagana izay ary manana amertume be amin'ny tenany noho ny zavatra niainany tamin'ny fahazazany, voalatsan'ny ankizivavy, gisitra tany ampianarana, nihevintena ho mahantra ary exclus lava sy tsy tia ankizy tafita sy manamanana.
Rehefa aty aoriana izy ireny miha-mahazo taona ka niha-nahazo ny plasiny tsara tao anatin'ny fiaraha-monina dia manao karazana compensation toa izao, maneso ny mpiara-belona aminy ary indraindray dia tena dangereux be hoy ny psychologue fa manana complexe d'infériorité lehibe ary tia manambany olona noho izany. Mitady foana izay defaut-n'olona faran'izay kely ary haparitaka eran'ny tànana. Ny tena olana dia tafita ihany ireny olona ireny saingy tao anatin'ny fankahalana ka tsy mitsahatra ny mamingana izay heveriny ho tsara noho izy.
Ny fanafodiny atoroko anao ry zatovo, dia misorata anarana amin'irney resaka fampitomboana ny estime de soi ireny ary raha tena hitanao fa mbola mangovingovitra ianao rehefa manoratra anaty forum toy izao noho ny excitation azo amin'ny fanesoana olona dia manantona psychologue na psychiatre mihintsy. Misy iray ery Antsakaviro, Pr Damasy no anarany. Dia bonne chance e!

10. soanja ( 23/10/2007 19:47)
Ny "psycho" na maharary saina aloha dia matetika smart foana ary tena marina tokoa io teninao io ry xxx saingy misy koa anefa ao ambadika ny tanjona isan-karazany mahatonga ny olona manao zavatra toy izao.

Azoko alaina ohatra dia ny hoe te hanangana site iray mitovitovy but sy mission tahak'izao izy de mba handatsahany ny valeur-ny hafa dia tonga aloha izy mamafy aretina amin'ilay tiany eliminena. Potika iny dia mitranga ny azy. Na te hanapotika tsotra izao zavatra iray efa tsara izy dia miezaka mitady izay zavatra hanakorontanana ny hafa. Na mialona tsotra izao.

Ny mampalahelo ahy dia tsy isika eto akory fa ireo olona izay vao mba tonga mitsidika ny site mba te haka torohevitra na hitady namana na hafa dia vao mahita ny toy izao dia miala satria mahatsapa izy fa tsy mety aminy ny ato na matahotra ny voapala. Firifiry moa ny namako efa niala tato noho izany., nefa anie ka mety ato ny misy ny vahaolana saingy tsy manana patience izy na tsy mahafantatra ny tantaran'ilay site. Na tsy mahalala andraolombelona.

Izay no lazaiko azontsika revena manja satria isika mahalala fa marary ilay olona saingy ny hafa vao tonga tsy hahafantatra izany mihitsy.

Ezaka foana anefa ny fiainana ary atao akory fa tsy maintsy manao ny adidy milaza ny zavamisy ny tena fa tsy hijery arina an-tava amin'ny havana akory.
Sarotra anefa ny mamefy ny zavatra toy zao satria afaka mifindrafindra ordi izy ka manorina adiresy , ary tsy voakaramako akory ny ato ka handio izay lazainy. Fa azo apetraka foana ny olana dia raha voavaly moa tsara raha tsia kosa dia fantatra fa misy ny olana ka ny mamaha azy mety andalana na indray andro any.

Na nahita dokotera tsara le marary dia "safe" isika. hihih:-*:-*:-*:-*:-*
11. ikaretsaka ( 23/10/2007 20:11)
miombon-kevitra amin'i xxx sy soanja
12. xxx ( 23/10/2007 20:12)
Raha ny fijeriko azy hanampiako ny anao dia diniho tsara ny zavatra soratany rehetra fa manandrantena be, tsy maintsy voatonona ao foana ny anarany.
Midika izany fa tia mijery film be koa izy, indrindra ireny film genre Austin power contre Docteur D'Enfer ireny ary ny personnage mba tiany dia i Docteur d'enfer (Dr Evil).
Inona moa no antony hanandrantany tena lava amin'ny soratra ataony? Satria mahatsiaro tena ho tsy alehany izy any amin'izay fiainany any ka eto vao mba sahisahy miafina aorian'ny ps.
Ny olona manangana site izany amiko mahafantatra tsara ny netiquette rehetra tsy manao toa io, mety hampaniraka olona izy na mi-inviter olona mivantana raha tena manana site hafa tokoa.
13. Jeankely ( 24/10/2007 02:25)
Mbola ny samy Malagasy no mifandona fa mbola aiza raha ny terantany hafa no manambany ity hevitra havoakan'ny Misy saina rehetra. Ary ny vazaha angamba no tena avy dia manintsy sy manebaka koa ny mipetraka andafy ve hataotra ny voatebaka? Aleo hifandona ary aleo hitorajofo fa mivoaka ho azy ny tena izy avy eo.
14. xxx ( 24/10/2007 02:29)
Tsy azoko io tian'i jeankely hambara io.
15. Kwasi ( 24/10/2007 11:45)
Ny mampalahelo ahy dia tsy isika eto akory fa ireo olona izay vao mba tonga mitsidika ny site mba te haka torohevitra na hitady namana na hafa dia vao mahita ny toy izao dia miala satria mahatsapa izy fa tsy mety aminy ny ato na matahotra ny voapala. Firifiry moa ny namako efa niala tato noho izany., nefa anie ka mety ato ny misy ny vahaolana saingy tsy manana patience izy na tsy mahafantatra ny tantaran'ilay site. Na tsy mahalala andraolombelona.

Izay aloha dia marina e. Ny ahy indray ny anampiako azy tsy dia ilay hoe matahotra ny ho voapala loatra fa, ilay tsy mahita zavatra mba constructif ao anatin'ilay sujet mihitsy fa dia fifanebahana sy paingopaingotra fotsiny no mandreraka, nefa indraindray ilay page andrasana ela vao misokatra nefa ny ao anatiny tsy dia mankaiza akory.
16. ravatorano ( 24/10/2007 12:55)
Tsy mety kosa ny mifanebaka izany e
zay aloha
fa tsara raha mifandona ny hevitra mba ivoahan'ny tena marina araky ny voalzan ilay ranamana eo ambony io
ika < tsy marina kosa ilay hoe tsy eo i hery dia samy manao ny reviny ny admin :twisted::twisted:

17. xxx ( 24/10/2007 19:53)
mifanaraka tsara @ voalazan'i xxx ny toetran'i tsaramaso sy jeankely.

Marina tokoa fa olona voadona @ fiainana izy ireo, voampempo lava dia mila manandrantena mafy eto dia fanebahana foana no mivoaka ny vavamaimbony. Raha tena ambony marina izy tsy mila manao an'izany. Mampangoraka :{:{:{:{
18. fijo ( 25/10/2007 19:58)
marina mihintsy ity resaka ataon'i soanja ity.fototra teto hatr'izay ny fifanajana sy fahalalahana,saingy ny fahalalahana ngamba misy fetra hatrany.
rah ahitady ohatra amin'ity ny admn dia ao amin'ny politika no betsaka azy.ka mba asio dinika fa aza avela ihitatra ny lesoka vao manasazy.
tsy ny hialan'ilay namana no tanjona eto,fa ny hanintsy azy ahay hiara miserasera ampanajana
19. ikaretsaka ( 25/10/2007 20:05)
ravatorano:

ika < tsy marina kosa ilay hoe tsy eo i hery dia samy manao ny reviny ny admin :twisted::twisted:

izany ve?
ny ahy ze hitako aloha no lazaiko e.. indrindra moa ireo admin somary reservee...
tsy ialahy ka:-D:wink:


20. xxx ( 25/10/2007 20:09)
Iza indray izany ry Ika? :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8496