Inona no antony hihainoan'ny tanora hira mafy be?

1. niryna ( 22/10/2007 03:37)
Maninona tokoa ry ireto no mahatonga ny tanora mihaino mozika mafy be?Na mandeha eny an-dalana e,na mitondra fiara e,indrindra moa rehefa mampirina trano izany,avo dia avo anie izany e,hila ho vaky ny trano.Maro ny tanora hitako.
Mba tantarao hoe ny tena antony?:D
novalian'i niryna ny 13/01/2008 23:55
2. simplex ( 22/10/2007 10:03)

Izay le revy ry neny a ;-)
3. salmo1 ( 22/10/2007 10:23)
hanindriana sipa ;-)
4. niryna ( 23/10/2007 03:56)
simplex:

Izay le revy ry neny a ;-)

ka mankarenintsofina be ka :cry: Tsy ho marenina ve raha izany no mitohy :D
5. niryna ( 23/10/2007 03:57)
salmo1:

hanindriana sipa ;-)

Tsy ho voatery ka,mampirin-trano ny ankizy ohatra na mijanona ao an-trano dia efa avo dia avo izay henoina na jerena.:D
6. steeeel ( 23/10/2007 04:23)
Misy bruit de fond na externalities rehefa mandeha eny andalambe.
Rehefa mandeha metro dia maneno mafy ny train ka tsy maintys ampiakarina manantona ny 100 decibels ny volume vao heno tsara sy ankafizina ny hira, torak'izany koa na ao antrano aza, misy zaza mitomany, misy vehivavy manao lakozia, misy telefaonina maneno dia tsy heno tsara ny hira.
Ny hira rahateo koa polyphonique sy en relief tsara ka raha tsy alefa mafy tsy heno tsara indraindray ilay melodie miafina ao ambadiky ny son principal.
7. niryna ( 24/10/2007 04:19)
steeeel:

Izay tokoa angamba ka.Rehefa manontany ny ankizy izahay dia hoy ry zareo hoe tsy tonga tsara hono ny feeling raha tsy alefa mafy.Be anie ny olona marenina sy marary maso izao e? TV mafy sy mijery tsy mijanona eo am-potony eo.
8. ikaretsaka ( 25/10/2007 00:22)
marina io hoe polyphonic sy en relief io ny mozika!
ny ahy manokana aloha raha manao mozika ka amina band dia mila ilay hoe return, ahitana ireo feo na ny farany kely aza (feona triangle ohatra) , tsy heno ireny raha atao malemy ny feo,
sahirana ianao raha tsy henonao tsara ilay izy.. lasa misy delay rehefa ngezangeza ny salle, dia mila atao mafy
9. cutie ( 25/10/2007 00:26)
nihomehy za nahita an'le dinika, fa za manko mpihaino mozika mafy be :-D:-D:-D:-D
10. steeeel ( 25/10/2007 00:31)
Feeling = adrenaline, tian'ny tanora tokoa io adrenaline io!
11. niryna ( 25/10/2007 17:21)
:P misaotra betsaka steeel a
12. niryna ( 25/10/2007 17:22)
cutie:

nihomehy za nahita an'le dinika, fa za manko mpihaino mozika mafy be :-D:-D:-D:-D

mba tantarao ahy hoe ny feeling ndry cutie !

13. xxx ( 25/10/2007 17:51)
@ zao fotoana za tena mihaino mozika mafy be mitsy :-D sady mamaly forum:-D
Ny feeling ve ?? miaraka @ le mozika :lol: tsy misy zavatra hafa henoko afa-tsy ny mozika ihany :)
14. cutie ( 25/10/2007 17:56)
za ihany io xxx io ry nirina sao fanina njy :-D
15. LazaDaddy ( 26/10/2007 03:34)
cutie:
nihomehy za nahita an'le dinika, fa za manko mpihaino mozika mafy be :-D:-D:-D:-D
manala tai-tsofina?

16. Herimiafina ( 26/10/2007 03:55)
Ireo nareo mitsam ireo an! Ampihainoy mozika hono izy ry cutie an! =))
17. niryna ( 26/10/2007 04:20)
xxx:

@ zao fotoana za tena mihaino mozika mafy be mitsy :-D sady mamaly forum:-D
Ny feeling ve ?? miaraka @ le mozika :lol: tsy misy zavatra hafa henoko afa-tsy ny mozika ihany :)

cutie a tsy nijery ny anarandry teo ambany aho fa tsy fantatro fotsiny hoe i cutie io xxx io ka indry tokony.
18. niryna ( 26/10/2007 04:25)
Izaho indray mihaino mozika any am-piasako fa mitondra ilay fanampenana sofina fampiasan'ny mpitifitra basy ireny aho dia tsy misy henoko ny feo manodidina ahy afatsy ny hirako irery.Maheno olona aho rehefa miresaka na miantso fa ny feo rehetra dia tsy maheno.Tsy mino hianareo raha ilazaiko fa eo anelanelan'ny 0-1 ny volume andefasako ny mp3-ko na radio na ipod-ko.1-2 izany tena avobe amiko.
19. Herimiafina ( 26/10/2007 04:46)
Mbola sensibla tsara izany ny sofin'i niryna raha izany. Tezao tsara ny sofina fa saro-pady, ny pygmee izao maheno bitsibitsika amin,ny halavirana mitovy ny halavan'ny terrain de foot iray.
Ary nareo ve mahay mamantatra feo-mbasy, ireny mpisoko dahalo any atsimo ireny mahafantatra raha vao misy poa-basy hoe i anona na i anona izay nitifitra izay! :^):@
20. cutie ( 26/10/2007 12:52)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 26-10-2007 06:25:08
Lohateny : Re : Inona no antony hihainoan'ny tanora hira mafy be?
Izaho indray mihaino mozika any am-piasako fa mitondra ilay fanampenana sofina fampiasan'ny mpitifitra basy ireny aho dia tsy misy henoko ny feo manodidina ahy afatsy ny hirako irery.Maheno olona aho rehefa miresaka na miantso fa ny feo rehetra dia tsy maheno.Tsy mino hianareo raha ilazaiko fa eo anelanelan'ny 0-1 ny volume andefasako ny mp3-ko na radio na ipod-ko.1-2 izany tena avobe amiko

ka ny ahy koa nge manisy casque e
tsy mety raha alefa @ zao sao taitra eo daholo ny oul misy bal nga :-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1524